Fiainana aorian'ny fahafatesana: misy tokoa ve?

1. zoubelou ( 12/09/2007 17:01)
Izaho mino fa misy fiainana aorian'ny fahafatesana fa ny fisehony no mistery. Ireny matoatoa ireny ve ohatra, fanahin'olona efa nodimandry? Endrika iray isehoan'ny fiainana aorian'ny fahafatesana?
novalian'i idah15 ny 02/07/2015 13:31
2. rakaroka ( 12/09/2007 17:43)
Ny vatana aloa dia miharihary hoe mandalo "transformation" izay mila mis'adapte izany ny saina, fa ny fanahy no misidina tsy hay marina hoe "hankaiza"?....dia hanao ahoana ny "évolution"-ny:roll:; ny "sensation"-ny?
Indray mandeha nanontaniako ny vadiko teo am-pandriana hoe "ohatry ny ahoana kay izany maty?"
-"Ohatranao matory izao" hoy izy: tsy mandre n'inn ny vatanao avy eo fa ny sainao mandeha any an-kafa,mitsangatsangana ara-nofy, dia rehefa mi-joindre ny vatanao ny sainao dia mahatsiaro ianao na misy tsy tadidinao.
Tahatahaka izay 'ngamba!:roll::roll::P
3. ravakamalala ( 12/09/2007 19:23)
rakaroka > ahoana ny hahafantaran'ny vadinao an izany? 8O
4. cutie ( 12/09/2007 19:26)
Mpandefa : zoubelou [ Valio ] 12-09-2007 19:01:44
Lohateny : Fiainana aorian'ny fahafatesana: misy tokoa ve?
Izaho mino fa misy fiainana aorian'ny fahafatesana fa ny fisehony no mistery. Ireny matoatoa ireny ve ohatra, fanahin'olona efa nodimandry? Endrika iray isehoan'ny fiainana aorian'ny fahafatesana?

za ndray mino ny fiforonan'ny fiainana ao arianan,'ny fahafatesana :)
5. fijo ( 12/09/2007 19:30)
za mino ny fahafatesana,de hatreo aloha.izay aoriany any tsy haiko fa aleo hoavy raha misy.
6. rakaroka ( 12/09/2007 20:27)
ravakamalala:

rakaroka > ahoana ny hahafantaran'ny vadinao an izany? 8O


Ny olana miresaka aminy: na tsotra izao aza ny fanontanianao dia mamakia hoy izy boky, tsy hoe boky iray ihany fa ezaho jerena daholo ny jery maaaro nandalina manokana ny "lohahevitra" dia mahaiza manao "synthèse" avy eo.
Na miainà @ toerana mihitsy e! Tahaka ilay namany
nanao étude psy, afaka nahita ny tsy hitan'ny masontsika, namaky ny tantara tsy niainany ary nifanojo indrindra t@ nisy teo "justement" cf nisy
trano nisy lolo izany, dia ilay namany nahita ny fanahin'ilay oln hoe mbola io mijanona io fa tsy lasa
any @ tokony ho alehany, dia nanampy ilay fanahy hono no "asa" nataon'io ranamana io.
Nitantara maro toa izany izy. Izaho tsy dia mino azy loatra tahaka anao fa misy mampieritreritra ihany!...
Izaho tsy manao hoe izay no tena izy an! samy manana ny finoany sy ny fijeriny ny tsi1/1.
7. fijo ( 12/09/2007 20:32)
de hinoy ny vady
8. Veloo ( 13/09/2007 00:46)
Rehefa maty aloha ny maty dia maty tsy mahalala na inona na inona intsony, ary lasa vovoka izay maty rehetra satria namboarina t@ vovoka isika. Tsy manana anjara miaraka amin;ny velona intsony ny maty.
fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny. tsy inona izany fa ny fofon'aina izay namoronana ny olombelona. Fa tsy misy fanahy mandede izany. ny olona dia namoboarin'Andrimanitra avy amin;ny vovoka (na tany) + fanahy (fofon'aina) = olombelona velona.
Misy tokoa ny fiainana aorian'ny fahatesana ho an'i kristiana izay mino sy manaiky an'i Jesosy rehefa tonga amin';ny fiaviany fanindroany. Ary nanao promesy mihitsy izy:

Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.
Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.

Mbola ho avy izy haka an'ireo izay maty mino azy sy ireo izay velona mino azy - Izay ilay fiainana aorian'ny fahafatesana.

cutie:-*
9. ikaretsaka ( 13/09/2007 02:37)
Veloo:
fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny. tsy inona izany fa ny fofon'aina izay namoronana ny olombelona. Fa tsy misy fanahy mandede izany. ny olona dia namoboarin'Andrimanitra avy amin;ny vovoka (na tany) + fanahy (fofon'aina) = olombelona velona.


1)misy tsy azoko ireto> aminao:
ny fanahy=fofon'aina ve?

2)dia ahoana ry velo @ ilay andro hiverenan"'Andriamanitra hitsara ny velona sy ny maty" Inona ny hotsaraina @ iny? vatana fanahy sa fofon'aina?

3)sa dia efa hoe any @ A/tra ny fanahin'ny maty dia tsy mila tsaraina intsony ireny?
10. soanja ( 13/09/2007 03:27)
Ny fanarahana ny finoana Kristianina dia io fanomanana ny fiainan-ko avy io no ANTONY rehetra. Zany hoe MINO fa hisy ny ankoatr'izao iainantsika izao rahefa maty isika ary ILAY INDRAY ANDRO ANY HIAINA MANDRAKIZAY MIARAKA AMIN'ILAY NAHARY ANTSIKA!

Mandrapahatongan'izay anefa dia misy ny resaka "Adesa" sns ny hafa maro izay mbola mystery avokoa. Mazotoa mikaroka!
11. majesty ( 13/09/2007 04:40)
Hoy ika:
1)misy tsy azoko ireto> aminao:
ny fanahy=fofon'aina ve?

2)dia ahoana ry velo @ ilay andro hiverenan"'Andriamanitra hitsara ny velona sy ny maty" Inona ny hotsaraina @ iny? vatana fanahy sa fofon'aina?

3)sa dia efa hoe any @ A/tra ny fanahin'ny maty dia tsy mila tsaraina intsony ireny?



1) Raha jerena ny soratra masina dia mitombona io filazan'i veloo io,ny hevitr'ilay fanahy fotsiny amin'ny teny gasy no tsy mazava fa amin'ny teny vahiny izy dia voadika tsara,hoe souffle de vie io fanahy lazaina amin'ny teny gasy io raha mijery ny baiboly amin'ny dikan-teny hafa donc,fanahy=fofon'aina raha io hevitra io no raisina.

2) Andriamanitra tsy ho avy hitsara ny velona sy ny maty,fa ho avy hanavaka ny ondry sy ny osy;izany hoe efa didim-pitsarana no mivoaka amin'io fa ny fitsarana dia amin'zao ntsika velona izao dia efa mandeha;noho izany raha nitsangana tamin'ny maty Jesosy dia tsy ny fanahy ihany fa ny vatany koa dia toy izany koa rehefa ho avy izy dia tsy ny fanahy akory no vonjena fa ny vatana efa lo aza atsangany ary ny fasana hisokatra (tsy za no niteny an'izany an)

3) izay no mahadiso an'ilay foto-kevitra hoe rehefa maty dia nantsoin'ny Ray nody any aminy na hoe lasa niakatra any an-danitra ny fanahy,tsy misy an'izany fa rehefa maty dia ao ampasana miandry ny fiavian'i Jesoa fanindroany indray handraisana ny didim-pitsarana.
12. niryna ( 13/09/2007 05:07)
Veloo:

Rehefa maty aloha ny maty dia maty tsy mahalala na inona na inona intsony, ary lasa vovoka izay maty rehetra satria namboarina t@ vovoka isika. Tsy manana anjara miaraka amin;ny velona intsony ny maty.
fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny. tsy inona izany fa ny fofon'aina izay namoronana ny olombelona. Fa tsy misy fanahy mandede izany. ny olona dia namoboarin'Andrimanitra avy amin;ny vovoka (na tany) + fanahy (fofon'aina) = olombelona velona.

Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.

Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao aty ambanin'ny masoandro izy.
Fitoamaniana 9:5-6

Misy tokoa ny fiainana aorian'ny fahatesana ho an'i kristiana izay mino sy manaiky an'i Jesosy rehefa tonga amin';ny fiaviany fanindroany. Ary nanao promesy mihitsy izy:
[b]satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao hianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena hianao.
Rom 10:9

Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.
Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
=D

Mbola ho avy izy haka an'ireo izay maty mino azy sy ireo izay velona mino azy - Izay ilay fiainana aorian'ny fahafatesana.

cutie:-*

Sady tsy mahatsiaro intsony ny maty ary tsy afaka ny hankalaza an'Atra intsony koa.

Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.

Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita* iza no hidera Anao?
Salamo 6:4-5



13. ikaretsaka ( 13/09/2007 05:20)
majesty:



1) Raha jerena ny soratra masina dia mitombona io filazan'i veloo io,ny hevitr'ilay fanahy fotsiny amin'ny teny gasy no tsy mazava fa amin'ny teny vahiny izy dia voadika tsara,hoe souffle de vie io fanahy lazaina amin'ny teny gasy io raha mijery ny baiboly amin'ny dikan-teny hafa donc,fanahy=fofon'aina raha io hevitra io no raisina.

2) Andriamanitra tsy ho avy hitsara ny velona sy ny maty,fa ho avy hanavaka ny ondry sy ny osy;izany hoe efa didim-pitsarana no mivoaka amin'io fa ny fitsarana dia amin'zao ntsika velona izao dia efa mandeha;noho izany raha nitsangana tamin'ny maty Jesosy dia tsy ny fanahy ihany fa ny vatany koa dia toy izany koa rehefa ho avy izy dia tsy ny fanahy akory no vonjena fa ny vatana efa lo aza atsangany ary ny fasana hisokatra (tsy za no niteny an'izany an)

3) izay no mahadiso an'ilay foto-kevitra hoe rehefa maty dia nantsoin'ny Ray nody any aminy na hoe lasa niakatra any an-danitra ny fanahy,tsy misy an'izany fa rehefa maty dia ao ampasana miandry ny fiavian'i Jesoa fanindroany indray handraisana ny didim-pitsarana.


1) samihafa ka.. samihafa kosa ny hoe corps, corpus, vatana (body)
sy ny Spirit,spiritus, fanahy(soul)
ary ny fofon'aina,vita, Breath e
Vatana sy Fanahy ny olona, fa tsy vatana sy fofon'aina... ny biby koa manko vatana sy fofon'aina

2)dia ny foto-pinoana mihitsy no disoinao raha izay no hiheveranao azy, tsy misy mihitsy ao hoe didim-pitsarana kosa no hivoaka ao ka.. hitsara ny velona sy ny maty no credo nandritra ny 2000 taona, fa ianao no mandiso azy eto

3)ny vatana no ao am-pasana kosa e... fa tsy nisy nandevina fanahy!
14. niryna ( 13/09/2007 05:36)
VERY MAINA NY HAZOFIJALIAN'I KRISTY RAHA IZANY!
Ho an'ireo izay mbola mino fa misy famotsoran-keloka rehefa maty isika(pergatory na afo fandiovana).Tsy maty antoka ianao raha izao dia efa mibebaka sy mangataka famelan-keloka.Aza manaiky rebireben'ny olona izany.Tsy misy na iray aza ao anaty baiboly milaza izany.
Inona izany no antony nahafatesan'i kristy teo amin'ny hazo fijaliana raha mbola misy indray ny afo fandiovana?

Diniho sy alalino tsara fa mijaly isika raha manaiky hatorin'ny olona voana." Vita hoy i Kristy"
Mbola tsy tara,fa mbola afaka mibebaka(aza ela fangataka andro fa tsy fantatra izay ho ampitso.Miandry ny andraso andraso aloha dia lasa miandry an'i Paoly hametaka lakaoly eo :cry:.

Tsy vitan'ny hoe mifona aho tompo o tamin'ny ratsy rehetra vitako. Inona izany ratsy nataonao izany? Lazao azy mazava tsara hoe ohatra:
-isaky ny mahita ny hafatr'ity olona iray ity aho dia feno fankahalana ao anatiko.Mifona aho Tompo fa nanana fankahalana an-drano....Ampio aho mba tsy hankahala aza,omeo hery aho mba hanaraka ny didinao.
Fankahalana ,fahatezerana,fitsiriritana,fahatezerana,fihatsarambe
latsihy,fifampirafesana,fampiasana sandry ny tsy ampy hery sy tsy afa-manohitra,sns na inona na inona dia ho voadio daholo izany raha tena miaiky ny manatona ary mibebaka aminy tokoa isika.

Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. I Jaona 1:8-9

Ny fahotana rehetra dia ho voavela raha miaiky isika.Miaiky fa diso,mifona fa tsy mendrika ary miezaka ny tsy anao an'iny intsony.

Averiko indray fa mampalahelo ireo olona manoro voana ny namana hoe mbola misy ny afo fandiovana
Mino ianao dia manaraha azy ireo.Tsy guarantie ny famonjena ahazo anao rehefa maty ianao ka tsy mibebaka dieny mbola velona.
Tsy mino azy :arrow:manara an'i Kristy ,tsy misy vola aloha,tsy maty antoka,mahazo tombotsoa aza fa maivana ny saina hoe manaradia azy mandrakizay.Tsy aleonao ve dieny mbola velona no manankina ny fonao aminy toy izay hoe rehefa maty dia diovina dia hivavahan-dranona kanefa tsy misy intsony izany.
Porofo iray omeko ity ,maty ity olo-mahantra,tsy navelan'ny mpitondra niditra tao am-piangonana fa tsy nahavita ny adidiny hono,teny an-tokontany izy no nivavahana.Dia mino ve ianao fa ho faly amin'izany ATra? Vola no maharangahy eto,vola no voninahitra eto,tsy misy ny fampiarana ny ao anaty baiboly.Dia raha maty ve ianao dia hoe hivavahan'ny fianakavianao dia manome labozia ,dia manome fara rakotra dia hoe hanantena ho voavonjy? Ambava homana am-po mieritreritra.Io no sujet saika nalefako androany ary dia hisaorako an'Atra nisy nandefa.:*:*
Raiso ny teniko raha mahavonjy anareo,raha tsy ilainareo moa dia avereno aty amiko ihany fa tsy ho maty antoka aho na ahazo tombotsoa.Malahelo fotsiny aho fa miezaka ny hamonjy izay manara-dia sy mino an'Atra.Vakio ny baiboly jereo raha misy fanazavana na iray aza milaza izay pergutory izany na afo fandiovana.Mamorona sy maka andininy tsy mifanaraka fontsiny ny sasany ka anao no mino na tsia.
Jesus (l) all of Us .Just believe in Him,Him alone.
Tia antsika Kristy,mino fotsiny Azy ary Izy irery,tsy misy lalana mankany amin'ny ray raha tsy avy aminy irery ,ahirato amin'izay ny masontsika,vakio ny baiboly.Raha mbola tsy nanandrana ianao dia atombohy ny Jaona.Izay mahereza,ny fitahian'ny tompo anie no hanampy sy hiaro antsika amin'ny ratsy sy ny fampianarana vilana.

(l)niryna
15. ikaretsaka ( 13/09/2007 06:02)
Inona izany no antony nahafatesan'i kristy teo amin'ny hazo fijaliana raha mbola misy indray ny afo fandiovana?

inona izany no antony nitsanganany? raha izany?

zahay ry niryna tsy mijanona eo @ izy maty de nifantoka eo mandrakizay a.. zahay nandeha hatrany @ fiainana sy ny baiko (izay tananareo voatana, izay avelanareo voavela)

averiko any aminao mihitsy fa sady tsy maha faty antoka no tsy azahoana tombotsoa..
fa mba nao hisainana

Him alone hoy ianao, but even YOU need SOMEBODY to HELP YOU believe him..
e.g: bible. me you pastor sns...
16. zoubelou ( 13/09/2007 08:37)
Mafana zany resaka zany an, efa nampoiziko mitsy...
17. mamitia ( 13/09/2007 12:28)
tena misy ny fiainana aorian'ny fahafatesana , tena manazava azy tanteraka angamba de mamaky baiboly tsara daholy , ao izy tsy misy hoe hevitrin'ny olona fa avy @ Andriamanitra daholy
18. Veloo ( 13/09/2007 14:15)
1) samihafa ka.. samihafa kosa ny hoe corps, corpus, vatana (body)
sy ny Spirit,spiritus, fanahy(soul)
ary ny fofon'aina,vita, Breath e
Vatana sy Fanahy ny olona, fa tsy vatana sy fofon'aina... ny biby koa manko vatana sy fofon'aina


body + breath = soul.
io no namoronan'Andriamanitra ny olombelona. Isika dia Fanahy velona, mandede ary rehefa maty dia maty daholo ireo aary ny fofon'aina no miverina any Andrimanitra. You are a living soul...ary rehefa erosina ny breath (fofon'aina dia maty doly ny rehetra.

2)dia ny foto-pinoana mihitsy no disoinao raha izay no hiheveranao azy, tsy misy mihitsy ao hoe didim-pitsarana kosa no hivoaka ao ka.. hitsara ny velona sy ny maty no credo nandritra ny 2000 taona, fa ianao no mandiso azy eto


Ny finoana ananan-tsika dia izao efa nanomboka ny fitsarana ary amin'ny fahatongavan'i Jesosy no hisiny ny final judgemnt..hanavaka ny ondry tsara sy ny osy ary marina io lazain'i majesty io tsy misy diso mihitsy
) izay no mahadiso an'ilay foto-kevitra hoe rehefa maty dia nantsoin'ny Ray nody any aminy na hoe lasa niakatra any an-danitra ny fanahy,tsy misy an'izany fa rehefa maty dia ao ampasana miandry ny fiavian'i Jesoa fanindroany indray handraisana ny didim-pitsarana

marina mihitsy izany...

)ny vatana no ao am-pasana kosa e... fa tsy nisy nandevina fanahy!

Ika rehefa maty dia maty doly.
19. Veloo ( 13/09/2007 14:21)
oy i Nirina oe:
Jesus all of Us .Just believe in Him,Him alone.


marina mihitsy izany

ary oy i Ika oe:
Him alone hoy ianao, but even YOU need SOMEBODY to HELP YOU believe him..
e.g: bible. me you pastor sns...


otrany avadikao amin'ny zavatra hafa ilay tian'i Niryna lazaina...
Ary matoa izy miteny an'izany dia efa nahazo fananpiana avy any @ sera2 (ohatra), ny pasitera etc... ilay olona.

tsisy afa tsy ianao no afaka manao an'ilay premier pas oe Minoa an'i Jesosy ary jesosy irery ihany.
20. zoubelou ( 13/09/2007 15:13)
mamitia:
tena manazava azy tanteraka angamba de mamaky baiboly tsara daholy , ao izy tsy misy hoe hevitrin'ny olona fa avy @ Andriamanitra daholy


Mba manomeza ary hoe toko sy andininy ao anaty baiboly milaza izany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1498