Ady Anarana

41. RBNIR ( 27/06/2017 06:24)
1 Andriamanitra no resahina fa tsy olona (Andriamanitra mahafantatra tsara rehefa mivavaka ny olona iray hoe IZA marina no hivavahan'ilay olona ao satria izy mahafantatra ny voa sy ny fo

2 ity teny ity dia avy tamin'ny teny angilisy Jesosy = Jesus...Ny angilisy indray dia nanana ny teny izay nipoiran'ilay teniny....dia otran'izay hatrany hatrany ilay izy...

Izy anefa mahafantatra tsara fa ilay Anarany no nentina tany saingy nadikan'ny olona araka izay nandraisany azy avy....

Ohatra koa sekoly dia nosintomina avy amin'ny teny hoe school, boky dia nosintomina tamin'ny teny hoe book, lesona avy tamin'ny lesson, dia satria v niova ny fanoratra sy ny fanononan'ilay olona azy dia izay no mampiova an'ilay izy???

Isika olombelona aza mahafantatra tsara an'izany maika v ka Andriamanitra????
42. tspoaeta ( 27/06/2017 08:30)
Tsy misy idiran'ny baiboly ny antsika ty RBNIR a, fa ny antsika tonga dia ady hevitra maina be amizao fotsiny otran'io ataonao io. Izany hoe ianao mandefa ny ventsoventsom-ponao sy ny sentimnt nao dia izaho mba miteniteny an'izay tiako tenenina eny
43. tspoaeta ( 27/06/2017 08:57)

RBNIR:

Andriamanitra mahafantatra tsara rehefa mivavaka ny olona iray hoe IZA marina no hivavahan'ilay olona ao satria izy mahafantatra ny voa sy ny fo

2 ity teny ity dia avy tamin'ny teny angilisy Jesosy = Jesus...Ny angilisy indray dia nanana ny teny izay nipoiran'ilay teniny....dia otran'izay hatrany hatrany ilay izy...

Izy anefa mahafantatra tsara fa ilay Anarany no nentina tany saingy nadikan'ny olona araka izay nandraisany azy avy....

Isika olombelona aza mahafantatra tsara an'izany maika v ka Andriamanitra????

Ka izay ilay hoy aho hoe "kotozafy=leksisy".
Satria vendrana b daoly ny olona sady baranahiny d samy manao ze saimpatany. Fa a/tra no avelao hamantatra ze tin'olona tenenina any. Fa izany n atao hoe ze sitrapon'olona no ataon'a/tra, ary ny olona samy manao ze saimpatany avy
44. endriny ( 27/06/2017 13:48)

tspoaeta:

Fa izany n atao hoe ze sitrapon'olona no ataon'a/tra, ary ny olona samy manao ze saimpatany avy


Tena mahafinaritra ahy ianao ry Tspoaeta, fa dia tena izay tokoa ny ataon'ny mpino. Izy ireo ihany no mamaritra hoe iza sy iza avy manao inona sy inona avy no ho lasa any an-danitra rahatr'izay. Ary ilay Atra dia manaraka izay nofaritan-dry zareo tao anaty boky sy izay tiany ho lazaina fotsiny.

Ry zareo tsy mihinan-kisoa dia mino fa izay rehetra mihinan-kisoa dia very any amin'ny afobe fa ry zareo tsy mihinan-kisoa dia handova ny paradise mandrakizay. Dia ho ataon'Atra toa izay koa ny fitsarana azy.

Ry zareo Silamo dia mino fa ny Kristianina dia ho very any amin'ny helo, fa ry zareo Silamo no handova ny farihin-divay voahodidina vehivavy virjiny maro be. Dia ho ataon'Atra tokoa.
45. tspoaeta ( 28/06/2017 08:39)

tspoaeta:

Fa izany n atao hoe ze sitrapon'olona no ataon'a/tra, ary ny olona samy manao ze saimpatany avy


endriny:


Tena mahafinaritra ahy ianao ry Tspoaeta, fa dia tena izay tokoa ny ataon'ny mpino. Izy ireo ihany no mamaritra hoe iza sy iza avy manao inona sy inona avy no ho lasa any an-danitra rahatr'izay. Ary ilay Atra dia manaraka izay nofaritan-dry zareo tao anaty boky sy izay tiany ho lazaina fotsiny.

izany a/tra manaraka ambokony ny sitraon'olombelona izany mantsy dia a/tra bonaika be, ka dia dia tsy maninona fa dia iyay anaovan'ny olona azy eo (na ataon'olona "kotozafy" ny anarany, na atao "leksisy", na atao ... dia ts maninona fa mety aminy daoly)
46. RBNIR ( 28/06/2017 10:05)
tspoaeta:

Ka izay ilay hoy aho hoe "kotozafy=leksisy".
Satria vendrana b daoly ny olona sady baranahiny d samy manao ze saimpatany. Fa a/tra no avelao hamantatra ze tin'olona tenenina any. Fa izany n atao hoe ze sitrapon'olona no ataon'a/tra, ary ny olona samy manao ze saimpatany avy

Fa tsy sahinao noraisina ilay school--->sekoly ; ilay book----> boky sns an????

P.S : ianao izany ange manambany an'Andriamanitra e, isika olombelona aza mahafantatra tsara hoe izao no niavian'ny teny iray maika v ka IZY???
47. endriny ( 28/06/2017 14:27)

RBNIR:

P.S : ianao izany ange manambany an'Andriamanitra e, isika olombelona aza mahafantatra tsara hoe izao no niavian'ny teny iray maika v ka IZY???


Ka ianao no te hanambony an'Atra koa angaha hita e. Ilay Atra tsy hay na misy na tsy misy akory fa hatramin'izao aloha mbola tsy nisy porofo fa misy.

Manana mpandika teny be dia be Atra, ohatran'ireny ao amin'ny trano fivoriana iraisam-pirenena ireny. Ireo no atao hoe anjely mpandika teny.

Fa taloha kelin'ny 1970 dia tsy nila mpandika teny Atra satria ny fivavahana dia tsy maintsy natao teny latinina. MIteny latinina mantsy Atra.
48. tspoaeta ( 29/06/2017 06:05)
RBNIR:

Fa tsy sahinao noraisina ilay school--->sekoly ; ilay book----> boky sns an????

P.S : ianao izany ange manambany an'Andriamanitra e, isika olombelona aza mahafantatra tsara hoe izao no niavian'ny teny iray maika v ka IZY???

Miteny "sekoly" ianao. ny sekoly anie bdb e: CEG, EPP, sy n sekoly hafa maro b mbl samy manana ny anarany avy koa. Tahakzany koa ilay "boky": dictionnaire, baiboly, coran, ...
Mbola diso ndray enao t@ iny.
Fa ilay "kotozafy=leksisy" teneniko io tena hafa mitsy.
Ka ahoana moa za n lazainao fa manambany an'A/tra?
49. tspoaeta ( 29/06/2017 06:17)
tsis idiran'ny versets bibliq ty fa tonga d resaka mirefarefa @ tany mitsy, amizay takatry ny sain-dry RBNIR sy ny tampipahaizana mitovy aminy rehetra.
50. RBNIR ( 29/06/2017 06:26)
tspoaeta:

tsis idiran'ny versets bibliq ty fa tonga d resaka mirefarefa @ tany mitsy, amizay takatry ny sain-dry RBNIR sy ny tampipahaizana mitovy aminy rehetra.

Fa mbola tsy novalianao izaho tsy otran'ny mitovy amin'ny mandainga ihany v hoy aho ny mampiasa pseudo hafa entina hanohanana hevitra iray???
51. tspoaeta ( 29/06/2017 07:20)
tsy mahatadidy intsony RBNIR fa efa mitaky angamba ny fahanterany, dia alao averiko inty:

RBNIR:

Resaka anarana moa izy ity: tsy otran'ny mandainga ihany v hoy aho ny miovaova pseudo eto mba entina hanohanana hevitra iray sa ahoana????


tspoaeta:

Resaka anarana fa tsy resaka pseudo?
Tena otran'ny mpandainga mints ny miovaova pseudo. Fa ny miovaova anarana otrin'ny tsy mpandainga
52. RBNIR ( 29/06/2017 08:24)
tspoaeta:

Resaka anarana fa tsy resaka pseudo?
Tena otran'ny mpandainga mints ny miovaova pseudo. Fa ny miovaova anarana otrin'ny tsy mpandainga

Misy mahasamihafa azy, ilay pseudo no mandainga (satria miafina ao ambadik'ilay pseudo ilay ol)

Fa ilay iray dia natao hiharihary hohitampoko hohitampirenena (tsy misy lainga hafenina ao fa mibaribary ny zavatra atao)..
53. tspoaeta ( 29/06/2017 09:40)
RBNIR:

Misy mahasamihafa azy, ilay pseudo no mandainga (satria miafina ao ambadik'ilay pseudo ilay ol)

Fa ilay iray dia natao hiharihary hohitampoko hohitampirenena (tsy misy lainga hafenina ao fa mibaribary ny zavatra atao)..

Ny atao hoe "pseudonyme" dia anarana sandoka (ohatra: RBNIR, tspoaeta, rhajO, Miharena, ...), fa tsy tena anarana. Fa ilay olona misalotra an'ilay anarana sandoka/pseudo hoe RBNIR dia manana ny tena anarany. Fa tsy mampiasa an'ilay tena anarany eto izy mba tsy ho hitampoko sy hitampirenena.
Noho izany tena mpandainga ilay olona miafina ao ambadik'ilay pseudo hoe RBNIR, satria tsy mety mampiasa ny tena anarany eto izy.
54. RBNIR ( 29/06/2017 09:55)
Tsy dia izay loatra ilay tiako ambara fa hoe indraindray tspoaeta, indraindray......
55. RBNIR ( 29/06/2017 09:57)
olona 1 misandoka anarana 10 tsy sahy mijoro amin'ny mahaizy azy satria hita fa diso nefa mbola te....hatrany....
56. tspoaeta ( 29/06/2017 12:44)

RBNIR:

olona 1 misandoka anarana 10 tsy sahy mijoro amin'ny mahaizy azy satria hita fa diso nefa mbola te....hatrany....

Izany hoe: ny olona 1 izany tsy tokony hisandoka anarana bdb, fa tokony tokana ihany ny anarany dia ampy?
Jereo anefa fa a/tra misandoka anarana bdb (raha eto m/car fotsiny izao dia miisa 4 karazana ny anarany).
Rehefa a/tra izany no misandoka anarana bdb dia mety, fa rehefa ny olona dia tsy mety.
Kanefa "izay ataon'a/tra no tokny ataon'ny olona"
Tsy eken-dRBNIR izany izay ataon'a/tra, fa lazainy fa tsy sahy mijoro @ maha izy azy dia lazainy fa diso izay manao an'izany
57. endriny ( 29/06/2017 14:34)
Ary maninona raha atao fotsiny hoe ilay mesia, na ilay mpamonjy.

Sa tonga dia atao hoe Jesosy Mpamonjy
58. RKjeanclaude ( 30/06/2017 06:14)
mila mahafantatra ny tantara ny tsiatairay avy aloha, mila mahafantatra ny fifandimbiasam-potoana mahakasika my lohshevitra(chronologie), mila mahay mamaky baiboly hatramin'ny voalohany hatramin'ny farany raha ilay Andriamanitry ny kristiana sy/na jiosy no lohahevitra, mila mamaky ny baiboly amin'ny fiteny hafa mba hahalana ny mety ho fiovam-pandikana madinika( eventuelle derivation des traduction) , ary mila mahafantatra sokajin-teny(syntaxe),

ary mandinika aloha vao mandroso hevitra indrindra indrindra.
59. RBNIR ( 30/06/2017 08:34)

tspoaeta:


RBNIR:

olona 1 misandoka anarana 10 tsy sahy mijoro amin'ny mahaizy azy satria hita fa diso nefa mbola te....hatrany....

Izany hoe: ny olona 1 izany tsy tokony hisandoka anarana bdb, fa tokony tokana ihany ny anarany dia ampy?
Jereo anefa fa a/tra misandoka anarana bdb (raha eto m/car fotsiny izao dia miisa 4 karazana ny anarany).
Rehefa a/tra izany no misandoka anarana bdb dia mety, fa rehefa ny olona dia tsy mety.
Kanefa "izay ataon'a/tra no tokny ataon'ny olona"
Tsy eken-dRBNIR izany izay ataon'a/tra, fa lazainy fa tsy sahy mijoro @ maha izy azy dia lazainy fa diso izay manao an'izany

ka efa niteny aho hoe ilay anaran'Andriamanitra tsy nisy nafenina fa samy miharihary Be dia manondro Andriamanitra tokana avokoa,

Ilay lazaiko fa tsy sahy mijoro amin'ny maha izy azy dia ireo olona manovaova pseudo eto....
60. tspoaeta ( 01/07/2017 03:42)
RBNIR:

ka efa niteny aho hoe ilay anaran'Andriamanitra tsy nisy nafenina fa samy miharihary Be dia manondro Andriamanitra tokana avokoa,

Moramora ihany fa tapaka lalan-drivotra eo an! mba tsy itenenako we tapaka lalan-drĂ  eo. Toa tazako miakatra dia miakatra mantsy ny tension nao zany.
Fa izao ary:
Iza avokoa ireo anaran'A/tra lazainao fa miharihary be fa tsy miafina???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1568