iza no atao hoe hova?

1. hendry ( 05/04/2004 11:32)
Misy milaza hoe ny hova hono dia teny entina ilazana ny andriana ihany. Misy ndray nefa milaza hoe olona anelanelan´ny andriana sy andevo hono ny hova. Dia misy koa milaza fa ny merina hono no atao hoe hova. Dia naheno koa nefa aho hoe ny betsileo sy merina hono no hova. Fa inona marina ilay hova e?
novalian'i fijo ny 20/05/2004 22:23
2. lovanifitia ( 05/04/2004 12:30)
ny hova amiko dia karazana olona andriana anefa nanambady tsy andriana
3. ravatorano ( 05/04/2004 13:14)
raha araky ny voalaza ao amin ny tantaran ny andriana aloha dia lazaina hoe hova ny tsy andriana izany hoe tsy taranaky ny mpanjaka toa ny tariky ry Andriatsilavo (Andafiavaratra ) izany
Misy koa anefa milaza fa taloha tany amin ny Betsileo dia natao hoe hova ny tsy andriana tsy andevo ilay eo anelanelany e.Tsy dia haiko loatra ny momba ilay hoe nanambady andriana nefa tsy andriana ka tsy mirorona v izany ? sa moa ny andriana manambady andevo ihany no lazaina fa mirorona?
de ahoana koa izany ny tsindry fe sy ny mpanafana fandriana izay nanana ny andraikiny lehibe tamin ny andron ' Andrianampoinimerina sy Radama , Ranavalona 1...
4. joda ( 05/04/2004 13:37)
io nolazain'i ravatorano io no izy
5. ikaretsaka ( 05/04/2004 13:50)
ny hova no atao hoe gasy fetsy indrindra
6. fijo ( 05/04/2004 23:37)
ny hova dia sady tsy andriana no tsy andevo.ny nampiavaka azy dia izy ohatra nadoa hetra fa ny andevo tsy mba nandoha an'izany satria fananan'andriana.nisy anefa hova tena naranitsaina toan dry rainilaiarivony,rabehaja(rain'i radama ll)
ary ny hova koa dia tena nahay nivarotra sy nahay nanararaotra ny vahiny mba nianarany zavatra.ka izay no nilazana hoe fetsy izy.(toa andry rdilfera) avy amin'ny teny anglisy hoe "deal fair" satria nikolay ny anglisy niady hevitra taminy.
7. ralipo ( 06/04/2004 04:06)
Bravo! Mahay tantara daholo an!
Marina daholo ireo satria ny fanjakana Merina sy Betsilao no tena nisy io saranga "Hova" io araka ny voalazan-dRavato.
8. ravatorano ( 06/04/2004 12:33)
marina tokoa fa ny hova mandoa hetra afa sty ireo izay nanana toerana ambony (praiminisitra na minisitra) fa ny andevo dia tsy mandoa fa fananan ny andriana.Asa raha mba efa nisy namaky ilay boky nosoratan Idealisoa hoe Kintana mainty fa tena voafaritra ao anatin io mihitsy ilay tena tiana ho valiana eto momba ny hova sy andriana satria nisy kofa roalahy taloha tany amin ny andron ny mpanjaka tany niady joba de teo no nanomboka ny zistoara be.........
9. ikaretsaka ( 06/04/2004 18:08)
iee. t@ mbol aterm no mpamaky an'ireny.. fa ireny hao tokony mba atao online ihany indraindray mba jeren'ny olona aty afara e
10. fijo ( 06/04/2004 22:21)
raha misy mahavita azy amin'ny net dia isaorana be mihintsy.
efa nahitsin'i ravatorano fa tsy RABEHAJA ny rain'i radama ll fa ANDRIAMIHAJA;
izaho dia mbola mikaroka foana momba io tantaran'andriana io ary henoko fa nisy boky vao nivoaka any mada fa asa raha efa nisy nahazo.
11. ikaretsaka ( 07/04/2004 01:50)
atsy marihian fa tsy voatery ny andriana ihany no mamaky sy mandinika ireny fa izay liana rehetra
12. ravatorano ( 07/04/2004 08:10)
maro amin ireo tantara taloha voarakitra ara boky koa anie no misy fifanoherana ihany eo amin ny daty sy ny toerana ary ny ny ooll e.
RyCallet sy ny namany mantsy raha tonga teto dia ny lovantsofina no niaingany fa tsy niaina tamin ny vaninandro na ilay fotoana niaingan ny tantara izy.Toy izany koa ireo mpanoratra taty aoriana.
Tena tsara raha vita online marina ireny fa mbola ezaka lava be nefa izany.Marina koa ny hoe ny oll rehetra no mamaky an ireny fa tsy ny andriana ihany satria mikasika ny tantara pirenena mlgsy izany
13. hendry ( 08/04/2004 13:23)
Tsy mazava. Hoy nareo hoe ny mampiavaka azy @ andevo dia noho izy mandoa hetra. Raha azoko tsara zany dia "andevo" ihany ny hova fa andevo fetsifetsy na nahita lalana a?
Raha tsy zany, ahoana ary no nahatonga azy ho hova? sa andriana nanambady andevo dia lasa antenantenany araky ny lazainareo hoe sady tsy andriana no tsy andevo?
14. hendry ( 08/04/2004 13:25)
Dia ny tsy azoko koa dia ity:
misy boky zay, ialana tsiny fa tsy tadidiko ny lohateniny, milaza fa ny merina indrindra indrindra (ny betsileo koa ndraindray) no antsoina hoe hova. Dia lasa tsy haiko ntsony hoe saranga toy ny maha andriana na maha andevo ihany ve ilay hova sa anarana hafa mihitsy e?
15. fijo ( 08/04/2004 21:51)
tsara ilay fanamarihana fa ny rehetra dia tokony hanaraka ny tantara fa tsy handoro rova avy eo.
hendry> ny mampiavaka azy roa ireo dia izao.
-ny andevo taloha dia FANANAN'NY andriana.
-ny hova tsy fananan'ny andriana ka dia nampandohavina hetra.olona nalalaka ny hova,izanyhoe hafaka nanao ny asa tiany.fa tsy hoe nandrorona ny andriana dia lasa hova
16. fijo ( 08/04/2004 21:53)
diso be ny filazana fa ny merina na ny betsileo no antsoina hoe hova.sarangan'olona tao antin'ny merina ny hova fa tsy izy rehetra.ny andevo koa dia aza hadino fa merina ary hafaka miteny izany tsara.
17. sejianis ( 09/04/2004 13:37)
raha ny tena marina dia tany am-boalohany dia kilasin'olona faha3 taorian'ny zazamarolahy(taranaka nifidianana izany mety ho lasa mpanjaka) sy ny andriana ny hova.
Taty aoriana dia niantsoan'Andriamihaja ny Merina rehatra ny Hova, rehefa niteny tamin'Ilaidama izy mba tsy hikatsaka afa-tsy izay mahasoa ny Merina, ka natnsoina hoe vadin-Ilaidama ny Merina dia Hova izany.
Taty aoriana dia lasa fiantso ny Merina ny Hova ary nivadika hoe Zazahova ny Kilasy fahatelo.Ny tarik'Andriantsilavo dia zazamarolahy, ny hafa dia Andriana
18. ikaretsaka ( 09/04/2004 22:34)
zay koa no tena henoko
19. fijo ( 13/04/2004 23:51)
misy fahamarinanay io voalaza io
20. sejianis ( 14/04/2004 13:55)
mba omeo patiny @ ny hahitana izany boky izany aho hoe ry ramaso stp?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8749