IZA ILAY MAZAVA?

21. RA TAN ( 13/05/2017 11:02)
stahtam:

Abraham sy ny zanany ary ny zafiny tsy nivavaka t@ Yahoshuah;
Abraham sy ny zanany ary ny zafiny tsy nivavaka t@ Mesia fa NIANDRY sy NANANTENA ny hihavian'ny Mesia avy aty @ taranany;
Ny mpivavaka @ telo izay iray na roa izay iray na ny sahalahala @ izany no mivavaka @ Mesia fa fanasoketana an-dry Abraham ny filazana fa nivavahany io.


Valiny:
JAONA,8: 56Nientan-kafaliana Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly(hoy i Yahoshuah)57Dia hoy ny Jody taminy: Tsy mbola dimam-polo taona akory hianao, ka dia hoe nahita an'i Abrahama? 58Lazaiko marina dia marina aminareo, hoy Yahoshuah taminy: Fony mbola tsy àry Abrahama, dia efa izaho aho.

=> NY olona NOFO BE (tsy mahalala ny zava-panahy) no manao fihevitra Tanaka io ataon'ny stahtam io sy io nataon'ny jiosy io; tsy mahatazana afa tsy izay hitan'ny masony.
22. stahtam ( 15/05/2017 05:26)
Eny re ry fanahy be a! Toa diso fanahy be loatra angamba ka tsy mahay mampiasa maso sy fitadidiana intsony:
- Raha mitady ny anaran'ny Mesiako ianao dia ANARANA atakalo ANARANA; iza ilay mpaminany israeliana naminany ny Matio 2/23 dia homeko anao ny anaran'ilay Mesia inoako. Ka miverina (ety an-tany) @ izay ve ny fitadidiana sa mbola badenina any an-danitra any? Sa aiza...?
Na ny mamaky sy mi-interpréter ny Testamenta vaovaonareo aza dia ataona(re)o amboletra araka ny mahazatra anao fotsiny. Faly mampitovy mason-daomy fa tsy mitsinjo ny zavatra hahazo miandry aoriana, rehefa midona @ poteau avy eo vao mamorona verset fialana bolila hanafenana ny fahavoazana. Izay no ela fa aleo hehezina indray ity lainga marivo tototra ity:

- "Ravoravo Abrahama HAHITA ny androko" Iza no niteny an'io?

Testamenta vaovao efa noraisinao ihany no amatorako anao: vakio ny Matio 13/16-17 dia jereo hoe isan'ny mpaminany na isan'ny olo-marina ve Abrahama sa inona? Ary Iza no niteny an'io.
Dia mba alefaso lavitra @ izay ny saina fa dia efa vitan'i episcopo lavage isan'andro ao ka tsy mahalala izay tokony holazaina sy hatao intsony. Raha mbola misy abobo ankoatran'io dia alefaso indray e.
23. Davjo ( 15/05/2017 06:03)
TESTAMENTA TALOHA ITY A!!!!

Vakio tsara dia valio hoe: IZA ILAY MITENY?

OHABOLANA 8

8:22 Nanana ahy ho fiandohan' ny nalehany Jehovah, talohan' ny asany fahagola. L`Éternel m`a créée la première de ses oeuvres, Avant ses oeuvres les plus anciennes.

8:23 Notendrena hatramin' ny fahagola aho, hatramin' ny fiandohana, fony tsy mbola ary ny tany. J`ai été établie depuis l`éternité, Dès le commencement, avant l`origine de la terre.

8:24 Fony tsy mbola ary ny lalina no efa teraka aho, fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be, "Je fus enfantée quand il n`y avait point d`abîmes, Point de sources chargées d`eaux;"

8:25 Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, fony tsy mbola nisy havoana no efa teraka aho. "Avant que les montagnes soient affermies, Avant que les collines existent, je fus enfantée;"

8:26 Fony tsy mbola nataony ny tany, na ny saha, na ny voalohan' ny vovo-tany ambonin' izao rehetra izao. Il n`avait encore fait ni la terre, ni les campagnes, Ni le premier atome de la poussière du monde.

8:27 Raha namorona ny lanitra izy, dia efa teo aho, raha namaritra ny habakabaka tambonin' ny lalina Izy, "Lorsqu`il disposa les cieux, j`étais là; Lorsqu`il traça un cercle à la surface de l`abîme,"

8:28 Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, raha niboiboika fatratra ny loharanon' ny lalina, Lorsqu`il fixa les nuages en haut, Et que les sources de l`abîme jaillirent avec force,

8:29 Raha nanisy faritra ho an' ny ranomasina Izy mba tsy hahazoan' ny rano mihoatra ny didiny ary nanendry ny fanorenan' ny tany, Lorsqu`il donna une limite à la mer, Pour que les eaux n`en franchissent pas les bords, Lorsqu`il posa les fondements de la terre,

8:30 "Dia teo anilany aho, toy ny notezaina teo aminy, sady firavoravoana ho azy isan' andro no nifaly mandrakariva teo anatrehany;" J`étais à l`oeuvre auprès de lui, Et je faisais tous les jours ses délices, Jouant sans cesse en sa présence,

8:31 "Nahafaly ahy ny faritra honenana eo amin' ny tany; ary ny firavoravoako dia tamin' ny zanak' olombelona." Jouant sur le globe de sa terre, Et trouvant mon bonheur parmi les fils de l`homme.

8:32 "Koa ankehitriny, mihainoa ahy ianareo, anaka; fa sambatra izay mitandrina ny lalako." Et maintenant, mes fils, écoutez-moi, Et heureux ceux qui observent mes voies!

8:33 Mihainoa toro-hevitra, ka hendre, fa aza mandà. Écoutez l`instruction, pour devenir sages, Ne la rejetez pas.

8:34 Sambatra izay olona mihaino ahy, miambina isan' andro eo am-bavahadiko, miandry eo amin' ny tolam-baravarako. Heureux l`homme qui m`écoute, Qui veille chaque jour à mes portes, Et qui en garde les poteaux!

8:35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana sady hahazo sitraka amin' i Jehovah. Car celui qui me trouve a trouvé la vie, Et il obtient la faveur de l`Éternel.

8:36 "Fa izay manota amiko kosa dia mampidi-doza amin' ny fanahiny; ary izay rehetra mankahala ahy dia tia fahafatesana." "Mais celui qui pèche contre moi nuit à son âme; Tous ceux qui me haïssent aiment la mort."
24. RA TAN ( 15/05/2017 08:34)
IZA aloha no anaran'ilay mesia-nao ry stahtam a.
Valio aloha io.
Fa ianao mbl taty aoriana be vao nametraka an'io Mat,2:23 io.

Valio aloha ny fanontaniako, dia avy eo ianao vao miditra @ io Mat,2:23 io.
25. stahtam ( 15/05/2017 08:46)

[quote=RA TAN]
IZA aloha no anaran'ilay mesia-nao ry stahtam a.
Valio aloha io.
Fa ianao mbl taty aoriana be vao nametraka an'io Mat,2:23 io.

Valio aloha ny fanontaniako, dia avy eo ianao vao miditra @ io Mat,2:23 io.
[quote=stahtam]
Ianareo olon'ny fanahy (beuh) ireny ange hono ka sady mahafantatra ny zavatra rehetra no tsy fantarin'olona e!? Ka maninona raha io pouvoir-nareo io no mba ampiasaina dia mahazo valin-teny OK tsara ianao. Ny ahy mantsy dia ilay efa nomeko iny ihany, ary tsy miova @ iny mihitsy. Raha tsy hoe (ANGAHA): OMENAO ny anaran'ilay mpaminany ao @ ilay toko vao hitako taty aoriana (Matio 2/23). Sa maninona raha mba anontaniana an'i episcopo fa izy ange hono ka avy any an-danitra e! Ny avy any mahalala zava-miafina be dia be, dia mba manamarina koa ianao hoe avy any marina ve izy sa tsy avy any fa sao dia fahanany lalitra fotsiny ao ambohidrapeto ao ianareo.
26. RA TAN ( 16/05/2017 00:33)
Efa fantatra anie fa devoly ilay ivavahanao e! Ko raha tsy izany ve izy haniraka anao hitsipaka baiboly.
Fa ianao izay miaraka aminy mihintsy no tsy maintsy miteny ny anarany eto.

IZA NO ANARAN'ILAY MESIA-NAO???

Tonony eto ra sahy ianao e!
27. stahtam ( 16/05/2017 04:58)

[quote=RA TAN]
Efa fantatra anie fa devoly ilay ivavahanao e! Ko raha tsy izany ve izy haniraka anao hitsipaka baiboly.
Fa ianao izay miaraka aminy mihintsy no tsy maintsy miteny ny anarany eto.

IZA NO ANARAN'ILAY MESIA-NAO???

Tonony eto ra sahy ianao e!
[quote=stahtam]
Raha atao @ teny frantsay ity hevitrao ity dia hoe: "aveu d'impuissance"
28. RBNIR ( 17/05/2017 12:28)
Misy zavatra tsy azoko rehefa miady hevitra...Lasa olona no mifandramatra nefa hevitra no ampiadiana????
29. rhaj0 ( 17/05/2017 12:33)
Dia (mody) ganga ianao ry RBNIR.. Jereo anie ee.. Izaho sy Endriny ve mba "mifandramatra"??
30. Miharena ( 25/05/2017 07:45)
Mbola miverina indray eto ilay adihevitra.

Raha fintiniko kely dia mahita aho hoe hay ve ny Yahoshua Samuleson Edward ity ka adjectif fa tsy anarana!!

Ny Anaran'Andriamanitra Mpamonjy no vontoatiny!

ka raha izay no izy dia mazava fa tsy misy Anarana mahatonona AZY afa-tsy amin'ny alalan'ny TENY ihany.

Misy hatrany ny parallelisme amin'ny famaritana Fiantso. ka na io Jesoam Jesosy, Yahoshua, Issa, IRAY ihany no dikany dia io adjectif io.

Matetika isika amin'izao fotoana izao mitady ny Tompo anaty horonam-boky dia miady hevitra ary miady mifanaboka rehefa samy manana ny fomba famaritany izay voasoratra.

Fahadisoan-dalana lehibe izany fa mila mitandrina!!

Ny tompontsika dia VELONA fa tsy Anarana, tys famaritana ary IZY ihany no afaka mampahafantatra ny momba AZY amin'izay mangetaheta ny fahamarinana.

Koa ilaoa ny adihevitra adaladala e! Efa betsaka ihany izay fanazavana sy feo efa rentsika momba AZY fa raha ny Voninahiny kosa no very anjavony amin'ny ady teny dia very isika ary very ireo izay te-hikatsaka ny marina.
31. rhaj0 ( 25/05/2017 13:50)
Miharena:
Koa ilaoa ny adihevitra adaladala e!

- ilay "ady" @ ilay hevitra ve no adaladala,
- sa, ilay hevitra (manontolo) mihintsy no adaladala

Raha ny fahitako azy, ilay hevitra (finoana an'Atra) mihitnsy no "adaladala", ary dia, io mivaralila io ny Tany (ny mpino).


Jereo ihany ho'a, @ maso tsy miangatra, fa ny toa ahy sy Endriny ohatra, izay tsy "mino" ilay hevitra (finoana an'Atra) dia TSY miadaladala toa (anareo) izao.
32. Miharena ( 26/05/2017 04:48)

rhaj0:

Miharena:
Koa ilaoa ny adihevitra adaladala e!

- ilay "ady" @ ilay hevitra ve no adaladala,
- sa, ilay hevitra (manontolo) mihintsy no adaladala

Raha ny fahitako azy, ilay hevitra (finoana an'Atra) mihitnsy no "adaladala", ary dia, io mivaralila io ny Tany (ny mpino).


Jereo ihany ho'a, @ maso tsy miangatra, fa ny toa ahy sy Endriny ohatra, izay tsy "mino" ilay hevitra (finoana an'Atra) dia TSY miadaladala toa (anareo) izao.


Tsara resaka ianao izany namana!

Fironan-kevitr'i John Lennon no hitako anananao ankehitriny.

Tsy mahagaga raha toy izao no fizotran'ny fanontanianao sy ny fanehoan-kevitrao.

Ny tiako ambara fotsiny dia hoe tsy misy FOTONY ny olona tsy mahalala an'Andriamanitra.

Ny tany dia mazava tsara fa izao no niafarany satria voasoratra ao anaty Baiboly ny fionganana sy ny faharavana.

Avaho tsara fa tsy ny FINOANA no nahatonga ny tontolo toy izao fa efa voasoratra ao anaty Baiboly avokoa.

Ka aza mivoana amin'ny Baiboly e! Averiko ihany.
33. rhaj0 ( 26/05/2017 13:01)
Miharena:
Ny tiako ambara fotsiny dia hoe tsy misy FOTONY ny olona tsy mahalala an'Andriamanitra.

"tsy misy FOTONY" ao @ Finoanao marina angamba izany ry Einstein mbamin-dry Mandela ary ny Dalai Lama.

Raha ny marina indray nefa, toa "mahalala" daholo ihany zareo (sy izaho), fa mahalala tsara ilay Izy rahefa mitaratra ny imagination (collective)-n'ny Mpino ao @ box-keliiny ao :-)

hi hi hi... Mivoaha haingana tao @ box-kelin'ny Finoanao ao re ry Miharena fa efa mandroso ny taona (2017) aa... TSY toa anao daholo anie ny olona ee....
34. bor2lais ( 26/05/2017 16:34)
Mahazo ny Mazava kokoa ny 3ème étage noho ny ao @ 2ème Ramose a !! :-)
35. rhaj0 ( 26/05/2017 17:14)
Eny tokoa fa dia tsy hay tokoany izy ity Radoko aaaa..
- ka mba tena miangatra ve ilay Mazava, ka izay mahay miolonolona any @ 3eme étage (toa anao) ihany no ampazahoany coucou...
- sa, tena mpanavakavaka ilay Mazava, ka TSY tiany coucou ny any ambany any..
- sa, tena tsy mahavita azy ilay Mazava, ka tsy mba tafidina any @ 2eme..
- sa ...

Fa dia "voa" izany ny 2eme etage e...
- Tsy vitan'ny tavela ao ambany ao,
- fa mbola tsy mahazo Mazava coucou...
ary mahafalifaly (an'i Bor2lais) ao @ 3eme etage daholo izany :-)
36. bor2lais ( 27/05/2017 11:51)
Ilay Mazava ramose no mitady anao fa ianao no miafina (tsy tia Azy) a ! Mandondona ao ambaravaranao ao Izy (tsy manao amboletra satria manaja ny safidinao) satria any aminao ilay poignée fa tsy ety ivelany, saingy ianao no tsy mety mamoha Azy ! :-)
37. rhaj0 ( 27/05/2017 12:46)
Amafisiko fotsiny hono ny poignee-mbaravarana (sy ny foko sy ny saiko) dia tsy tafiditra ilay Mazava... izany izy io ry Bor2lais an? Ka ilay "ho avy toa ny mpangalatra @ alina" kosa moa ny fombaNy izay, koa nahoana kosa azany no tsy hidina ny trano.. Maninoa kosa ilay Mazava raha mba mi-telephone raha te-ho avy ihany eee...

Fa toa izaho indray izany no mahery noho ilay Mazava raha izany, hoz'i Bor2lais an...

Sa efa TSY sitra-poNY mihintsy moa izany ny mba hanazava ny any @ 2eme etage sy ny any ambany tsena ee... Dia faly ery rizareo (Bor2lais) any @ 3eme etage mitazatazana ny manjo ny namany rahefa iavonavonan'ilay Mazava...

Toa tsy takatr'ilay Mazava koa anie izany hoe "non-assistance de personnes" atsy @ 2eme etage sy any ambany tsena eee...
38. Miharena ( 29/05/2017 05:53)

rhaj0:

Miharena:
Ny tiako ambara fotsiny dia hoe tsy misy FOTONY ny olona tsy mahalala an'Andriamanitra.

"tsy misy FOTONY" ao @ Finoanao marina angamba izany ry Einstein mbamin-dry Mandela ary ny Dalai Lama.

Raha ny marina indray nefa, toa "mahalala" daholo ihany zareo (sy izaho), fa mahalala tsara ilay Izy rahefa mitaratra ny imagination (collective)-n'ny Mpino ao @ box-keliiny ao :-)

hi hi hi... Mivoaha haingana tao @ box-kelin'ny Finoanao ao re ry Miharena fa efa mandroso ny taona (2017) aa... TSY toa anao daholo anie ny olona ee....



Misy rafitra IZAO FIAINANA IZAO fa raha tsy manaiky ilay rafitra ianao dia tsy hahalala na inona na inona.

Ireo olona nolazainao ireo dia voary ary nahavita izay vitany tamin'ny fandinihany avy.

Ny fampianarana (Baiboly) izay tsy avy teto ambonin'ny tany kosa no manambara ny RAFITR'IZAO REHETRA IZAO dia lavinao fa tsy dnihinao tsara aloha.

Ka diniho tsara aloha ilay voambara ao fa manjary lasa mivaona ilay fifanakalozan-kevitra namana a!
39. rhaj0 ( 29/05/2017 11:22)
Efa nifampidinihina teto ilay "nahariana ny rafitr'izao rehetra izao" ry Miharena fa asio kaomanitera azany ato eee...

http://forum.serasera.org/forum/message/m590c9ffb8b919


tao izao ohatra, dia tsy hay hoe, ilay "Mazava" (ao @ Genesisy toko 1) ve photon sa inona marina...
40. Miharena ( 29/05/2017 11:55)

rhaj0:

Efa nifampidinihina teto ilay "nahariana ny rafitr'izao rehetra izao" ry Miharena fa asio kaomanitera azany ato eee...

http://forum.serasera.org/forum/message/m590c9ffb8b919


tao izao ohatra, dia tsy hay hoe, ilay "Mazava" (ao @ Genesisy toko 1) ve photon sa inona marina...


Raha mampitovy an'Andriamanitra amin'javatra ianao dia diso. Ary maro ireo olona no diso hevitra noho izany fampitoviana AZY amin-javvatra izany. Ianao milaza fa Photon izao dia efa lasa mampitovy ny andriamanitrao amin-javatra.

Dia lasa toy ny hitan'ny Apostoly tamin'ny fotoan'androny hoe nisy ireo olona izay nanagana tempoly dia nametraka soratra mazava hoe :
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2036