kabary

21. ikaretsaka ( 24/04/2004 19:56)
alefaso ary...
ahoana ny drafitra ary ohatra .. dia ny azo atao sy tsy azo atao raha atao hoe handeha hiseho voalonany any an-tranon'ilay ho rafozaninao ianao..
22. booboo ( 24/04/2004 20:14)
Tsy maika lôtra ve ikaretsaka zany ? F'angah moa tsy ilay inona no atao oe kabary ... aloha ?
23. pitchou ( 25/04/2004 16:25)
peluche> tsy mbola nanomboka ka!
24. jhouhlambout ( 25/04/2004 16:29)
Ka mbola mapiditra ny resaka aloha zay vao mampiditra ny kabary zay vao miroso @ kabary zay vao mandeha ny kabary dia zay vao mampiditra ny teny fampidirana dia zay vao tohizina @ votoatiny avy eo lasa kabary ho azy .......
25. naritsimba ( 26/04/2004 12:34)
salama daholo eh!
Aza dia maika loatra fa raha vao mahazo filazana avy any @ Hery aho dia tonga dia atomboka ny fampianarana. ikaretsaka izany efa maika nefa ny tokonana tsy afaka koa ny rindrina no anihina.
Ny manatitra ro-patsa sy ny tso-drano isan-karazany aza mbola tsy hay dia andeha hiseho sy hangata-bady sahady.
Izay izany fa mino aho fa tsy hiandry ela akory isika.
26. xxx ( 26/04/2004 17:10)
Ka ela loatra ilay izy klongany eh
27. ikaretsaka ( 26/04/2004 22:16)
ka arakarak'ilay trangan-javatra miseho ko.. sady manambady ange aloha vao miteraka e
28. naritsimba ( 27/04/2004 05:27)
Salama daholo eh!
Rehefa natao ny fandaminana dia alefako any @ Hery ny lesona dia izy no mandefa azy, koa raha tsy misy ny olana dia @ herinandro ambony io no hanombohana raha sitrapon'Andriamanitra.
Koa dia didy maso asiam-panafody io e! maharetà fa hanana ny soa.
Dia misaotra mialoha ho an'izay vonona.
Ny angatahiko fotsiny dia izao isika eto Tana dia tsy maintsy manao fampiharana isaky ny mahavita Tapany iray raha tsy izany dia ho sahirana isika rehefa tena hitondra teny @ fotoana samihafa
29. booboo ( 27/04/2004 12:25)
misaotra anao koa ô !
30. ikaretsaka ( 28/04/2004 03:16)
aleo miondankena toy izay miondanteny fa dia efa miandry e
31. fijo ( 28/04/2004 04:40)
misaotra ny fahavononan'ny rehetra e.dia tsy hovery anie ilay kolontsaina malagasy
32. ikaretsaka ( 28/04/2004 20:29)
dia ampianaro teny gays koa ny ankizy
33. jhouhlambout ( 29/04/2004 06:24)
teny inona?
34. pitchou ( 29/04/2004 18:09)
tsipelina diso re tsy mba kabary e!
35. fijo ( 29/04/2004 22:00)
ela wa rajhouhl mba hendry fa aza mananihany.
36. jhouhlambout ( 30/04/2004 14:44)
Ka mba nanitikitika ny saiko ilay teny, kanefa na faute de frappe aza dia toa hafahafa ihany ...
:-)
37. pitchou ( 02/05/2004 16:57)
aza mba diso fiteny kely na nivadi-dela kely ato fa d tsy avelan'ny sasany handalo fotsiny mihitsy
38. tsounie ( 03/05/2004 08:40)
Naritsimba o! mba ataovy haingana moa ny fampianarana fa dia ho lany tsiro ampitsiriritana ihany izy ity no hiafarany
39. fijo ( 04/05/2004 00:04)
mahareta kely fa hiroso isika e.
40. naritsimba ( 07/05/2004 09:37)
@ Alatsinainy aho mandefa ny lesona any @ HERY fa aza dia maika na dodona foana eh!
maika be fa dia izay izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6741