Ny Quran vakiana t@ Lamesa

1. rhaj0 ( 01/02/2017 14:50)
Dia samy naha-araka ny famonoana olona (moslimo) tao Quebec daholo ianareo io an..

Ny valin-ketsiky ny aty moa, dia ny politisiana rehetra, na kavia na kavanana, sy ny mpino rehetra, na Kristiana na Moslimo, ary h@ Amerindiana, dia niara-nisosoka alahelo avokoa.

Ny tena tiako avoitra, dia ny namakiana soratry ny Quran tao @ Lamesa.

http://www.lapresse.ca/actualites/dossiers/attentat-a-quebec
Mgr Lacroix a essuyé des larmes en écoutant parler l'homme, dont l'allocution s'est terminée par la lecture d'une sourate du Coran en compagnie de deux membres de sa communauté. Puis, une autre scène inhabituelle, le leader de la communauté musulmane et l'archevêque se sont serrés dans les bras l'un de l'autre.
novalian'i endriny ny 09/02/2017 14:56
2. hery ( 01/02/2017 15:37)
Tsy dia tena olana aloha raha ny fandehan'ny tantara. Nikabary izy dia namaky Quran.

Toa ny malagasy mikabary ao am-piangonana mampiasa ohabolana ihany.
3. rhaj0 ( 01/02/2017 16:35)
Fa toa nahalatsa-dranomaso an'Ingahy Leveka ny resaka... Ka ny resaky (fahendrena) ny Quran sa ny resaka ankapobeny no nampitomany azy?
Ny hitako (na tiako inoana) dia, ni-bla-bla ilairaikalahy, fa tsy nihontsona i Leveka. Dia nampiany Quran, fa nitomany i Leveka, ary avy eo, nanoroka azy; dia hoe, oroka avy any Vatican iny...

Ilay Amerindiana koa izao tao @ Leglizy, ary TSY resaka Baiboly no resakany fa soatoavina hafa (tanteraka).


Ny tiako ahatongavana, dia... hotry ny fahitako ny valintenin'i Hery, fahitako azy ho'a an, dia ... hotry ny hoe, "kabary" ... "ambony vavahady" raha hitarina (exagerer-na) iny tranga iny, fa ny revy sy dihin'ny Katolika dia mitohy ihany toa ny taloha, ary miavaka tsara @ revy sy dihin'ny Moslimo.

Izaho indray anefa mahita, fahitako azy koa ito ho'a an, fa ny aty, dia hotry ny hoe, ny principe rigide-n'ireo puriste @ fivavahana isan'isany, ka hoe revy sy dihy (na soatoavina) SAMY HAFA (mba tsy ilazana hoe mifanohitra) ny kristianisma sy ny islamo, dia efa (manomboka ny ho) dila eee...


http://www.journaldemontreal.com/2017/02/01
«Apprenons à nous connaître, à nous aimer véritablement, à vivre les uns à côtés des autres...», a témoigné Mgr Lacroix, plaidant aussi pour «un vivre-ensemble qui laisse une place à tout le monde.»
4. rhaj0 ( 01/02/2017 19:29)
hery:
Tsy dia tena olana aloha ...

Izany hoe ve, "mety" ho olana ilay izy, fa "tsy dia tena olana" indray izany ilay izy, @ hevitr'i Hery.

Dia mihomehy irery aho ato.. Mitsangam-bolo mihintsy izany izao ny puristes hafa any rehetra any, izay mahita fa ("mety" ho) olana ny iresahana Quran ao @ Leglizy, nefa dia io natao io (ary nahalatsa-dranomaso ny Leveka).

Mahavariana tokoany an... i Jesosy sy ny tantaram-piainany izao nefa ao @ Quran ao koa, ary "mino" aho fa tsisy olana ny iresahana Jesosy any @ Mosquee ...

Fa asa ho'a, rahoviana ny Leglizy no mba "misokatra" dia manandratra an'i Mahomet ho mba isan'ny mba henoina koa ee... hi hi hi... mifono fahendrena koa anie i Mahomet eee... :-)
5. endriny ( 02/02/2017 04:05)
Misokatra ny fiangonana rehefa manomboka mihena ny mpanaraka azy:

1) najanona ny lamesa tamin'ny teny latinina fa natao tamin'ny tenin'ny tompotany, satria lasa niova propestata daholo ny mpivavaka satria ny propestata nivavaka tamin'ny tenin'ny tompotany avy hatrany.
2) lasa malaza any ampiangonana ny gadon-kira gasy, satria izay no mba mampitombo ny mpiangona.

Ka amin'ity ohatra Koroany ity izao dia fiantsoana ny Silamo mba hivadika Katolika angamba no tena fotony. Efa imbetsaka ihany mantsy ny vatikanina no nanimpy an'io fiarahana amin'ny silamo io mba hampitombo ny ondriny any amin'ny tany mosilimo.
6. rhaj0 ( 02/02/2017 11:58)
i Endriny milaza fa mitady client ny Leglizy.. Fa jereo nefa ity..

Tao@ La Gazette
Premier Ministre Mahafaly Olivier RASOLONANDRASANA. Effectivement la messe s’est déroulée en toute quiétude, mais un geste a capturé l’attention des invités et téléspectateurs car pendant la communion, l’homme d’Etat a pris l’eucharistie, a fait quelques pas et l’a mis dans sa poche.
Izaho sy ny voamasoko nahita in-1 mandeha, fa tena fantatr'i Mopera fa TSY ni-kominio ilay zaza (ka Karana ilay zaza), nefa ilay zaza mba te-ho sahala @ namany mba mirevy ilay mofokely; fa tena nolavin'i Mopera ankitsirano, tsy mahalala voamason-jaza mantsy ilehitia, ary dia nakipiliny. Dia nangasihasy nandeha iliay zaza, tsy nahalala izay tambony tany hoe, kay misy "fanavakavahana-fanilikilihana" ato @ ity Leglizy ity, na dia manjabe azany ny kabary tambony alitara vao natao teo.

ntsss... mba takatr'i Mopera ve fa i Jesosy ilay ivavahany io indrindra anie ka TSY hanao an'izany velively mihintsy na hisy faty olona aza eo??
Na maty mitsitran'ny hatezerany sy hadalany eo azany ry puristes-katolika-mpanavakavaka-@-anaran'ny-dogme-ny ao??

Fa izay ilay izy rahefa (mitonantonana) mankany @ Leglizy nefa tsy Katolika ee..

Dia io lasa manaonao foana toa Ingahibe io... TAiza no nisy nanao am-posy ramanonaka... :-)
7. endriny ( 02/02/2017 14:51)
Fomba fiantsoana kila na mpividy daholo izany e...

Io tranga io izao dia ilazana hoe: fampitsiriritana, fametraham-pahefana, fandidiana

Asaina mitsiriritra an'ilay kaominio aloha ny olona sy ny zaza indrindra indrindra, satria lazaina fa tsy natao ho an'ny zaza io. Ohatran'ny Ray aman-dReny mitsako siligaoma kanefa tsy manome ilay zaza. Dia mitsiriritra eo ilay zaza ary mitombo dia mitombo ny faniriany hihinana na hangalatra hihinana siligaoma. Mety ilay siligaoma ef ariana mihintsy indray aza no averiny tsakoina.

Rehefa mitsiriritra ny olona, dia manantona na manontany an'ilay mopera hoe ahoana kay no mba handraisana kominio. Dia lasa mianatra eo ilay olona, ary mampianatra I Mopera. Lasa manana fahefana eo amin'ilay olona I Mopera.

Dia mandidy izy avy eo hoe: "Mianara ianao kominio voalohany, ataovy ity sy ity ary iry sy iry"

Ny mpividy koa mantsy mihevitra fa ny zavatra tsara tsy mba mora:

1) Tsy andoavam-bola ny Linux, fa aleon'ny olona ihany mividy windows.
2) Mora ny MP4 Sony sy Philips, fa aleon'ny olona ihany iPod.

Satria raha manao kiraro "Mike" (kiraro sinoa io a) aho, dia ataon'ny mpiara-miasa manao Adidas sy Jordan sy Nike Air firesaka. Dia menatra aho dia aleoko koa mikipy 3 volana mihintsy aloha dia mba mahazo Puma jogging kely aho.

Ohatran'ny tsy ratsy a
8. endriny ( 03/02/2017 16:40)
Hiverenana kely ny lohahevitra

Fampiasana Koroany amin'ny Lamesa Katolika.

Eto izany dia nampiasa ny bokin'ny "Tsy Mpino" ny "Mpino"

Ny firaisam-pinoana dia araka ity famaritan'ny mpibaiko ityito , dia mba vakio ilay hoe "Ce que n’est pas l’oecuménisme", arak'i Mpibaiko ihany io a.

Raha izao no mitohy dia azo atao koa ny manamasina Moara ao an-degilizy
9. rhaj0 ( 03/02/2017 17:12)
Ka toa tsy mbola any @ eokiomenisma (parvenir à une unité institutionnelle) ilay resak'i Leveka, fa mbola any @ hoe, "Apprenons à nous connaître, à nous aimer véritablement, à vivre les uns à côtés des autres"

ka rehefa mifanakaiky (les uns à côtés des autres) ao @ izay misy an-dreo ao, ao @ Leglizy ohatra eto, dia (tokony) mety izany ilay miresaka Quran any @ Leglizy eee...

hi hi hi.. ilay "nous aimer véritablement" azany mila hazavain'i Leveka kely... raha tsy hoe, dia tena "kabary ambony vavahady" ny an'ilery...
10. rhaj0 ( 06/02/2017 12:24)
Fa nigogola kely aho ho'a ny @ ity lohahevitra ity, "Ny Quran vakiana @ Lamesa", fa tena h@ izay nanombohan'ny taona 2017, dia betsaka ny vakina Quran eraky ny Leglizy eran-tany :
http://lmgtfy.com/?q=reading+quran+in+church

Esy ee..
- hafa ihany ho'a i Kanada eee... ny aty ny Leveka mitomany rehefa mahare Quran..
- Ny any UK sy US, ny "puristes" misamboaravoara sy mivaralila ...
- Dia ny gasy toa an'i Hery, eo anelanelany, dia milaza fa "Tsy dia tena olana aloha" hono izany eee...
11. rhaj0 ( 07/02/2017 13:26)
Ity koa izao dia azo ametrahana ilay fanontaniana:
Inona No HO nataon'i Jesosy... raha amakiana Quran, na koa, ny resaky ny Bouddhist sy ny Dalai Lama izy?

ka ahoana:

1- ka hamoaka teny mahery ve i Jesosy, dia hilaza hoe : "doroy ny Quran" ohatra, na akory aza hoe, "ripaho ny moslimo", na koa "vonoy Mahomet"...

2- sa, hanasa an'i Mahomet hiray latabatra sy hiara-hitafatafa aminy i Jesosy?
12. rhaj0 ( 08/02/2017 15:09)
T@ androm-piainan'i Jesosy izao, dia ny malaza (tadidiko) dia, rahefa nisy olona nanao varotra tao @ "tranon'Andmntra" (izay ny sinagaogy t@ fotoan'androny), dia... tena nataon'i Jesosy "roaka alika" ireto mpivarotra.


Ka mitory Quran moa ve azo lazaina fa toa ny "mivarotra (resaka)" ihany, ka dia "tokony" natao "roaka alika" (toa ny nataon'i Jesosy) koa ve ilay ranamana moslimo, misolo-tena ireo fianakams mana-manjo, izay namaky Quran tao @ "tranon'Andrmntra" (dia ny Leglizy)??
13. endriny ( 09/02/2017 14:56)
mety mba asiana sira kely koa ange ilay fivavahana fa efa mankaleo be ilay TV foana no vakiana ao am-piangonana e. Efa lasa tsianjery sisa ilay izy. Dia aleo mba boky hafa sy vaovao mihintsy no ambara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3509