règles vachement douloureuses !

1. booboo ( 20/04/2004 11:54)
inona no mahatonga an'izany kay ?
novalian'i gandy ny 02/07/2004 09:14
2. oully ( 20/04/2004 13:00)
eny ho'ah, tô problème-na hormone hono izy io.
3. ramoul ( 20/04/2004 13:12)
Tena sur amin' izany ve ianao ry ouly?
4. oully ( 20/04/2004 13:39)
tsy sur zà matoa nanao hoe: "tô..."
5. rfanjav ( 20/04/2004 13:43)
fa d tena mampijaly io a ! miferin'aina mihitsy rehefa hoe ho avy indray ny règles !
6. hendry ( 20/04/2004 13:48)
Dokotera iray zay no nilaza fa tery loatra hono ny lalana no mahatonga ny règles harary be ka ny solution tsotra indrindra hoy izy dia
1. misotro rano mahamay rehefa règles mba hampitsonika ny rà mivaingana ka hampandeha azy tsara sady mila mihetsiketsika mba hampafana ny vatana fa tsy mipetrapetra-poana. Rehefa tsy mandaitra aminao io dia
2. misy comprimés manamaivana ny douleur saingy zaho aloha tsy miditra @ ilay resaka comprimés satria TOA misy fiantraikany ratsy hono izy io sady raha vao zatra an´iny enao nefa tsy mihinana dia vao maika pire. Ny olana iray koa dia ohatran´ny paompy vaky raha vao mihinana ilay comprimé.

7. nananie ( 20/04/2004 14:25)
Hendry, za efa nihinana comprimé t@ vao nisy règle voalohany satria tena nijaly, fa izao za zao tsy misy olana mihintsy.Nurofen no noraisiko taloha.Marina fa ndrindray mbola marary fa angamba isakin'ny 4 mois eo.
Fa ny mahagaga dia le hoe tery le làlana. Dia possible ve zany hoe tery dia avy eo malalaka sns.
8. oully ( 20/04/2004 14:53)
Ary ahoana indray ny amin'ireny règles ela be ireny vao tonga? misy hatramin'ny efa-bolana na dimy volana tsy tonga ihany na koa herinandro na tapa-bola mandeha foana? Nefa sady tsy bevohoka no tsy nanala zaza an. Misy aza tsy mbola nanao firaisana mihitsy ....
9. tsounie ( 20/04/2004 14:59)
za koa nanao toa zany fa mety ho marina le hoe tery satria nony nanambady aho zany hoe tsy vierge intsony de afaka ilay marary
10. booboo ( 20/04/2004 15:05)
Tsy dé sure an'izany indray zà satria ny mamako na afa niteraka ara hatr@ izao mbola voa an'io foana !
11. booboo ( 20/04/2004 15:55)
tsy haiko fa fantatro fotsiny hoe samy gli dé izay !
12. nananie ( 21/04/2004 09:51)
Fa danz be refa mararay an! Ny ahy zany hoe tsindraindray izany.Oh hoe 3 mois tsy marary, di 4° marary fa mila ho safotra mintsy!
13. booboo ( 21/04/2004 13:27)
sambatra nananie fa tsindraindray !
!
14. ari.malala ( 21/04/2004 13:31)
za koa tratran'io, fa tsy hitako hoe inona ny fanafodiny! za aza efa niteraka fa mbola tena mila ho safaotra ihany! surtout moa miampy an'ilay aretina hafa ao @ sujet hafa ao ilay dystrophie ovarienne! tena doublé ny douleur!
15. booboo ( 21/04/2004 16:45)
misy an'ilay notenene'i hendry io ny sasany.
Fa ny ahy ny tiako ho fantarina raha misy mahalala dé ny antony mamparary be azy. Efa nanao échographie zà de efa nankany @ gynéco koa fa ao tsara daholo hono.
16. oully ( 22/04/2004 12:27)
Ka ilay zatra fanafody koa anie tena tsy mamely ry ramaso eh
17. nananie ( 22/04/2004 12:36)
Fa io koa ange tsy hajanona tampoka e! Mihinana fanafody, dia ajanona moramora avy eo. Ny ahy ôtr'izany t@ talou, dia tsy nanin tsony. Nony tonga teto France za vao niverina narary fa ndraindray ihany.
Dia misy namako izay indray, nijaly fôna izy tany dago, fa nony tonga taty izy dia tsinan'in tsony.
Resaka environnement koa io angamba.
18. ari.malala ( 22/04/2004 13:25)
manjary manana dépendance raha vao mihinana ko! tsaratsara manao traitement hormonale, nefa arakarak'izay tenenin' dokoteranao ihany.
19. booboo ( 22/04/2004 13:40)
efa nanao zà de najanona fa tsy misy fiovany mihitsy !
20. oully ( 23/04/2004 13:26)
Ny ahy koa aloha efa nasesiko daholo ity karazana analyse sy traitement ity tany Dago fa mbola mitohy ihany na hatraty aza. Nifluril na spasfon no natoron'ny olona ahy tany Dago dia nampiasa foana zà. Fa nony tonga taty dia nisy namako hafa niteny hoe tsy tokony ho zatra fanafody fa rehefa avy miteraka afaka eo ihany. Dia nanatona gynéco indray zà taty dia tokony manao analyse sy traitement indray hono, sns ... Dia leo zà nony farany.
Tatazana fotsiny izay mitranga eo ka ekena fa toe-batana io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3114