Adin'ny firy

1. oully ( 19/04/2004 13:16)
Mba adin'ny firy isan'andro ry reto no laninareo rehefa tafiditra eto amin'ny serasera: na forum, na chat, na namana, sns ...
novalian'i fijo ny 27/05/2004 23:45
2. voninkazokely ( 19/04/2004 14:02)
Adin'ny ........elaela ihany aloha é, arakarakin'ny hafatrin'ny namana valiana!
3. ramoul ( 19/04/2004 21:18)
maharitraritra ihany aloha é! tsy fantatro hoe adin'ny firy fa maharitra fotsiny
4. fijo ( 19/04/2004 23:38)
za matetika dia manomboka amin'ny 20h dia mijanona eo hoeo amin'ny 2h30 eo.
5. samoina ( 20/04/2004 07:13)
Ny ahy tsindraindray tsy vonoiko fa avelako mijery ahy matory ny ordi.
Andavan'andro indray raha eo aho d sady mihaino ny hira no mandalondalo mijery hafatra rehefa mbô misy e !
6. joda ( 20/04/2004 07:27)
en moyenne 20 min eo ho eo
7. oully ( 20/04/2004 09:11)
Zà ndray tena mamehy tena mihitsy rehefa tafiditra eto fa mila tsy ho tafavoaka intsony.
8. ikaretsaka ( 20/04/2004 11:24)
za tsy mihoatra ny 20 minutes fa izaho mivoaka miditra.. ohatra hoe eto 20 minutes dia sady manao zavatra hafa koa de elaela famaly
9. jhouhlambout ( 20/04/2004 12:41)
arakaraka ny fotoana malalaka
10. sipagasy ( 20/04/2004 17:00)
ka sarotra be ilay mamehy tena fa rehefa tafiditra ato dia rehefa mangirifiry sisa ny maso vao miala é!, mety ho adiny 5 indraindray tsy tapaka dia miala kely 2 ora indray dia miverina indray é! hi!hi!hi!
11. ravatorano ( 21/04/2004 07:18)
za raha vao tafiditra eto dia veloma zao tontolo izzao.tsy mahafehy tena zany e ! matetika no miditra eto aho amin ny fito maraina any ary tsy miala eto raha tsy amin ny enina sasany hariva fa mba mivoaka miditra aloha , izany hoe ny misakafo atoandro ihany za no tsy eto indrindra fa tsisy asa be izay na tsisy fivoriana matetika.
tena toy ny drogue zany ity internet ity amiko.Za zao maty ny connexion ko any ambovo dia mandeha cyber za rehefa tsy ato ampiasana(sabotsy sy alahady )
12. nananie ( 21/04/2004 11:00)
Mitovy isika. Lasa grave be le izy fa na dia hoe mbola misy devoara atao aza, dia mbola tafaverina eto ihany hafaka adin'iray!
13. imailaka ( 21/04/2004 15:44)
lasa môly izy zany an!!!!
dia ahoana zany raha any @ tany tsy misy na dia telefaonina akory?!!!
mety lbetsaka ihany ny ho lasa gaigy angmbany!!!!!
14. ikaretsaka ( 21/04/2004 18:23)
ka io ilay hoe .. tsy miala teo mihitsy aho ..raha toa mbola tamana
15. oully ( 21/04/2004 18:30)
Mazana bé ihany aloha rehefa tafiditra ato eh, indrindra raha mbola misy zavatra hafa tokony atao iny. Mahatamana ilay izy eh, zay sisa no teniko farany.
16. hery ( 22/04/2004 10:00)
Zah alou isaky ny manokatra ordi dia eto :) euh, normal ihany.
Ny serasera no tena mandany ny fotoanako ka mahabedy ahy indraindray amin'ny fianarana :)
Mahafinaritra ny mandany andro eto... indraindray amin'ny 2 maraina vao matory zahay sy ry mpiresaka mivantana isany.
17. nananie ( 22/04/2004 12:25)
@ 2 maraina aiza alou io fa misy le dékalazy dékalazy 'ty dia ny sasany efa matory zay vao mifoha hihihi! Tsy mihaona rahatsy demi-journée!
18. kally ( 22/04/2004 14:39)
Izaho isaky ny sorena sy tsy misy atao na tsy mahita tory dia eto aloha.Indraindray mandalo kely 5mn,indraindray adiny telo na efatra eo ihany,arakaraky ny fahalalahan'ny fotoana koa io e!
19. fijo ( 22/04/2004 22:50)
sady mibedy kely anay eto ihany i kally amin'io an.
20. hendry ( 23/04/2004 15:23)
adin´iray farafahakeliny, arakaraka, ndraindray mahatratra adin´ny telo, efatra, dimy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1853