Fara-andro - 23 Aprily 2018

1. rhaj0 ( 15/04/2018 15:59)
http://www.foxnews.com/science/2018/04/11/biblical-prophecy-claims-rapture-is-coming-april-23-numerologist-says.html
Biblical prophecy claims the Rapture is coming April 23, numerologist says.

David Meade tells the U.K.'s Daily Express newspaper that on April 23, the sun and moon will be in Virgo, as will Jupiter, which represents the Messiah.

For a certain branch of evangelical Christianity, Revelation 12:1–2 describes the beginning of what is known as the Rapture and the second coming of Christ.


The passage reads: “And a great sign appeared in heaven: a woman clothed with the sun, with the moon under her feet, and on her head a crown of 12 stars. She was pregnant and was crying out in birth pains and the agony of giving birth.”


Tena io ilay izy (ry RBNIR sy) ry Kristiana mino ny Apokalipsia 12:1-2 sy ny numérologie ary ny astrologie aa...

R@ Alatsinainy 23 io izany: manana 8 andro 'nareo hiomanana.
novalian'i rhaj0 ny 27/05/2018 13:21
2. andriamahefarv ( 15/04/2018 17:55)
inona no farandro tianao hambara
3. rhaj0 ( 15/04/2018 19:25)
andriamahefarv:
inona no farandro tianao hambara

Hoe, araky ny Appokalipsia, dia rehefa nandininka ny lanitra i David Meade, dia toa io no (fiantombohan'ny) fiafaran'izao tontolo izao HONO io 23 Aprily io ee..

Vakio indray ato fa tena nandaliina sy nandinika HONO Ingahy David Meade

https://www.express.co.uk/news/weird/944211/end-of-the-world-rapture-april-23-prediction
On April 23, the sun and moon will be in Virgo, as will Jupiter, which represents the Messiah (..) another planetary alignment, representing “the Lion of the tribe of Judah’, will make this time the Rapture.


Io tahaka t@ nahaterahan'i Jesosy eee.. nangirangirana be ilay Kintana, izay nitarika ny Magy ho any an-tranon'omby. Nangirangirana ny kintana, satria, raha ny marina, dia nifanojo Jupiter sy Regulus.

Izao mifanojo ao indray ireo kintana, ary dia izay ilay hoe, teraka fanin-2 i Jesosy eee... na HONO ny marimarina koakoa, izay ilay fiverenan'i Jesosy eee.


Dia etsy ambanimbany @ ilay artikla io, dia hozy i David Meade hoe:

Mr Meade also predicts a mythological planetary system known as Planet X or Nibiru will appear in the sky on April 23.

He claims it will then pass the Earth in October..



Ka fehiny, HONO:

-- io 23 Aprily io no "fambara",
-- any @ Oktobra indray ilay hoe "hiraraka eto an-tany ny kintana" NIBURU,
-- ary dia ho tonga ny farany ee....


Angomy ny akoho sy ny vorona, ary pasohy ny robe lava fotsy.. kely ny fotoana :-)
4. RBNIR ( 16/04/2018 06:51)
Fanamarihina kely fotsiny : raha vao bebevolombava, sy vahiny no miteny be dia be ery no liana amin'ny fanambarany, fa raha vao gasy kely dia valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia.....
5. rhaj0 ( 16/04/2018 10:52)
RBNIR:
Fanamarihina kely fotsiny : raha vao bebevolombava, sy vahiny no miteny be dia be ery no liana amin'ny fanambarany, fa raha vao gasy kely dia valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia.....

moauah ha ha... ka ilay "valalan'amboa" anie naka inspiraka t@ ilay "bebevolombava sy vahiny" eee...

Ka marina izany io 23 Aprily io ry RBNIR a ??? Mba amarino dia "porofoy" kely indray eee..
Efa kely anie ny fotoana eee...
6. RBNIR ( 16/04/2018 12:10)

rhaj0:

RBNIR:
Fanamarihina kely fotsiny : raha vao bebevolombava, sy vahiny no miteny be dia be ery no liana amin'ny fanambarany, fa raha vao gasy kely dia valalan'amboa ka ny tompony aza tsy tia.....

moauah ha ha... ka ilay "valalan'amboa" anie naka inspiraka t@ ilay "bebevolombava sy vahiny" eee...

Ka marina izany io 23 Aprily io ry RBNIR a ??? Mba amarino dia "porofoy" kely indray eee..
Efa kely anie ny fotoana eee...

Efa tadidin'i rhajo nanonona date précis v aho teto???

« Fa ny amin'izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin'ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany. » (Matio 24:36)
7. rhaj0 ( 16/04/2018 12:20)
RBNIR:
Efa tadidin'i rhajo nanonona date précis v aho teto???

Ka ny an'i RBNIR izany, reviredy tsy mahalala akoriny ny fandehan' ny numérologie sy astrologie ampivadiana @ Apokalipsie. i David Meade nefa mahay an'ireo ary dia "nanonona date précis".

Fa tena miray "lojika" @ David MEade izany i RBNIR, fa TSY takatr'i RBNIR fotsiny ny "date précis" eee... Occasion ho an'i RBNIr hianatra ny lojikan'i bebevolombava io izany ee..


Ka ahoana RBNIR : mila mampanjaitra robe lava fotsy @ izay ve ny olona(o) izao?
efa akaiky ny fotoana an... herinandro sisa!!

8. endriny ( 16/04/2018 12:28)
Ny an'ny Apokalipsia Madagasikara efa tamin'ny 2002 ny fara andro

Ny an'ny olona sasany efa tamin'ny desambra 2012 ny fara andro

Dia izao indray izany 2018.

Ny an'i RBNIR ho avy tsy ho ela ohatran'ny volan'ny CNAPS.

Dia miandry fa Gasy e
9. RBNIR ( 16/04/2018 12:34)
Fampianaran'i Jesosy mivantana ihany no azo ekena rhajo a!
10. RBNIR ( 16/04/2018 12:36)
Efa naverimberiko teto fa efa niverina i Jesosy ary mampianatra olona mivantana Izy amin'izao fotoana izao tahakan'ny tamin'ny andron'ny apostoly taloha ihany,

Ny olona ampianariny mivantana ihany no tena mahafantatra ny dikan'ny apokalipsy....

11. RBNIR ( 16/04/2018 12:38)
Anontanio an'i bevolombava hoe oviana i Jesosy hoe no tonga tao aminao ka nampianatra anao....

Presence réel (fa tsy iréel) ihany koa no resahana eto.....

Raha tsy mahavaly i bevolombava dia aza mino fa mpandainga koa io izany..
12. endriny ( 16/04/2018 12:44)

RBNIR:




Ilay Complexe mahatsiravina, fa maninona no sary any an-dafy no natao background. Sa raha tsy izany tsy atao hoe olona ambony sy nomen'Atra fahasoavana?
13. rhaj0 ( 16/04/2018 13:54)
RBNIR:
https://www.youtube.com/watch?v=zXmdk1uhUUE
endriny:
Ilay Complexe mahatsiravina, fa maninona no sary any an-dafy no natao background. Sa raha tsy izany tsy atao hoe olona ambony sy nomen'Atra fahasoavana?

Izay azany mba leferiko ihany, satria efa mahazatra izany @ ireo mbola colonisé ireto.
ka eto izany ny fiangonan'i bebevolombava ihany no ataon-drizareo ravaka, satria bebevolombava koa anie ho'a no inspirak'ilery ee..

Fa ny hitako loza sy fihatsaram-bela-tsihy goavana, ary fanabotriana olona sy fanompana ny sain'olona ataon'i Hrnrn (sy RBNIR) dia:
i Hrnrn mihambo ho "miresaka direkta", nefa dia mbola "mamaky Baiboly" nosoratan'ny "TSY niresaka direkta" ihany. Dia eo vao hoe, Deotoronomia toko 11 tsy izy, fa ny hafa no izy.


Ka tena tsy afaka "nanonona daty précis" izany i Hrnrn-mpiresaka-direkta ry RBNIR aa???

Fa kosa, miray "lojika" @ David MEade ve ho'a izany i Hrnrn/RBNIR, afa-tsy ny "daty précis"?
mitovy trouse ianareo ho'a izany ianareo ry RBNIR aa... Ianao sy Hrnrn azany toa dondrona kokoa fa tsy mba afaka mamaritra "date précis".

Fa dia mandainga tapany izany ry Hrnrn sy RBNIR ee...
ianao RBNIR ihany no nilaza azy: bravo RBNIR :-)
14. RBNIR ( 17/04/2018 05:55)
Izao ny indice ary e,

Ireo apostoly taloha izay nitarika ny kristianina ireo dia nampianarin'i Jesosy mivantana daholo...

Eny fa na dia i paoly apostoly izay nofidina taty aorianan'ny nahafatesany aza dia nampianariny mivantana ihany koa fa tsy hoe ireo apostoly efa voafidy teo aloha akory no nampianatra azy....

Hoy i paoly hoe « Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. » (Galatiana 1:11)
« Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. » (Galatiana 1:12)

Fampianarana tsy misy kilema dia miainga avy amin'Andriamanitra ampitainy amin'i Jesosy izay mampianatra mivantana indray kosa ireo olona tiany ampianatra azy.....

« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

P.S : ny antony ampiasana ny baiboly dia hanaporofona fa tena i Jesosy marina tokoa no nampianatra an'ilay olona....

Satria raha nampianarin'i Jesosy marina izy dia tsy tokony ho hafa fa tokony hitovy amin'izay nampianarin' i Jesosy tao anaty baiboly ihany no ampianariny ankehitriny....

Ohatra : Jesosy niteny hoe tsy misy mahalala ny andro (date) sy ny ora (heur) raha misy mampianatra ankoatran'izay dia tsy i JEsosy izay no nampianatra azy....
15. bichette ( 17/04/2018 09:27)
AHAHAHAHAHAHAHAHAHA aleo aloha za hihomehy ! aza minomino foana ho'ah fa mba vakio ny baiboly e !

io soratan'i RBNIR io 'Ohatra : Jesosy niteny hoe tsy misy mahalala ny andro (date) sy ny ora (heur) raha misy mampianatra ankoatran'izay dia tsy i JEsosy izay no nampianatra azy....'

tsy misy mahalala

io 23 avril io angamba no hahafatesan'ilay olona niteny hoe io no fara andro ahahahahaha !

Andriamanitra anie hamindra fo
16. rhaj0 ( 17/04/2018 10:22)
bichette:
AHAHAHAHAHAHAHAHAHA aleo aloha za hihomehy ! aza minomino foana ho'ah..

O ry Bichette... dia ny tenanao sy ny finoanao ihany izany no hihomehezanao kouh...
Izaho indray ve hanakana anao tsy ho @ izany :-)

Eritrereto tsara hoe inona ireo "zavatra inoan'i David", ary inona no zavatra inoaNAO Bichette (sy RBNIR) ao.

Dia ho tonga saina ianao, fa ankoatry ny nanononany ny "date précis" 23 Aprily, dia tena mitovy ary miray finoana tanteraka ianareo.


Manontania tena tsara aho ho'a hoe, "zavatra inoan'ny" Boudista ve izany? zavatra inoan'ny Atheista?
17. endriny ( 17/04/2018 12:33)

RBNIR:

P.S : ny antony ampiasana ny baiboly dia hanaporofona fa tena i Jesosy marina tokoa no nampianatra an'ilay olona....


Koa raha tsy I Jesosy no nanoratra sy nandika ny Baiboly koa, sa misy sonian'i Jesosy na teny fanolorana nataony ao amin'ny baiboly, manamarina fa izy tokoa no nampanoratra an'io

Aza mirediredy fa mahamenatra. Misandoka zavatra tsy miteny
18. RBNIR ( 17/04/2018 12:38)
Jesosy mihitsy ka:

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)


Ilay Fanahy Masina dia tsy Iza fa i Jesosy ihany ILAY ANTSOINA HOE TOMPO....« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Korintiana 3:17)


19. endriny ( 17/04/2018 12:43)

RBNIR:

Jesosy mihitsy ka:

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)


Ilay Fanahy Masina dia tsy Iza fa i Jesosy ihany ILAY ANTSOINA HOE TOMPO....« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Korintiana 3:17)


Tena tsy jamba ianao fa manampi-manaso

Efa mazava be fa Petera sy Paoly no nanoratra, mbola lazainao fa Jesosy ihany
20. RBNIR ( 18/04/2018 05:07)
endriny:

Tena tsy jamba ianao fa manampi-manaso
Efa mazava be fa Petera sy Paoly no nanoratra, mbola lazainao fa Jesosy ihany

Io ilay anisan'ny teneniko eto hoe misy zavatra fantatro tsy fantatrao ry endriny....

Hoy ilay teny ery ambony ery hoe....« fa fantatrareo voalohany indrindra fa........ fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)

Izaho mahafantatra an'izany fa ianao lojika tsy nampahafantarina dia miteny tahaka izao...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1935