famadihana

21. ikaretsaka ( 28/01/2004 16:51)
tss stsy mety kosa izany kle... zahay aza isole hoe zahay irery ny gasy aty @ tanana nefa tsy manadino koh
22. fijo ( 29/01/2004 11:07)
ka izay le zesta.nefa zesta manary ny azy.
23. hendry ( 29/01/2004 12:57)
Raha mijery ny zava-misy marina sika dia ny any ambanivohitra no tena mamadika. Ny ankamaroan´ny mpandray anjara ( zana-drazana) dia mitrongy vao homana, ny hohanina anio tadiavina anio, nefa noho ny faneren´ny fiaraha-monina sy ny finakaviana @ fitazomana ny kolotsaina dia tsy maintsy manao zay ahitana ny anjara tokony aloa @ famadihana. Idiran-trosa ny akamaroany, zany ve dia tsara?
Tokony hialana ny famadihana ka soloina famonosan-damba tsotra, tsy mila anasana olona ary tsy mila anaovana fety be, ho an´ny tsy manana io mazava ho azy.
24. fijo ( 30/01/2004 09:25)
eny e,raha tsy manana anie tsy tokony hoterena kosa e.fa raha hafaka manao dia tsara ny manohy azy,satria io ny antsika e.
25. pitchou ( 31/01/2004 18:24)
ny fahafantarako azy dia isan'ny fety iaraha-mizaka ny lany ny famadihana! ary ny fianakaviam-be mihitsy no miaraka manomana azy. Isan'ny lafiny tena mahafinaritra io! ezahana ho mitovy ny fitafiana @izay tsy misy miavaka (raha tsy hoe angaha tena te-hiavaka, de tena avahan'ny olona ko!). Tsy fomba ifankahalalan'ny velona ihany, fa fomba iray koa ampitana @ ankizy aty afara ny nipoirany, ny toerana misy ireo olona avadika eo @ arbre généalogique-ny! (ny any an-dafy moa d ny galerie ny itazomany izany!). Tsy hoe fanompoana na fivavahana @ razana no antony anaovana ny famadihana (iny indray any @ joro na fanasinana no atao) fa tena @ ilay fitenenana hoe velona iray trano maty iray fasana e! fandalana ny fihavanana ihany koa ny famadihana!
26. fijo ( 03/02/2004 11:01)
ilaina ary tsara raha tohizana ireo fombantsika ireo.
27. pitchou ( 06/02/2004 12:45)
saingy ny dokotera sasany moa d milaza fa tsy dia tena ara-pahasalamana loatra hono!
28. ikaretsaka ( 07/02/2004 10:38)
ny inona no tsy ara pahasalamana ry pitchou?
29. rasta ( 05/03/2004 19:28)
Hendry>>

Tsy manana ilay fahendrena akory ianao raha milaza fa tsy mitahy ny razana. Mety hendry avy amin'ny foto-pisainana vahiny ianao ekeko izany; saingy izao fotsiny no lazaiko anao: raha mbola malagasy ianao dia matahora ny tsinin'ny Razana. Tsotra izay teniko izay.Hajao ny fomban-drazanao.
Ary ny famadiana anie tsy hatao isan'andro na isam-bolana na isan-taona akory e, ko eo nareo no milaza fa mandany vola. Ampahafirin'ny rendrarendra isan'andro, na ny fanaovana adidy amin'ny fiangonana nefa izany amin'izao fotoana hiainatsika izao.
Mba diniho ihany ranamana.
Efa olona ketrina mihitsy izany hoe manary na manova ny kolotsainy izany. Sa te ho vazaha indray izy izany ry mody Hendry an.
30. hendry ( 05/03/2004 15:56)
rasta>
1.Tsy mandà ny hanaovan´ny manam-bola ny famadihana aho, ny mampalahelo ary zavatra nitranga tao @ fianakavianay zany dia terena handoa somme mitovy na ny toa inona fari-piainanao na toa inona, ary misy mihitsy ny idiran-trosa.
2. Raha mino ny fitahian´ny razana enao dia minoa, zonao zany fa zaho tsy mino zany razana mitahy zany.
31. hendry ( 05/03/2004 15:59)
Samy manana ny finoany io, tsy afaka hanery ahy hino ny fitahian´ny razana enao, raha mino enao, tano ny finoanao.
Ilay hoe hendry avy @ foto-pisainana vahiny, diso be enao. Mpandala ny maha-malagasy aho saingy ny fomba entina mandala izany no samy manana ny azy. Averiko ndray, raha olona manankarena, manan-katao, tsy mampaninona ahy izy na mandany millions maromaro na milliards koa aza hanaovany zany fa ny mahantra na ny antonony ara-pivelomana tsy tokony ho forcer-na hizaka ny tsy eran´ny aina.
32. hendry ( 05/03/2004 16:03)
Ny adidy any am-piangonana anie r´ise ka tsy amina millions e, raha tsy hoe ny any @ mpanao fahafolo karena ngah, hafa ndray iny.
Tsy resaka fanariana ny kolotsaina mihitsy ny fitsikerana ny zavatra azo ovaina ao anatin´ilay kolontsaina.
Soso-kevitra iray nomeko ohatra ny hanovana ny famadihana ho famonosan-damba tsotra ho an´ny tsy mahatakatra fandaniana be.
Eo koa ny tsy tokony hiviravirana ny faty mandritry ny fotoana maharitra
( am-padihizana sy ny sisa) satria tsy dia tsara loatra ho an´ny fahasalamàna zany.
33. pitchou ( 06/03/2004 18:10)
ka jereo kosa ary ny nanaovana ilay razam-bazaha nentina nampideraina antsika taty? iza tsara moa? Terezy raha tsy diso aho! nahavita niari-tory ery ireo milaza fa kristiana!
Sao dia ny ao @ fianakavianareo kosa tsy mikatsaka ny fitandroana fihavanana? satria ny fantatro dia hiara-midinika ary iaraha- manapaka daholo izay atao fa tsy misy an'izany hoe ranona terena i ranona manery izany!!!
mahita ary aho indraindray any ANtsirabe, mifampitaritarika hatreny an-tsena miara-misafidy ny lamba ho vidiana hanaovana akanjo mitovy mba tsy hisian'ny hoe ny sasany mahavidy ny sasany tsy mahavidy!!! tafiditra ao anatin'ny fombafomba @ famadihana io fifanakalozan-kevitra io, ary isan'ny fahendrena izay ezahana averina @ izao fotoana!
34. poussiereniceself ( 21/03/2004 19:58)
Raha mitondra soa aloha ilay izy dia nanao za e
ohatran ny olona mamo ny fahitako azy.
35. ikaretsaka ( 22/03/2004 09:33)
samy manana ny finoany io.. aleo hifaly 2 izya mahafaly azy
36. booboo ( 02/06/2004 12:59)
tsy fandaniam-bola io fa vola no miodina tsinona ouz ilay mpanoratra malagasy tsy tadidiko anarana izay ! ary koa fomba iray entina hanajana ny razanao izay nitahy satria ny tany, ny trano, ny harena izay navelany ho an'ny taranany dé isan'ny fitahiana dôl, ouz indray ilay prof de malagasy tany am-pianarana.
37. ari.malala ( 02/06/2004 13:57)
Tsy misy razana mitahy izany! raha mitahy ny razana tsy ho toy izao ity Madagasikara malalantsika ity. Fandaniam-bola ny famadihana satria na ny frais hidina any ambanivohitra, ny lamba hamonosana ilay razana... sady mamoha fota mandry koa ê! tsy ampy ve ny alahelo teo am-pifamoizana fony vao maty ilay olona no mbola fohazina sa ampiana indray? @ izay misy torana mintsy! sady ny tena mampime, zavatra matetika mitranga moa, efa ela loatra angamba no nahafaty ilay olona ka tsy tadidy loatra intsony hoe izy io sa tsia, efa nihohoka nitomany teo vao hoe tsy izy io fa ity vao tena izy... mitady fahoriana fotsiny, sady tsy aleo ve ny vola tsy maintsy laniana @ ilay famadihana hanatsarana ny fiainan'ny velona ê!
38. booboo ( 02/06/2004 17:22)
samy manana ny fomba fandinihany ny zava-misy io
39. mpisotrtoaka ( 15/01/2015 05:07)
Famadihako amiko ! OK
Za katôlika hiringiriny dia izay manaiky tsara izay ts manaiky azy ny azy !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2959