Tsy tena katolika raha niala katolika

1. hery ( 08/02/2013 21:25)
Fomba fitenin'ny sasany (ex-katolika) eto amin'ny serasera ilay hoe "izaho efa katolika ela be fa fantatro fa diso ny finoanareo katolika"...

Izao no teniko ho azy ireny:

- Aza mihambo ho "katolika ela be" satria tsy tena katolika ianao matoa niala. Ny tena katolika izay tena resy lahatra dia mahalala ny finoany ka sarotra ho azy ny ho resy lahatra amin'ny zavatra hafa noho izany.
- Aza mihambo ho efa katolika akory, fa tsy mbola katolika akory ianao satria tsy ampy akory ny vita batemy hilazana hoe katolika fa mila miaina ny tena finoana katolika.
- Aza mihambo ho mahalala ny finoana katolika satria na izahay tsy miala katolika aza mivelona isanandro ary tsy mbola afaka mihambo ho mahalala ny zavatra rehetra.
- Mbola betsaka ny zavatra tokony ho fantatrao saingy niala talohan'ny fotoana ianao ka izay no tsy nahalalanao azy.

Manana zò feno ianao hanana ny fiangonana sy ny finoana izay maharesy lahatra anao... fa aza miteny akory hoe mahalala ny finoana katolika, indrindra hoe mahalala noho ny katolika, satria famitahan-tena ihany izany :-)

Mahereza hatrany.
novalian'i tanicus ny 25/01/2015 12:08
2. sitlo ( 08/02/2013 22:18)
Odon Marie Arsène Razanakolona
3. Nehemiah ( 09/02/2013 05:39)
Ahoana izany ireo mompera niala ?
4. hery ( 09/02/2013 07:04)

Nehemiah:

Ahoana izany ireo mompera niala ?

Niala katolika? Mitombina foana io na iza na iza miala katolika.
5. mirananirina ( 09/02/2013 09:31)

hery:

Nehemiah:

Ahoana izany ireo mompera niala ?

Niala katolika? Mitombina foana io na iza na iza miala katolika.

betsaka no lasa Orthodoxe ary ao koa ny lasa manambady fa kosa mijanona katolika ary manafa fo mht

za aloha katolika taloha eh :p
6. Nehemiah ( 09/02/2013 12:58)
De toute façon tsy dia any loatra ny olana, fa ny tena tiana ho fantatra dia ara-Baiboly tanteraka ve ny fivavahana katôlika, sa misy zavatra mifanohitra @ Tenin'Andriamanitra @ fomba goavana araky ny filazan'ny sasany ilay izy.
7. Miharena ( 09/02/2013 17:06)
Izaho ndray dia manohana tanteraka ny namana Hery satria tsy olana ara-Baiboly mihitsy no fahitako izay zava-mitranga eo amin'ny fifanenjehan'ny samy Kristianina fa fitsikeram-pomba fivavahana izay lazaina fa tsy mifanaraka amin'ny Baiboly.

Nefa rehefa tena zohina ireo mpanaraka Baiboly ara-bakiteny dia tsy feno koa fa mahazo kiana avy amin'ny hafa hatrany raha tsy miresaka afa-tsy ny tenin'ny Silamo hoe ny Kristianina dia olon'ny soratra fa tsy olon'ny finoana. Fomba fijery ny an-dry zareo ary azo lazaina ho marina rehefa tena zohina satria hita taratra amin'ny ankamaronan'ny Kristianina io toetra mitopo teny io rehefa mampianatra na mitory.

Tsy maha-diso ny Baiboly mihitsy izany zavatra izany fa ny lahatsoratra sasany ao anaty Baiboly mikasika ny fanahy fahamarinana no matetika tsy voizin'ny olona mpitory manenjika fiangonana hafa.

Matetika rehefa mandeha any am-piangonana isika dia misy ny fampianarana omen'ny Mpitarika ary eo koa ny fombafomba entina manatanteraka fotoam-pivavahana iombonan'ny rehetra ary hajaina satria izay no fandaminana. Raha tena zohina ny fampianarana dia hita fa misy fitaizam-panahy ao ary fampifantohana ny olona hihaona amin'ny Tompo iombonana sy hahalala AZY bebe kokoa hatrany.

Rehefa tsy mahay mihaino sy mandray, dia lasa mitsara satria hay kay ny hahatongavany tao am-piangonana tsy hifantoka amin'Andriamanitra fa hitazatazana izay tsy metimety aminy.
8. tywa68 ( 09/02/2013 20:10)
Hery : efa fomba fanao hatry ny ela io manaratsy io satria tsy mandry saina @lay nialàna, fa aleo samy mitàna ny finoany fa tsy ny etikety akory no anontaniana rhf any aoriana any ;)
9. toriteny ( 10/02/2013 03:09)
hery:

Fomba fitenin'ny sasany (ex-katolika) eto amin'ny serasera ilay hoe "izaho efa katolika ela be fa fantatro fa diso ny finoanareo katolika"...

Izao no teniko ho azy ireny:

- Aza mihambo ho "katolika ela be" satria tsy tena katolika ianao matoa niala. Ny tena katolika izay tena resy lahatra dia mahalala ny finoany ka sarotra ho azy ny ho resy lahatra amin'ny zavatra hafa noho izany.
- Aza mihambo ho efa katolika akory, fa tsy mbola katolika akory ianao satria tsy ampy akory ny vita batemy hilazana hoe katolika fa mila miaina ny tena finoana katolika.
- Aza mihambo ho mahalala ny finoana katolika satria na izahay tsy miala katolika aza mivelona isanandro ary tsy mbola afaka mihambo ho mahalala ny zavatra rehetra.
- Mbola betsaka ny zavatra tokony ho fantatrao saingy niala talohan'ny fotoana ianao ka izay no tsy nahalalanao azy.

Manana zò feno ianao hanana ny fiangonana sy ny finoana izay maharesy lahatra anao... fa aza miteny akory hoe mahalala ny finoana katolika, indrindra hoe mahalala noho ny katolika, satria famitahan-tena ihany izany :-)

Mahereza hatrany.

Izaho izao no lazain'i Hery an'izany é?:) Izao Hery an:

Ny Fanahy izay noraisiko no namindra ahy ho tsy isan'ny Katolika intsony fa tsy izaho akory no nandray ilay initiative. Ianao à 18 ans izany na hoe efa majeur aza, na dia hoe insolente ohatran'inona aza, tsy hahatafandray décision mihitsy hoe efa nianatra confirmation nandritry ny taom-pianarana, efa horaisina confirmation afaka volana vitsy, efa vita ny retraite, ny fiofanana, efa voazaitra ny akanjo, tsy tadidiko na efa voavidy ny kiraro sy ny accessoires tamin'izay, efa notenenina mialoha ny havana rehetra hanotrona ny lamesa, efa vita ny programme hoe hanao fety kely izahay tao an-trano aorian'ny any am-piangonana nefa tonga dia du jour au lendemain dia nasainy nifindra anaram-piangonana hafa. Tsy hahavita an'izany mihitsy ianao raha décision olombelona no atao

Na ny fanalam-baraka sy ny fimenomenonan'ny havana sy ny henatr'i dadanay sy mamanay ireo havana noho ny nataoko (ny havako rehetra katolika avokoa ary tena nanome tsiny ahy rehefa hoe tsy hatao confirmation indray aho indrindra moa fa hoe nivadika anaram-pinoana hafa), ny nanariako ny namako niara nivavaka tamiko sy izay efa mba habitude nivavahako ary ny fitiavako ny fiainako adolescente dia ampy tsy nandehanako nifindra raha amin'ny maha olombelona ahy no natao

Maninona aho no nasainy nifindra finoana? Fa maninona no à la veille ny handraisana confirmation ahy aho no nasainy nifindra? Tsy haiko. Fa nirahiny aho dia nandeha, tsy tao anatiko akory ny hihezaka hahalala ny antony sy ny hanisy doute na kely fotsiny aza izany iraka izany ka hoe sao dia tsy mahasoa ahy, inona ny conscequence ny eo amin'i dadanay, eo amin'ny havana,... fa ny nataony tao an-tsaiko dia ny hoe mahalala ny hevitra iheverany ahy Izy, dia hevitra hitondra fiadanana fa tsy loza araka izay efa noteneniny ao amin'ny Jer29: 11.

Izany akory tsy midika fa mitovy ohatra ahy daholo ny fitondràny ireo namana katolika efa nandray Azy sy ny hoe hitarika ny namana katolika hiala amin'ny finoany no tanjoko fa samy hafa ny mission antsika eto an-tany sy ny lalana hitondrany antsika tsirairay avy.

Mino aho fa tena ho hainy mihitsy ny nampitombo ahy na dia tao amin'ny katolika aza fa tsy tao izany no nilavany ahy fa ny mission ako dia any an-kafa dia nandeha aho. Ary ilay mission nampandraiketiny ahy efa mazava amiko amin'izao ary tena marina, efa manana recul ianao aty aoriana, fa tsy ho vitako mihitsy ilay mission raha mbola nijanona tao amin'ny katolika aho.

Ary ny fitenenako foana eto hoe izaho katolika 18 ans tsy hoe akory fidedadedako sanatria ka hoe mbola katolika ihany aho ny dikany sy ny hafatra tiako hambara. Izaho tsy katolika intsony fa ny tiako tenenina dia "je comprends" ny antony hanaovana Masina MAria ohatra satria zavatra nihainako nandritry ny 18 taona ilay izy. Ny olona tsy katolika manko tsy mahalala ny antony hanaovana an'ireny fa tonga dia mitsara fotsiny hoe tsy mety ilay izy ary tsy araka ny baiboly nefa izaho mahalala tsara satria tao anatiny ka mahalala hoe inona ny antony nanaovana an'ireny ary inona hoy ny baiboly mikasika ireo antony ireo.

Ary tsy anaram-piangonana, tsy ny fombafomba, tsy ny fahalalàna no zava-dehibe sy hidirana any an-danitra ka hoe ireto no priorité vao ireto fa ny fananao Azy no important satria Izy irery ihany no hanavotana anao sy hahazoanao famonjena na katolika ianao, na protestant, na Adventiste,...
10. hery ( 10/02/2013 21:07)
toriteny> Izaho tsy misakana ny olona hiala tsy ho ao amin'ny katolika. Azo atao tsara ny miala, samy manana ny antony hialàny. Ny anao izany dia "azonao antoka" fa ny Fanahy no nitondra anao. Ny sasany mety zavatra hafa no antony.

Tsy izay loatra no olako.

Fa ny olana ho ahy dia ireo olona izay efa firy taona lasa no niala katolika nefa milaza fa mahalàla ny fomba katolika sy miseho ho mampianatra izany an'ireo izay katolika sy tsy miala katolika, ireo olona izay niala katolika nefa mbola tsy marim-pototra akory ny finoana katolika niainany dia miseho ho mahafantatra ny tena finoana katolika ka manohitra izay lazain'ny katolika tsy niala.

Izay no averimberiko hoe raha miala katolika ianao dia aza mieritreritra intsony hoe mahalàla ny finoana katolika...
11. RBNIR ( 11/02/2013 11:54)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,

Rehefa nilaza izy fa......
http://www.directmatin.fr/monde/2012-11-20/le-pape-remet-en-cause-la-date-de-naissance-du-christ-239285

Dia milaza indray koa izy fa.....
http://www.francetvinfo.fr/le-pape-benoit-xvi-a-annonce-qu-il-demissionnerait-le-28-fevrier-selon-le-quotidien-italien-corriere-della-sera_248539.html#xtor=EPR-51-[alerteinfo]-20130211-[titre]-[]

Toa tsy hahagaga na hataitra ahy raha hilaza izy fa hiala tsy ho katolika intsony atsy ho atsy.

Amin'izay raha hijoro vavolombelona izy avy eo ka hilaza hoe izaho dia tena katolika iringiriny taloha ary mahafantatra tsara ny fivavahana katolika (iza kosa no tsy hino azy???).

Tsiky dia ampy e,

Samia ho tahin'ny Tompo
12. moustaraf ( 11/02/2013 12:24)
Salama namana isany;

1. Raha eo @ tantaran'ny fivavahana kristiana dia tsy mahagaga raha fifanenjehana no betsaka, satria raha ny tantaran'ny fiangonana no jerena dia fifanenjehana sy fifampiandaniana hatramin'ny voalohany , ka aoka tsy ho taitra intsony ianareo!

2. fa ity mba misy sombiny kely tiana hozaraina: "SABATA SY ALAHADY"
Ny Romana nanome ny Alahady, Cardinal Albert Smith t@ 10 fév 1920:
Mamaly ny fanenjehana nataon’ireo mpanohitra Protestanta calviniste sy luthérien hoe:
“Ny foibe Vatikana sy Roma no namindra ny Sabata ho Alahady; Fanomezam-boninahitra ny Eglizy katolika foana ny ivavahany sy ny namany alahady na dia tsy sitrany aza izany”
Pejy 231 Doctrine du cathéchèse (paru 1957):
“Mitandrina ny Alahady izahay fa tsy Asabotsy satria ny Eglizy katolika no namindra ny hasin’ny Sabata ho alahady”
Pejy 50« Manana fahefana hanolo ny Sabata ho Alahady izahay noho ny fahefaan’ny Eglizy; ianareo protestanta dia tsy manana izany fahefana izany, ary tsy afaka mamoaka didy satria izahay no voafidy, ary ianareo dia mankato anay »

Noho izany, aoka ny fifanenjehana eo @ samy kristiana fa Iray ihany no nipoirana dia ny Romana.
Ary tokony hijanona koa ny adihevitra momba ny Alahady sy Sabata, fa tsy misy fototra ara-baiboly velively, fa identité sy suprematie an'ny romana no nahatonga izany.

MAHEREZA DAHOLO O!
13. hery ( 11/02/2013 12:36)
RBNIR> :-)

- Mahagaga ahy ilay resaka hoe 25 desambra. Efa ela be no lazain'ny katolika fa ny 25 désambra dia tsy daty marim-pototra hoe nahaterahan'i Kristy. Ary izay no naverin'ny Papa noho ny fisian'ireo mpandà ny tokony hankalazàna ny 25 desambra. Nolazainy fa tsy ny 25 désambra akory no tena daty nahaterahany fa daty iray napetraka hankalazàna ny nahaterahany fotsiny. etc.
Tsy vao izao izany resaka izany satria tsy misy mahalàla ny daty sy ny taona tena nahaterahan'i Kristy.
Raha hiteny koa izao ny Papa hoe tsy tamin'ny taona 0 i Kristy no teraka fa mety tamin'ny taona 6 tany ho any, dia himenomenona koa i RBNIR... kanefa efa mazava sy fantatra tsara fa diso fanisa taona ny olona ka raha miverina manisa manomboka izao dia tsy mitontona amin'ilay taona 0 ny tena taona 0.

- Momba ny Papa nametra-pialàna indray dia zavatra normal be ilay izy. Ny Papa Jean Paul II ihany koa tamin'izy narary be iny dia efa nieritreritra ny hametra-pialàna saingy noho ny làzany dia naleony nijanona ihany, ny sainy rahateo koa mbola matanjaka. Ka tamin'ireny dia efa raikitra ny resaka hoe ny Papa raha vizana be tahaka an'i JP II dia tokony hametra-pialàna. Dia io i Benoit XVI nanatanteraka azy io.

- Fa ny Papa aloha dia tsy niala katolika fa nijanona amin'ny maha Papa azy fotsiny ka :-)

14. RBNIR ( 11/02/2013 12:41)
hery:

RBNIR> :-)
- Fa ny Papa aloha dia tsy niala katolika fa nijanona amin'ny maha Papa azy fotsiny ka :-)

Izany an? :-) aleho ny ho avy ary no hamaly azy e,

Samia ho tahin'ny Tompo daholo
15. hery ( 11/02/2013 12:52)
RBNIR> tsy niala katolika ny Papa ka. Ny hoe hiala sy ny tsy hiala indray, raha mivavaka mafy ho amin'izany ianao mety ho eken'Andriamanitra ihany :-)

16. RBNIR ( 11/02/2013 13:04)

RBNIR:

hery:

RBNIR> :-)
- Fa ny Papa aloha dia tsy niala katolika fa nijanona amin'ny maha Papa azy fotsiny ka :-)

Izany an? :-) aleho ny ho avy ary no hamaly azy e,

Samia ho tahin'ny Tompo daholo

Mbola faly misera hatrany namana,

Fa raha sanatria tanteraka angamba izany dia velona ny hoe : Rainiboto ireny fa tsy mahagaga, ambodia nitafy hodijanak'ondry iny ...... :-)

Fa raha ny amiko manokana dia izaho efa vita kominio voalohany, ny vadiko dia efa lasa alavitra kokoa satria efa saika hanao masera aza. Ny havany akaiky rahateo betsaka ny masera.
Raha ny fivavahana katolika dia izy mahafantatra be lavitra noho izaho.
Fanamarihana kely fotsiny : tsy notereko mihitsy izy hanaraka ahy fa navelako hisafidy malalaka. Izay tianao hoy aho.
Izy no nanaraka (ny antony azy irery izay).
Hoy fotsiny izy aty aoriana hoe : mampalahelo ahy ny katolika ry dada hoy izy.
Fantany tsara fa mpivavaka tsara tokoa ny katolika (saingy hoy izy hoe mampalahelo ahy....) Tsy izaho no nilaza fa izy. Saingy fantatro tsara ny tiany hambara.

Raha ny tenako manokana dia niala aho satria natahotra an'Andriamanitra : betsaka loatra ny fanovana lalan'Andriamanitra hitako tao (raha tsy hilaza afatsy ny didy faha 2 sy fahefatra ary ny fizarana anakiroa ny didy fahafolo ). Nefa ny voasoratra ao amin'ny dan.7:25 dia mitombona foana ho an'ny fiangonana rehetra eto ambon'ny tany na iza izy na iza.
Satria na iza na iza manaiky fiangonana hanova lalana sy fotoana napetrak'Andriamanitra dia midika ho fankasitrahana izany ka tsy afaka amin'izany isika na iza na iza.

Tsy misy fankahalana katolika mihitsy, fitiavana aza no betsaka saingy noho ilay tenin'Andriamanitra hoe « Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apok.18:4) Dia nandray fanapahakevitra ny tena handositra ny fahatezerana ho avy.

Ny tena tsara dia mijoro ao amin'ny fiangonana sy mandresy lahatra ireo mpitondra hiverina hibebaka ka hitandrina indray izay efa natolotra, nefa .....hanaiky v izireo?????

Averiko hatrany, tsy misy fankahalana katolika mihitsy fa FITIAVANA aza no be dia be,

Samia ho tahin'ny Tompo namana

17. hery ( 11/02/2013 13:13)
Ny ahy dia averimberiko foana. Raha toa tokoa ka tsy mety aminao sy ny konsiasinao ny mijanona ho katolika, nahoana no hijanona ao? Izay izany no netinety taminao dia nandeha ianao ka tsy manome tsiny mihitsy aho.

Fa ny olona niala katolika nefa mbola malahelo ny katolika dia taratry ny nenina ihany izany. Mety hoe tsy tsapan'ilay olona fa any amin'ny subconscience-ny any. Ka ilay teny hoe "mampalahelo ahy ny katolika", dia karazana fampiononan-tena na fankaherezan-tena ihany. Resaka psikolojika fotsiny izany hoe mila an'izany ny sain'olombelona rehefa niala zavatra iray noheveriny fa lehibe teo amin'ny fiainana nefa tsy azony iverenana intsony.

Ka izay no amerimberenako foana hoe, raha misy toerana hitanao fa mampivoatra anao am-pinoana kokoa dia mandehana any. Saingy raha manitikitika ao amin'ny subconscience-nao ao ihany ilay hoe "fa naninona ary aho no niala"... dia jereo ihany fa mandray zaza mpandany koa ny Katolika :-)

18. RBNIR ( 11/02/2013 13:26)

hery:

Fa ny olona niala katolika nefa mbola malahelo ny katolika dia taratry ny nenina ihany izany. Mety hoe tsy tsapan'ilay olona fa any amin'ny subconscience-ny any. Ka ilay teny hoe "mampalahelo ahy ny katolika", dia karazana fampiononan-tena na fankaherezan-tena ihany. Resaka psikolojika fotsiny izany hoe mila an'izany ny sain'olombelona rehefa niala zavatra iray noheveriny fa lehibe teo amin'ny fiainana nefa tsy azony iverenana intsony.

Raha raisina amin'ny fisainantsika olombelona dia mety azo heritreretina hoe izay tokoa ilay alahelo.
Saingy tsy izay ilay izy namana, fa miainga avy amin'ny fihevitr'Andriamanitra :
« Dia hoy Izy: Hianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra; fa amin'ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra (Isa. 6. 9). » (Lio.8:10)
Sy ny hoe « Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho (Isa. 6. 10). » (Jao.12:40)

ILAY ALAHELO DIA HOE DIA SANATRIA NOHAJAMBAINA V? DIA HO SANATRIA ISAN'IREO IZAY TSY NAVELA HAHALALA V?

Tsy fantatro namana, an-tsika no mandinika.

Samia ho tahin'ny Tompo hatrany
19. Miharena ( 11/02/2013 16:15)
Miarahaba ny namana RBNIR,

Tsy hoe fitiavana te-hiditra amin'ny adihevitrareo sy Hery manokana fa mba mahatsikaritra fomba fiheverana sy fijery dia mba te-handray anjara.

Misy fomba fitsarana tena mahavalalanina ihany izay avy hatrany dia alefa ho an''ny antokom-pinoana (izay atao hoe zokiny) avy amin'ireo izay nahazo hafatra taty aoriana. Ny mahagaga dia rehefa tena nandalina ilay finoana sy ireo vavolombelon'ny finoana, na io Katolika, na io Prostesatanta sns.. dia misy ireo izay nahazo fahafaham-po sy fahalalàna lalim-paka an'Andriamanitra mihoatra lavitra ireo izay mitsara azy ireny. Rehefa maneho hevitra izy ireny anefa dia lavin'ny hafa satria efa napetrany ho isan'ny very, na jamba ireny olona mifoha maneho herim-pinoana ireny. Malaky be ry zareo mandefa azy any amin'y antokon'ny voafitaka, na jamba, ary indrindra indrindra ny milaza fa very izy ireny. Tena manana antoka zato isan-jato ve ireny antokom-pinoana ireny hilaza fa very ny Kristianina voataiza tao?

Inona no mari-pandrefesana entiny milaza izany sa rehefa tena zohina dia hevitra nipoitra avy aminy ihany ilay izy? (ohatra iray ny fampifandraisana symbole amin'ny zavamisy ao amin'ilay fiangonana izay hanambarana fa bibidia hono izy io). Mino ve ianao fa marina zato isan-jato ny zavatra teneninao raha milaza ianao fa Bibidia ilay fiangonana?

Ireo fanontaniana ireo angamba aloha no mba tiana hovalian'ny namana misera mazava satria tsy misy hevitra matotra mivoaka raha toa ka tsy mazava tsara izay fanakilasiana apetraka izay. Ary aleo tsy hatao tora-po, na tanisa fotsiny fa hazavaina tsara antsipirihany izay hevitra mipoitra amin'izany valin-teny izany.
20. RBNIR ( 12/02/2013 09:43)
Miharena:

Faly miarahaba hatrany namana,
Ny resaka bibidia kosa tokony mba ho lohahevitra hafa mihitsy eto fa aleho isika miverina aty e!
http://forum.serasera.org/forum/message/m50dc0aeb74f87#m50f502d291422

samia ho tahin'ny Tompo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.455