Mpitandrina mijangajanga

1. tapakevitra ( 02/02/2017 11:49)
Hono oa ry namako isany, raha ohatra ianareo ka mahalala sy mahita fa ny Mpitandrina ao @ fiangonana misy anareo dia mijangajanga , amin'izay ny sekreteran'ny fiangonana ihany dia inona no ataonareo.Betsaka ny olona no efa nahita mantsy dia mihemotra tsy mety mivavaka ao @ le fiangonana intsony.
novalian'i rhaj0 ny 17/02/2017 15:43
2. stahtam ( 02/02/2017 12:03)
Ary raha tsy mijangajanga indray izy fa manao politika sy manao marimaritra iraisana @ fivavahana hafa? Dia inona no ataona(re)o?
3. tapakevitra ( 02/02/2017 12:08)

stahtam:

Ary raha tsy mijangajanga indray izy fa manao politika sy manao marimaritra iraisana @ fivavahana hafa? Dia inona no ataona(re)o?

Tsy azoko
4. rhaj0 ( 02/02/2017 12:17)
sex k'lou izao no resaka ry Stahtam a.. Hoe inona no atao raha mi-sex @ sekretera i Pasitera. Raha ahodin'i Stahtam @ zavatra hafa ny resaka, dia lasa mampanahiahy hoe, ngo "mpitandrina" koa azany ity Stahtam ity, dia "manao sex @ sekreterany ao" koa, dia io mamadi-dresaka io.

Ka izao ny fahitako azy ry Tapakevitra aaa... En position d'autorite Ingahy Mpitandrina, ka dia tena abus giravibe io mi-sex @ olona ambany fifehezany io, ka dia mila mijoro ho vavolombelona ianao eee... fara-fahakeliny, ilazao ny tompo-bady ee..

Fa io anie @ ankapobeny, raha hoe mahita olona roa mi-sex ivelan'ny fanambadiany ianao, dia raha fantatrao ny vadin'ny iray @ izy ireo, dia tena adidinao ny miteny azy, fa tsy miray tsikombakomba @ izany ianao ee.. tsongoy fon'olona, tsongoy fo-tena.
5. tapakevitra ( 02/02/2017 12:26)

Raha nanao fanadihadiana zahay dia tsy vao zao kai io Pasitera io nanana olana t@ zani fa efa nisy ihany, ny vadiny mo Mpitandrina ihany ko.fa izy le sekreter tena mifankatia fa tsy misy oe forcena io a
6. rhaj0 ( 02/02/2017 12:36)
Ilay misy "fifankatiavana" nefa ny iray "en position d'autorite" anie ka mampisalasala eee... Mety hoe "admiratif" tokoany ve ilay ambany fifehezana, sa kosa, voan'ny "intimidation" ao, dia voatery poritra dia ao tokoany.

Ohatra ireny zaza tsy ampy taona nefa voarebirebin-dry mpahay azy ireny. Na inona lazain'ilay zaza, fa hoe tena tia tokoany hono izy ao, dia hozy ny sosaity sy ny lalAna hoe, raha tsy ampy taona ianao, dia tena "abus" no mahazo anao, fa tsy takatrao akoriny fa "abuser-na" anie ianao io.

fa dia raiso hoe, "victime"-n'Ingahy mpitandrina-pervers tokoany ilay sekretera.. "voarebireby" ao. Fa dia vao mainka izany ianao mila mijoro ho vavolombelona eee...
7. stahtam ( 02/02/2017 12:37)

tapakevitra:

[quote=stahtam]
Ary raha tsy mijangajanga indray izy fa manao politika sy manao marimaritra iraisana @ fivavahana hafa? Dia inona no ataona(re)o?

Tsy azoko

[quote=stahtam]
Hazaviko àry: raha fivavahana no resahinao dia tsy ny fijangajangana ihany no atao hoe fahotana, saingy ny mijangajanga sy ny mamono olona ihany matetika no eritreretin'ny mpijery (@ ankapobeny) hoe fahotana. Dia apetrako eto ny fijeriko hoe: raha fahotana hafa (fijangajangana ara-pinoana) indray àry izany no ataony, na misy fahotana hafa TSY HITANAO SY FANTATRAO ataony any ambadika any dia METY TSY MAMPANINONA anao ve ny mivavaka ao @ fiangonana tarihin'ilay Mpitandrina? Valiny: tokony halefa lavidavitra kokoa izany ilay famakafakana satria fanahy sy resaka famonjena no arovana. Tsy ampy ny fialana @ fiangonana ahitana fahotana mibaribary fa mila trandrahina koa ny fahotana miafina, ohatra: mety mitory sy mampivavaka tokoa ilay olona, (toa) tsy ahitanao tsininy raha miteny na mampivavaka nefa ny fampianarana alainy avy @ baiboly lainga tsara lahatra. Raha milaza izy ohatra fa mivavaka amin'Andriamanitra; ny Malagasy taloha koa nivavaka @ Andriamanitra; ny Malagasy taloha anefa lazain'ny mpivavaka (@ Andriamanitra) ankehitriny hoe: nanompo sampy: dia ilay ivavahana ao @ "fanompoan-tsampy" ve izany no ivavahan'ny "tsy mpanompo sampy" ankehitriny? Asa raha azonao ilay hevitra ambarako?
8. tapakevitra ( 02/02/2017 12:41)
Raha mba vita ny mijoro vavolombelona mo, ingahy Pasy tonga dia manangatraka oe tsy mataotra fa lava -tanana any @ foibe a
9. rhaj0 ( 02/02/2017 13:14)
Ka io ve moa. "miankina @ Ingahy Pasy" ve ny fiainanao ??

Hafa iliay any @ Oniversitia ohatra, ka tena raha mikitikitika an-dry profesora-pervers ianao, dia ny note-nao sy ny carriere-nao ary h@ fiainanao manontolo mihintsy no tampina.

Fa eto, angaha moa dia "miankina @ Ingahy Pasy" ny fiainanao, no matahotra na mihemotra ianao ka toa tsy afaky ny mijoro @ rariny sy hitsiny ?
10. lahindroy ( 02/02/2017 13:34)

tapakevitra:

Hono oa ry namako isany, raha ohatra ianareo ka mahalala sy mahita fa ny Mpitandrina ao @ fiangonana misy anareo dia mijangajanga , amin'izay ny sekreteran'ny fiangonana ihany dia inona no ataonareo.Betsaka ny olona no efa nahita mantsy dia mihemotra tsy mety mivavaka ao @ le fiangonana intsony.

miarahaba
tokony manao fanatitra zanak'omby lahy tsy misy kilema dia dorana eo amin'ny alitara fa tena tian'i Jehovah ny fofona manitra miakatra aterak'izany ; dia avy eo miresaka moramora amin'ny rangahy vadin'ilay sekretera hoe hivavaka andro aman'alina i pasitera mba ahavoavony ny fanahin'io tompom-bady io
11. tapakevitra ( 03/02/2017 09:41)

Marina ny anao, ny mahagaga ny olona @ zao mantsy mataotra ny oe esorina ho diakona , na oe esorina tsy ho mpandray dia miafy eo.
12. tapakevitra ( 03/02/2017 10:40)

lahindroy:

tapakevitra:

Hono oa ry namako isany, raha ohatra ianareo ka mahalala sy mahita fa ny Mpitandrina ao @ fiangonana misy anareo dia mijangajanga , amin'izay ny sekreteran'ny fiangonana ihany dia inona no ataonareo.Betsaka ny olona no efa nahita mantsy dia mihemotra tsy mety mivavaka ao @ le fiangonana intsony.

miarahaba
tokony manao fanatitra zanak'omby lahy tsy misy kilema dia dorana eo amin'ny alitara fa tena tian'i Jehovah ny fofona manitra miakatra aterak'izany ; dia avy eo miresaka moramora amin'ny rangahy vadin'ilay sekretera hoe hivavaka andro aman'alina i pasitera mba ahavoavony ny fanahin'io tompom-bady io

Le sekretera mbola mademoiselle, mbola ty manambady, ary mahalala tsara fa manambady i pasitera
13. rhaj0 ( 03/02/2017 11:48)
rhaj0:
Ka io ve moa. "miankina @ Ingahy Pasy" ve ny fiainanao ??
tapakevitra:
Marina ny anao, ny mahagaga ny olona @ zao mantsy mataotra ny oe esorina ho diakona , na oe esorina tsy ho mpandray dia miafy eo.

Ka tena "miankina @ Deba" izany ny fiainan'ny Kristiana namana ao kouh... Tsy miankina ara-bola fa ... ara-boninahitra, ny fahitako azy.

Satria TSY Ingahy Pasy mihiintsy akory, raha caricaturiser-na, TSY i Deba mihintsy no mitana ny lakile-n'ny mankany an-danitra.

Fa giravy io eee.. nitantara in-1 mandeha ny fianakams-ko hoe, ilay zaza hono tiana atao batisa, nefa dia hozy Rapasy (sy ny Diakona manodidina) hoe, "efa naloa ve k'lou ny valopy" ??

Io ho'a, raha mba takatr'ireo olona ireo hoe, i Jesosy anie ka TSY hanao toa azy toa izany velively, na hisy faty olona aza eo.

Ka mety ampatonga saina azy rehetra ireo, dia averimbereno ao hoe :
Inona No Ho Nataon'i Jesoa, raha Izy no t@ toeranao, na hoe @ izao tranga izao ??

14. tapakevitra ( 03/02/2017 12:29)

Inona no nataon'i jesoa raha Izy no teo @ toerana, ianarako manomboka androany io fomba fiteny io fa tena tsara
15. lahindroy ( 03/02/2017 16:14)
miarahaba ny rehetra

" Inona No Ho Nataon'i Jesoa[/i][/b], raha Izy no t@ toeranao, na hoe @ izao tranga izao ?? "tsy ampy tao

raha ny tranga fantatra hatramin'izao , mahakasika ny nataon'ireo mpitondra fivavahana , na pasitera izany na môpera (fanolanan-jaza tsy ampy taona , fanodinan vadin'olona indrindra raha mbola tanora ...) no jerena dia ...TSY NANAO NA INONA NA INONA IZY !izay any ankoatry ny rahoana any moa dia tsy misy mahalala (mbola tsy hitan'ireo teleskopy HUBBLE ...ny trace-n'ireo olomasina sy izay mety ho fanjakan'Andriamanitra hatreto aloha ) koa ny eto an-tany ihany no azo antoka fa "statistiquement" AOTRA ny valiny !

16. endriny ( 03/02/2017 16:30)
Ry sakaiza: "esory aloha ny tapak'ahitra eo amin'ny masonao vao mijery ny an'ny hafa ianao?"

Izahay tsy mivavaka amin'ny mopera sy pasitera fa amin'Atra, ka tsy raharahinay izay ataony any.
17. rhaj0 ( 03/02/2017 17:03)
Marina tokoany k'lou, fa raha ny fanontaniana dia hoe
-- Inona No Nataon'i Jesosy?
Dia mazava ho azy ny valiny, araka ny lazain'i Lahindroy, fa
-- TSY NANAO NA INONA NA INONA IZY
Satria dia tena mbola miriaria io ihany i Pasitera, ary vao mainka azany izy midingin-drambo, satria mbola vontosan'ny diakona sy foibe voninahitra foana ihany.

Fa ho an'ny Mpino izany eee... Dia atao hypothetique ilay izy, ka ny fanontaniana dia hoe:
-- Inona No HO Nataon'i Jesoa?

Izany hoe, alefa ny imagination, dia hoe, i Jesoa izany raha hoe "velona indray", ka miatrika ilay tranga, dia inona no HO nataony?

Ka dia halalinina kely araka ny tantaram-piainany ao @ Matio-Marka-Lioka-Jaona, ka imaginer-na hoe, toatoa ny ahoana azany ny valin-ketsik'i Jesosy @ izay zava-mitranga ao.

Ohatra eto izany. Tranga iray: mijangajanga i Rapasy.
Dia apetraho ny fanontaniana:

1-- inona no HO nataon'i Jesosy, raha Izy no t@ toeranao ry Rapasy? na koa ry mademozely?

2-- inona no HO nataon'i Jesosy, raha Izy no vavolombelon'ny fijaganjagan-dRapasy, toa an'i Tapakevitra io?

3-- Na koa hoe, inona no HO nataon'i Jesosy, raha Izy no mihaino ny fanontanian'i Tapakevitra eto @ serasera eto?

@ ilay #1, mila fantarina kely hoe, toatoa ny ahoana moa ny fiainan-tsex'i Jesosy? Ka dia inona no ho nataony raha izany?
@ ireo #2 sy #3 ireo, dia mila fantarina koa toatoa ny ahoana ny fiainan'i Jesosy. Satria "mpampianatra" i Jesosy, dia inona izany no mety HO noteneniny?

Ka visavisao dia tohizo alefa ny imagination eee...
- mety hanao teny mahery ve i Jesosy? Raha izany dia hanaovy teny mahery ao koa izany i Rapasy ee...
- Sa hodiany tsy fantatra fotsiny ohatra, fa avelany ho ny RaiNY no hanome ny sazy @ andro farany? dia avelao any koa izany i RApasy sy Madamozely eee...
- etsetra...

Dia io izany dia arakaraky ny imagination-nao ao ihany eee...

18. rhaj0 ( 07/02/2017 17:03)
Tena namadibadika ela ny Baiboly aho, ary farany, nahita ny Jaona 8:1-10.

Ka izao izany no izy ry Tapakevitra.

Jaona 8:3 Ary nisy vehivavy anankiray azo nijangajanga...
5 Ary ao amin'ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao? ...
7 ... dia nitraka Izy ka nanao taminy hoe: Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany

Koa raha TSY nanota izany ianao ry Tapakevitra, dia torotoroy @ vato ao i Madamozely, ARAKA NY LALANAN'i MOSESY eee...

Nefa moa i Jesosy azany TSY nanaraka ny lalanan'i Mosesy ka nitora-bato tao (i Jesosy tsinona tsy mba mpanota), ka dia avelao i Madamozely mba hirevy ao izany eee...

.. hum... absurde ihany izy izany :-)
19. Strong3 ( 09/02/2017 12:28)
anotanio izay nanosotra an'i dadapasy ny tokony hatao amin'io ...

Ny olona mahita mantsy dia tsy tokony hitoroka fa mandray avy hatrany ny andraikitra
Milaza avy hatrany amin'ingahy mpitandrina ao amin'ny mangingina ka mananatra azy

raha mananatra azy fahan-telo ianao ka tsy mihendry izy dia maka vavolombelona 2 na 3 mba hanamarina ny fananarana ka ny farany dia miantsony ny sinaoda amin'ny profo maripototra

...
izao ataonao izao izany ilay ataon'ny mpino tsy mahalala ny tokony hataony :)
20. rhaj0 ( 09/02/2017 12:44)
Ilay hoe hanantona an'i Dapasy, @ ilay izy mamitaka ny vadiny iny, izany ve ry Strong3 tsy revirevy ambony taratasy fotsiny? Koa na raha i Datoanao ao azany no mangala-badin'olona, marina mafy raha maha-cause akoriny ianao; mainka fa debabe izay manana fahefana moraly aminao no hoe, ho teniteneninao (mangingina) ao...

Fa ireo mianatra katekomeny @ Dapasy ao izany no tena mampalahelo eee... Aza ny ataoko no atao, hozy Dapasy, fa ny lazaiko no atao. Hozatra (hoza-doha) tsy mivokona @ izany efa tsy velona intsony... Nefa i Mamzela tena mampivokona hozatra :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1261