L'Enlèvement

1. irakiraka ( 01/03/2017 09:35)
Inona ny hiseho @izany fotoana izany. Mialohan'izany fotoana izany. Aorian'izany fotoana izany.
Maro ireo namantsika tsy mahalala. Isika koa ndraindray mety varina ihany. Ndao hifampahery ao anatin'ty ndray ary :) (Ankoatry Rhaj0 sy endriny izay mafana fo ao @ Tompo rahatr'zay dia entanina manokana koa ny mpino rehetra handray anjara . Efao ny adidinao e :)
novalian'i rhaj0 ny 21/03/2017 23:47
2. rhaj0 ( 01/03/2017 12:04)
Eritrereto tsara ry Irakiraka fa (mety) programan'i Jesosy anie ny fisian'ny "namantsika tsy mahalala" na koa "variana" eee... Dia @ izay izaho sy ianao miresaka toa izao eto.

Fa dia ianao Irakiraka izany anie ka mampirisika ny mi-contrer ny programan'i Jesosy eee...
Asa raha mazava aminao fa ny "TSY mba ahavariana ny namantsika" dia TSY programan'i Jesosy.
3. RBNIR ( 01/03/2017 12:25)
rhaj0:

Asa raha mazava aminao fa ny "TSY mba ahavariana ny namantsika" dia TSY programan'i Jesosy.

Tsy izany kosa ny voasoratra e, ilay tsy mahavariana ny olona mihitsy no mety ho programa avy amin'Andriamanitra....

« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jaona 3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jaona 3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jaona 3:33)



4. rhaj0 ( 01/03/2017 13:13)
Ka "zava-misy" anie ilay "namana variana" eee... ka dia "programany" io izany.

Sa mahasahy ve ianao hilaza ry RBNIR fa, TSY programany ny "zava-misy" ???
5. RBNIR ( 01/03/2017 13:19)

irakiraka:

Inona ny hiseho @izany fotoana izany. Mialohan'izany fotoana izany. Aorian'izany fotoana izany.
Maro ireo namantsika tsy mahalala. Isika koa ndraindray mety varina ihany. Ndao hifampahery ao anatin'ty ndray ary :) (Ankoatry Rhaj0 sy endriny izay mafana fo ao @ Tompo rahatr'zay dia entanina manokana koa ny mpino rehetra handray anjara . Efao ny adidinao e :)

Tsara faritana ihany ngamba namana irakiraka ilay hoe tianao lazaina amin'ilay hoe "izany fotoana izany"...
Fotoana inona aloha ilay izy sao miteniteny foana eto e?
6. RBNIR ( 01/03/2017 13:20)
OK. hitako (autant pour moi) enlèvement : mino aho fa amin'ilay fotoana hampiakaran'i Jesosy ny olony eny amin'ny rahon'ny lanitra no tianao ambara e???
7. irakiraka ( 01/03/2017 13:36)
Eny tompoko ry namana RBNIR :)
Ho Alelouia be @ zany ho an'zay ampiakarina.
Fa dia ho zava-doza kosa ho an'zay taraiky...
Ary Io tsy misy hoe za mandà an'i Jesosy dia tsy mahakasika ahy zany ...
8. rhaj0 ( 01/03/2017 13:52)
hi hi hi.. tena "tsy mahakasika ahy izany".... Hanontanio ny Dalai Lama, Einstein ary Mandela, hanontanio ny Amerindiana sy ny Ntaolo, na ny RaR na Rar-n'ny RaR-nao ao...

fa ao @ imagination-nao ao irery ihany io no mandeha eee... Dia rahefa ao @ imagination-nao ao ho'a ianao, dia mba généreux sy généreuse eee... TSISY zava-doza izany ho an'izay taraiky.


Tena mino ve ianao fa i Jesosy dia mihira "alelouia ho an'izay miakatra" ??
Tena mino ve ianao fa i Jesosy dia hamely "zava-doza ho an'izay taraiky" ??

io ho'a tena TSY fantatrao mihintsy akoriny i Jesosy sy ny nataony eee... loz'ty.
9. endriny ( 02/03/2017 05:37)
Efa manomboka mirediredy ny Kristianina.

Strong3: ho avy ny farany ary hiraraka ohatra ny voatsinefy eto an-tany ny kintana
RBNIR : hiova trou noir ny soleil eny @ galaxie lactee
Irakiraka : Enlevement

Fa tsy lavement ve?

Efa tena miverina marina i Paoly. Hoy i Paoly indray andro tamin'ny mponin'i Korinto hoe: "fa ho avy tsy ho ela ny fotoana, ka ny sasany amintsika tsy ahita na isedra fahafatesana akory".

Esy aho le Paoly e. 2000 taona aty aoriana, mbola misy velona izany olona t@ andron'i Paoly, mbola tsy nandalo fasana.

Ary rahoviana izany ny fanisana ny ondry?
10. irakiraka ( 02/03/2017 11:05)
Ho antsika izay efa nanolo-tena ho an'i Jesosy dia ndao ho tazomina hatr@ farany izany famonjeny zany: "Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana" Marka 13:33

Ho antsika izay tafasaraka taminy, tsara ny Tompo fa mbola andron'ny famindram-po zao: "Miverena ianao ry zaza mpiodina fa ho sitraniko ny fiodinanareo" Jer 3:22

Ho an'i Rhaj0 sy endriny ary ireo izay mbola lavitra azy:"Ary izay manantona Ahy dia tsy mba ho laviko mihintsy" Jao 6:37 - "Anaka, atolory ahy ny fonao" Ohab 23:26

Tena ho avy Jesosy: "Indro Izy ho avy eny @ rahona; ary ny maso rehetra hahita Azy" Apok 1:7
Raha @ io fotoana io enao vao tapa-kevitra ny hijoro tsara, na hino dia hoy ny voalazan'ny Tenin'Andriamanitra: "Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko ianareo mpanao meloka" Mat 7:23

11. rhaj0 ( 02/03/2017 13:25)
enfin... takatr'i Irakiraka ihany fa tsy mba mpanao (toa an'i Irakiraka) toa izao i Jesosy:
- mihira "alelouia ho an'izay miakatra" ??
- hamely "zava-doza ho an'izay taraiky" ??


Tena diniho lalina ao ihany ry Irakiraka, fa tena i 'le Paoly, arak'io avoitran'i Endriny io, i 'le Paoly no (hotry ny) "ivavahanao" ao, na handraisanao "fampianarana" moa izany eee... i 'le Paoly fa tsy Jesosy
12. endriny ( 03/03/2017 06:29)
Irakiraka a, ny foko efa lasan'ny vady aman-janako ka tsy misy omena anao intsony.

Boribory ny tany ry Irakiraka fa tsy fisaka a. Noho izany raha ny zavatra hita @ lanitra eto Madagasikara tsy hohitan'i Rhaj0 mihintsy. Ka diso be ny baibolinao.
13. irakiraka ( 03/03/2017 08:09)
Efa tena ao anatiny tanteraka isika zany ee :" Efa fantatrareo voalohany indrindra fa @ andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira,..." 2 Pet 3:3

Fa tiako oa ty hira ty dia mba zarako eto ee :)
Ny fanantenako ee
Tsy ho levonaaa
Jesosy-ko iny ee
Tsy hamitaka ahy
Indro efa akaiky ny andro izay hamonjeny ahy
Avia Jesosy ô, HANARAKA AHO

D ty ndray an'i Rija R
Any an-danitra any, any misy fiainana ee
Any ny mino no mbola hody fa tsy maintsy tody e iee
Ny aty d mandalo ihany sy miserana
Jesosy efa mikarakara ny toeranaaaaa

:)
14. rhaj0 ( 03/03/2017 12:11)
I Jesosy re mbola serina miezaka mafy ny hamonjy ireo zaza malagasy tsy manan-tsiny, izay maty isaka ny 10 minitra eee...

F'aza dia tia tena be toa io kosa ry Irakiraka aaa.... tsy vitan'ny kotabainao @ hirahiranao eo IZY, fa mbola hotry ny asainao hoe, "mikarakara toerana" ho anao?
Ianao nefa @ io olo matanja-batana aman-tsaina, tsisy piraobilema akoriny..

Dia hotry ny hoe izahay (na izaho) no lazainao fa "maniratsira"? Izahay (na izaho) mba mampisokatra ny sainao indray ity no mahazo loza... loz'ty :-)
15. endriny ( 06/03/2017 16:43)
Ary saika nataoko fa hoe ohatran'ireny hoe manala akanjo ireny ny enlevement. Izaho koa tena nondrina be fa aza fady.

Io fiteny hoe: "Nondrina na donendrina" io dia filazana ireo olona taraikiraiky amin'ny famaliana na be tsy miteny fa ohatran'ireny ondry voan'ny deronina ireny
16. rhaj0 ( 06/03/2017 16:52)
Izaho indray nataoko fa toa ilay nataon'ny Katolioka taty Kanada fahiny ity loha-hevitra ity.. hoe, nanaovany "enlevement" ny zanaka amerindiana, noesoriny t@ fianakams sy fiaraha-monina amerindiana, satria hono .. devoly izany, ary @ anaran'ny Jehovah no anaovana ity "enlevement".
17. irakiraka ( 09/03/2017 11:16)
Somary fanahiniana moa ny nanaovana an'ilay titre hoe enlèvement na koa hoe enlèvement de l'Eglise mba ahafahan'ny sasany manao recherche sur google ee
Ny eglise eto dia tsy trano fa izaho sy ianao, ilay nitazona ny famonjen'i Jesosy hatr@ farany.

Inona no hiseho aorian'ny enlèvement? (Efa lasa lavitra kely moa eto fa tsy manin fa entina hampirisihina anao tsy ho variana loatra @ ara-nofo fa hikarakara ny fiainam-panahy ee). Alain'i Jesosy ho any aminy aloha izay rehetra azy mba tsy ahatratra azy ireo ny loza mahatsiravina. Miaraka miakatra @ mpino ihany koa ny Fanahy Masina @ io. Vita ny enlèvement dia fanjakan'ny bibidia no hanjaka eto an-tany.
Dia ho tanteraka ilay Tenin'Dieu Apok 13:17 hoe:" Mba tsisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany": io ilay puce électronique.

Raha hisafidy ny fiainana, tsy misy lalana afa-tsy Jesosy e.
Azonao antsaina ve ny plan n'ny Mpamorona an'izao tontolo izao hoe ny Zanany Lahitokana mihintsy no nataony sorona ee. Jesosy no varavarana. Izay tsy mandalo eo dia azo lazaina fa echec ny fiainany tety an-tany. Mety nahatsangana zavatra ihany izy, mety malaza ihany ny anarany fa ho tonga tsinontsinona izy satria fahaverezana mandrakizay no hiafarany.

18. rhaj0 ( 09/03/2017 21:09)
i Jesosy re ry Irakiraka TSY mahafantatra izay Leglizy-nao ao izany aa...

Ivereno dia vakio tsara ny fiainan'i Jesosy, fa Aminy, ny Tranon'ny Ray dia ... TSY Leglizy fa ireo Sinagaoga.

Fa dia savisaviho ho an'i Jesosy izany ity Leglizy noforonin'ny taty aoriana izany ee...
19. lahindroy ( 10/03/2017 17:25)
akory jiaby ianareo ?

ô ry rhajO a! fa sinagoga inona indray ny Tranon'i Ray ? f'angaha tsy ny fiangonana kristiana tahakan'ny an-dry RBNIR na ny an-dry Irakiraka na koa ireo izay noforon'i Paoly 2000 taona lasa izay , na ny an-dry Luther na Calvin na ny ...FJKM na ireo fiangonana katolika izay vy nahitana ny ...fivavahana kristiana taty aoriana (na tiana na tsy tiana - ny protestanta sy forongony tsy nisy raha tsy tamin'ny taon-jato faha-XVI ...?

sinagoga izay nohenjehin'ny kristiana ( sy novonoiny ary matetika ) ny mpino tao , indray ve no Tranon'i Ray ? tena mba mahagaga izany an raha tsy hoe angaha ...Jiosy i Jesoa fa tsy kristiana ?

ilay "puce électronique " aloha angamba dia aleho tsy asiana teny fa mety mitory ...fahavendranana !
fa kosa ny fisian'ny ...mpaniratsira ny finoana sy ny fivavahana kristiana ve , araky ny fahalalan'i Irakiraka dia vao izao sa efa nisy taloha , ohatra ...2000 taona lasa izay ? ka raha efa nisy izany ohatra dia efa tokony ho efa tamin'ny andron-dry Petera ange no efa tokony tonga ny ...andro farany e !
20. rhaj0 ( 12/03/2017 12:56)

lahindroy:
ô ry rhajO a! fa sinagoga inona indray ny Tranon'i Ray ? f'angaha tsy ny fiangonana kristiana tahakan'ny an-dry RBNIR na ny an-dry Irakiraka na koa ireo izay noforon'i Paoly 2000 taona lasa izay , na ny an-dry Luther na Calvin na ny ...FJKM na ireo fiangonana katolika izay vy nahitana ny ...fivavahana kristiana taty aoriana (na tiana na tsy tiana - ny protestanta sy forongony tsy nisy raha tsy tamin'ny taon-jato faha-XVI ...?

sinagoga izay nohenjehin'ny kristiana ( sy novonoiny ary matetika ) ny mpino tao , indray ve no Tranon'i Ray ?

Ka inona azany ilay "toeram-pivoriana" nampikitakita mafy an'i Jesosy, ary dia nanaovany raok'alika ireo Mpivarotra tao eee...

Toa "Tranon'ny Ray" no noantsoan'i Jesosy azy, ry "Sinagaoga" no niantsoan'ny olona azy.

Sa diso aho?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856