Lohahevitra vaovao : Lalàna

1. hery ( 02/04/2004 22:37)
Lohahevitra mety hahaliana raha isian'ny fandraisan'anjaran'ireo mianatra sy mpahay lalàna eto amin'ny namana. Fangatahana nataon'i voninkazokely ihany koa.
Misaotra anao mandray anjara.
novalian'i dafagelo ny 02/07/2014 22:29
2. voninkazokely ( 03/04/2004 10:31)
Misaotra betsaka an'i Hery nanaiky nanokatra io lohahevitra momba ny lalana io , ary misaotra betsaka ihany ho an'ireo mpandray anjara!
3. voninkazokely ( 03/04/2004 11:34)
Manakory aby!
Inty ny olana mitranga amiko ka mba mila ny hevitrareo raha azo atao:
Tamin'ny 05décembre 2003 lasa teo aho dia nikomandy 1DVD ( compilation Madanight ) no titreny.
Nalefako ny ampitson'iny ihany ny chèque ( 28.13€ ) satria misy soratra hoe alefa ny komandy rehefa tonga ny chèque .
Hitako tamin'ny relevé de compteko fa ny 10 Décembre 2003 ihany dia efa noankesendry zareo ny chèque-ko.
Androany efa 03 Avril 2004 dia mbola tsy tonga ny dvd-ko.
Rehefa manoratra any aho dia mahita excuse lazaina foana ry zareo ka eo amin'ny farany misy ho " votre commande sera livré dans 48 Heures "
Tamin'ny Fevrier aho no nanoratra ho azy ireo farany ho: avereno ny volako na alefaso ny DVD-ko dia tsy nisy valiny intsony.
Mety hoe 1 DVD fotsiny ve no novodiko dia tsy raraindry zareo?
Nefa amiko 28.13€ tena volabe pour un DVD;
Tena menatra aho satria MALAGASY ohatra ahy ry zareo!
Inona izao no tokony hataoko .
Misaotra indrindra anareo izay mamaly .
4. voninkazokely ( 03/04/2004 11:37)
Azafady !
Hadinoko no nilaza aminareo etsy ambony fa tamin'ny INTERNET aho no nanao io komandy io.
Tamin'ny site malagasy .
Merci.
5. jhouhlambout ( 03/04/2004 15:09)
T@ siten'i Madanight ve? Tsss... tena tsy atokosana mihintsy ry zareo
6. ikaretsaka ( 03/04/2004 16:23)
torio ...
7. ikaretsaka ( 03/04/2004 17:32)
rehefa tsy rariny dia tsy rariny na 1 cents aza
8. oully ( 03/04/2004 17:48)
Mampatahotra izy zany fa zaho tena mpividy zavatra amin'ny internet. Fa zay novidiako aloha hatramin'izay tonga daholo eh! Sa ny toetran'ny gasy any Dago mbola tonga aty ihany ???
9. ikaretsaka ( 04/04/2004 06:26)
raha ilay site malaza ohatar hoe levi's na nike na ohatran'izay aloha dia tsy maninona e... fa ilay gasy mbola toe tsaina io e.. ilay manao mpamsavy malemy dia mifametsy an-trano... fa rehefa tsy rariny dia torio... alao baraka.. ataovy henon'izao tontolo izao fa izay koa no tombotsoan'itony tet itony... avoahay gazety, alefso forum eny rehetra eny...
10. alz ( 04/04/2004 09:30)
Voninkazokely,
Jereo ny annuaire, pajes jaunes, dia tadiavo ny numero tel ny "association de consommateurs" akaiky anao, dia antsoy ry zareo ary hazavao ny mikasika ny cas-nao.
Alohan'izay tazomy tsara ny porofo rehetra.
Ankoatr'izay : ho an'ny rehetra, aleo tsy hasiana filazana anarana firy raha azo atao eto amin'ny sita sao lasa délation fotsiny le izy dia lasa mifanome images ratsy fotsiny isika. Sady ny marina rehetra mbola tsy fantatra.
11. alz ( 04/04/2004 09:33)
Adinoko, gratôs ny asan'ny association de consommateurs.
Mazotoa
12. voninkazokely ( 04/04/2004 09:33)
Misaotra betsaka amin'ny fankaherezana ry zareo fa tena touchant mihintsy!!!!
13. samoina ( 04/04/2004 14:01)
Soa i Vony niteny an'io fa izaho koa anisan'ny voa. Efa t@ mars 2003 ny commande ary tsy misy valiny ny taratasy alefa. Efa voarain-dry zareo ny seky saingy tsy haiko na efa encaissé fa efa nanontaniako t@ paositra an-tsoratra. Eo an-dalam-pamotorana lalina izahay fa tsy azo avelavela foana satria milaza an-tsoratra ao @ site ny madanight fa karazana chronopost no andefasany ny colis, izany hoe misy porofo mivaingana raha tena nandefa marina izy. Efa nataonay photocopie avokoa moa ny commande natao.Soa ihany satria tsy tafiditra ao @ site client intsony izahay hatr@ izay nanaovana reklamatiô izay DVD+Diktiônera no nafarana t@ izany. Mampalahelo satria nahafaly tokoa ny nahitana io madanight io hoe efa mba manana magasin en ligne ny Malagasy! Hay fitaka sy lainga no betsaka. Mahereza fa tsy maintsy mandresy hatrany ny marina.
14. kally ( 04/04/2004 18:47)
Na gasy na vazaha na inona rehefa manao ny tsy mety dia torio,sa hiandry hoe ny vazaha indray no voa vao hitory azy ireo tsy ho vao mainka afa-baraka isika.
Isika mianakavy anie no afa-baraka amn'izany fa dia fongory dieny izao ny ratsy mba tsy hihitatra.
15. ikaretsaka ( 04/04/2004 23:06)
miombonkevitra @ rehetra aho
16. fijo ( 05/04/2004 21:36)
raha ny tokony ho izy dia iray volana raha be indrindra no tokony ahazoana ilay entana nafarana.fa io moa izany dia hita fa misy fahavononana hanao ratsy satria efa roa izany izao no voa ato.ilay mitory aloha dia tsy dia mety satria tadido fa ny afera iray dia 900euros raha mora indrindra,ka raha 28 euros no takiana tsy mahaleo ny sandany ny vidiny.fa ny hevitra azo atao dia ny mamoaka io resaka io amin'ny forum gasy izay misy rehetra.tonga soa ,madanaihgt,ato .ary any dia teneno mivantana ny anarany satria hitondra henatra hoazy io ka mety hanova ny fihetsiny.
17. ravatorano ( 07/04/2004 11:50)
any aminareo any ampita any zany fa raha zaako manokana no tratra nizany eto Tana defa tongako tany farafaharatsiny aloha teo no eo ihany dia azoko ny zavatro raha toa ka tsia de hitondrako osika raha tsy mihetsika ny barofoko fa tsy hanaiky an izany mihitsy za kah.
Inn no tokony antony anekena an izany?satria v gasy izy nefa hita fa manararaotra ny mitovy aminy ihany ! faizo tanteraka fa diso tia vola loatra .
18. ikaretsaka ( 08/04/2004 01:44)
zay ndrindra
19. sejianis ( 09/04/2004 13:18)
voninkazokely a!
sarotra ny manao commande par internet izany, matetika dia bidon ilay izy,lafy ratsin'ny net izany satria ataon'ny olona fisandohana, na anarana , na toerana ipetrahana, na zv amidy sns...
ireny no olona lache satria ils souffrent d'une mal identification de son personnage.
Ankoatr'izany, azonao atao tsara ny mitory dia transferer-na any @ ilay toerana lazainy misy azy ny plainte, dia ny police mahefa any no mandray ny raharaha
mazotoa e!
20. ikaretsaka ( 09/04/2004 22:44)
sejianis> misy mpivarotara internet fa tsara tokoa ny service-ny.. ny ahy ny 80% ny zavatra vidiako dia par internet daholo , fa io ny fika tsara indrindra.. manatona manampahefana na tomponandraikitra raha vao misy mifople..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5572