Ny Divay sy ny Baiboly

1. rhaj0 ( 04/11/2014 18:25)
Manahirana ahy mihintsy ny mamaky ireto soratra ao @ Baiboly momba ny Divay (ohatra). Satria dia mitsinjo ireo Ankizy mba ndeha hamaky Baiboly aho io, kanefa raha mitontona @ ireo soratra ireo (momba ny Divay ohatra), dia ahoana ?

Dia handray ara-baki-teny, sa haka inspiration dia hanao ny toatoa izany koa, sa .. ho akatony ny Baiboly ary tsy hiverina intsony izy satria, na ny boky manaja-tena mpitantara angano azany dia hanao auto-censure tsy hiteniteny an'izany ho an'ny Ankizy..

---

Genesisy 9:21 Ary nisotro tamin’ ny divay izy [Noa] ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.

Nefany @ io i Noa ka tena raitra... olombe @ tanana ?? Mamo dia manary lamba ???
Genesisy 6:9 ...Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny...

---

Genesisy 19:32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin’ ny raintsika. 33 Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin’ iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy...

Dia ganga ve ianao raha manao toatoa izany koa ny tanora ? manome ampitaka "date rape drug" ? Na koa ilay lahiantitra maolamaola manolana ankizy ?

---

1 Timoty 5:23 Aza misotro rano intsony fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.

Ohabolana 3:10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao.
Proverbs 3:10 So shall thy barns be filled with plenty, and thy presses shall burst out with new wine.

Mampirisika alcoolisme ? Dia nefa hozy ilay mpi-spin namen'i Gasy1zay hoe, ka tsy madio ny rano t@ izany... ntsss... ny gasy mantsaka any an-drenirano angaha tsy mbola ao anatin'izany ?

---

Fa inty no tena loza :

Jeremia 13:12 Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra?
13 Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko leony [Heb. feno] ny mponina rehetra amin’ ity tany ity, dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, sy ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny mponina rehetra any Jerosalema. 14 Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin’ ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.15 Mandrenesa ka mihainoa, aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny.
Jeremiah 13:13 Then shalt thou say unto them, Thus saith the LORD, Behold, I will fill all the inhabitants of this land, even the kings that sit upon David's throne, and the priests, and the prophets, and all the inhabitants of Jerusalem, with drunkenness.13:14 And I will dash them one against another, even the fathers and the sons together, saith the LORD: I will not pity, nor spare, nor have mercy, but destroy them.

(jereo hatrany Jeremia 25:15, na 25:27 na 51:7 na koa 51:39 ilay hasiahana tsy roa aman-tany)

izany hoe "atao mamo" ny fahavalo, dia avy eo, aripaka tsy asian'i Jehovah "fiantrana"..

Dia ganga ianao raha hanao an'izany koa ny Ankizy ??? manao am-pitaka dia mandringana tsisy fiantrana ???

novalian'i rhaj0 ny 10/11/2014 19:38
2. gasy1zay ( 04/11/2014 19:14)

rhaj0:

Indraindray aho rehefa mamaky ny soratanao eto dia manontany tena hoe tena mihevitra izay zavatra soratany ary ve i rhaj0 io sa mba faly hanao tsindrom-paingotra fotsiny? Izaho mino hoe ianao io dia tena manampahaizana dia ahoana no tsy hainao hoe refa misy teny 1 dia misy ny sens propre sy sens figuré? Aza adino ko a fa misy ny métaphore, litote, euphémisme sns...

Miaiky aminao aho fa ny soratra ao @ baiboly misy tsy takatry ny sain'ny olona @ mahaolombelona raha tsy efa mafy orina ny finoana ary ny sasany moa zany dia ny Fanahy Masina mihintsy no hanome fahazavantsaina ho anao mba hahazoanao azy.

Mikasika io faminanian'i Jeremia io indray dia raha jerena feno izy io dia toy izao, ao no ahitanao ny antony, ny tokony ny nataon'ny zanak'Israely ary ny vokany raha tsy mino ny faminaniana ry zareo ka tsy mibebaka:

"8 La parole de l'Eternel me fut adressée, en ces mots: 9 Ainsi parle l'Eternel: C'est ainsi que je détruirai l'orgueil de Juda Et l'orgueil immense de Jérusalem. 10 Ce méchant peuple, qui refuse d'écouter mes paroles, Qui suit les penchants de son coeur, Et qui va après d'autres dieux, Pour les servir et se prosterner devant eux, Qu'il devienne comme cette ceinture, Qui n'est plus bonne à rien! 11 Car comme on attache la ceinture aux reins d'un homme, Ainsi je m'étais attaché toute la maison d'Israël Et toute la maison de Juda, dit l'Eternel, Afin qu'elles fussent mon peuple, Mon nom, ma louange, et ma gloire. Mais ils ne m'ont point écouté.

12 Tu leur diras cette parole: Ainsi parle l'Eternel, le Dieu d'Israël: Tous les vases seront remplis de vin. Et ils te diront: Ne savons-nous pas Que tous les vases seront remplis de vin? 13 Alors dis-leur: Ainsi parle l'Eternel: Voici, je remplirai tous les habitants de ce pays, Les rois qui sont assis sur le trône de David, Les sacrificateurs, les prophètes, et tous les habitants de Jérusalem, Je les remplirai d'ivresse. 14 Je les briserai les uns contre les autres, Les pères et les fils ensemble, dit l'Eternel; Je n'épargnerai pas, je n'aurai point de pitié, point de miséricorde, Rien ne m'empêchera de les détruire.

15 Ecoutez et prêtez l'oreille! Ne soyez point orgueilleux! Car l'Eternel parle

16 Rendez gloire à l'Eternel, votre Dieu, Avant qu'il fasse venir les ténèbres, Avant que vos pieds heurtent contre les montagnes de la nuit; Vous attendrez la lumière, Et il la changera en ombre de la mort, Il la réduira en obscurité profonde.

17 Si vous n'écoutez pas, Je pleurerai en secret, à cause de votre orgueil; Mes yeux fondront en larmes, Parce que le troupeau de l'Eternel sera emmené captif.

18 Dis au roi et à la reine: Asseyez-vous à terre! Car il est tombé de vos têtes, Le diadème qui vous servait d'ornement.

19 Les villes du midi sont fermées, Il n'y a personne pour ouvrir; Tout Juda est emmené captif, Il est emmené tout entier captif.

20 Lève tes yeux et regarde Ceux qui viennent du septentrion. Où est le troupeau qui t'avait été donné, Le troupeau qui faisait ta gloire?

21 Que diras-tu de ce qu'il te châtie? C'est toi-même qui leur as appris à te traiter en maîtres. Les douleurs ne te saisiront-elles pas, Comme elles saisissent une femme en travail?

22 Si tu dis en ton coeur: Pourquoi cela m'arrive-t-il? C'est à cause de la multitude de tes iniquités Que les pans de tes habits sont relevés, Et que tes talons sont violemment mis à nu."

Io ry rhaj0 dia faminaniana ny hanjo an'ny zanak'israely raha tsy miova izy satria ry zareo nanaraka andriamanitra hafa , ry zareo moa somary mafy loha ka tsy nihaino ny voalazan'ny mpaminany dia ny niafarany dia babon'ny fahavalony izy dia nentina tany Babylona, fa raha nihaino ny mpaminany ireo ka niala t@ fahotany dia tsy nihantra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra.

Isika izao mbola manampotoana hibebahana ka tsy aleo ve mba mihaino an'Andriamanitra @ zay fa tsy hanaraka ny ditran'ny fontsika foana e! Rehefa tonga any andro farany ka tsy hisy intsony ny fifonana e, tonga dia ny fitsarana no miandry antsika.
3. rhaj0 ( 04/11/2014 23:20)

gasy1zay:
..ahoana no tsy hainao hoe refa misy teny 1 dia misy ny sens propre sy sens figuré? ..

rhaj0:
... Satria dia mitsinjo ireo Ankizy mba ndeha hamaky Baiboly aho io

Fa ohatra azany e.. hatraiza ny raisina "sens figure" : hoe noforonina ny Tany, sa "figurE" io fa tsia no izy? hoe Madame Eve no razamben'ny raolona, sa mbola "figurE" ihany koa izany fa i Madame Lucy no izy ?

Fa rahefa mihodinkodina eto, dia haiko ihany ilay "sens figure" kah... spinner-na ambarapaha-metimety ny baolina ao

4. endriny ( 05/11/2014 05:16)
Ary avy nisotro divay kely angaha ny akama "Rhaj0" no toa be inspiraka be mihintsy?

Ity sens figure sy sens propre du terme ity mihintsy no tena filalaon'ny mpampihesona, ka izay mampetimety ny toerany no andraisany azy.

Fa ao amin'ny Jiosy dia misy ilay fety fitsofan-drano ny divay: "Hagafen" no anarany. Fety fanao isan-taona alohan'ny amohana ny damizana misy ny divay. Dia mba nalain'ny Romanina sy ny Galoa tahaka ihany koa... Tsy misy divay azo amidy na zaraina na koa sotroina raha tsy vita ity fombafomba Hagafen ity. Satria sitrak'Atra ary avy aminy ny nahatonga ny vokatra voaloboka ho lasa divay...

Dia nalain'ny Katolika tahaka ihany koa io fombafomba io ary ataony isaky ny lamesa...
5. rhaj0 ( 05/11/2014 11:30)
Ka notampohin'i Gasy1zay rano ny divay dia io lasa dibo-drano io ary dia tsisy tsirony intsony... Ka i Gasy1zay toa hotry ny m(p)anao "filibuster", dibohana ny resaka @ izay very an-javony levona ao..

Fa dia iverenako ny resaka iray.
Genesisy 19:32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin’ ny raintsika.

1- inty zavavikely manana "complexe d'oedipe" (te-hanambady an-drainy), dia mitontona @ io "soratra" io. Ka dia ho lasa tokoany koa izy "handry amin-drainy" ka izay ny "fomba" ao anaty Baiboly tsinona.

2- inty tovovavy tarabe @ namany ao, dia "hampisotroiny divay" ilery, hoy ny Baiboly, rahefa te-"hanana fara", ary dia voafandrika ao i bainina kely

3- inty bainina anti-maola, dia mody hoe, nahazoazo aho kouh... dia "nandry taminy".. Koa izany no misy rehefa mahazoazo, hoy ny Baiboly, ary na i A.tra azany mahita an'izany dia tsy nibedy (teo no ho eo)

4- tsy lazaina intsony ny inspiration-ndry jiolahim-boto, mamely ambadika amina "date rape drug", asiany drogue ny veran'ilay zavavy dia asiany an-keriny ilay zavavy avy eo. Ka ao @ Baiboly azany, ny rain'ilay zavavy mihintsy no anaovany toa izany..

Dia ahoana... inona no lazainao @ ireo olona 4 ireo ry Gasy1zay ?
TSY "izaho" no mila resenao lahatra fa ireo olona ireo.

Raha izao, dia ny ho lazaiko, dia ... "resak'adala" izany f'aza minomino foana izay voasoratra rehetra ao... ny maha-maika dia ny hanampiana ilay zavavikely izay efa mikorotan-tsaina @ complexe d'oedipe-ny.

(an an... dia tena maha-tezitra ahy izao... fa tena manimba ny saina sy fiainan'ny fiaraha-monina mihintsy...)
6. gasy1zay ( 05/11/2014 15:08)

Izaho tsy nilaza hoe tsy marina izany tantara izany ary tsy miezaka mandresy lahatra anao aho satria Andriamanitra no mahay manova ny fon'ny olona fa tsy izahay mpitory teny, izahay dia fitaovana fotsiny ihany.

Tsy hoe mitsaoka ny sujet koa aho fa dia hovaliako ny fanontanianao, io tantaran'i Lota io dia fampianarana 3 no azo tsoahina ao raha ny marina : vokatry ny filana ara-nofo sy ny tsy fahatokisana an'Andriamanitra ary ny fimamoana, araky ny nambarako dia ny fomba fandraisana ny baiboly dia tsy andininy 1 na 2 fa mety toko 1 mihintsy no ahazoana mahazo ny tantara iray manontolo ary misy fananarana ao, misy toetra mety na tsy mety ary misy fanoroandalana ny tokony ho atao.

Mba mamela ahy ianao ry rhaj0 hametraka ny "contexte" feno hanazavako azy :

30 Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
31 Ary hoy ny vavimatoa tamin’ ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin’ ny tany hanambady antsika araka ny fanaon’ ny tany rehetra;
32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin’ ny raintsika.
33 Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin’ iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany.

Raha ny fandehan'ny tantara dia izao, te hanambady sy hiteraka izy mirahavavy, izy 3 mianaka irery anefa no teo fa ny mponina Sodoma sy Gomoro efa nanjavona niaraka t@ tanana, ary izy 2 vavy ireo dia tsy mba nahatoky an'Andriamanitra na nivavaka t@ Andriamanitra hoe mba omeo vady izahay Jehovah, fa dia vahaolona @ mahaolombelona no hitany fa mety, ka dia tonga ny tetidratsy avy @ filan'ny nofo, ka dia nomeny divay ny rainy ho mamo tsy hahatsiaro ny tenany dia nandriany. I Lota koa moa zany tsy nahonontena t@ divay ka dia izao nanao ny tsy fanao izao.

Midika ve izany fa tokony ho atao ny nataon'ireo zanany ireo satria voasoratra ao @ baiboly? Tsia tompoko, azo atao ve ny mamono ny rahalahinao satria namono ny rahalahiny i Kaina? fa ny fampianarana tokony ho tsoahina raha mamaky an'io tantara io ianao dia ireto :
1- Mahatokia an'Andriamanitra ary apetraho aminy ny fiainanao mba tsy hanaonao foana ianao
2- Aza manaraka ny filanao ianao fa manjary hanaonao foana
3- Alaviro ny fimamoana mba tsy hanaonao foana ianao

Zavatra efa tsy mety ve no arahina satria voasoratra ao @ baiboly? Tsia tompoko, entina hananarana aza ny tantara mba tsy hanaonao foana isika.

raisiko ny ohatra noraisinao,

1- inty zavavikely manana "complexe d'oedipe" (te-hanambady an-drainy), dia mitontona @ io "soratra" io. Ka dia ho lasa tokoany koa izy "handry amin-drainy" ka izay ny "fomba" ao anaty Baiboly tsinona

Ny zavavikely manana "complexe d'oedipe" aza tokony ho kiriko mahita io tantara io, raha tsy izany tena ohatrany efa manana olana izy, tadidio fa ny complexe d'oedipe tsy tokony ho tonga @ filana ara-nofo fa raha izany efa misy tsy milamina ao @ ilay ankizy tokony hijery psychiatre izy fa mety manana olana aram-pitiavana sy aram-pifandraisana @ ray sy reniny. Raha ankizy no namaky io tantara io ka manontany ahy hoe fa ahoana izao dia afaka azavaina tsara mintsy hoe inona ny tian'ny baiboly holazaina @ io tantara io araka ny nolazaiko etsy ambony ary dia tsindriana mintsy fa "tsy nety" ny nataon'izy 3 mianaka ary tsy mifanaraka @ sitrampon'Andriamanitra.

2- inty tovovavy tarabe @ namany ao, dia "hampisotroiny divay" ilery, hoy ny Baiboly, rahefa te-"[i]hanana fara
", ary dia voafandrika ao i bainina kely

3- inty bainina anti-maola, dia mody hoe, nahazoazo aho kouh... dia "nandry taminy".. Koa izany no misy rehefa mahazoazo, hoy ny Baiboly, ary na i A.tra azany mahita an'izany dia tsy nibedy (teo no ho eo)

4- tsy lazaina intsony ny inspiration-ndry jiolahim-boto, mamely ambadika amina "date rape drug", asiany drogue ny veran'ilay zavavy dia asiany an-keriny ilay zavavy avy eo. Ka ao @ Baiboly azany, ny rain'ilay zavavy mihintsy no anaovany toa izany..

Ireto indray ny fahitako azy dia mauvaise foi satria ny zavatra ratsy ao @ baiboly ve no hoentinao hanamaritena eo @ fiainanao andavanandro? Amiko ireo olona ireo efa nanana eritreridratsy sy filandratsy talohan'ny nahitany io teny io fa tsy mino aho hoe avy namaky ny tantaran'i Lota dia lasa "violeur" et "pédophile" ianao. Dia averiko aminao ny fanontanianao, ianao ve izany raha namaky io tantara io dia hieritreritra ny hampiatra io @ fiainanao satria voasoratra ao @ baiboly io?
Dia averiko hoe afaka mamono ny rahalahiny toa an'i Kaina ve isika satria voalaza tao @ baiboly izany?
Ny baiboly vakiana ahafahana mamantatra ny sitrampon'Andriamanitra, ahafantaranao ny tokony ho atao sy ny tsy tokony fa tsy sanatria hoe inona ny ratsy nataon'ny olona ao fa mba ho ataoko koa.
7. rhaj0 ( 05/11/2014 15:51)
Genesis 19.31... il n'y a point d'homme dans la contrée, pour venir vers nous...
20.1 Abraham partit de là pour la contrée du midi; il s'établit entre Kadès et Schur, et fit un séjour à Guérar.

Ilay tananan'i Sodome ihany no ripaka fa tatsy Guerar feno lehilahy re ry Gasy1zay a... Fa raha ny fahitako azy, dia zareo tsy miray afa-tsy ny mitovy finoana azy.

Dia nitarin'i Gasy1zay ny resaka, mi-spin ka mi-spin, ary niafarany dia hozy Gasy1zay : "tonga ny tetidratsy avy @ filan'ny nofo"... Dia izy roa vavy kely indray izany no diso fa tsy ilay lehilahy lehibe tsisy tsiny fa nanaiky nomamoana dia namely e...

Dia sao dia io koa no lasa "inspiration" an'ireo olona mifanambady mpianadahy/mpianaka?

gasy1zay:
... zavatra ratsy ao @ baiboly ve no hoentinao hanamaritena... Dia averiko aminao ny fanontanianao, ianao ve izany raha namaky io tantara io dia hieritreritra ny hampiatra io @ fiainanao satria voasoratra ao @ baiboly io?

Raha izaho manokana no anontanianao, dia efa hoe, "resak'adala" izany f'aza minomino foana izay voasoratra rehetra ao...

Fa ny Ankizy TSY manana reference, TSY sahala aminareo mahay mi-spin, dia io no mba vakiany... angaha ianao ho eo foana isaka ny mamaky boky ny zanakao ??

8. gasy1zay ( 05/11/2014 17:01)

izaho tsy niteny mintsy hoe tsy diso i Lota fa aza hovainao ny zavatra lazaiko fa ny tetidratsy dia avy @ izy mirahavavy, Ary aza heverinao hoe zaza tsy ampy taona izy 2 vavy eto fa efa tokona hahay hanavaka ny tokony sy ny tsy tokony ho atao.

Ilay tananan'i Sodome ihany no ripaka fa tatsy Guerar feno lehilahy re ry Gasy1zay a... Fa raha ny fahitako azy, dia zareo tsy miray afa-tsy ny mitovy finoana azy.
Ka io anie no nolazaiko hoe raha nahatoky an'Andriamanitra izy dia Andriamanitra afaka nanome vady sahaza azy e, ry zareo anie mpivahiny tao Sodoma sy Gomoro e, fa nanana ny tanindrazany izy, afaka niverina nitady vady tany.

Dia sao dia io koa no lasa "inspiration" an'ireo olona mifanambady mpianadahy/mpianaka?
Fa ilay tantaran'ingahy Oedipe nga moa tanaty baiboly sa tsy mythologie grika? Ireo gasy taranak'Andriana tsy mifanambady afatsy samy zareo koa ve zany naka inspiration t@ tantaran'i Lota? Ny pharaon d'égypte koa ve?

Fa ny Ankizy TSY manana reference, TSY sahala aminareo mahay mi-spin, dia io no mba vakiany... angaha ianao ho eo foana isaka ny mamaky boky ny zanakao ??

Fa ny zanakao vavy aloha raha mahay ny dikan'ny hoe "handry t@ rainy" dia efa tokony hanana fahalalana ampy hanaovany discernement ka amiko tsy tokony haka an-tendrony izy raha efa lehibe ka mahalala izany fa io moa ianao no rainy dia ianao no mahita ny fitazaina hitanao fa mety aminy,rehefa hozy ianao hoe tsy mety aminy ny baiboly dia safidinao izany, rehefa antitra isika dia mahita ny niafaran'ny zanaka notazaintsika dia mifampiresaka isika any hoe nety ve le nitaizanao azy tao rhaj0 sa tsia.
9. bor2lais ( 05/11/2014 17:20)
[size=8]Anaro ihany ny ankizy ry rhaj0 tsy hanao "tsabo telo" ny ao @ Baiboly fa mety ho ratsy a ! :-)[/size]
10. rhaj0 ( 05/11/2014 17:59)
bor2lais:
[size=8]Anaro ihany ny ankizy ry rhaj0 tsy hanao "tsabo telo" ny ao @ Baiboly fa mety ho ratsy a ! :-)[/size]

[size=8]Ny "tsabo telo" no ratsy sa ... ny Baiboly ?[/size]

Ary kiboribory vetaveta anie ilay izay izany e... Hoe :
- tsy mahay raha ianao, fa dia mandehana vakio ny Baiboly (manao "tsabo telo" mety hety)
- mamaky Baiboly ianao, fanefa ianao tsy mahay raha, ka dia ... aza manao "tsabo telo"

Tsy hita ihany izy ity... dia avy eo hotry ny ianao foana no diso fa tsy mamaky Baiboly hono, na koa TSY mahay mandray ny vakianao... an an.. fa dia mahasoava aminareo ao zany izany e...

[size=8]Ary raha izaho na koa ny zanako manokana no resahinao, dia efa (manomboka) "mihatakataka zahay fa fanondro" ... na fanondro adala azany dia "fanondro", tsy maninona izany, f'aleonay mihatakataka... [/size]
11. 5laody ( 05/11/2014 18:03)

Salama daholo,

Raha tena mbola kely ny ankizy Rhaj0 mety misy baiboly notsorina ho azy ireo. Na amin'ny teny gasy angamba inoako fa misy. Saika hitantara blagy aho fa efa lasa serieux be ny resakareo teto ka dia hotantaraiko amin'ny manaraka angamba.

mahazotoa daholo
12. rhaj0 ( 05/11/2014 18:09)
Gasy1zay:
... Ny zavavikely manana "complexe d'oedipe" ... efa misy tsy milamina ao @ ilay ankizy tokony hijery psychiatre izy...

Marina tapany ny anao.. psychologue no aleha fa tsy mandeha mamaky Baiboly Genesisy (maka) 19
13. rhaj0 ( 05/11/2014 18:21)
5laody:
Raha tena mbola kely ny ankizy Rhaj0 mety misy baiboly notsorina ho azy ireo

Koa na "lehibe" azany dia mety mifamaofao ao..

Dia avy eo ho'a, dia ilay olona (efa mifamaofao) foana no diso, fa tsy ... ireo nanoratra ity boky..
14. gasy1zay ( 05/11/2014 18:24)

rhaj0:

Gasy1zay:
... Ny zavavikely manana "complexe d'oedipe" ... efa misy tsy milamina ao @ ilay ankizy tokony hijery psychiatre izy...

Marina tapany ny anao.. psychologue no aleha fa tsy mandeha mamaky Baiboly Genesisy (maka) 19

Io indray ianao ry rhaj0 fa manao resaka mifanipaka na "contradictoire", ka miaiky ary ve ianao hoe matoa ny olona iray mifranchir ny limite fantasme sy réalisation @ resaka inceste dia efa nanana olana psychologique izy fa tsy hoe vokatry ny famakiana "tsy nahy" ny tantaran'i Lota tao @ baiboly? izay anie no noezahako nolazaina fa tsy hoe raha manana complexe d'oedipe nareo dia vakio ny tantaran'i Lota. Fa na izany aza raha hanontany izy hoe azo atao ve zany sa tsia ary hoe aiza ao @ baiboly no mandrara izany dia afaka omena ny référence biblique ary afaka azavaina ny sitrampon'Andriamanitra mikasika ny "inceste" sy ny fimamoana.
15. rhaj0 ( 05/11/2014 18:36)
eny, manana "olana psychologique" izy, fa ny famakiany ny Baiboly, ilay andininy io, no mi-conforter azy ao...

[size=9](ary f'angaha indray moa tsy ny Finoana sy ny Baiboly no panacee? sa tsy ianao no "mino" an'io?...)[/size]
16. gasy1zay ( 05/11/2014 18:46)

rhaj0:

eny, manana "olana psychologique" izy, fa ny famakiany ny Baiboly, ilay andininy io, no mi-conforter azy ao...

[size=9](ary f'angaha indray moa tsy ny Finoana sy ny Baiboly no panacee? sa tsy ianao no "mino" an'io?...)[/size]

Ny ahy tsy miova ka, efa fantatro ny hinoako, efa azoko ny famonjena ka ho tehiriziko, raha izaho sy ny ankohonako dia hanompo an'i Jehovah izahay :)

Fa inona moa no mifanohatra @ baiboly @ zavatra nolazaiko?
17. bor2lais ( 05/11/2014 18:52)
rhaj0:

[size=8]Ny "tsabo telo" no ratsy sa ... ny Baiboly ?[/size]

[size=8]Ny manao tsabo telo @ Baiboly no mety ho ratsy ka ![/size] :-)
18. rhaj0 ( 05/11/2014 18:55)
[size=8]Fa ahoana kosany... raha "tsara" ny Baiboly, dia n'inon'inona tsaboina na tsindrohina ao dia tokony ho "tsara".. fa tsy ilay mpitsindroka indray no diso fa be fitsindroka[/size]
19. rhaj0 ( 05/11/2014 19:00)
gasy1zay:
Fa inona moa no mifanohatra @ baiboly @ zavatra nolazaiko?

"ianao" anie toa politisiana e... tsy ho resy dohika mihintsy fa mahita resahina foana ary mahay ping sy mi-spin ny baolina.. Izaho mijery no fanina mijery anao fanina ao @ spin-nao ao...

Fa averiko fotsiny ny nanombohako ity resaka ity... "dia mitsinjo ireo Ankizy mba ndeha hamaky Baiboly aho io"
20. gasy1zay ( 05/11/2014 19:20)

Ka ny afaka ambarako anao dia izao, aza adino fa ny ankizy manana fahatsoram-po, ny ankizy mamaky hoe mandry t@ rainy dia toy ny hoe matory miaraka @ rainy tsy mieritreritra hoe "inceste" fa isika moa zany efa mahalala hoe inona tokoa ny ao ambadik'io, tsy haiko aloha hoe ankizy firy taona no mahatakatra hoe nanao firaisana ara-nofo ny tiana holazaina eto, fa raha hitanao hoe "cru" loatra ny tantara sasany anaty baiboly dia io voalazan'ny namana io hoe misy baiboly hoan'ny ankizy.

Fa io araky ny nambarako anao misy na efa olondehimbe manampahaizana toy ny inona aza mbola tsy mahatakatra ny ao ambadiky ny toko sy andinin'ny baiboly tsy midika izany hoe tsy tokony hamaky baiboly fa rehefa tena mivavaka ianao hoe sokafy ny fanahiko Andriamanitra hahazoko ny teninao dia ohatrany tena manomboka azonao ny tian'ny baiboly ambara.

Fantatro fa sarotra ho anao ny hino izany lazaiko izany nefa dia tena hiainako izany ary raha ny marina aza dia tsy kisendrasendra ny fahatongavan'ny tenin'Andriamanitra eo amin'ny fiainanao fa efa fandaharan'Andriamanitra daoly ka mino aho fa tsy hahazo teny tsy mety aminy ny ankizy raha mamaky baiboly, finoako io fa tsy resaka "tsabo telo" akory.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.297