tononkiran'i Ifanihy sy i Mickael

1. anjelis ( 21/10/2008 09:34)
manao ahoana daholo,
izaho ry zareo tena namadibadika ity namana-serasera ity fa tsy nahita mihitsy ny tonokiran'ireto hira 2 ireto a! tena mba miangavy izay manana ny tonony mba alefaso fa tena mba ilaiko re a:
ifanihy - etsy ho tantanako indry.
mickael - tsy haiko ny lohateny fa betsaka aminareo angamba no efa naheno azy tamin'ny onjampeo, misy toy izao ny tonony:
ho tia tsy ho toy ny ety an-tany, ho tia na ho faly na tomany
ho tia hanaiky izay ho fitsapana, ho tia na soa na fahantrana...


dia tsy haiko intsony fa mba omeo raha misy manana e!
misaotra mialohy
2. Delphi ( 22/10/2008 04:53)
hay ve indry efa nangataka tato koa e! tena tsy nijery aho fa vao nametraka maraina teo, enga anie ka mba hamaly ny tapaka sy ny namana rehetra ato. miandry isika izany e!
3. delphi ( 28/06/2013 13:51)
Manahoana daholo indray tompoko ô! 05 Taona aty aoriana miverina eto amin'ny serasera aho fa mbola tsy nisy namaly ny fangatahako. Raha misy manana ianareo dia mba omeo azafady inddrindra e!
"etsy ho tantanako indry", hiran'i Ifanihy io, ny tonony no tadiaviko
4. hery ( 28/06/2013 14:02)


Misy hoe:

Mipitipitika eny (2)
Mipitipitika eny ny fomban'ny parasy e,
Mibitsibitsika eny (2)
Mibitsibitsika eny ny fomban'olon-dratsy e,
Mahita ny olon-droa
Mifampiankin-doha
Toa voromailala

Io ihany no mba tadidiko
5. aty ( 03/07/2015 10:44)



Iza kay no mihira an ity hira ity

Mipitipitika eny (2)
Mipitipitika eny ny fomban'ny parasy e,
Mibitsibitsika eny (2)
Mibitsibitsika eny ny fomban'olon-dratsy e,
Mahita ny olon-droa
Mifampiankin-doha
Toa voromailala

Io ihany no mba tadidiko
6. tralala16 ( 24/07/2017 07:59)
Efa ela ihany koa no mba nitadiavako azy ity fa ity fanombohana ity no tadidiko:

Etsy ho tantanako indry, fa tsena ny andro androany
Ndeha isiska mba hiaraka mba hikorisa
Eny andàlan'ity paradisa
Ny akanjo marevak'indry.................


7. mazavarakoto ( 26/07/2017 13:01)
ity misy azo angalana tonony o!
https://www.youtube.com/watch?v=ZbYeuyJ4BME
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3346