fitsapana fahalalana finoana fivavahana

1. rhaj0 ( 22/03/2017 14:30)
Tsapao ange ny fahalalanao ny @ finoana/fivavahana, na akoriny azany, ny finoaNAO, @ ity "quiz" mmomba ny Finoana/Fivavahana ato ity..
http://www.csmonitor.com

Izaho izany nahazo 84%, na 27 marina; ary ny valim-panadinana, dia ny atheists indray hono no mahalala bebe kokoa ny @ Finoana/fivavahana noho ny hafa rehetra.. Izao no score voaangon'ny mpikarakara

Atheists and agnostics got an average of 20.9 correct answers. Jews (20.5) and Mormons (20.3). Protestants got 16 correct answers on average, while Catholics got 14.7 questions right.
novalian'i RBNIR ny 11/05/2017 08:03
2. rhaj0 ( 22/03/2017 15:54)
Fanontaniana: ... Catholic teaching about the bread and wine used for Communion?
Valiny: The bread and wine actually become the body and blood of Jesus Christ

Hay va re... Dia tena mi-imaginer izany kay ny Katolika hoe, tena lasa vatana sy ra-n'i Jesosy iny mofokely sy divay hohaniny iny...

Izay aloha no lazain'ilay Christian Science Monitor, fa mba tena izay tokoany koa ve ny fahazoan'ny Katolika gasy (eto) an'ilay izy???
3. rhaj0 ( 22/03/2017 16:02)
Fanontaniana: ... salvation comes through faith alone?
Valiny: Protestants have traditionally held up the doctrine of 'sola fide'

Izany hoe, hoan'ny Protestanta, "mino" dia basy. Rahefa "mino" (tena mino) ianao hono dia tonga dia "avotra", fa tsy mila izany hoe "tsy manota" izany.


Dia taty aoriana dia mba lasa @ izay koa ny an'ny Katolika
In 1999, however, the Catholic Church signed ... : "Together we confess: By grace alone, in faith in Christ's saving work and not because of any merit on our part, we are accepted by God...


ka izay izany ny Katolika sy Protestanta eee...
izay "minou fotsy" dia tonga dia "avotra" fa TSY mila fahamendrehana (merite) izany.


Ka DISO, na TSY araky ny Protestanta/Katolika ofisialy eran-tany, izay mampianatra mifanohitra @ izany.
4. RBNIR ( 23/03/2017 08:25)
Are you smarter than an atheist? A religious quiz
Quiz results

Your score Average reader score
27
Correct 5
Wrong 84%
You answered 27 of 32 questions correct for a total score of 84%.

Fanontaniana apetrako aminao sy endriny

Ianareo v Atheistes sa agnostiques?
5. irakiraka ( 23/03/2017 09:20)
Ity misy ohatra iray, (Ezekiela 28) mahalala tenin'Andriamanitra ihany ity lehilahy iray ity.
Tena nahita ny fahalebeazan'Andriamanitra tokoa izy.
Fa nievitra ny tenany ho afaka ambony fahalalana noho ny Mahay ny zavatra rehetra.
Vokany: Naetry ary fahaverezana mandrakizay no niafaràny.

Amiko, ny fahatratrana marika any an-danitra no zava-dehibe. Dia i Jesosy mihintsy no hampandroso ahy eo am-bavahady @ izay fotoana izay.





6. irakiraka ( 23/03/2017 11:05)
Na izany aza eny nisy hatr@ zay koa ny fampianaran-diso, ary mbola hita hatr@ zao.

Ohatra tao anaty baiboly: Rehefa hitan'ireo mpanenjika an'i Jesosy @ zay ary fa kay fanahiniana (efa planin'Andriamanitra) mihintsy ilay Jesosy nanaiky ho faty ahatanteraka ny famonjena, avy eo natsangana t@ maty t@ andro fahatelo dia nanely tsaho zareo fa hoe nisy nangalatra ny fatin'Jesosy fa tsy nitsangana t@ maty zany Izy...

(Tsy ny hanao izay hampa-tohina moa no tanjona fa hitaona ny olona tena handray famonjena): Dia havily ny saina tsy hibanjina an'i Jesosy tanteraka fa asiana anarana hafa ihany koa hoe mitondra famonjena, miaraka @ fombafomba maro isan-karazany.

Ka aoka ho samy saro-piaro ny fiainam-panahiny ee. Aoka tena ho tsoka sy tavy no hamahanana ny fanahinao. Resaka "mandrakizay"-nao io, tena zava-dehibe.
Aoka tsy hanao haitraitra. Fa sady lany andro no maty antoka.
7. rhaj0 ( 23/03/2017 11:34)
RBNIR:
Ianareo v Atheistes sa agnostiques?

Izaho dia Atheist (hiringiriny)..

- TSY manaiky ny fisian'izany Andrmntra izany. Amiko TSISY izany. Na Atry ny Kristiana io na Atry ny Grika, na i Grand Manitou io na i Vishnu.

- Dia ny cortege manaraka izany koa dia tena TSISY, tsy mi-existe, amiko.. na Devoly na Anjely, na Paradisa na Helo, na koa hoe lasa vorona na hoe Ambondrombe. TSISY na tsy mitombona ireo fahagagana sy miracle tantaraina anaty Baiboly sy Quran na koa izay taterina aty aoriana. TSISY izany teny nakapoka t@ vaton'i Moizy izany. TSISY izany sambofiara Noah izany.

- ary TSISY mitombona izay "faminaniana" rehetra, na ny naroson'i Jesosy, na izay ao @ izany Apokalipsa izany. Na ny faminanian'i Nostradamus na izay lazain'i Mahomet.


Amiko IREO REHETRA IREO dia vokatry ny imagination-draolona, t@ fotoan'androny sy jeogirafiany tany, miaraka @ fahalalany (niveau de connaissance) t@ izany.

Rehefa TSY mahatakatra zavatra na resaka, tsy maha-controle zavatra na resaka, nefa koditra ao, dia lasa mamoromporona revy eo Raolona. Dia mifamokivoky ao.


Ny agnostique dia ireo izay mbola "mametra-panontaniana". Tsy miteny izy hoe "misy Atra" na "tsisy Atra", fa mihantona eo ny hevitra.

Fa raha ny fahatakarako azy aloha, dia ny Agnostique dia TSY @ ilay hoe "manaiky-tsisy-porofo" (mino). Amin-drizareo, rahefa "tsisy-porofo", dia TSY manaiky koa izy fa mihantona ny resaka.
- Izany hoe, ny Agnostique dia TSY MPINO.
- Izany no andaharana ny Agnostique ho miaraka ny Atheist.

8. irakiraka ( 23/03/2017 12:57)
Fa karazana olona hafa izay tsy mino an'i Jesosy ty resahiko ty an, izay tsy vitan'ny hoe tsy mino an'i Jesosy fa tena manao pacte @ diable mitsy. Ireo ndray dia mety mahazo tombotsoa vetivety ihany (satria tsy maintsy tambazan'ny satana tombotsoa kely ho an'ny nofo mba tsy hametra-panontaniana @ ara-panahy mihintsy). Betsaka zareo an (ao ny mpamosavy, mpanao magie, sns sns). Ny tanjona iombonan'izy ireo moa dia izay tombotsoa ho an'ny nofo izay. Dia misy koa ohatra olo-tsotra, artista (any ivelany no nde horesahina an). Manao contrat mba ho lasa tena malaza, rehefa hoe laza zay moa dia manaraka ho azy ny vola, voninahitra, karazana fiainana sns sns
Fetsy nge le satana e. Ary tompon'ny magie izy. Tsy olana aminy ny mampanakarena olona iray satria fantany tsara fa na tampitroatra aza eto an-tany fa rehefa very ny fanahy dia izay no tena zava-dehibe aminy.
Izany no mahatonga ny olona hampianarina hoe tsy ny tsy fisiana no hanantonana an'i Jesosy, na koa hoe tsy hoe marary dia manantona an'i Jesosy mba hitady fanasitranana fotsiny. Afaka manome ny zavatra rehetra ny Tompo fa aminy ilay fanahy no mila sitranina aloha. Ilay fo no mila atolotra aloha, fa rehefa voatahy ny fanahinao dia hambinina sy salama @ zavatra rehetra ianao. Tsy sitraky ny Tompo raha azonao tokoa izay ilainao kanefa ho very ny fanahinao.

Dia hiverina @ ty lohateny ty @ zay aho. Tsy fantatro manokana hoe mitondra inona aminao izay ianao athéiste (iringiriny ...hoy ianao)
Fa ny ahy, ny finoako an'i Jesosy dia tena ahazoako antoka ny @ ho aviko iray manontolo.
Satria voafetra ihany aho @ maha-olombelona kely ahy fa rehefa eo Jesosy dia afaka mi-dépasse izay limite izay. Afaka manana vision lehibe. Ka raha izaho dia tsy misy reharehako afa-tsy Jesosy irery ihany.



9. rhaj0 ( 23/03/2017 13:15)
1- ny olona (atheist) "TSY mino an'i Jesosy" re ry Irakiraka dia TSY mino ny Diable koa aa...

2- ny magie sy ny miracle dia tandra vadi-koditry ny mpino (sy mpinomino foana). TSY mino ny magie-miracle-faminaniana nampatoriana ny mpino koa ny olona (atheist)


irakiraka:
mitondra inona aminao izay ianao athéiste

Mitondra fahasalaman-tsaina ny Atheism.

Izany dia mifanohitra @ mpino, izay mandefa lavitra be ity imagination-ny, ary ny imagination-ny ihany no mamosavy azy ao, mampanantena ny tenany tsy misy lava ao.
10. raNiriB ( 23/03/2017 13:23)

rhaj0:

Fanontaniana: ... Catholic teaching about the bread and wine used for Communion?
Valiny: The bread and wine actually become the body and blood of Jesus Christ

Hay va re... Dia tena mi-imaginer izany kay ny Katolika hoe, tena lasa vatana sy ra-n'i Jesosy iny mofokely sy divay hohaniny iny...

Izay aloha no lazain'ilay Christian Science Monitor, fa mba tena izay tokoany koa ve ny fahazoan'ny Katolika gasy (eto) an'ilay izy???

Tsy hoe zany fa nirevy zareo d tena mamo lery d efa lasa divay daoly no tao anatin'ny rà ny e, efa ambony be ny taux d'alcol d niakatra ny inspiraka hoe ity ny ràko r zalah a, sotroy... d mila tsaky d ny mofo no natao tsaky e
11. raNiriB ( 23/03/2017 13:26)

rhaj0:

Tsapao ange ny fahalalanao ny @ finoana/fivavahana, na akoriny azany, ny finoaNAO, @ ity "quiz" mmomba ny Finoana/Fivavahana ato ity..
http://www.csmonitor.com

Izaho izany nahazo 84%, na 27 marina; ary ny valim-panadinana, dia ny atheists indray hono no mahalala bebe kokoa ny @ Finoana/fivavahana noho ny hafa rehetra.. Izao no score voaangon'ny mpikarakara

Atheists and agnostics got an average of 20.9 correct answers. Jews (20.5) and Mormons (20.3). Protestants got 16 correct answers on average, while Catholics got 14.7 questions right.

ka mitovy am le mpinakisoa sy tsy mpinana iany io ka, le tsy mihinana manadiady koko hoe inona no ao anatin le ksoa fa le mihinana manasika iany.
12. rhaj0 ( 23/03/2017 13:28)
:-) Ny eritreretiko izao, dia maninona no "mofo sy divay", fa tsy hoe "mofo sy ronono" na yaourt.

Dia raha ronono na yaourt, dia inona @ Kristy izany??
13. raNiriB ( 23/03/2017 13:32)
3hi!! ka tsy maintsy oe le zavatra iarahaminana eo ko, revina bandy ane t@ zany d samy mamomamo eo da mahita resaana be e
14. raNiriB ( 23/03/2017 13:34)
sady mety oe any am Marie magdalena zany no noteneniny ko
15. irakiraka ( 23/03/2017 14:04)
Fa refa miresaka eto moa tsy ho an'ny atheista rery e

Dia io ze tianao foana fa ny azo antoka dia ny lanitra no vantanin'ireo mino (nateraka indray moa no tena filazana azy) ary any @ helo ny ambiny (na iza no tiany hiantsoana azy na iza)

Fa marina tokoa loa hoe mila fanetre-tena be zany mino zavatra tsy hita maso zany e.
Fa Jesosy nilaza hoe sambatra izay tsy nahita nefa nino. Tsara ny Tompo, isan'andro isan'andro.

16. rhaj0 ( 23/03/2017 14:46)
Mankahery tena be izany i Irakiraka fa ho any an-Danitra. Fa ... maninona nefa kosany ny "ambiny" tena toa hotry ny irinao ho any @ Helo eee ???

Nefa anie, ny fampianarana ofisialy protestanta sy katolika io ambony io, efa milaza fa, rahefa (tena) "mino" an'i Jesosy ianao, dia efa raisin'Andrmntra ee...
Sa @ ireo "ambiny" ireo dia tena fantatrao ny niveau-n'ny "finoany an'i Jesosy" ao??

Fa dia ianao Irakiraka izany, TSY mba mino ny fampianarana protst/katolk ireo, dia mbola sirika be io, fa maniry ratsy (helo hono) ho an'ny "ambiny" eee...

Fa TSY mahakasika ny "ambiny" ny "fanirianao" ry Irakiraka.
Fa raha izany (maniry ratsy ho an'ny hafa) moa no mahasalanitra anao ao, dia reveo ao izany eee...
17. RBNIR ( 23/03/2017 18:10)
rhaj0:

Izaho dia Atheist (hiringiriny)..

fantaro ihany ny dikan'ilay hiringiriny rhajo fa bornée ange no azo andikana azy e!!!
18. RKjeanclaude ( 23/03/2017 18:40)
Ka mba malahelo angaha i rhajo raha misy lasa any @ helo indray, mitady hino indray a.......
19. endriny ( 24/03/2017 03:47)
Mila tsapany ohatran'ny akoho ampiadiana izany ny namana ato... mazotoa e
20. irakiraka ( 24/03/2017 07:28)
Ianao irery lo zao no mbola mitanisa anaram-piangonana eo ka..(rhaj0)
Fa ny ahy dia izay voasoratra ihany hoe: Izay mino an’I Jesosy no hanana ny fiainana mandrakizay.
Ilay mino an’I Jesosy dia manaiky azy @ vava (fiainam-bavaka isan’andro, fanolora-tena isan’andro), mino @ fo (fitiavana azy isan’andro @ alalan’ny fiainana tenin’Andriamanitra isan’andro)
(Izay tsy azo lazaina mora). Ary tsy tanterakao ireo raha ilay fo mihintsy no efa natolotra an’I Jesosy. Fo mangetaheta n’ny fahamarinana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.409