Testamenta vaovao/Testamenta taloha

21. tealala ( 19/08/2016 05:54)
Eo ianao no diso ry RBNIR i
Makpela dia anaran'ilay zohy (grotte) : ao Hebron io
Sikema ko dia toerana iray hafa mihitsy, izay efa lasa hoe Nablus no anarany amin'izao, ka jereo ny halaviran ireo tanàna roa ireo.
22. RBNIR ( 19/08/2016 06:03)
Araka ny voasoratra aloha dia ny toerana nandevenana an'i Jakoba sy Josefa zanany dia mitovy : samy tao sekema izay no voasorata ao amin'ny josoa sy asan'ny apostoly....
23. RBNIR ( 19/08/2016 06:11)
Raha toerana 2 samihafa ireo dia diso izany ilay fanamarihanao satria tsy tokony nampifandraisinao ny gen sy ny asan'ny apostoly
Izany hoe ianao ihany no nahavaly ny fanontanianao satria toerana 2 samihafa ilay izy.....
24. Imano ( 19/08/2016 06:11)
Olona manana "vision globale" vao afaka mahazo fa tsy mifanohitra mihitsy ny T-Taloha sy ny T.vaovao fa mifameno ary mifampitohy.

Ny fahafahantarana ny momba an'i Jesosy mihitsy no be tsy mahalala ka adino foana matetika fa talohan'ny nahariana izao tontolo izao dia efa nisy izany Jesosy izany, Izy ilay Ankehitriny sy Taloha ary Mandrakizay (Alfa, Jesosy, Omega), efa niseho voalohany Izy talohan'ny nahariana izao rehetra izao fa nafenina dia niseho faharoa indray tamin'Izy tonga nofo ary hiseho fanintelony amin'ny fiverenany eny amin'ny rahon'ny lanitra.

25. tealala ( 19/08/2016 06:15)
Ary i Abrahama, mazava be angamba io teneniny io : Jenezy toko 25, 9
9Nalevin'Isaaka sy Ismaely zanany izy, tao amin'ny zohy any Makpela, amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Seora, Heteana, tandrifin'i Mambre,
Ny Asan'ny Apostoly : 7, 16
16 Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hemora tany Sikema.
jereo fa toerana 2 samihafa hoy aho ireo
Ary rehefa hitanao fasamihafa ireo dia omeko anao indray ny zavatra diso taterin'io testamenta vaovaonao io
26. tealala ( 19/08/2016 06:18)
Ny ahy ve no diso sa ny soratra vakinao no samihafa, karohy izany sikhem sy Nablus izany fa iray ihany
27. RBNIR ( 19/08/2016 06:19)
tealala:

Eo ianao no diso ry RBNIR i
Makpela dia anaran'ilay zohy (grotte) : ao Hebron io
Sikema ko dia toerana iray hafa mihitsy, izay efa lasa hoe Nablus no anarany amin'izao, ka jereo ny halaviran ireo tanàna roa ireo.


Otran'ny marina ihany ity fanamarihana nataonao ity satria ny vidin'ny tany tsy mitovy ; ilay makpela sekely volafotsy 400, ilay tanin'ny sikema sekely volafotsy 100....

Voavaly ny fanontainanao, tsy diso ny voasoratra tao amin'ny asan'ny apostoly fa ianao no diso nampifandray azy tamin'ny voasoratra tao amin'ny genesisy....raha vakiana tokoa ny voasoratra ao amin'ny asan'ny apostoly dia i jakoba no voalaza ao fa tsy abrahama...

28. RBNIR ( 19/08/2016 06:20)

tealala:

Ary i Abrahama, mazava be angamba io teneniny io : Jenezy toko 25, 9
9Nalevin'Isaaka sy Ismaely zanany izy, tao amin'ny zohy any Makpela, amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Seora, Heteana, tandrifin'i Mambre,
Ny Asan'ny Apostoly : 7, 16
16 Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hemora tany Sikema.
jereo fa toerana 2 samihafa hoy aho ireo
Ary rehefa hitanao fasamihafa ireo dia omeko anao indray ny zavatra diso taterin'io testamenta vaovaonao io


Tsy mamaky tsara ilay asan'ny apsotsoly ianao izany i jakoba no voaresaka ao fa tsy abrahama...
29. RBNIR ( 19/08/2016 06:25)
izany hoe

abrahama nalevina tao makpela : Marina ny voasoratra tao anaty genesisy

Jakoba sy Josefa kosa nalevina tao sikema : Marina ny voasoratra tao anatin'ny bokin'ny josoa sy ny asan'ny apostoly,

Ny fahadisoana kosa dia ny fampifandraisana ny genesisy sy ny asan'ny apostoly...
30. tealala ( 19/08/2016 06:38)

RBNIR:

izany hoe

abrahama nalevina tao makpela : Marina ny voasoratra tao anaty genesisy

Jakoba sy Josefa kosa nalevina tao sikema : Marina ny voasoratra tao anatin'ny bokin'ny josoa sy ny asan'ny apostoly,

Ny fahadisoana kosa dia ny fampifandraisana ny genesisy sy ny asan'ny apostoly...

Jenezy toko 50, 13
31. tealala ( 19/08/2016 06:46)
Jenezy toko 50, 13
Nitondra azy ho any amin'ny tany Kanaana ny zanany, dia nandevina azy ao amin'ny zohy, amin'ny sahan'i Makpela, izay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona, Heteana, mba hananany fasana ho azy, tandrifin'i Mambre.
I Jakoba io nalevina io a...mbola diso ihany ve izaho sa ny testamenta vaovao no tokony hahitsy?
32. RBNIR ( 19/08/2016 06:54)
Ka raha izany iza no tokony ahitsy ilay josoa koa milaza an'i sekema????
33. tealala ( 19/08/2016 06:56)
Anefa ianao manaiky fa ny tenin'Andriamanitra tsy mba diso :D
34. tealala ( 19/08/2016 06:57)
sa tsy niteny izany ianao?
35. tealala ( 19/08/2016 07:01)

Sa disodiso kilometatra maromaro ve izy t@ io?
Raha hino Andriamanitra mety diso isika dia mba ahoana ny hoavitsika zany?
36. tealala ( 19/08/2016 07:26)
Mbola apiko ve ilay diso anontaninao an'i Pasitera?
37. tealala ( 19/08/2016 07:31)

Imano:

Olona manana "vision globale" vao afaka mahazo fa tsy mifanohitra mihitsy ny T-Taloha sy ny T.vaovao fa mifameno ary mifampitohy.

Ny fahafahantarana ny momba an'i Jesosy mihitsy no be tsy mahalala ka adino foana matetika fa talohan'ny nahariana izao tontolo izao dia efa nisy izany Jesosy izany, Izy ilay Ankehitriny sy Taloha ary Mandrakizay (Alfa, Jesosy, Omega), efa niseho voalohany Izy talohan'ny nahariana izao rehetra izao fa nafenina dia niseho faharoa indray tamin'Izy tonga nofo ary hiseho fanintelony amin'ny fiverenany eny amin'ny rahon'ny lanitra.



Rehefa mandeha tsara ny ady hevitra dia anontaniako ianao momba io zavatra lazainao io, fa tazomy ihany aloha io hevitra io.
38. RBNIR ( 19/08/2016 07:47)

tealala:

Anefa ianao manaiky fa ny tenin'Andriamanitra tsy mba diso :D


Ny tiako tenenina aminao dia hoe, samy testameta taloha na ilay genesisy 50 na ilay josoa, dia ahoana ny hevitrao amin'izay?
39. RBNIR ( 19/08/2016 07:49)
ary izaho mbola tsy niaiky fa mikpela tsy mitovy amin'ilay sikema fa hoy aho hoe mety mitombina ihany ny voalazanao satria tsy mitovy ny vola voalaza fa nividianana azireo....

raha milaza aho hoe mety mitombina tsy midika mihitsy hoe marina ny voalazanao
40. tealala ( 19/08/2016 07:55)
Fa i Jakoba sa i Abrahama no nividy ilay tany Sikema?
Asan'ny apostoly : 7, 16 Ary nentina nankany Sikema izy ireo, ka nalevina tao amin'ny fasana izay novidin'i Abrahama vola tamin'ny zanak'i Hemora tany Sikema.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0065