resaka kristianina

1. fijo ( 30/03/2004 22:54)
izay liana te ahafantatra bebe kokoa,dia mijereva ARTE manomboka amin'ny 03 avril izao.resaka sy doc mlahaliana no hita ao.
novalian'i fijo ny 12/05/2004 00:40
2. ravatorano ( 31/03/2004 07:37)
misaotra anao
3. hendry ( 31/03/2004 13:38)
ARTE??? aiza sa @ inona no misy an´zany?
4. nananie ( 31/03/2004 16:21)
La 5 zany aky a!Fa na ny vaovao halefany @ 19H45 aza tsaratsara kokoa noho ny sasany. Misy objéctivité garantie!
5. psykatr ( 31/03/2004 18:41)
zany?
6. ikaretsaka ( 31/03/2004 18:56)
dia inona no maha tsar asy maharatsy azy
7. samoina ( 05/04/2004 09:58)
Nahaliana sy nampieritreritra tokoa ilay fandaharana fa misaotra an'i fijo nampandre.
8. kitjo ( 08/04/2004 03:10)
mba tantarao aloha fa zay tsy mahita anzany
9. samoina ( 08/04/2004 16:19)
Mpandinika ny testamenta taloha sy vaovao no nifandimby nanazava hoe i Zezo tokoa ve no fototra niandohan'ny christianisme ary raha Izy no namorona ny eglizy. Samy nanome ny heviny na jiosy na pasitera na môpra na mpampianatra teolojia .
Nahaliana satria toy ny mihaino tantara ny tena mihaino an-jareo ary mampieritreritra ihany satria ahatsapana ny tsy fitovian-kevitry ny samy manam-pahaizana.Ary toa samy misy fahamarinana izay lazain'izy rehetra ka misanasana vava fotsiny ny tena mihaino
Ohatra iray raha niresaka momban'i Simon Pierre izay hizingizinin'ny sasany fa tena "porte parolen' i Zezo " @ ireo apôstoly 12. Ny hafa anefa tsy miombon-kevitra satria i Jezo hono tsy mbola nanendry azy ho lohan'ny mpianany sy ho mpandimby azy. Sady i Petera efa nandà an'Azy in-3, hafahafa toetra hono rapiera, ets...
Nifanazavana koa ny @ Zaka rahalahin'i Jezo tsy dia tantaraina firy noho ny antony tsy dia nifanarahany loatra t@ ireo apôstoly.Ny hafa milaza fa tsy rahalahiny io fa cousin-ny, ets...
Ambangovangony tsy dia haiko tantaraina an-tsipirihiny loatra ireo hampitaiko taminareo ireo satria moa ny tenako tsy havanana loatra @ io resaka io fa faly nihaino toy ny nijery spectacle fotsiny. Nitehaka sisa tsy natao nijery ireto mpikabary !
10. sanjana ( 09/04/2004 16:45)
miarahaba anareo ny tenako

ny ahy tsy valiny fa fanatoroana site iray mba jereo sao mahaliana antsika izy ity fa izaho aloha tsy mahita ny maha ratsy azy e

www.apocalypse-mada.com

mazotoa e
11. ikaretsaka ( 09/04/2004 22:14)
io hoa ohatran'ny tantaran'i St Augustin ihany
12. sanjana ( 10/04/2004 04:26)
tsy azoko fa azavao ny tianao ho lazaina jereo aloha e satria hoe fantaro ny zavatra rehetra hazony mafy zay tsara sady misy hifanakalozantsika hevitra eto ny momba an io za koa manko mba vaovao @ ity fandaharana iyt fa zao tiko be farany aho niditra zao mpitazana foana aho sady mihomehy @ sasany e! taloha
13. kitjo ( 11/04/2004 11:14)
samoina> nisy nanome fanazavana ve ny tena aatao oe "christianity"
Niainga t@ Piera(katolika), nisy avy eo Luther,(reformes), niainga koa ny "eglise de reveil" aveo, tsy haiko oe evolution ve no nisy, sa misy hevitra tsy mitovy?
14. kitjo ( 11/04/2004 11:27)
Ts zany manko fa ra oh aty Singa sy ny teny miteny anglisy maro2 zao, dia samihafa mitsy ny kristianina sy ny katolika,
Tsy natao iadiana ityhevitra ity an, fa ny zavamisy no lazaiko satria amik oao anatin FFKM aby reo fa misy zvt tsy mitovy fts.
Fa @zareo oe ny "christian" d izay mino fa voaavotra t@ alalan Jesosy zany, ka mitana izay finoana zay,
Tsy noho ny asa na ezaka no mahaavotra fa izay finoana zay
Manana an'io hevitra io ny kristianina fa oe ny katolika "hono",mbola miantehitra @ tenany. D oe "Do ur bestt and God will do the rest", zay lazain zareo oe fihevitra frantsay ka n'influencer-na t@ katolika. Satria tsy ao anatin Baiboly zany.

Ny loteriana ndray d satria mamaky baiboly d nandray arabakiteny fa tsy arakeviny.Lasa nametraka lalana, mifampitsara...

Ka ny fifohazana "hono" no nandravina anle izy sy nametraka an'io hevitra "tokony ho izy" io, satria ao @ fifohazana ra any Dago ohatra d misy katolika ao ary misy protestant,mety misy hafa koa aza.
Fa misy fts reo olona manao "dogmatisme" sy le "fanatisme" be ao aloha e.

Tsy haiko aloha ra misy afaka manome fanazavana ny amin'io, diniho iany fa tsy oe manaratsy ny anao koa d misendoatra an, fa tsy natao iadiana zany.
Fa fanazavana azoko fts manko io , ary manana 'tendance"milaza fa samihafa koa aza n y fihevitra eo @frantsay sy ny anglisy
15. ikaretsaka ( 11/04/2004 22:19)
tsy marina kosa angamba fa olona tsy nahalala fotsiny no nametraka an'io hoe :

ny katolika "hono",mbola miantehitra @ tenany. D oe "Do ur bestt and God will do the rest", zay lazain zareo oe fihevitra frantsay ka n'influencer-na t@ katolika. Satria tsy ao anatin Baiboly zany.

io.
Marina fa ny katolika tsy miantehitra fotsiny amin'ilay "sola Scripti" na ilay hoe izay teny nolazaina ao amin'ny baiboly ihany no inoany satria io vokatr'ilay hoe finoana nomen'i Jesoa (na jesosy) ary navelany tamin'ny apostoly ary nitohy nitohy generation hatrany amin'ny andron'izy 12 lahy ka hatramin'izao.
sy ilay teny ary @ faran'ny Bokin'i Joany (na Jaona) hoe mbola betsaka ny nataon'ilay Zalahy iny fa ireto aloha no voasoratra....

Ny mahagaga dia izany foana no niainana 14 siecle vao tonga ry Loteraa ry 18 na 19 sciecle aty afara vao Tonga koa ny antokom-pivavahana sasany.

Dia ny mahagaga ahy kely dia hoe raha diso ary ilay fihevitra katolika dia naninona no izay foana no niseho sy natao nandritra ny 14 Siecle izay vao niova tampoka?
dia avy ao amin'ilay zavatra niova nisy reformation de reformation de niova de niova de niova de impiry nisaraka moa ry zareo izao? misy zanampinoana firy?
Dia ny manaraka dia hoe ireo nanoratra ny boky sasany ao aminilay baiboly vakiana iny anie ka apostoly aryolona tao amin'ilay fiangonana niaraka t@ ndry Piera sy ry petera e?

Tsy haiko aloha.. mba hevitro ireo.

"It's Just my opinion.. i might be wrong"

16. kitjo ( 12/04/2004 16:20)
yeah, I know and that s why i am still protestanta gasy.

Tsy za koa no niteny ireo fa fanazava azoko reo znay e,
Tsy oe diso akory ny an katolika, ry Petera ange no niaraka direct t@ Jesosy e,
Fa ilay fitondrana ny fiangonana, na katolika na reforme na fifohazana no lazaiko oe misy zavatra tokony havaozina ve????
Araka io fanazavana io zany,

Tsy mety kosa aloha raha atao oe diso, zay no mahagaga ahy oe maninona no betsaka n yfirenena hafa no manavaka ny katolika tsy ho kristianina??
Ny Jesuite no lazain zareo fa manakaiky ny kristianina satria katolika evolue sy modere.

Fa ny tiak oambara fts oe sao d misy zavatra tokony havaozina ihany kosa ao. Na oe le olona mpitondra fiangonana na mpampiofana ao amintsika mitsy no mila fanofanana koa,

Ty aloha d hevitro manokana, ndray: za mahita fa reo mpitondra fivavahana ao amintsika ireo tokony mba efa soloina iany ,na farafaharatsiny misy tanora ampidirina fa io ange fiainana tokony iainana e, fa tsy isan kalahady iany
Oh oe fianarana d mila formation manokana sy periodique ny mpampianatra...manaraka ny toetrandro
Ny atahorako d sanatria k ho lasa oh ny any andafy sasany oe antitra aby sisa no mankany ampiangonana fa voatariky ny secta aby ny tanora.

17. ikaretsaka ( 12/04/2004 22:27)
ka ny jesuite ange katolika e.. satria manaja tanteraka ilay dogme katolika.. fa tsy hoe fivavahana hafa nisaraka t@ katolika
tsy tahaka ny hoe samihafa ny Fjkm sy batista ohatra.
Ianao ihany no miteny fa ireo izay mino an'i Kristy no atao hoe Kristianina, ka mino sa tsy mino an'i kristy ny katoliika? mino izy ---> Kristianina izy
Mbola antitranteriko ilay ilay teniko hoe fihevitra napetraka fotsiny io nohon'ny tsy tena fahalalana ilay hevitry ny hoe kristianina. dia hanaovana karazana "brainwash" dia propagandy dia ;asa ohatran'ny resaka politika.. dia ohatran'ny any ambanivohitra t@ anee 90 no miseho e.. hoe mijaly sns zaozaozao mny fifidianana nefa dia ratsiraka ihany ny fidina.. satria izay ny henony @ radio sy ny resaka eny an-tsena
18. ikaretsaka ( 12/04/2004 22:32)
fa tsy hainy akory ny tena marina.

Ny momba ilay hoe ovaina sy tsy ovaina. dia tsy isika no mandidy an'io satria io tsy ovaina ohatran'ny manova akanjo sanatria fa asan'andriamanitra no ataony eo . matoa ry zareo no eo dia andriamanitra no nametraka azy eo

"that's just my opinion, i might be wrong"
19. samoina ( 15/04/2004 11:52)
kitjo / ny azoko hamaliana anao angamba araky ny fandraisako ny hevitry ny mpandray anjara t@ io emission io dia izao: ny évolution'ny fiainan'olombelona no niteraka ny hevitra tsy mitovy ka nahatonga interprétation samihafa momba ny "soratra". Ilay voatokana ho an'ny zanak'israely dia nahitatra mba ho azo hampiarina @ ny zanak'izao tontolo izao.
I Piera sy ny "egliziny" no noresahina t@ ilay fandaharana fa angamba ny tohiny @ Zoma alina izao no hisy resaka momba ny réformés.
Izaho koa moa faly mihaino fotsiny sy miezaka mitadidy kely izay voalaza fa tsy tia miady hevitra momba io loatra intsony satria efa lasa oecuménique hiringiriny !!
20. ari.malala ( 16/04/2004 10:48)
fa le izy zany emission mandeha @ télé any an-dafy raha azoko tsara? nefa tena mahaliana!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.27