Fifampiaraban'ny Namana

21. jessicac ( 07/02/2004 19:19)
zay aloha mbola tsy nandeha fihaonana e! fa zao fotsiny: mba asivo confirmation kely faramparany ilay izy alohan'ny @ 15 (ohatra ny toerana sy ny ora tena ifanarahana ary ny madinidinika e!)


dia mba tantarao kely hoe inona ohatra hoe inona izany nahafinaritra be t@ fihaonana farany na ny nampihomehy!!!

dia misaotra mialoha fa tsara ny toa izao!!! mety ho avy zay ary e!!!
22. bibiche ( 07/02/2004 09:27)
Bonjour Hery Fijo ary Jessica
Efa fantatro ihany i Hery zao. I Fijo koa isaorako @ lay "Salut" an
Fa raha izahay sy Jessica kosa dia tsy mifankafantatra no sady vao izao koa vao niditra tamin' ity
Mbola tsy nisy fihaonana mihitsy fa atao ahoana tokoa moa ry Fiji izany hoe mifankafantatra filing eto zany? Tsy mazava amiko tsara
Misaotra daholo
23. fafah ( 10/02/2004 09:48)
salut jessicac,fijo,bibiche
tiako ho lazaina fotsiny hoe tsy misy atahorana ny hoe sao "omby mijery florà" saria hitady namana daholo ny anton-dia ao dia mazava ho azy fa vonona ny hifandray daholo ny tsirairay izay ho avy am fihaonana.anisan'ny nanatrika ny fihaonan'ny namana aho matetika fa nahafinaritra foana ka! nade tsy mifankahalala aza fa ao fa mifankafantara ho a"hay aiano ano jessicac na bibiche". de samy mihomehy avy eo de lasa mpinamana be avy eo.sady misy rahateo ny animation dia miaraka mandihy eo daholo.
zany hoe tongava daholo fa tsy hanenenanareo ngeh! zahay avy aty lavitra aza mety ho avy ka vao maika fa ny ao an-toaerana.
de manantena ny hahita n'i jessica sy bibiche sy fijo refa any!
aplisy! de biz!
24. ari.malala ( 10/02/2004 11:00)
tsy misy fidirana ohatran'ilay tany @ 67 zany fa mitondra zavaposotro sy tsakitsaky? de ahoana ny ahafantarana ny salle anaovana ilay fihaonana?
25. fijo ( 11/02/2004 11:35)
bibiche,ilay hoe mitovy feeling,dia izao.mandehana hoatra ao amin'ny resa behivavy.dia jereo amin'ireo hevitra mandeha ao hoe ity izany mitovitovy amiko.dia rehefa tonga any dia iny olona iny aloha tadiavina,fa ho mora ny mifandray aminy.
fafah>tena te hoany tokoa,saingy aty lavitra be loatra e.
26. ari.malala ( 11/02/2004 12:28)
Za zany tsisy mamaly ê! Ahoana ny ahafantarana ny salle? de tsy misy vidim-pidirana ve hoa!
27. hery ( 11/02/2004 12:38)
Averiko indray io hafatra voalohany ambony ery io

Fandraisana anjara: ny tsirairay dia samy mivimbina izay zakany ho an'ny tsakitsaky sy ny zava-pisotro. ny birao koa dia manomana zavatra kely ho fanamarihana ny tonon-taona, hiaraha mifampirary ny soa sy ny mamy ho an'ny namana rehetra

Raha nisy vidim-pidirana dia aza matahotra fa tsy izaho mihitsy no hanadino hametraka azy... fa matoa tsy nosoratana dé tsisy vidim-pidirana zany.

Fa raha ohatra moa ka misy terem-panahy hanampy ny caisse ve azo sakanana? Ilazao fotsiny i Voahirana dia izy ho hikarakara azy.
28. bibiche ( 11/02/2004 14:27)
Manao ahoana daholo eeeee
Tiako ho fantatra farany ary hoe karazana namana ahoana daholo ary ny any ho an' ireo izay efa mpandeha any tanora ve sa efa lehibe ilay madame fakana renseignement ao @ INSTAT aloha dia milaza amiko fa matotra ihany ilay izy fa ny sasany toa tsy hita be ihany
Merci daholo e
29. fyjl ( 12/02/2004 09:08)
Miarahaba antsika rehetra alou e! Fa ny blem de ty, fa @firy le fotoana e? Sa ze ahatongavana? Le toerena mantsy ho hita ihany, zay mantsy somary mpiasabe ka mety ho tonga @ 6h du matin kou, Manentana ihany aho anefa mba ho tonga maro isika.
Any zany mifaka(tia)hita e!
30. 123 ( 12/02/2004 09:57)
manao ahoana daholo e,

maninona moa raha tonga daholo e, dia mba any mifankahita tava fa tsy mifankahita soratra fotsiny
31. pilokely ( 12/02/2004 12:53)
Fa za aloha tena mbola manahy ihany na zany aza satria zao. Lazaiko ny antony:
1- za tena mbola vaovao b ny mikasika izany
2- za tsy de reny olona manintona reny, donc tsy de ho taitra ny hinamana amiko ny maro
3-Ny maro eto zany efa mifankafantatra
KOA TSY HO LOZA NY MIANDRY AHY AM IO FOTOANA IO?
32. pilokely ( 12/02/2004 12:59)
Bibiche sy Jessica a! sika zany mitovy ahiahy koa maninn moa raha mihaona mialoha koa isika 3 vavy e? de mba tsy de tena ho sarotra ny raharaha?De manorata de mifanao ftôna de zay sa aôna hy nareo?
Za manko mba te handeha fa zay ny pbem ko!
33. hery ( 13/02/2004 20:42)
Fa i FyjL ve namaky an'ilay vaovao aloha e? Jereo io hafatra voalohany napetrako io fa misy hoe...

Amin'ny 1ora tolakandro ka hatramin'ny 6ora hariva.

34. gasymanina ( 13/02/2004 10:08)
Izaho dia aty an-dafy saingy fantatro tsara ny EPP Ampasanisadoda satria toerana fihaviako. Ho an'ireo izay tsy mahafantatra, dia raha avy aty @route circulaire ianareo (avy any BelAir na Betongolo ohatra ka hiakatra ho any Antsahabe), dia vao miakatra kely , dia eo ;à ankavia ny EPP Ampasanisadoda, ohatra ny ao anaty lavaka io. Misy totohatra azo hidinana eo nefa kosa ny fidirana dia ary @ny lalana midina avy any Antsahabe ka ho any Ankatso. Mirary anareo anao fety tsara avokoa
35. rnej ( 13/02/2004 15:46)
fa in ny tena atao any mandihy ve sa miresaka sy mikaly fotsiny fa zay mantsy zao sura fa mbola reraka be amin io le
36. fijo ( 13/02/2004 16:43)
mihaona,sy mifankafantatra e.dia misotrosotro kely,tsikitsiky kely,resadresaka kely,sns kely
37. naritsimba ( 13/02/2004 17:30)
Miala-tsiny aloha fa dia tena tsy afaja foana ny tenanay eh!
Manao ny fotoaam-panokafana ny fankalazana ny ffaha-10 taonan'ny fikambanana misy ahy aho @ io koa miala-tsiny indrindra fa dia mahavita-be eh!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3317