iza no mino an 'i Jehovah ary iza no tsy mino ?

1. ravatorano ( 07/04/2004 08:48)
Misy namana nilaza fa Andriamanitra no inoany fa tsy Jehovah izany.Iza no afaka nanavaka na manome valiny mahafapo momba izany satria sao dia iray ihany ireo?
Mazotoa ary !
2. ravatorano ( 07/04/2004 11:42)
amitsika ireo diamisy ny fisian Andriamanitra fa tsy manaiky ny famonjen ny Zanany
Ray zanaka fanahy masina v tsy iray ihany ?
Mety hisy sahy hilaza v fa izao tontolo hitatsika zao dia tongatonga ho azy fa tsisy namorona ?
3. mtiana ( 07/04/2004 14:17)
Na Andriamanitra na Jehovah na Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina dia iray ihay (fa tsy afa-misaraka ny asany, izany hoe telo izay iray).
4. maretikely ( 07/04/2004 17:27)
F'iza no milaza amin'i Ramaso fa ny témoins ihany no miantso hoe Jehovah?
5. maretikely ( 07/04/2004 17:27)
F'iza no milaza amin'i Ramaso fa ny témoins ihany no miantso hoe Jehovah?
6. ikaretsaka ( 07/04/2004 19:47)
za aloha tsy miantso nefa tsy temoins e
7. kally ( 07/04/2004 21:32)
Ikaretsaka angamba tsinona katôlika dia manao Iaveh!
8. ikaretsaka ( 07/04/2004 21:38)
tsy haiko izany jehoba jehoba izany fa andriamanitra ny ahy ka
9. yonikafopl ( 07/04/2004 21:45)
Ny baibolin'ikaretsaka izany tsy misy Jehovah mihintsy ao anatiny?
10. ikaretsaka ( 08/04/2004 00:32)
ie .. tsisy..
11. ikaretsaka ( 08/04/2004 00:42)
na 1 aza
12. kitjo ( 08/04/2004 02:34)
aiza ko, ny fiteniny azy no mety samihafa
oh oe Jeso na Zezo d hilaza kosa v oe tsisy Jesosy anaty baiboly.

Jeovah sy Andriamanitra v tsy iray ihany ny olona tiany lazaina fa oh oe Ray, aba, Iaveh,....
Na oe Jesoa, Jesosy, NY Zanak'olona, Ny Zanaka,....

13. ahaj ( 08/04/2004 06:20)
Mba taiza hono no nahitan'i ramaso io bla bla be io?
Ny fijeriko dia tsy ny anarana loatra no mitondra azy fa ny finoana azy (tompo) ho iray ihany. Satria samy manana ny fiantsoany azy ny firenena tsirairay. Dieu, God, zanahary, Allah, Boudha, Makomba...
14. ravatorano ( 08/04/2004 06:26)
raha vakiana arabakiteny ny baiboly dia betsaka no ho very lavitra amizany ka izay no mahatonga ny tenako manontany fahazavana aminareo.
Mino ny fisian Atra aho fa tsy haiko ny manavaka ny Zanak 'Olona amin ny rainy izay lazaina hoew Andriamanitra Andriananahary
15. librepenseur ( 08/04/2004 07:45)
-Ny civilisation occidentale dia miantso hoe Dieu izay atao hoe Andriamanitra amin'ny teny Malagasy
-Ny civilisation mésopotamienne indray dia miantso hoe Yaweh ary mbola Andriamanitra ihany amin'ny teny Malagasy.
16. jhouhlambout ( 08/04/2004 08:10)
Tokana Izy fa samihafa ny fiantsoana azy.
ohatra:
Manahoana = Bonjour = Hello = Guten Tag = Salam = Buenos días = Shalom = Ohayô gozaimasu = Buongiorno = ....
17. tia_ery ( 08/04/2004 09:07)
Andriamanitra sy Jehovah ?

teny roa nentina niantsoana na koa nifaneraserana tamin'ilay TSITOHA ireo. Ny teny hoe Andriamanitra dia nentina nilazana an'ilay Andriamanitra nahary izao tontolo izao, ny zava-maniry, zava-mananaina na ny biby izany na koa ny olombelona. Andriamanitra ilay hifaneraseranao ary nentina niantsoana azy; fa na iza na iza tokoa dia afaka niantso, miantso sy hiantso azy. Fa Andriamanitry ny akaiky izy nefa koa Andriamanitry ny lavitra. (santionany izany ê!)

Fa ny teny hoe JEHOVAH kosa dia Andriamanitra ihany no tiana havohitra sy lazaina fa misy izay tena tiana ho tsindriana ao anatin'izany teny izany dia ilay ANDRIAMANITRA MANORINA NY FANEKENY . Ny ao ambadikin'ny hoe ''JEHOVAH'' dia tsarovy mandrakariva fa misy an'izay hoe FANEKENA na FIFANEKENA izay. Izay midika fa akaiky anao kokoa ilay JEHOVAH izay nanorina ny fanekeny raha tsy hilaza fa tsy ny teo amin'ny fiainanao tamin'ny nafoizany ny zanany ho sorona ho faty teo amin'ny hazofijaliana ho fampiavanana ahy sy ianao Aminy.

Sôtra ê!




18. nirijimka ( 08/04/2004 12:31)
fa iza no miteny aminareo anefa fa misy izany Jehova na Andriamanitra izany e!
hatramin'ny nahaolona ny olona no nitadiavany zavatra ho tompoina mba hampiononany ny tenany. ohatra: kelimalaza an'Andrianapoinimerina izay lazaina fatratra fa nandaitra de nadaitra, nefa tsy inons fa tapaka hazo nosikorina. ny finoana ny hoe rehefa mitifitra ny vazaha t@ raharaha 47 dia milaza hoe rano dia mivadika ho rano ny bala, ny Grec izay nanao an'ireo karazana Andriamaniny isankarazany ... ka iza no miteny anareo fa tsy mbola tena anarana sy finoana noforonina fotsiny ny hoe Jehova na Andriamanitra????
Amiko rehefa mino amin'ny fonao sy ny sainao amin'ny zavatra iray ianao dia manana hery anaty izay tsy hay azavana araka ny sciences ; ary izany indrindra no mahabetsaka ny secte eto amintsika satria izy ireny no mahay manandratra izay finoana ao anatin'ireo mpino ao aminy ka manjary mampatoky tena azy.
na Jehova na Andriamanitra, na iza na iza... rehefa tena inoanao izany dia marina sy mety avokoa!
mino izany ve ianao sa tsy, ary iza no inoanao...?
19. hendry ( 08/04/2004 12:42)
Raha azoko tsara anie ny problème´
ny sasany dia tsy hoe tsy fahaizana manavaka Iaveh na Andriamanitra sy ny sisa fa tsy fitiavana hampiasa ilay anarana tsy mahazatra azy. Na koa misy antokom-pivavahana tsy tiana dia tsy tiana ho heno koa sady tsy tiana ampiasaina ny fomba fiantsoan´izy ireo zay tompoiny.
Ny vahaolana dia samia mijanona @ zay tiany dia samy vita.
20. hendry ( 08/04/2004 12:47)
Iaveh sa Andriamanitra ?manavanana antsika gasy kokoa ny hoe Andriamanitra satria teny gasy mazava tsara, ilay Iaveh manko somary vazahazaha zany.
Iray ihany ve ireo sa samihafa? misy milaza fa Iaveh ihany no A/tra, ny fiantso azy fotsiny no samihafa. Misy ndray nefa antokom-
pivavahana sasany miteny fa ny tiana lazaina @ hoe Iaveh hono dia ny zanak´A/tra. Toa miovaova arakaraky ny fiangonana koa ilay izy raha ny fahalalako azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1359