Ireo Fampanantenana nataon'Atra ho an'ny Mpino Azy

41. rhaj0 ( 12/06/2017 17:01)
Miharena:
Ny tsoa-kevitra mazava izao dia hoe :

- Inona no vokatry ny Sola ...


Tena tapahiko ho'a ny hohon'akihikeliko fa tena TSY takatry ny Miharena mbamin-dry Tsaratsara akoriny ireo Solas ireo. Nefa anie tena any @ "fototra" mihintsiny eee...

Io izao, dia toa ny mahazatra, dia "mbo ren-dry Miharena" tato ho ato, dia roriroritina eto indray rahefa avy notsindrotsindrohana tany ho any. Misy 5 ny Solaes nefa ireto roa ireto no mba takany dia averimberiny eo.
42. Miharena ( 13/06/2017 06:28)
Aza miozonozona toa io ho'aho ianao Rhaj0 rehefa tsy manan-kavaly.

Voafetra be ilay fahalalanao entina miresaka eto dia miala bala amin'ny vokatry ny fahatsapana isan-tokony avy amin'ny famakiana ny Baiboly.
43. rhaj0 ( 13/06/2017 11:01)
Iieee... "voafetra" ny fahalalako ilay imazination-kolektiva.

Fa raha mahay azany ianao ry Miharena, velabelareo ao anaty paragraph 1 ireo Solas ireo.
Dia iaraha-mahita eto izany "fahaizana" ananan'ny Andrmntra/kipantson'Andrmntra izany.
44. Miharena ( 14/06/2017 04:54)

rhaj0:

Iieee... "voafetra" ny fahalalako ilay imazination-kolektiva.

Fa raha mahay azany ianao ry Miharena, velabelareo ao anaty paragraph 1 ireo Solas ireo.
Dia iaraha-mahita eto izany "fahaizana" ananan'ny Andrmntra/kipantson'Andrmntra izany.


Fanoharana ny olona ho toy ny tanim-boly no nataon'i Jesoa, Izay IRAY ao amin'ny RAY momba ny olombelona. Ny tenin'Andriamanitra no afafy. Ny olona no mandray, na tsy mandray arakaraka ny toetrany avy. Misy ny mahazo teny dia manao hoe sola fide, ny sasany sola scriptura, ny hafa sola gracia, ....

Ny sasany indray dia ity farany ity no ao aminy hoe

Dia toy izany no mahazo ny tenin'Andriamanitra.

Fa ny olana amin'izao fotoana mampiroborobo ny fitaovan-tserasera izao dia tsy misy sofina tsy mandre na ampahany amin'ny Tenin'Andriamanitra aza! Nefa hoy Izy hoe .

45. rhaj0 ( 14/06/2017 10:47)
Miharena:
Ny olona no mandray, na tsy mandray arakaraka ny toetrany avy. Misy ny mahazo teny dia manao hoe sola fide, ny sasany sola scriptura, ny hafa sola gracia, ....

Ny sasany indray dia ity farany ity no ao aminy hoe

Dia toy izany no mahazo ny tenin'Andriamanitra

Misaotra fa mazava be ee...

Ny fahazoako azy izany, dia ny olona (Kristiana) eto izany dia, araka ny ohabolan-drazantsika, dia:
- Toa Ganagana mandro, ka ...
- Toa Vorom-Bazaha Misasa, ka ...


Fenoy ny banga, dia isafidio, fa na ianao Miharena io azany, dia toa .. Ganagana sa Vorom-Bazaha? :-)


Fa fanamarihana fotsiny (indray). Dia tena TSY azonao mihintsy ireto "solas solas" ireto. Asa raha efa nolazaiko fa TSY ao anaty Baiboly ireo, fa kosa, inspiration avy @ Baiboly. Ka Ineny Gogola anaovana tsikaroka ry Miharena, raha te-hanita-tsaina, nefany ho'a, ianao ho'a indrisy, dia toa ilaozanao mihevoka Baiboly foana eeee...

Izao no izy @ ireo Solas ireo:
[size=10]https://www.theopedia.com/five-solas
The Five Solas are five Latin phrases (or slogans) that emerged from the Protestant Reformation intended to summarize the Reformers' basic theological principles in contrast to certain teachings of the Roman Catholic Church of the day. "Sola" is Latin meaning "alone" or "only" and the corresponding phrases are:

Sola Fide, by faith alone.
Sola Scriptura, by Scripture alone.
Solus Christus, through Christ alone.
Sola Gratia, by grace alone.
Soli Deo Gloria, glory to God alone.[/size]


Ka dia ianaro ho'a, ary ampiharo, izany hoe honnetete intellectuelle, fa diso tanteraka ianao, mikatsetsatsetsaka tsy-ampahalalana hoe "ny sasany sola scriptura, ny hafa sola gracia", satria an'ny "Protestant Reformation" DAHOLO ireo Solas ireo (fa tsy an'ny sasany sy an'ny hafa).

Izay ilay izy ry Miharena Andrmntra/kipantson'Andrmntra aaa....
46. Miharena ( 14/06/2017 11:06)
Azafady fa tsy tonga volana ilay fehezanteny etsy aloha fa ampiana fanazavana:

Izany hoe rehefa misy endrika iray ny olona arakaraka ny kolon-tsainy sy namolavolany ny tenany dia samy mandray tsoa-kevitra avy amin'ny Baiboly dia manome ireo sola isan-tokony ireo hotohanana sy enti-manohana fa miasa ny Tenin'Andriamanitra ary miasa mivantana koe IZY amin'ny fitaizana ny oloNY.

Hoy IZY hoe ny zanako sy ny asan'ny tanako aoka ho adidiko ihany.

Manana fitaovana maro entina mandresi-lahatra IZY dia manome vokatra ny olona izay nahazo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2836