iza no mino an 'i Jehovah ary iza no tsy mino ?

21. ikaretsaka ( 08/04/2004 15:08)
tsotra fotsiny.. fantaro aloha ny inoanao sy tsy inoanao.. hoa avy aiza.. fa maninona..
izay vao entimpo.. fa toa vao resapinoana manko de be doika be daholo
22. jhouhlambout ( 10/04/2004 16:38)
Satria io efa hatramin'izay mihintsy no miadiana hevitra ary niteraka ady matetika
23. voninkazokely ( 10/04/2004 20:41)
Izaho mino an'Andriamanitra c'est tout!
24. kitjo ( 11/04/2004 11:02)
zay manko
tsy misy tokony iadina zany io, fa ny ahy aloha d za mino fa voavonjy e, Passion of Christ d Paka zao, fa za mpanota an, fa tiany foana d efa vitan Jesosy ny mission,
Fa Andriamanitra Jeovah iany, Iaveh..... Oh io lazain jioul (08/04) io
Fa refa tsy mitovy hevitra amin io reska finoana io tsy tokony miady fa mifanaja fts e, Mifampiresaka ra afak miresaka fa refa tsy mety d mifanaja amin izao, d tano ny anao
25. ikaretsaka ( 11/04/2004 21:54)
fa misy mahamarina ilay lazain'i Ramaso ihany hoe fa maninona no hoe Yahveh fa/na tsy jehova na izay afaka iantsoina azy.. ny olana amintsika manko dia ilay tsy mahafantatra akory ny anton'ny inoany fa dia faly miteniteny fotsiny hoe maninona no manao an'izao ny antokompivavahana izao.. dia ny tokony ho ataontsika raha tena hoady hevitra momba ny fioana dia mifanontany hoe fa maninona ary no ohatran'izao ilay izy fa tsy ohatran'izao fa tsy hoe ny anay zao satria voalaza ao @ bokin'izao.. jereo koa hoe fa maninona o voalaza ao amin'io boky io sy ny heviny rehetra zay vao maninona
26. kitjo ( 12/04/2004 16:30)
Eny e,zavatra tsy fantatra ve inoana e,
kanefa kosa tsy ho fantatrao koa io ra tsy vakinao satria tsika tsy nisy niaina t@zany na iray aza, fa soratra mipetraka aby no raisina.

Eritrereto fts oe sinoa nanana ny finoany tany ohatra,d lasa kristianina, fomba ahoana ary ozy enao no inoany anzany,na enao zao ary asaina mivavaka amin Boudha?Kanefa tsy reny h@zay niainany le izy, fa fantany aloha zay vao mino izy.

Izany tsy midika oe zay mahavaky baiboly manontolo no voavonjy,na oe zay mahay antoko sy andininy tsianjery refa miresaka, fa za ngamba no very voalohany ra zay.

Fa araka2 ny hamakianao an'io no hahalalanao izay lazainy,refa azonao ny dikany fa tsy oe atao tsianjery akory,
Eo ndray no mipetraka ilay oe ilaina ny mandeha mianatra baiboly na mihaino toriteny satria mety tsy ho takatrao ny dikan le izy,fa nisy olona nianatra manokana,
27. ikaretsaka ( 12/04/2004 22:15)
ka raha tsy fantatrao akory hoe iza no nanoratra io boky vakianao io dia hanaa olana kely ihany ianao... mbola tsy tratran'ilay mampianatra kayesizy manko ianareo dia hozy ilay sipakely 9 taona ngamba iny hoe i matio izany ve hono andriamanitra satria ny baiboly bokin'andriamanitra dia andriamanitra no nanoratra azy
28. xxx ( 13/04/2004 02:33)
Io anie ohatran'ilay olona nilaza hoe za tsy hanambady medecin fa hanambady dokotera eh
29. ikaretsaka ( 13/04/2004 02:43)
ka mety docteur en filozofie ilay izy ange e fa tsy docteur mpitsabo e
30. nirijimka ( 14/04/2004 07:46)
ny fehiny dia hoe na yaveh ,na jehova ,na Andriamanitra, eny na anarana sy finoana hafa mihitsy aza. ny marina dia rehefa mino ianao dia fantaro izay tianao inoana fa aza dia mino be fatany fotsiny eo! nefa aza be fanontaniana ihany koa satria domaine du Metaphysique io:" encore et restera inexplicable". samy mitana ny finoany ary aza haratsiana ihany koa ny an'ny hafa fa tsy misy na izay aza afaka manamarina tanteraka fa izay inoany no tena marina
31. yonikafopl ( 14/04/2004 20:47)
Tsotra ry reto a!Tano mafy izay inoanao( anananao ) mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
Tsy hijery sy hanenjika izay hinoan'ny sasany aho fa ny hahamasaka ny finoako no ataoko, satria izaho ihany no ho avotra na ho very @ izay hinoako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1664