MPIVAROTRA HOSOKA

1. rindranavalona ( 31/03/2004 09:01)
Izao no zavatra nitranga, sendra hitako teny analakely omaly talata 30-03-04. Nisy olona iray nitaraina tamina mpivarotra Sinoa iray etsy analakely, fa indray mandeha nampiasaina hono ny MIXER (marque MOULINEX vita Frantsay) novidiany tao dia simba nitkona tsy nety nandeha intsony ilay izy. Ny vidiny : 115.000 Fmg. Nanaiky ilay Sinoa fa novidiana tao io, saingy tsy nety nanolo izy, satria tsy misy garantie hono ny entana amidy ao aminy. Raha azoko atao ny milaza ilay fivarotana ato dia ho lazaiko. Fa miandry ny hevitrareo aho. Na izany aza tandremo ihany ny mividy zavatra toa izany. manaitra be ny vidina hay mora simba!
novalian'i fijo ny 20/04/2004 23:25
2. kitjo ( 31/03/2004 10:29)
raha tena an Mulinex le izy tokony misy garantie , fa mety entana fople zany,sady tany @ sinoa zany, oh kiraro vita sinoa tsy maahmentra an zareo mitsy manisy oe "Nike" nefa tsy oe firme multinationale na oe branche miara miasa @ Nike fa d tena hosoka tsotra izao
Ny fanafodiny aloha d aleo manontany garantie fa refa tsy misy d aleo mijanona,
SAdy ra entana oh zany indray mande anatin taona maro2 iany no hividiananao azy, tsy aleo ve mividy @ toerana sure miaraka @ garantie?
ra oe sendra tratran orana tsy nitondra elo d ts manin mividy eny @ sinoa

Misy ny vita sinoa tsara an, oh'ny aty, fa ny alefan zareo any Dago mitsy no fople mazana
3. hendry ( 31/03/2004 13:32)
Marina io voalazan´i Kitjo io.
Ny entana vita sinoa alefa any Dago dia fatin´entana ary natao hifanaraka @ vidiny zay mora dia mora tokoa ny fanamboarana azy, zany hoe tsy natao haharitra fa vonjy maika.
Raha mividy kiraro 40.000 Fmg @ sinoa mety haharitra roa na telo volana farafahaelany arakaraky ny anaovana azy dia vita ny asany, ka raha hividy 40.000 Fmg in´efatra ao anatin´ny taona = 160.000 Fmg mitovy @ vidina kiraro mafy iray vidiana 150.000 Fmg indray mandeha. Zany hoe kosa aloha misy koa ireo te hisolo isaky ny mihetsika, hafa ndray iny.
4. rindranavalona ( 31/03/2004 14:28)
Ahoana kosa moa no ahafatarana fa "Made in chine" ilay izy nefa "made in France" no mibaribary teo amin'ilay Mixer. Ary tsy hoe étiquette, fa tena soratra miraikitra @ ilay mixer mihitsy. Angaha tsy mba misy tokony azo atao amin'izany? Ohatra hoe misy mpanara-maso ny qualité ny entana miditra eto amin-tsika. Sa dia avela ambakaina eto foana isika Gasy kely?
5. xxx ( 31/03/2004 14:57)
hoy ny vazivazin'ilay ankizy kely izay hoe ny entana vita sinoa hono vao ampiasaina dia vaky dia aza maka sipa sinoa koa hono fa vao ampiasaina de vaky....
6. nananie ( 31/03/2004 15:00)
Angamba mbola ho ela zany mpanara-maso @ resaka qualité zany ka! Satria mampidi-bola anie ny ao @ douane e! Raha aty an-dafy anefa, dia tena mijaly ireo zay tratra.
7. ikaretsaka ( 31/03/2004 19:07)
rehefa misy garanti na entana made in inona io na made in inona dia tsy fopla izy izay fa raha vao hafahafa hoe tsy ankanolo na tsy misy service apres vente dia mailomailoha
8. fijo ( 31/03/2004 22:27)
ilay resaka fanaraha maso dia tokony hisy tokoa fa io moa ny pitondra any amintsika mbola zavatra hafa no mahavariana azy.ka ny fanafodiny dia io voalazan'ikaretsaka sy kitjo io.mitakia garanti rehefa mividy zavatra,ary aza hariana ny tiket nividianana azy.
9. kitjo ( 01/04/2004 14:19)
resaka oe "made in zao..." na iza na iza maahvita anzany foana, surtt oh ao amintsika tsy misy mi controle anzany,
Fa ny fanafodiny d ra zavatra tokony mateza oe ndray mandeha anatin 5 taona no vidina na oh zany d aleo any @ toerampivarotana azo antoka tena antao hivarotra azy

fa ny garantie ihany no fanafodiny aloha e, afaka haninona ary enao na simba na misy inona ngah misy zavatra mamatotra azy?
zay mitsy ny resaka varotra
service apres vente zany fa ny azy mijanona eo @ vente iany ra tsy misy garantie zany fa vao mivoaka tao aminy enao d zay no vita
10. fijo ( 01/04/2004 22:25)
ie ka izay no hitakiana io mba ahazoana mitaky ny S apres V avy eo.
11. ikaretsaka ( 02/04/2004 02:25)
io no tokony karakaraina ao dago
tsy mampaninona ny gasy ve ny mividy zavatra lafo dia tsara garanti sy service apres vente toy izay ilay mora eny @ sinoa fa fosika?
12. hendry ( 05/04/2004 11:17)
ka ilay mora no takatry ny fahafahamividin´ny ankamaroan´ny gasy koa. Dia tsy afa-manoatra fa mitaraina tsy misy mpiheno fotsiny rehefa voa.
13. ikaretsaka ( 05/04/2004 13:52)
ka tsy aleo ve mividy ilay lafo fa 7 taona mahery vao hoe simba toy izay ilay 2 volana monja
14. fijo ( 05/04/2004 23:57)
ka mila fandraisan'andraikitry ny mpitondra mihintsy io e.tsy tokony avela amin'izao ny olona satria hoe tsy mahatakatra.
15. kitjo ( 07/04/2004 16:22)
eny e, tsy ifanomezantsiny iany aloha le oe sinoa satria zara aza misy anreny sy ny ripy ho an olona sasany e
fa ny fanjakana no tokony mandray andraikitra,amiko aloha ny famokarana ao Dago no mila fiheverana e,
hatsaraina sy ampitomboina, ferana kokoa ny fidiran entana avy aty ivelany sady asina fepetra hentitra fa tsy zao entana dechet rht zao d alefa any satria tsika ts mahantra
16. a256011 ( 08/04/2004 13:18)
Toa sarotra ihany aloha izany hoe izany hifaninana @ avy any ivelany izany e!
Raisiko fotsiny ohatra eo amin'ny resaka siramamy : ohatra ny ahoana ny qualité ny siramamy vitan'ny SIRAMA? Mavokely ny azy. nefa ny vita vahiny ahoana? Fotsy botsiaka. Ary ny vidiny? Ny an'ny SIRAMA lafo kokoa noho ny an'ny vahiny.
Raha vao mieritreritra ny hanatsara ny vokany ny orinasa gasy dia mahatsapa fatiantoka be. Satria ny fitaovana rehetra dia tsy maintsy vidiana avy any ivelany. Ny entretien n'ireo fitaovana ahoana? Ny pièce tsy maintsy afarana avy any ivelany...
Misy Fonderie ihany aty Dago, ohatra hoe any Ambatolampy, saingy tsy manao hafa tsy aluminium, na cuivre (izay ambany ny point de fusion - ny e!)Amin'izay indray aluminium tsy fantatra hoe avy aiza ny sasany!!!.
Raha handredrika antsy kely iray ohatra, mety ho saribao na 10.000 Fmg vao ahavitana antsy 1. Nefa 500 Fmg dia efa mahazo antsy kely vita Sinoa.
Inona ary no atao? Sarotra ny fandidiana? Hanakana ny entana avy any ivelany ny Fanjakana, mba hampandeha ny eto an-toerana, ny vahoaka mpanjifa indray no ... Asa aloha e?

17. fijo ( 08/04/2004 22:18)
io resaka siramamy io dia efa namaliako an'i rindranavalona,satria diso hevitra ny olona any.fa ny siramamy tsara dia ny siramamy mena fa tsy ireny fotsy be ireny.homeko hoatra ianao.ny siramamy fotsy aty tsy ampy 1euro akory ny kilao,fa ny mena kosa dia 2.5euros.ny vary koa toa izay ny vary mena dia 6euros ny fotsy misy 0.65 euros,ka aza dia sodokan'ny hoe avy aty an dafy re fa sao very indray e.aza hadino fa ny aty dia ny zavatra ambany kilasy aty no halefany any satria ny ambony lafo be.dia mahita an'iny nyany dia hoe ireto izany ny avy any an dafy tena tongalafatra.(diso be )fa ialao
18. ralipo ( 08/04/2004 23:18)
Resaka tsena moa izy ity ka zay e! tsy mitovy ny "loi du marché" amn tany lazaina fa mandroso misy (Norme ISO; Warrant of quality, ny SAV, ny ethique satisfait ou remboursé). Ny tany lazaina fa andalm-pandrosoana zay ny fahefa-mividy no mamaritra ny tsena, satria matoa hifanotefana ny vita sinoa any Dago zay ny takatry ny volan'ny sarababen'ny vhk, toa izany koa ireo entana efa lany daty avy any Maroc aparitaka eny an-tsena sy re-emballern'ireo karana, ny Fripy avy any Eropa sy Canada. Ka zay e mila hamafisaina kely ny ara-ekonomika. Jereo aloha ny amidy vao miady varotra. ary ny entana lafo.....
19. a256011 ( 09/04/2004 06:40)
Gaga izany siramamy mena amidy lafo noho ny siramamy fotsy izany indray aho. Satria mantsy arakaraka ny anadiovana azy no maha fotsy azy. Izany hoe mitombo kokoa ny dépense ny orinasa. Ka tsy aleon'ny orinasa ve mamokatra mena raha izany?
Raha tsy hoe angaha siramamy fotsy indray no navadik'ireo vahiny, nasiany fangarony hafa mba ahalasa mena azy indray.
Ekeko aloha fa ny entana ratsy no alefany aty e! (ireo atahorana ho lany daty, ary misy mihintsy aza ny efa lany.)
Ekeko koa hoe ny vary mena no lafo kokoa noho nyvary fotsy. Satria ny vary mena dia be vitamines kokoa noho ny fotsy. Fa ny mahatonga ny vary ho fotsy indray resaka reglage-na broyeur io. Raha diso tery loatra ilay izy na mihoatra ny temps de broyage de lasa fotsy ilay vary, ka lasa any amin'ny apombo daholo ireo vitamines. dia ny gisa sy ny gana indray no ahazo tombony.
Marina koa fa ny siramamy mena dia be vitamines kokoa noho ny siramamy fotsy, ary tsara kokoa ny tsirony, saingy tsy dia izay loatra no ilana azy fa ny hamaminy.
Ohatra hoe raha siramamy fotsy 1 sotro, dia mitovy amin'ny siramamy mena 3 sotro.
Ny vokadratsin'ny siramamy fotsy aloha dia betsaka raha miohatra @ siramamy mena (raha be loatra ny fihinana azy), satria mantsy saccharose pur ilay izy.
Fa anjaran'ny tsirairay fotsiny no mifidy izay ilainy. Ny fahaizanao mampiasa azy no tena zava-dehibe.
Raha mampiasa siramamy fotsy dia aza atao betsaka.
20. kitjo ( 09/04/2004 14:45)
k zay ange e, aza maimaika fts oe ty importe fa zay no mahavoa antsika gasy
Na aty Singa aza d oh zay ko, ra mande Delifrance enao na Starbucks reny d zara ra mihetsika ny siramamy fotsy fa ny mena aby no alain olona

Io ange le teneniko oe mila ezaka fa aza maika ny hahavarotra haingana fts d mande ny afera 1taona d maty aveo, jereo Papmad, aona ny taratasy mivoka tao, nefa mba orinasa lehibe iany, sanatria lasa papiezenika sisa no farany
Satria tsy ao le esprit @ resaka concurrence, maika hahazo tombony kely vety2 fts tsika ao Dago fa manin ra manao zvt kely2 tsara aloha d mihamitombo sy mandroso foana fa lasa fohy kely ny cycle de vie
Jereo ny TIKO, manao systeme SONY, manova sy mampiditra produit vaovao foana, manao zavatra tsara, ngah moa TIKO tonga d oe ngodabe oh io???
Tsika manana matieres 1ere bdb, ny labor (main d eouvre) feno, ny tany malalaka, betsaka ny manam-pahaizana

Misy zvt mi cloche ao matoa tsy mahavita tsika fa tsy alaolana mitsy ny oe tsy ho vita ny mifaninana @ avy aty ivelany e, marina fa mety tsy hitovy fa tsika manana atouts bdb mihoatra anzareo,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2212