film gasy

1. peluche ( 20/04/2004 09:33)
inona ny film gasy efa hitanareo?na @ teny gasy na teny hafa.
novalian'i gasitiako ny 29/09/2005 05:17
2. hery ( 20/04/2004 10:52)
Tsara tokoa raha mba nisy fitehirizana an'ireny film malagasy ireny.

Nisy ny nalaza ary misy ny amin'izao fotoana izao izay manenjika isa ny ankamaroany.

Atomboko amin'ny
"Ilo Tsy very" Tantaran'ny 1947
3. ravatorano ( 20/04/2004 11:26)
mba tsy hitenenanan hoe efa hitako dhl na ananako ny vcd n ny ankamaroan ny fim malagasy afatsy ireo tantara mitohy na feuilleton moa izany.
Sorona izao no feuilleton malagasy novokarina farany ary mandeha nanomboka omaly tao amin ny
TV Plus amin ny 7 ora hariva.
Ny comedie no genre film gasy tiako aloha na dia mbola tsy lavorary azany le izy fa hita kosa fa efa manao fihezahana betsa ny mpilalao toa an dry goth,francis, ry fou hehy,sns.....nefa anie ry zalah ireo toa tsy mba nanao fianarana momba ny teatra na komediy e
Fanasina no tantara mitohy malagasy natao film ka hitako hoe tsara eo amin ny lafiny ara fanatontosana sy ny eo amin ny mpilalao izay milaza ho matihanina moa nefa toa tsy dia izay loatra le izy satria tsy mahavelona ny mpilalao sarimihetsika mlagasy ny vokatra ara pilm.
Tadidio koa fa misy ny film x eto ary efa niresaka tao amin ny rta mihitsy le ranamana mpamokatra azy io ary dia nilaza izy fa tena bizina vetivety io satria mora ny saran ny mpilalao ,fa ny fitaovana indray aza no manahirana.Version vcd dhl ireo.
4. miranto ( 20/04/2004 11:41)
hevitra tsara mihintsy izany nisy film gasy izay t@ za mbola kely no hitako t@ tvm izy io de ilay boky nodorana nefa tsy levona angamba ny titre an'izy izay tsy mba mandeha intsony izy io fa efa nanjavona sa ahoana mahafinaritra anefa io tantara io misy ilay olona nakodidia avy eny ambony nakaty mahamasina sy ny olona nodorana fa tsy nety niova t@ heviny fa de lasa aiza ireny
5. donemaskit ( 20/04/2004 13:31)
Vato mandoro no nojerevako farany, tsy ao mints ilay izy, dia tsy nijery intsony ah avy eo...
6. hendry ( 20/04/2004 13:53)
Ny ahy ilay film somary vaovao tonta tsy haiko ny milaza aza mpandeha tao @ ritz sy rex no nojereko efa volana maromaro lasa zay saingy tsy tadidiko ny titre, toy ny
nolalaovin-dry Unik, ry Marco sy Gerard sy ny tariny.
Misy mahatadidy ve ny titre´n´ireny film reny?
7. beko ( 20/04/2004 16:22)
ny ahy le JAMINA iny no hitako fa tsy dia azo atao hoe ratsy na dia eo aza ny tsy de mbola maha pro ny gasy amin io resaka io
8. xxx ( 20/04/2004 16:40)
efa misy ezaka kosa fa za tonga de manao hoe tsy ao e!! fa eo @ lafin'ny scenario no hitako mbola tena faible be mihitsy e!! ny effets speciaux moa tsy lazaina intsony e!! ny fitaovana angamba no tsy ampy e!!! mbola ho avy ilay maraina e!!
9. sipagasy ( 20/04/2004 17:05)
Io ilay hoe " aza mba manary toky é! "
10. peluche ( 24/04/2004 12:35)
tsy mbola nahita mantsy aho na iray aza,nefa te-hahita.Iza no tsara jerena hoy nareo?
11. beko ( 26/04/2004 21:42)
le somary mampihomehy ireny jerena , avec Noely kely ohatra dia mba takona ny tsy fahaizan izareo milalao fa raha hoe film d amour dia 10mn ianao dia leo fa mandreraka be na ny mihaino sy mijery azy aza . Izaho aloha 1 ihany no nojereko dia leo be aho nefa mba nitondra 3 avy any hoe hanalana azy aty . Jamina akia jerena an !
12. xxx ( 03/05/2004 00:09)
film X gasy ihany no milay ry reto an
13. nananie ( 03/05/2004 15:10)
hita marina fa xxx no miteny.

Ny ahy Tabataba no efa hitako fe efa taolo be.
14. tenio ( 03/05/2004 15:38)
Izaho efa nahita be dia be.
15. tatavy ( 04/05/2004 01:30)
miala tsiny fa basy atifi kavana izty
tssy asiana hypocrisie
franchement, les films malgaches sont plus que nulles !!!!
il leur faut combien de mois pour réaliser un film, au maximum un an ?
même les américains, ou européens, ne réussit pas un tel exploits mais vu le résultat, c naze
16. donemaskit ( 04/05/2004 12:22)
akory hatao e !
Enga anie mba hamoaka film tsara isika any aoriana any, mba miala @lé gidragidra style Van Damme...
17. mumu ( 04/05/2004 12:27)
mba naita 3 za ngamba fa de mitovitivy daolo, resabola fona ny iray manana ny iray tsy manana de mifampialona de miady... ! tsy aiko alou tsy naita afatsy 3 za fa mety hisy ngamba ny hafa??,
18. aly ( 07/07/2004 20:13)
Izaho dia nahita film gasy tokoa saingy diso fanantenana aho satria resak karaté fontsiny fa aleo aiza mihaina radio.
Mila hezaka be fa tsy mbola ao e. Iazy film mivoka dia vonjy tavan'andro fontsiny, na dia vedety gasy toa nan'iry bodo aza no milalao.
19. gasitiako ( 10/08/2004 09:38)
anisan'ny zava-baovao mila trandrahana eto @ tanana io, afaka avoitra eo ny mahakanto ny kanto vokarin'ny gasy, kanto tena malagasy, tsy nisy nahay hatrany an-kibon-dreniny, fianarana daoly ny zava-drehetra fa ny finiavana hianatra sy hanatsara no zava-dehibe, za aloha mba anisan'ny mpilalao sarimihetsika malagasy, marina fa lesoka be eo @ fitaovana akory atao fa mbola mahantra e, mbola ho avy ilay maraina, anisan'ireo nilalao t@ Fanasina sy VIFANGA ary ny hafa koa ny tenako, efa mba nisy vitsivitsy angamba no nahita
FIVOARANA no TANJONA E
20. gasitiako ( 29/09/2005 05:17)
efa mitsangana izao ny association des acteurs et actrices miaraka @ maison de production eto @ tanana, mino marina za fa hitondra fiovana goavana ho an'ny sarimihetsika malagasy io, ary mba hanara-penitra sy ho matihanina @ izay satria tsy ho eto ihany no hivoaka fa hatrany ampitan'ny riaka rehetra any @ izao andron'ny fanontotolona izao, hisy izany ny fampiofanana na ho an'ny mpilalao na mpamokatra fa tsy izao bodo sy adala rehetra izao de hilalao sy hamokatra, manjary manimba ny imagen'ny sarimihetsika malagasy, ka io kosa aloha aza ampitahaina @ film vazaha fa ny an'ny gasy maha gasy azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2426