Sipa manao bikina hitazonana bandy?

1. alz ( 01/04/2004 09:19)
Ahoana ny hevitrareo amin'le Jo manao bikina hitazonana an'ilay kôfa?
novalian'i pitchou ny 07/06/2004 16:10
2. angie ( 01/04/2004 09:20)
Zefa le kofa raha iny fotsiny dia mahazaka azy.
3. tequila ( 01/04/2004 09:56)
Raha fitiavan-tena hoe amizay hovadiana dia mampalahelo . Mampalahelo foana koa nefa raha hoe tsy mahita hevitra hafa ankoatra izay . Manana namana aho tsy novadiana anefa lay vhv satria tsy tiany loatra hono , tsisy hifanerena moa ny fitiavana e . fa marina ny an'i angie .
4. ravatorano ( 01/04/2004 11:19)
misy tokoa jo manao izay zavatra izay hitazomana ny kofany na hanambadiany azy mihitsy.
Le jo aloha amizay raha toa ka mahatsapa fa tsy tian ilay kofa dia tena "" ona foka "" .Mampijaly tena satria mety tsy hanambady anao anie le kofa estt ka za no anaovana an izany.Rehefa tsy mifankatia dia aleo misaraka tsisy maratra fa izay no ilaina ny fisarahana.Raha vao misy anakiray fotsiny tsy tia dia efa blem be izay ka aleo maka saina aloha , de manary dia , de lasa hoa azy eny zany fa tsy hanao bikina izany .Jo kery say no manao zany
5. ccool ( 01/04/2004 11:50)
iny alou tsy d hitako lotra ny maharatsy an'lay manao bikina mba hamatorana bandy e satria zao,ny bandy,ny akamarony mou zany e,tsy mba te hamana relation serieuse zany mitsy,fa ny hilalao fotsiny izy raha miaraka @ ny sipa,fa iny alou tsy maninona raha ny hilalao fotsiny kou ny ao an-dohan'lay sipa.
ka aleo hoy aho ho vofandrika any zay vofandrika fa misy tokoa ny tsy manaja vhv mitsy eto ambonin'ity tany ity,...fa ny ratsy @ zay kou nefa d izao,raha sendra bandy tena ratsy lou d hilaozany eo enao fa lasa izy,..d ho velomina @ inona lay zaza,sa ny ranon'ny pompy mbola tsy alou vola?hoy ny fitenenana...
Ny tsara azo atao ngamba d izao,tenenina @ lay oul ny tena sentiments anananao @ny d hita eo ny reactiony,..tsy misy tsara hafa tsy ny mifampiresaka ihany ry zareo an...
6. mandamina ( 01/04/2004 12:16)
tsotra fotsiny e! aza ny firaisina ara-nofo no atao zava-dehibe amin'ny fiarahana, mba tsy ho tojo an'io olana io, satria raha tratran'io zavatra io dia tsy tena fitiavana no hisy...raha toa ka hivady ihany, raha tsy zay moa dia ilay sipa ihany no hitondra ny takaitra eo raha tsy rarahian'ilay bandy refa henony hoe bikna ko
7. voninkazokely ( 01/04/2004 13:15)
Efa tratra angaha i Alz?
8. voahary ( 01/04/2004 13:18)
sady zao eh, ny vehivavy ihany anie no tena mijaly fa aleo milamina eh
hevitra ratsy io mitazona bandy @ alalan'ny fanaovana bevohoka io, mety hiala pàs leiry, laizainy fa zefa be enao, tsy zanany hono eh... tevatevainy eo ....HUM TSY METY E
9. tequila ( 01/04/2004 13:36)
Misy nefa mitazona zaza na dia tsy novadiana aza satria tena tiany lay bandy , manantena foana izy ary tsy nanao pression hoe tsy maintsy vadiana , ary dia hitany hoe ny hasambarany dia ny niteraka ny zanany , sady zanany tamin'ny olona tiany ...
Arakaraky ny toe-tsain'ny tsirairay io e , ny mitondra azy amin'ny hoe "fandrika" no ratsy .
10. tequila ( 01/04/2004 13:44)
Misy nefa mitazona zaza na dia tsy novadiana aza satria tena tiany lay bandy , manantena foana izy ary tsy nanao pression hoe tsy maintsy vadiana , ary dia hitany hoe ny hasambarany dia ny niteraka ny zanany , sady zanany tamin'ny olona tiany ...
Arakaraky ny toe-tsain'ny tsirairay io e , ny mitondra azy amin'ny hoe "fandrika" no ratsy .
11. kitjo ( 01/04/2004 15:50)
tsy maintsy hijaly foana izy na hanambady azy aza le bandy fa satria mety tsy mbola tena ao kory le fitiavana fa forcer-na fts
12. pitchou ( 01/04/2004 19:56)
asa na ilay sipa irery no diso fa tsy izy 2! satria raha tena tsy te-hahabevohoka azy ilay bandy d fantany ny fiarovana tokony nataony! ary rehefa tsy hiaro tena d mahafantatra tsara koa fa misy (ary betsaka) ny chance ho tonga @ zany ka aza mimenomenona fa samy sitra-po ny anareo! ary samy maty antoka @zany! d samia mizaka ny zava-bita e!
13. bodallie ( 01/04/2004 20:43)
miarahaba e !

amiko, tsy misy mahasakana ny fiarahana afa'tsy ny fitiavana marina. Tsy fitiavana raha vao misy ambadika ary tsy ho tsara raha misy fandrika mamatotra. Ataoko hoe "fitiavan-tena" raha izany no atao. Ary ny zaza raha tsy iriana tsy tsara. raha hoe bikina hihoarana ny sakan'ny tsy tia rehatra na ray aman-dreny na rafy na ny sns ... e! dia tsy maninona, fa raha ankoatr'izay hafa, inoako fa tsy mety. kanefa koa anie matetika izay tia adala e! Na izany aza, ..., aza manaonao foana e!
14. ralipo ( 02/04/2004 05:28)
Ati-dohan'ny sipa io e!
Rehefa tia andrakandrana kosa ilay bandy dia tsy maintsy ihafara amin'io ny fiarahana iza kosa no hifandany zara eo
15. ravatorano ( 02/04/2004 08:47)
fa zao rehefa ny bandy ny voaazona amin io fika ratsy dia zao no matetika mitranga : mivady ihany ry zareo satria voatery le banddy,mifankatia tokoa eo amin ny telo volana aorian ny nahaterahan ilay joba fa aviteo amizay laza akoho lahimbohitra le bandy na lasa mirevy be ary tsy maintsy miafara amin ny fisarahana foana ilay izy.Matetika wà fa tsy ny rhtr akory fa mety misy cas maningana ihany any ho any
16. angie ( 02/04/2004 10:58)
Matetika aloha dia ny vehivavy foana no tsy mahay mihaina, satria matoa io mitranga dia izy no nanome an'ilay bandy. Ny loza ange dia toa tsy tsapany ankory ny mety ho fiainan'ny zanany rehefa avy eo e.
17. peluche ( 02/04/2004 12:27)
fa ahona no ilay sipa no tsy mahay miaina ry angie?samy niara-nanao de samy mizaka ny vokany,zany refa tsy misatroka koa.
fa io koa asakasak'ilay vehivavy mifikitra nefa tsy tiana akory,ny fiantraikay aminy na ny amin'ny zanany.
18. ravatorano ( 02/04/2004 13:10)
peluche>raha tsy nanome ilay sipa de tsy nahazo le bandy , izay no tian i angie ho lazaina.
Sarotra aloha ny avy hatrany dia hiteny hoe miara mizaka ny vokany satria izao firy ny sipa no lazaina hoe miteraka tsy manambady ! Iza no tena mizaka ny vokany ary aloha amizany ? ilay sipa sy ny ray amandreniny raha miara mipetraka ry zareo>Ilay bandy matetika tafa poritsaka foana.
Koa ho anareo sipa mbola mpitovo izany mahaiza miaina ary diniho tsara izay ho vadiana.Raha ny adihevitra teto kosa tokony betsaka no ho hendry nohon i Hendry satria ny hevitra azo notsohahana teto izay atao hoe raisina dia misaotra anareo rhtr nandray anjara .
19. ralipo ( 02/04/2004 20:05)
Mampieritreritra!!!!
20. nati ( 03/04/2004 09:52)
Tena mampalahelo ilay fisainana hoe hanao bevohoka mba hitazonana bandy;toe-tsaina efa lany andro zany e!f'angaha ny lehilahy biby fiompy(mahazo mifaly ianareo lhlahy),araka² ny hangejana azy ange vao maika miporitsaka izy e!toy ny fotaka;nomena saina isika vehivavy ka tsara raha ampiasaina izy io: misy fomba hafa azo hitazomana kofa fa tsy voatery manao bikina,rehefa te handeha izy de lasa fa ianao sy ny zanakao no raisina eo ary zay no tena loza . Tsy misakana ny bandy handeha ny fanananao zaza, hoy ny ohbolana "zaza 7 tsy mahafehy trano fa ny fanahy 7 no mahafehy trano" ka ilay fanahy zany no atao matotra tsara de mijanona le bandy: tsy midika ko zany hoe atovy daholo ny sitra-pony fa diniho zay mety sy tsia. Isika vehivavy nge maranitra e! noho izany ampiasao izay .Ny lehilahy milay refa hay ny mitondra azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4956