Ny vie spirituelle

21. rhaj0 ( 23/03/2018 18:15)
bor2lais - 23/03/2018 10:43:
Olombelona = vatana + saina + fanahy (3 étages)
Biby = vatana + saina (2 étages)

bor2lais - 23/03/2018 14:40 - 23/03/2018 16:31:
"Tsy itovy mihitsy ny resaky ny "2 étages" sy ny "3 étages" fa fandaniana andro no betsaka"

Misaotra letsy Radoko aa... Zahay coincé aty @ 2eme étage izany, dia ampitovian-dry Bor2lais trousse @ Biby ee...

Fa tsy olana izany ee.. Tena raha hotr'anao kosa ry Bor2lais ilay izy, dia tena aleoko mitovy (saina) @ Biby toa izay mitovy (saina) @ Kristiana

Dia firy girama ho'a izao oronao ao izao ry Bor2lais no lanjalanjaina foana toa io h@ izao eee ... efa 2018 izao ny taona :-)
22. endriny ( 24/03/2018 13:07)

bor2lais:

Dia lazao koa fa tahaka ny endriny ny kisoa e ! :-)
Averiko indray fa :
"Tsy itovy mihitsy ny resaky ny "2 étages" sy ny "3 étages" fa fandaniana andro no betsaka"


Izaho ve niteny hoe tahaka ahy ny kisoa na hoe tahaka ahy I Bor2lais.

Ny nolazaiko dia hoe mitovy ihany ny atidoakoko sy ny an'ilay kisoako fa ny habeny no tsy mitovy. Ka raha misy fanahy aho dia misy koa ilay kisoa.

I Jesosy aza namindra fanahy maloto tamin'ny kisoa.

Ary sao dia ataonao fa tsy fandaniana ny andro Alahady aza ny famakiana sy ny fandalinana ny baiboly.
23. bor2lais ( 24/03/2018 14:25)
:-)
Raiso @ izay tiana(re)o andraisana azy ao re ny zavatra lazaiko e !
Averiko indray fa :
"Tsy itovy mihitsy ny resaky ny "2 étages" sy ny "3 étages" fa fandaniana andro no betsaka"
:-)
24. endriny ( 25/03/2018 12:55)
Ka misaotra anao Bor2lais nandany andro namaky sy namaly ny dinika atao eto e!

Mba honeran’Atra avo 100 heny ange ny fotoana laninao teto.
25. endriny ( 27/03/2018 13:34)
Ry RBNIR aiza o efa niaiky ny IQ an’i Pr Hawkins dia ambonimbony kely noho ny an’ny Singe. Ny IQ an’i RBNIR anefa ambanimbany noho ny an’i Hawkins. Dia anjarantsika no manao ny tsoakevitra
26. mbamisera ( 28/03/2018 17:14)
Mandalo dia misera, mba diniho ihany itony:

Proverbes 12:10
10 Le juste s’occupe de l’âme de son animal domestique, mais les miséricordes des méchants sont cruelles.

Références marginales

Genèse 33:13
13 Mais il lui dit : “ Mon seigneur sait que les enfants sont délicats et que j’ai à ma charge brebis et bovins qui allaitent ; si on les mène trop vite un seul jour, alors tout le petit bétail mourra certainement.

Exode 23:12
12 “ Six jours durant tu feras ton travail, mais le septième jour tu cesseras [toute activité], afin que se reposent ton taureau et ton âne et que reprennent haleine le fils de ton esclave et le résident étranger.

Deutéronome 22:4
4 “ Tu ne dois pas voir l’âne de ton frère ou son taureau tomber sur la route et t’en détourner délibérément. Il faut absolument que tu l’aides à les relever.

Deutéronome 22:10
10 “ Tu ne dois pas labourer avec un taureau et un âne ensemble.

Deutéronome 25:4
4 “ Tu ne dois pas museler le taureau pendant qu’il bat [le grain].

Ny zavaboahary rehetra dia manana fanahy avokoa, ary efa takatry ny gasy izany talohan'ny nidiran'ny fivavahana kristianina teo madagasikara
27. endriny ( 04/04/2018 12:39)
Ny Malagasy aza mangataka fifonana sy tso-drano rehefa mamaky asa voalohany amin’ny tanivao.
28. mbamisera ( 04/04/2018 13:25)

endriny - 04/04/2018 14:39
Ny Malagasy aza mangataka fifonana sy tso-drano rehefa mamaky asa voalohany amin’ny tanivao.


Marina izany, ary eo indrindra no iderako ny malagasy ho manam-panahy, mahay manaja ny zava-boahary. Ary izay manaja ny zavaboahary dia manaja an'Andriamanitra Andriananahary izay nampisy izao tontolo izao.
29. rhaj0 ( 04/04/2018 14:16)
T@ rakitr'i Flacourt ho'a, dia ny Malagasy hitany t@ izany taona 1650s izany, dia mampahazo ny Zanahary SY ny Devoly.. Fa dia milamina ny tany eee..
30. endriny ( 05/04/2018 13:02)
Eny an-danitra eny koa hono feno Fanahy mandehandeha sy mpihira ary mandihy. Ao ambanin’ny tany ao feno Fanahy mijaly sy mitomany
31. endriny ( 10/04/2018 13:27)
www.sciencemag.org/news/2018/02/roman-gate-hell-killed-its-victims-cloud-deadly-carbon-dioxide

eto hono izany no fampazahoana ho an'ny Helo teo amin-dry zareo Raomanina. Ka tsy manakotaba azy ireo intsony ny volkano sy ny Demonia
32. rhaj0 ( 10/04/2018 14:01)
Ka raha toa ito ambany ito ny kisary, référence t@ izany andro izany, nosintomina avy t@ Baiboly, dia hitan-dry Romana tokoany ny fidirana any @ Helo an...

33. endriny ( 11/04/2018 12:20)
Tamin'ny tany mbola tsy nisy kristianina izany dia mbola tsy nisy izany Helo izany, fa ry Jesosy sy ry Paoly efa voton'anatry ny Raomanina vao nisy ny Helo sy ny fikotroha-nify
34. rhaj0 ( 11/04/2018 12:25)
Dia izay tokoany ny fanontaniana, fa maninona tokony no noforonina ny Helo, dia avy eo hisy olona hijaly na ho ampijaliana any. Dia ireo tsy lasana any @ io mandihy ... sahala @ mpamosavy mandihy ambony fasana moa, hozy ny Ntaolo?

35. endriny ( 11/04/2018 12:36)
Ka ilay Helo ho entina mampitahotra ny olona, ohatran'ny kakabemaso. dia amin'izay ny olona rehetra mivavaka koa. Fiantsoana Kil

Ohatran'ny hoe: Ampitahorina pesta ny olona dia mividy sarotava (nilaharana mihintsy). dia avy eo hoe tsy misy intsony ny pesta e

Fa ny Ntaolo rehefa andevina, dia nentina nandihy nanodidina ny fasana im-pito ilay faty, mba ho fanina tsy ahatsiaro-tena intsony hono, ary tsy hiverina eo amin'ny velona intsony ny fanahiny.
36. bichette ( 17/04/2018 09:46)
Déjà aloha mila atao tsara ny difference, ny teny gasy manko tsy mazava tsara ilay partie 3 hoe : esprit / ame / corps. amin'ny teny gasy ny esprit izay fanahy, ampifangaroin'ny gasy amin'ny ame. tsy misy mot gasy tena mahafehy tsara ilay hoe ame ; matetika lazaina fa esprit koa ny ame anefa zavatra tsy mitovy mihitsy io. oui, misy 3 etages mihitsy ny tena marina : esprit / ame / corps.

olombelona : esprit / ame / corps
biby : ame / corps

Ny esprit : dia izay mifandray amin'ny zavatra surnaturel, ara panahy rehetra. tsy azo tsapaintanana fa on ressent l'existence.
misy toerana ao amintsika efa nataon'Andriamanitra hisy an'io fanahy io, raha nandray an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy mpamonjy dia hitoeran'ny fanahin'Andriamanitra.
Io mpamosavy manao zavatra hafahafa io, manana pouvoir hafahafa io, eo amin'ny sehatry ny fanahy io, saingy fanahy maloto no tafiditra ao aminy. ka lasa manana pouvoir izy ; ireny olona miditra en contact amin'ny fanahy ny maty sns ireny, eo amin'ny sehatry ny fanahy no mi se placer ireny. ireny olona manao zava mahagaga anefa tsy avy amin'Andriamanitra ireny.
Miverina amin'ny teneniko etsy ambony : misy toerana manokana efa nomanin'Andriamanitra eo amin'ny olombelona, ho an'ny FANAHY. eo amin'zay ilay hoe FANAHY MASINA ve sa FANAHY N'NY DEVOLY.

ny ame : ao no mifono ny sentiment, emotion.
corps : nofo, mazava angamba io.


Rehefa hoe marary fo : misy hoe marary fo eo amin'ny niveau ny ame ; ohatran'ny rehefa nisy olona nandratra dia marary fo. sentiment, emotion, blessure interieure
Misy koa ilay hoe marary fo : ny nofo : ohatra hoe ny crise cardiaque, ny insuffisance cardiaque




37. rhaj0 ( 17/04/2018 12:11)
TEna mila fantarina tsara ho'a ny dikan'ny FAnahy @ Malagasy, mba TSY ho savsavihana ity voambolana, dia akapokapoka ho midika @ izao notion vazaha rehetra izao, hoe âme, esprit... Ireo farany ireo, dia tokony adika tsotra fotsiny ho hoe, Amima sy Esipiriha, fa ny teny hoe Fanahy dia toa izao no dikany

Dikan'ny Fanahy - araka ny Ohabolana:

Raha noana ny nofo mivezivezy ny fanahy
Molotra sy nify, izay malemy fanahy tratra am-parany
Zaza fito tsy mahafehy trano fa ny fanahy fito no mahafehy trano.
Ny fanahy no maha-olona
Izay mahavangivangy tian-kavana; ny malemy fanahy tratra am-parany
Aleo ratsy tarehy fa tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy
Valala voatango ka very fanahy mbola velona.
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.
Aleo kely fanahy sitrak'olona, toy izay be fanahy maty foana
Takatra amorom-parihy tsy matory fa miery fanahy
ravin-tapia tian-dandy ka tsara fanahy sitrak'olona
Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
Miaraka amin'ny ferena ka ny tsara fanahy no maimbo
Toy ny salaka ny fanahy, ny tompony ihany no ho didininy
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa ny fanahy ratsy kosa azo ovana
Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho.
Ny teny malefaka dia mamelombelona ny saina sy ny fanahy
Raha miha-maro ny marina, dia faly ny vahoaka fa raha.Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka dia misento kosa izy.
Izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny
Aza mitoto-vary diavolana ka maka fanahy ny akoho
Raha tsara tarehy kanefa tsy manana fanahy dia toy ny ako-bolamena ka mamiratra jerena
Kely saina sa tsy ary fanahy? Akoho no vonoina ka ilana famaky?
Ny faharariany dia zakan'ny fanahin'ny olona ihany; Fa ny fanahy kivy, iza no mahazaka izany?
Mampaka-bady maika loatra, ny tarehy no voajery, ny fanahy natao sorona
Ny Fanahy no mahaolona
fanahy iniana ny ho hendry , fa ny adalana samy manana
Aleo manambady fanahy toy izay manambady tarehy.
Sobiky rindra notampenan-kerana, ka ny azy fanahy iniany
NY HERY TSY MALEHO NY FANAHY. NY FIRAISAKINA NO HERY.

38. endriny ( 17/04/2018 12:40)
NB: Ito kosa angamba olona taty aoriana no namorona an'ito hoe : 'Aleo ratsy tarehy fa tsara fanahy, toy izay tsara tarehy fa ratsy fanahy"

Fa ny an'ny Malagasy dia hoe: "Tarehy ratsy tsy azo ovaina, fa ny fanahy ratsy azo ovaina"

Midika izany fa aleo maka olona tsara tarehy ratsy fanahy, satria afaka miova ny fanahy fa ny tarehy tsy hiova mihintsy.

Manao fanahin'alika, ka antitra vao miha-gaigy
39. rhaj0 ( 17/04/2018 13:08)
Dia tena mila fantenina marina itsy lisitra io ambony. Tao @ Ohabolan'i Hery ireo no nataoko copie-collé, fa dia marina tokoany, fa nisy namorona taty aoriana.

Raha ny fahitako azy, dia ireo manao fampitaha @ biby sy zava-maniry na zavatra hafa no inoako kokoa ho orijinaly, fa ny sasany dia fanirian'olona na mpikabary taty aoriana no betsaka..

Dikan'ny Fanahy - araka ny Ohabolana sy Fampitaha:

Raha noana ny nofo mivezivezy ny fanahy
Molotra sy nify, izay malemy fanahy tratra am-parany
Zaza fito tsy mahafehy trano fa ny fanahy fito no mahafehy trano.
Izay mahavangivangy tian-kavana; ny malemy fanahy tratra am-parany
Valala voatango ka very fanahy mbola velona.
Aleo kely fanahy sitrak'olona, toy izay be fanahy maty foana
Takatra amorom-parihy tsy matory fa miery fanahy
Ravin-tapia tian-dandy ka tsara fanahy sitrak'olona
Mitoto vary diavolana ka maka fanahy ny akoho
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
Miaraka amin'ny ferena ka ny tsara fanahy no maimbo
Toy ny salaka ny fanahy, ny tompony ihany no ho didininy
Fotsifotsy fanahy toa takatra, ka ny tain-kary avy no atao trano.
Kely saina sa tsy ary fanahy? Akoho no vonoina ka ilana famaky?
fanahy iniana ny ho hendry , fa ny adalana samy manana
Sobiky rindra notampenan-kerana, ka ny azy fanahy iniany
Ny tarehy ratsy tsy azo hovana fa ny fanahy ratsy kosa azo ovana
Manao fanahin'alika, ka antitra vao miha-gaigy


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5791