Lavo ny andry iray lehibe tao amin'ny "mafana"

1. ravatorano ( 22/01/2004 17:48)
Fakomaly no nidaosin'ny fahafatesana Ingahy Germain Rakotonirainy natsoin'ny sasany hoe : "Razery, Lynx".
Raha teo amin'ny resaka politika dia nanana ny maha izy azy tokoa ny lehilahy aary tsisy mihitsy ny mitovy aminy.
Izy dia ilay antsoina hoe "meneur de foule" , pmahay miantso vahoaka amin'ny nilaina azy.Mbola hadino ve fa ry "Razery anie no nanomboka ny grève teny amin'ny Coum 67 tamin'ny 91 ireny izay vao nitatra ka tonga teny amin'ny 13 Mai
ka nivadika herivelona ary niala tao indray ry mafana ka lasa HVM.
Olona sahy miteny ary responsable amin'ny teny izay avoakany. Tsaroko tsara fa i Portos aza efa nitory azy teny amin'ny tribonaly ; noho izany fivatravatrany izany amin'ny zavatra hitany fa marina sy rariny , nefa tsy nahavoa anazy fa niala maina.
Efa nitantana ny ministera ny fampianarana izy tamin'ny gvt ratsirahonana .
Nilaozan'ny andry lehibe iray ny mafana.Ry Pety ireny mataoa tonga amin'izao toerana ara politika misy anazy zao ddia noho i Ralynx ary izy no nitantana an'i Pety arapolitika.
Olon'ny tsikera Ingahy Germain ary tsy mihemotra amin'izany raha hitany fa tsy mifanaraka amin'ny heviny sy izay hahasoa ny fitondrana.
Tsy natao hanasoasoana azy akory ity resaka ity na wé maty vao ramalala fa kosa ho fahatsiarovana ny zavatra mba tsaroan'ny tena fa novitany tamin'ny fandalovany amin'ity tany ity.

Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany isika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.146