iza no atao hoe hova?

21. fijo ( 15/04/2004 04:47)
marina tokoa fa tena sarotra izao ny mitady ny boky tsara toa ireny.
22. hendry ( 15/04/2004 15:30)
ramaso> misy tokoa ve zany? tsy mbola nahita sy naheno momba zany boky zany aho. Tsara ho fantatra.
23. hendry ( 15/04/2004 15:35)
Ny andevo fananan´ny andriana ireo ve nalaina avy @ hova zany? Zany hoe kilasy roa zany aloha no nisy dia ny andriana sy ny hova. Avy eo ny hova nalain´ny andriana ho fananany lasa hova?
Fijo> "sarangan'olona tao anatin'ny merina ny hova fa tsy izy rehetra.ny andevo koa dia aza hadino fa merina"
Araky ny hevitr´i Fijo zany dia tao @ foko merina ihany no nisy hova? Toy izany koa ny andevo?
24. ikaretsaka ( 15/04/2004 22:32)
Jereo tranombokim-pirenena.. na boky tonta.. toa lany edition fa vao manonta vaovao ry zareo
25. fijo ( 15/04/2004 23:33)
ny hova dia tao imerina ihany,fa ny andevo samy nanana ny tany nisy andriana.
26. hendry ( 17/04/2004 11:35)
Hay ve e! Nefa henoko fa any Fandriana koa misy hova.
27. ikaretsaka ( 18/04/2004 00:43)
hie satria voairaka nampandry tany tany
28. xxx ( 19/04/2004 19:11)
izao ny fahendrena no an'ny andriana, ny fahaizana ny an'ny hova ary ny hery no an'ny andevo, hoy Andrianampoinimerina
29. fijo ( 19/04/2004 23:05)
na mandeha mampandry tany aza izy dia andriana foana ka.ny hova sy ny andevo ary ny andriana dia klasy eo amin'ny fiaraha monina,ka tsy miova io na mankaiza na mankaiza,fa ny hova kosa dia azo hasondrotra ho andriana,ary ny andevo dia azo omena fahafahana.
30. hendry ( 20/04/2004 14:13)
xxxx> Ka samy ratsy daholo anie zany na andriana na hova na andevo e, satria raha manam-pahaizana aza ny hova ka tsy ampy fahendrena dia hitondra ho aiza ilay fahaizana? raha manana fahendrena aza ny andriana nefa dondrona tsy mahay n´inon´
inona dia ho aiza? Raha be hery aza ny andevo nefa tsisy fahendrena sy fahaizana dia hery @ inona?
31. xxx ( 20/04/2004 15:33)
fomba fandrindrana asa sy ny fiaraha-monina izany ry Hendry raha toa ka tsy dia afaka mandalina firy ianao dia jereo ao @ hopitaly fa misy ny Profesora izay mandrindra sy manao ny fanapahana farany, ny dokotera no tompon'ny fahaizana amin'ny fitiliana, ny infirmiera ary ny anestezista no mpiandraikitra ny tsindrona sy ny fanoratana.
Rehefa any am-piasana dia tsy ny rehetra no sefo fa izay mahay no sefo. Ny patron dia tsy izay rehetra manam-bola fa izay mahay mitantana. Ny Mpiasa dia ireo mpampiasa ny sainy sy ny vatany hamokarana.
Mba mianara vao miteny fa mahamenatra be
32. fijo ( 20/04/2004 23:18)
tsy hoe samy ratsy ry hendry fa mifameno.ka amin'izay dia izay misaina no mitondra
33. petaka ( 16/05/2004 10:20)
ity misy fijery fanampiny momba ity hova ity. tany amboalohany dia nisy ny mpitondra (mpanjaka), ny andriana izany e, dia nisy koa ny vakoana (ny valala tsy mandady harona). saingy noho ny trosa tsy voaloha, ny ady teo amin'ny foko samihafa dia nisy tamain'ireo vahoaka nentina lasa andevo. I Fernand KASANGA , mandinika sy manoratra malagsy,sady tarana'Andriana SUD-EST (ry zareo Betsirebaka izany e!) dia manazava fa naka mpanolotsaina Antemoro (efa-dahy) i ANdrianampoinimerina : ny iray specialiste amin'ny Astrologie (fanandroana), ny iray momba ny fitsaboana sy raokandro (medecine e!), ny iray momba ny ady (stratégie militaire)), ny iray momba ny fiaraha-monina (Sociologue izany e!). Nanontany ity farany ity ,hono, i Andrianampoininimerina , rehefa teraka ny zanany lahy hoe iza no hatao anarany ? Dia namaly ilay io hoe "Ataovy hoe Ilaidama ny anarany" ary antsoy hoe "hova" ny vahoakanao (ireo tsy andevo mpandoa hetra) fa ireo no mifanambina ka ahaela sy hampihitatra ny fanjakanao. Mifanambina tahaka ny namoronan'Andriamanitra Andriananahary an'i ADAMA sy EVA . Izay nahatonga ny anaran'i Ilaidama (lasa RADAMA I ) sy ny HOVA (vahoaka tsy andevo, avy amin'ny hoe EVA). Izay io e! Fantatsika ny tantara, fa nony nanjaka i Radama dia nitatra tokoa ny fanjakany eran'i Madagasikara indrindra fa tany amin'ny faritra atsinanana sy avaratra ary ny atsimo atsinanana. Ary izay no nahatonga ny any amorontsiraka, indrindra ny any avaratra sy andrefana hiantso ny merina sy ny betsileo hoe HOVA, satria ny hova no nandeha niady (miaramila), sy nitondratany na nampandry tany tany rehatra tany. Fetsy tokoa ny hova matoa nihitatra ny fanjakana taminizany.Dia izay no nahatonga ny any anindrantany hilaza hoe fetsifetsy ny merina.
Vakio hoa ny tantara e! Ary samia mandalina fa ny vazaha indray lasa alohantsika
Aoka izay fa lava be ny resako
34. fijo ( 18/05/2004 00:46)
homeo hoe ny boky nahitana izany ry namana fa maha liana izany,ary mbola tsy hitako.
ny fantatro izao hoan'izay tsy mahalala,ny nahatonga ilay fitenenana hoe "mazana"dia tamin'ny fotoana nidinan'ny merina tany dia raikitra ny ady,ary variana ny mpitaritafika merina nahita olona iray(sakalava)fa izy irery dia nahafaty miaramila merina efatra.dia nony resy ny sakalava dia nosamborina io olona io ka noetina tany iarivo hoa hitan'ny mpanjaka.dia nanontaniana izy hoe izan no anaranao,"mazana" hoy izy.tamin'izany moa ilay dama efa nifankatia tamin drasalimo,ka dia nalaina izy natao mpiaro an drasalimo,ary najaina tokoa io lehilahy io tao iarivo.taty aoriana moa ny bandy kely rehefa mba mahatsiaro tena hoe mafy dia hoe za mazana,dia raikitra ilay fitenenana nefa ny taty aoriana tsy nahay akory izay antony.
35. booboo ( 18/05/2004 16:16)
petaka> ekena tanteraka ilay teny alohan'ny farany io !
36. fijo ( 18/05/2004 21:40)
hoe ahoana moa izay?
37. booboo ( 19/05/2004 10:48)
hihihi oe vakio ny tantara
38. fijo ( 19/05/2004 21:39)
ka izay no nanontaniako ilay boky satria za dia tena tia mamaky an'ireny.
39. booboo ( 20/05/2004 07:54)
Ny tantaran'ny Andriana ( 1 et 2 ). Dé misy koa ilay Taloha ( périodiques ). Fa tany am-pianarana no nahitako an'ireo fa tsy haiko hoe aiza izao no mety misy mivarotra ireo. miala tsiny.
40. fijo ( 20/05/2004 22:23)
sarotra be ny mitady ireo satria efa nitady foana aho fa tsy nahita.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2143