kabary

61. naritsimba ( 03/06/2004 06:17)
Salama eh!
Marina tokoa ny teninao ny momba ilay boky kely, manana izahay sady tsy lafo akory fa saingy ny fanontana azy no olana eo aminay dia aleonay zarazaraina maromaro mba ahafahan'ny mpianatra rehetra manana azy io.
Dia ho hita eo izany ny tohiny eh!
62. pitchou ( 03/06/2004 19:48)
iza avy ary aloha no vonona ny eto tana? d ahoana ny fotoana @ i naritsimba?
63. fijo ( 09/06/2004 03:16)
dia ahoana ilay hoan'ny aty ampita.anontaniana an'i hery ve?
64. naritsimba ( 09/06/2004 09:08)
Ny inona no tena tiany fijo ho fantatra?
65. fijo ( 23/06/2004 23:18)
azafady fa izao vao tafandalo tato indray.ny momba ilay lesona no tiako hanontaniana ka.
66. naritsimba ( 24/06/2004 11:25)
salama eh!
efa any amin'ny hery daholo ny lesona rehetra dia anjarany no mandefa azy any aminareo izay te-hianatra. Tsy maintsy par correspondance izany no anaovana azy fa dia anontanio i hery eh!
misaotra eh!

67. mcfy ( 25/06/2004 13:54)
Misaotra an'i Fijo nitarika ny hevitra ary mankasitraka an'i Naritsimba nanatontosa. Mahaleova malasàna @ atao rehetra fa mahalianany fomba hitondran'i Naritsimba ny fomba hitaizana ny fomba gasy.
Ny aty koa MaKaFy
68. bichette ( 25/06/2004 14:17)
mankasitraka e
69. fijo ( 06/07/2004 23:32)
misaotra betsaka e.
70. naritsimba ( 21/07/2004 09:14)
Dia faly miarahaba antsika namana rehetra.
Araky ny hitantsika sy nosoratan'ny hery dia efa natoron'i Hery ny toerana ahitana ilay lesona Kabary koa dia mazotoa ary mianatra daholo eh!
mino aho fa dia tsy intsony izany namana ato @ serasera izany no tsy hahay handaha-teny afaka fotoana vitsivitsy aleo ataoko hoe amin'ny taona hoavy io dia efa samy mahay mikabary daholo isika rehetra na io kabary an-karatsiana na io kabary am-panambadiana na kabary an-danonana samy hafa. Aoka kosa anefa mba samy hampitombo fahaizana fa tsy hanao tsianjery izay zavatra hita ao anaty lesona, fa mba hikarokaroka indrindra eo amin'ny OHABOLANA sy ny HAI-TENY samy hafa, nefa kosa na mamorona aza aoka tsy hiteniteny foana.
Misaotra antsika rehetra eh!
71. kitjo ( 21/07/2004 17:46)
Misaotra Naritsimba an!
Tokony ampanarahina ny toe-trandro marina ange izy ireny e!
tsy ilay tantara valamaty be mampatory ireny fa atao @fomba malagasy mihitsy sy fiteny malagasy tsy misy fangarony kanefa ny ohabolana sns mba atao mifanaraka @ toe-trandro ary atao "natoraly" sy miaina ilay kabary!

72. ras27f ( 15/09/2015 06:16)
salama daholo....fanotaniana kely....
misy afaka manome rafitry ny kabary an-karatsiana ve isika ato azafady??
misaotra mialoha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6818