ILAY VALA TOKANA

1. RBNIR ( 25/04/2017 09:47)
Lasa maro dia maro ireo vala miforona ankehitriny,

Hoy anefa Jesosy hoe: « Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jaona 10:16)

1 Ity vala ity hoy IZY
2 ho tonga andiany iray izy sady iray ihany ny mpiandry

1 ity hoy i Jesosy fa tsy hoe ireto (izany hoe tokana ilay valany fa tsy maro akory

2 tsy maintsy atao andihiny iray ihany ary iray ihany ny mpiandry (fa tsy andihany maro ary maro ny mpiandry)

Ny olana ary dia hoe iza ilay vala tokana ankehitriny (satria samy milaza avokoa ny rehetra fa hoe ny azy ilay vala tokana)....

Ireto misy indice hahafahanao mamantatra ilay vala tokana....
1 « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

Manana ilay fampianarana fahiny v izy (ilay tsy anampiana sady tsy analana) ilay noraisin'i Jesosy tamin'Andriamanitra mivantana (ilay tsy nisy kilema)???

2 Jesosy dia nifidy olona hiandraikitra ireo vala sy hitondra ireo fampianarana: (ireny olona ireny dia tsy hoe nanandratena fa i Jesosy no nanantona dia niteny hoe handeha hanaraka ahy: nisy tamin'izy ireny aza tsy nanampo izay ho laza mpitory filazan-tsara akory (ohatra i matio izay mpamory hetra sns....)

Koa Jereo ireto fepetra 2 ireto raha tanteraka amin'ilay mpiandraikitra vala ao?? 1 Nofidiny mivantana toy ireo apostoly fahiny v? nampianariny mivantana tahaka an'ireo ihany koa sa nampianantena na nianatra tamin'ny olona????

Hatreo aloha, fa omena antsika ny indice manaraka,

Maninona moa no tsy maintsy Jesosy no mifidy sy mampianatra mivantana???

Valiny : mba tsy hivoana ilay fampianarana fa mba tena hitovy amin'ilay fampianarana fahiny marina tokoa.....
novalian'i RBNIR ny 16/05/2017 17:17
2. irakiraka ( 25/04/2017 11:02)
Takany mifameno @ ilay lohahevitra-ko teo ty sa v aaa :)
Marina tokoa zany RBNIR.
Koa satria ny Fanahy Masina no Andriamanitra miasa @ zao vanim-potoana antsika izao, Izy no antoka hidirana ao @ ilay Vala tokana.
3. rhaj0 ( 25/04/2017 11:11)
Io izany ilay "vala tokana" ao anatin'ny "vala maro" eee...

Dia samy tahiaNY daholo ireo fa satria "valaNY" daholo. Fa ny maha-tokana ilay "vala toakana" fotsiny dia satria .. i RBNIR sy Irakiraka no ao anatiny :-)
4. RBNIR ( 25/04/2017 11:20)

irakiraka:

Takany mifameno @ ilay lohahevitra-ko teo ty sa v aaa :)
Marina tokoa zany RBNIR.
Koa satria ny Fanahy Masina no Andriamanitra miasa @ zao vanim-potoana antsika izao, Izy no antoka hidirana ao @ ilay Vala tokana.


Azo ampifandraisina ihany : fiangonana salama = fiangonana miverina amin'ilay tsy misy kilema = vala tokana fa tsy maro....
5. irakiraka ( 25/04/2017 11:45)
Tsy Amen kosa ra RBNIR sy irakiraka irery no ao anatiny :-)
Mbola miketrika mafy miaraka @ Fanahy Masina mintsy isika io zao mba ho maro no tafiditra ao am-bala
6. rhaj0 ( 25/04/2017 12:22)
Dia tena "mino" ve ianareo RBNIR sy Irakiraka fa ny "vala"-nareo no "tokana" aman-tany?

Dia ahoana ny valabe Vatican? Ahoana ny valabe Orthodoxe?

Raha "tsy izy" ireo valabe ireo, dia tena very izany ireo olona an'alinkisa ao? Nefa ireo ho'a efa ao anaty gene-ny mihintsy io fivavahana io

Raha "izy" indray ireo valabe ireo, maninona no iavonavonanareo?
7. bor2lais ( 25/04/2017 12:25)
irakiraka:

Tsy Amen kosa ra RBNIR sy irakiraka irery no ao anatiny

Mitovy angaha ny "vala" misy anareo ao izao ? :-)
Dia mitandrema ihany sao lasan'ny mpigirobaka ao ary a !! :-)
8. RBNIR ( 25/04/2017 12:27)
rhaj0:

Dia tena "mino" ve ianareo RBNIR sy Irakiraka fa ny "vala"-nareo no "tokana" aman-tany?

Dia ahoana ny valabe Vatican? Ahoana ny valabe Orthodoxe?

Raha "tsy izy" ireo valabe ireo, dia tena very izany ireo olona an'alinkisa ao? Nefa ireo ho'a efa ao anaty gene-ny mihintsy io fivavahana io

Raha "izy" indray ireo valabe ireo, maninona no iavonavonanareo?

Hatreto aho aloha mbola tsy niteny hoe iza ilay vala tokana an!!! fa mbola indice fotsiny aloha no nomeko :-)
9. irakiraka ( 25/04/2017 12:44)
Inn ndray zany mpingirobaka :-)
Fa ilay vala kosa nge tsy anarana samy hafa. Fa ilay fototra iorenany
10. bor2lais ( 25/04/2017 12:49)
mpigirobaka ve ? :-)
Izay rehetra tsy miditra @ vavahady fa mananika sy/na mitsambikina mihoa-pefy ... :-)
11. rhaj0 ( 25/04/2017 12:52)
hi hi hi... i bor2lais avy any @ 3eme etage tonga dia parachute miborotsaka avy any ambony ... Asivo tafo lay ny "vala"-nareo ry Irakiraka aa..
12. endriny ( 25/04/2017 13:19)
Mitovy amin'ny valan-kisoa izany. Misy valabe ety ivelany dia ao anatiny misy efitrefitra na vala madinika: ny sasany ho an'ny renikaty, ny hafa ho an'ny behevoka, ny ilany ho an'ny Rain-kisoa, ny andaniny ho an'ny mitaiza kely, ny an-jorony ho an'ny afahy, ny an'ivony ho an'ny Renin-kisoa ampanarahana ary ny an-tsisiny ho an'ny ho ajedaka rahampitso
13. endriny ( 25/04/2017 13:53)

bor2lais:

mpigirobaka ve ? :-)
Izay rehetra tsy miditra @ vavahady fa mananika sy/na mitsambikina mihoa-pefy ... :-)


Ka ny fefy sasany efa lo fa tsy voasolo dia tsy mamaky vala izany ny ondry raha tafavoaka moa tsy migoraobaka ny ambodia raha tafitra ao am-bala
14. bor2lais ( 25/04/2017 14:23)

endriny:


bor2lais:

mpigirobaka ve ? :-)
Izay rehetra tsy miditra @ vavahady fa mananika sy/na mitsambikina mihoa-pefy ... :-)


Ka ny fefy sasany efa lo fa tsy voasolo dia tsy mamaky vala izany ny ondry raha tafavoaka moa tsy migoraobaka ny ambodia raha tafitra ao am-bala

Vala ratsy karakara sy/na ondry tsy tiana kosa ny anao izany koa ! :-) Nankinina t@ mpikarama angamba e ? :-)
15. gasy1zay ( 25/04/2017 14:50)
Tsy mbola nitombo t@ fahalalana tsara foana ve ianao RBNIR nandritry zay tsy nandalovako teto izay? Ny vala resahina dia tsy fiangonana katolika- protestanta-advantista-vahao ny oloko sns ... fa ilay fiangonan'ny zanak'Andriamanitra : ireo nateraka indray t@ nandraisany an'i JK ho Tompony sy Mpamonjiny.
16. endriny ( 25/04/2017 14:51)
Arahabaina aloha niverina soa aman-tsara ny Havana e
17. gasy1zay ( 25/04/2017 15:14)
Misaotra ry endriny a! Ny fahasoavan'ny Tompo anie hitarika anao @ fahalalana tsara koa :)
18. rhaj0 ( 25/04/2017 15:49)
gasy1zay:
Ny vala resahina dia tsy fiangonana katolika- protestanta-advantista-vahao ny oloko sns ... fa ilay fiangonan'ny zanak'Andriamanitra : ireo nateraka indray t@ nandraisany an'i JK ho Tompony sy Mpamonjiny.

endriny:
Mitovy amin'ny valan-kisoa izany. Misy valabe ety ivelany dia ao anatiny misy efitrefitra na vala madinika: ny sasany ho an'ny renikaty, ny hafa ho an'ny behevoka, ny ilany ho an'ny Rain-kisoa, ny andaniny ho an'ny mitaiza kely, ny an-jorony ho an'ny afahy, ny an'ivony ho an'ny Renin-kisoa ampanarahana ary ny an-tsisiny ho an'ny ho ajedaka rahampitso

Dia fa maninona azany ny mifanipaka toa kisoa ao am-bala "ireo nateraka indray t@ nandraisany an'i JK ho Tompony sy Mpamonjiny"...
19. RBNIR ( 26/04/2017 05:06)

gasy1zay:

Tsy mbola nitombo t@ fahalalana tsara foana ve ianao RBNIR nandritry zay tsy nandalovako teto izay? Ny vala resahina dia tsy fiangonana katolika- protestanta-advantista-vahao ny oloko sns ... fa ilay fiangonan'ny zanak'Andriamanitra : ireo nateraka indray t@ nandraisany an'i JK ho Tompony sy Mpamonjiny.

Salama gasy1zay elaela izy izany an! Ary tsy mamaky tsara mihitsy ange ianao izany e, hoy aho ery ambony hoe hatreto aloha mbola tsy nilaza aho hoe iza ilay vala :-)
20. RBNIR ( 26/04/2017 05:07)
rhaj0:

Dia fa maninona azany ny mifanipaka toa kisoa ao am-bala "ireo nateraka indray t@ nandraisany an'i JK ho Tompony sy Mpamonjiny"...

Ka izay mihitsy no anton'ny lohahevitra mifanipaka satria mbola samy mihevitra ny tenany ho samy hafa dia tsy mety miditra ao anatin'ilay vala tokana.....

Tamin'ny andron'i JK tsy otran'izany fa na teo ary ireo fiangonana maneran-tany dia fahamarinana 1 no niarahana nanantanteraka....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0852