Ady Anarana

81. stahtam ( 17/07/2017 10:28)
Valin-teny:

1°) "Vakio ny Apok 3: 12...Anarana vaovao no voasoratra fa tsy Ilay Azy hatrizay. izany hoe Anarana any an-danitra fa tsy fiantso eto an-tany"
- Apok 14 no resahina fa tsy io.
2°) "Diso ilay resaka hoe sazy fa fampielezana ny zanak'olombelona tsy hanao asa iombonana hahazo laza ho an'ny tenany hiakatra any an-danitra io voalazan'ny Gen 11: 1-9 io."
- Fa angaha ratsy ilay miakatra any an-danitra ? Inona ilay anton'ny fanakanana ?
3°) "Efa voalaza etsy ambony ny valinteny eto. Ny fahazoana ny teny isam-pokom-pirenena raha tsy misy fandikan-teny dia tsy azo."
Ohatra mazava ny Anarana fiantso an'Andriamanitra : Dieu, God, Andriamanitra, Goth sns...
Tsy azonao heverina ny hahaizan'izao olombelona rehetra izao ny teny Hebreo fa misy fivoany isaky ny faritra na dia ireo anarana aza"
- Fa taiza moa no nahalalan'ny olombelona rehetra ny anaran'Ilay ivavahana ? Nefa na i Mosesy aza dia mbola nanontany aloha vao nahafantatra. Ilay ivavahana dia tsy nilaza ny anarany t@ iza na iza afa-tsy t@ Hebreo irery ihany ka taiza no nahitany ireo anarana hafa tanisainao ireo ? Tsy maintsy mamorona izay metimety aminy izy ireo noho izany. Ireo anarana nolazainao ireo dia tsy Ilay nivavahan'ny Israeliana ary manana ny tantarany manokana any @ ireo firenena niaviany tsirairay aza izy ireo. Olona tsy niresahany ireo hafa firenena ireo (tsy olony) noho izany tsy mahafantatra azy, dia tsy mahafantatra ny anarany. Fanatsotsoran-javatra ny fampitoviana ireo @ Ilay ivavahan'ny Israeliana.
4°) "Porofo ny tsy fahitanao Baiboly mampiasa ny Anarana Yahoshuah. Na io fanoratra azy io aza anie tsy misy itovizany amin'ny fanoratra sy fanononana Hebreo e!"
- Tsy Yahoshuah aloha no anaran'ny Mesiako (phonétique io soratako io);
- Io teninao io dia porofo manamarina ilay teniko hoe: "HAFA no ivavahan'ireo hafa firenena ireo" satria rehefa tsy nomena azy ireo ny baiboly (original) izay TENINY dia namorona baiboly DIKAN-TENY izy mba hanamafisany fa tsy nomena azy tokoa ny teny. Dia tsy misy anarana voasoratra @ teny hebreo ao mazava ho azy. Rariny izy raha mamorona.
5°) "Eto indray dia tsy hitady teny afa-tsy iray ihany aho dia ao amin'ny Jaona 1: 1-18
Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra... Diso ny fanadihadiana milaza fa efa taty aorian'ny Babela ny Zanak'Andriamanitra voalaza eto satria IZY dia efa teo hatramin'ny fanorenana izao tontolo izao"
- Anaran-tsamirery no resahina eto fa tsy ny fotoana nisiany hoe oviana na oviana. Sa te-handrirarira resaka tahaka ny sasany koa ianao? Raha mahita verset talohan'i Babela ianao milaza hoe ity no anaran-tsamirerin'ny Ray na ny Zanany dia omeo fa aza miala bolila.
Dia asehoy avy eo ilay lazainao hoe fahateren-tsain'izay tsy manaraka ny fisainanao.
6°) " Matetika ny fanetren-tena dia tsy eo amin'ireo olona miady Anarana nefa efa maro ireo voavonjy noho ny Anarana fantany avy ary ny Tompo mahalala ny ao am-pony avy"
- Ny fiheveranao fa afaka mitsara ny olona ho tsy manetry tena dia efa miampanga anao fa tsy manetry tena ianao.
- Raha lazainao fa maro ireo voavonjy noho ny anarana fantany avy... dia io ilay lazaiko hoe: filozofia apetrakao (sy izay mitovy firehana aminao) izay tsy te-hanaraka ny voasoratra. Efa milaza ny marina momba ny zavatra hoavy, ohatra, ny faminaniana (Mika 4/5) nefa dia mbola mahita hirika hanamarinana ny zavatra ataony foana ry Miharena ka milaza fa misy olona voavonjin'ny anarana hafa any ananonanona any. Anareo angamba izany ka!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5785