FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

1. RBNIR ( 05/04/2016 22:08)
Noho ny antony manokana dia averin-tsika eto ity lohahevitra ity.....

« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat.24:14)

Jesosy no niteny an'io, "ity filazantsara ity" hoy IZY fa tsy filazantsara hafa akory....Raha tsorina dia ilay fampianarana fahiny ihany no haverina hotorina amin'izao tontolo izao indry vao ho tonga ny farany....

Efa ela no tsy hita intsony io fampianarana fahiny io (fampianarana tsy misy kilema)

Jesosy irery sisa no mahay an'io fampianarana tsy misy kilema io...

Tsy maintsy miverina indray i Jesosy araka izany mampianatra raha tsy izany tsy ho tonga mihitsy ny farany........
novalian'i RBNIR ny 07/07/2016 10:20
2. RBNIR ( 05/04/2016 22:18)

Inona ary ny zavatra hataon'Andriamanitra ka nanirahany indray ny mpanompony ankehitriny sy hampiomanany an-tsika zanak'olombelona amin'izao fotoana izao?

« [Ny amin'ny anjely telo izay nitory, sy ny fahasambaran'izay maty ao amin'ny Tompo, ary ny andro fijinjana] Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nanidina teo afovoan'ny lanitra, nanana filazantsara mandrakizay hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra, » (Apok.14:6)
« nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro* fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano. [* Gr. ora] » (Apok.14:7)
« Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany. » (Apok.14:8)
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apok.14:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apok.14:11)

Ny zavatra hataon'Andriamanitra dia haniraka an'ireo anjely 3 amin'izay IZY, ka mampiomana ny olona amin'ny alalan'ny hafatra nomeny ny mpanompony...

Asan'ny anjely voalohany:
1- Hampahafantra ny olona rehetra ambonin'ny tany (tsy hanavahana finoana, na mpino na tsy mpino fa ny olona rehetra mihitsy sy ny firenena rehetra mihitsy....) fa MILA MATAHOTRA SY MANOME VONINAHITRA AN'ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA NY OLONA REHETRA DIA I JEHOVAH ANDRIAMANITRA ILAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY!!!
Filazan-tsara mandrakizay no eny an-tanan'io anjely io hoy : izay tsy inona akory fa ilay filazantsara notorian'i Jesosy 2000 taona lasa ihany (Mat.24:14)
Zavatra 2 no ampianarina ny olona amin'izany:
1- « Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no anontanianao ny amin'izay tsara? Iray no tsara*; fa raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy. » (Mat.19:17)

2- « Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy. » (Jao.3:36)

Raha te-hiditra amin'ny fiainana mandrakizay ny olona 1 dia mila :
1- mitandrina ny didin'Andriamanitra izy
2- mila mino ny Zanaka lahitokan'Andriamanitra izy dia i Jesosy Kristy

Hoy ny Apok.14:12 hoe « Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy. » (Apok.14:12)

Tsy hoe ara-bakiteny dia hisy anjely hanidina eny amin'ny rahon'ny lanitra, fa Jesosy no hiverina indray hifidy olona sy hampianatra azireo ilay filazan-tsara mandrakizay dia ireo no hanantanteraka ILAY FITORIANA LEHIBE FARANY ETO AMIN'IZAO TONTOLO IZAO.....(azonao vakiana ato....)

Izay no asan'ilay anjely voalohany.....
3. RBNIR ( 05/04/2016 22:34)
Asan'ilay anjely voalohany no hita teo....
Hampahafantatra ny olona rehetra ambonin'ny tany (tsy ankanavaka fa ny rehetra rehetra mihitsy) ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA DIA I JEHOVAH ANDRIAMANITRA NAHARY NY LANITRA SY NY TANY ARY HITAONA NY OLONA HATAHOTRA SY HANOME VONINAHITRA AZY....Ny filazan-tsara nampianarin'i kristy 2000 taona lasa no ampianarina amin'izany ka hampahafantarina amin'ny olona fa raha te hiditra any amin'ilay fiainana mandrakizay ny olona dia mila mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mino an'i Jesosy Kristy......

Efa manomboka ny asan'io anjely voalohany io ankehitriny satria efa manomboka mifidy olona i JESOSY ampianarany ilay filazantsara nampianariny fahiny.....

Inona kosa no asan'ilay Anjely faharoa hirahina?
« Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany. » (Apok.14:8)

Ny asany dia hampahafantatra mazava ny olona hoe IZA MARINA ILAY BABYLONA LEHIBE ARY KOA HANDRAVA AZY IO,

Ny foibeny dia miainga avy ao babylona....
Fijangajangana ara-panahy no resahina eto (fampirafesana an'i JEHOVAH ANDRIAMANITRA amin'ny Andriamanitra hafa ary araka ny voasoratra dia ny firenena rehetra voataonany amin'io fijangajangana io......

Efa manomboka tanteraka aminy ankehitriny ity teny manaraka ity....
« Ary niantso tamin'ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan'ny demonia sy fieren*'ny fanahy maloto rehetra ary akanin*'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina. » (Apok.18:2)

Diniho tsara fa ankehitriny ny EI (NA DAESH) dia lasa tanana fonenan'ny fanahy maloto arak'io teny io ary ireo vorona maloto sy ankahalaina voalazan'ny teny etsy ambony dia tsy iza akory fa ireo mercenaire halan'ny olona any amin'ny fireneny avy any ka lasa mitady vola manao mpikaramanady any ankehitriny.......

Efa manomboka ihany koa araka izany ankehitriny ny asan'io anjely faharoa io dia tsy inona akory fa ny fandravana an'i babylona lehibe, fahampahafantarana ny olona fa tsy io ilay TENA ANDRIAMANITRA FA FIJANGAJANGANA IO......

Ary ankehitriny dia efa taomin'Andriamanitra hiala ao ireo olony araka ny voasoratra hoe...« Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apok.18:4)

Asan'ireo anjely 2 voalohany izay no hitan-tsika teo....
Ny voalohany dia mampahafantatra ny olona ilay ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA DIA I JEHOVAH ANDRIAMANITRA IZAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY....KA MITAONA NY OLONA HATAHOTRA SY HANOME VONINAHITRA AZY....
Ny faharoa kosa dia mampahafantatra ny olona an'ilay Babylona lehibe sy handrava azy ary hitaona ny olona nijangajanga tany hiverina amin'ilay ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA.......

MIVAVAHA MAFY, MATAHORA AN'ANDRIMANITRA OMEO VONINAHITRA IZY FA EFA TONGA NY ANDRO FITSARANY...
4. RBNIR ( 05/04/2016 22:34)

5. RBNIR ( 05/04/2016 23:21)
Raha nanaraka tsara ianao, ny asan'ireo anjely 2 voalohany dia mitaona ny olona hamantatra ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA (JEHOVAH ANDRIAMANITRA NANAO LANITRA SY NY TANY) ka mitaona ny olona hiala amin'ireo andriamanitra tsy izy fa kosa hatahotra sy hanome voninahitra ILAY TENA IZY.....

Ho resy lahatra ny mponina rehetra eto ambonin'ny tany araka izany fa JEHOVAH ANDRIAMANITRA IRERY IHANY MARINA TOKOA NO ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA TOKONY HIVAVAHANA ary EKEN'NY OLONA IHANY KOA FA TENA ILAINA NY FINOANA AN'I JESOSY KRISTY ZANANY LAHY TOKANA......

Hizotra mankany amin'ny fivavahana amin'ny Andriamanitra TOKANA izao tontolo izao ka ny fivavahana kristianina sisa no tena hitoetra...

Tsy hipetraka hatreo anefa ny devoly fa hifidy ny olony izy....ilay BIBIDIA io....
Tsy hoe bibidia ara-bakiteny fa ny tena marina dia kristianina ihany io bibidia io ary raha amin'ny endrika ety ivelany dia tsy hisy hahafantarana azy mihitsy hoe bibidia izy satria hiseho ho olona tsara fanahy B, tia olona, mpivavaka tsara tokoa, kanefa hahavita hampamono izay olona rehetra tsy hety hiankohoka eo anatrehany (ireo izay tsy hanaiky ny fampianarana izay hapetrany)

Araho ato fa rehefa mandroso ilay FITORIANA LEHIBE FARANY ataon'ireo olona izay hofidin'i JESOSY mivantana hampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema dia hiseho eo amin'ny fitoerana masina io bibidia io....

Io ihany koa ilay atao hoe lehilahin'ota ary ny fisehoan'izy io no anisan'ny manamarika marina tokoa fa efa ho tonga tokoa ny farany.....
« mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo. » (2 Tes.2:2)
« Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, » (2 Tes.2:3)
« ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra. » (2 Tes.2:4)

Hipetraka ao amin'ny tempolin'Andriamanitra izy io ary hanao ny tenany ho Andriamanitra satria hahasahy hanova ny didy izay napetrak'Andriamanitra hotandremana, nefa tsy nahazo baiko mivantana akory avy amin'ILAY ANDRIAMANITRA TSITOHA....
Hotanteraka aminy araka izany ity voalazan'i JEREMIA mpaminany ity.....
« Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo. » (Jer.14:14)
« Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ireo mpaminany izay maminany amin'ny Anarako ireo nefa tsy nirahiko tsinona ka milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin'ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo. » (Jer.14:15)

Hizara 2 mazava tsara araka izany ireo kristiainina amin'izany fotoana izany...
Etsy andanininy ireo hanaraka ny fampianarana izay hoentin'ireo olona hofidian'i Jesosy mivantana ka hamerina indray ilay fampianarana tsy misy kilema 2000 taona lasa izay...

Etsy ankilany kosa ireo hanaraka (hiankohoka hoy ny soratra masina) an'ilay bibidia izay tsy nirahan'Andriamanitra fa haminany lainga ka hitaona ny olona hanaraka didy vaovao izay tsy avy tamin'Andriamanitra fa avy amin'ny tenany ihany (didin'olombelona)

Eo indrindra no hiasa ilay anjely fahatelo:
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apok.14:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apok.14:11)

Ny anjely fahatelo araka izany dia hitaona ny olona rehetra tsy hanaraka sy tsy hanaiky ny fampianarana izay ataon'io bibidia io fa kosa hijanona sy hitoetra ao amin'ilay fampianarana izay homen'ireo olomboafidy vaovao izay hampianarin'i Jesosy.....

IZAO NO TSAROVY RY NAMANA HOY ILAY ANJELY FAHATELO HOE IZAY MIANKOHOKA SY MANDRAY NY MARIK''IO BIBIDIA IO (IZAY MANAIKY NY FAMPIANARANY KA MANDA NY FAMPIANARAN'IREO OLOMBOAFIDY VAOVAO IREO) DIA :
1 HISOTRO NY FAHATEZERAN'ANDRIAMANITRA (IREO LOZA FITO HIROTSAKA FARANY ETO AMIN'IZAO TONTOLO IZAO IO....).«
Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » (Apok.16:2)

2 HAMPIJALIANA AMIN'NY AFO SY SOLIFARA MANDRAKIZAY MANDRAKIZAY.......

KOA DIENY IZAO DIA ARAHO ILAY FAMPIANARANA MBA TSY HAHAVOAFITAKA ANAO AMIN'IZANY FOTOANA IZANY
6. RBNIR ( 05/04/2016 23:28)
Raha fintinina ary dia izao ny zavatra izay hataon'Andriamanitra tsy ho ela ka nanirahany ny mpanompony ankehitriny:
Hotaominy ny mponina rehetra ambonin'ny tany hahafantatra Azy ka hatahotra sy hanome voninahitra Azy (asan'ny anjely voalohany), hotaominy ihany koa ireo olona tsy nahafantatra azy hatrizay fa voafitaky ny andriamanitra tsy izy ka horavany tanteraka ny andriamanitr'izireny (asan'ny anjely faharoa)...
Hizotra mankany amn'ny fanompoana Andriamanitra tokana sady marina ny mponina rehetra eto ambonin'ny tany araka izany koa dia fivavahana tokana sisa no tena hitoetra dia ny fivavahana kristiainana....
Hizara 2 indray ireo kristiainina ireo ka hisy ny hanaraka ilay fampianarana tsy misy kilema izay hampianarin'ireo olomboafidy vaovao izay hampianarin'i Jesosy mivantana toy ireo apostoly fahiny....
Hisy kosa hanaraka ilay bibidia izay hampianatra didy izay tsy avy tamin'Andriamanitra fa avy amin'ny tenany ihany....
Ny anjely fahatelo indray kosa dia hitaona ny mponina rehetra ambonin’ny tany tsy hiankohoka amin’io bibidia io……

Inona indray kosa ary no hitranga rehefa vita ny asan'ireo anjely 3 ireo??? HOTOHIZANA RAHA SITRAPON'ANDRIAMANITRA..........
7. vahiny2004 ( 06/04/2016 09:20)
Lava loatra Rabe a

Hoy ny malagasy hoe "raha lava ny ahitra , very ny kisoa, raha lava ny tarogna , very ny soa"
8. RBNIR ( 06/04/2016 09:49)

vahiny2004:

Lava loatra Rabe a

Hoy ny malagasy hoe "raha lava ny ahitra , very ny kisoa, raha lava ny tarogna , very ny soa"

Vakio tsikelikely e, io ngeh tsy handositra e :-)
9. RBNIR ( 06/04/2016 09:50)
Famerenana ny tary io ny marina

Be adihevitra B ilay sakaiza iray izay dia lasa takona tao ilay lohahevitra dia averintsika eto mba hazava tsara e!
10. rhaj0 ( 06/04/2016 12:27)
Ny bokin'ny Apokalipsa moa no ifotoran'ny fi(s)ainanao ao ry RBNIR...

Dia io ho'a, mba mivoaha kely aloha @ ilay box-kely, dia vakivakio ny lazain'ny mpandinika ny @ io Boky io.. Ary jereo tsara fa Kristiana namanao ihany no mamahabaha, ngo dia lazaina fa ny tsy-mpino indray no mandoto rano eo.
http://lmgtfy.com/?q=book+of+revelation+criticism
- the Book of Revelation has always been more politics than prophecy..
- ... views of critics who deny any spiritual value to Revelation at all...
- The Book of Revelation has terrified and confused readers...
- The book of Revelation has also been used by many religious fanatics, who ....
- Was the Book of Revelation based on Real Visions OR was it just a fake literary...

Dia araho tsara ny tantara sy jeogirafia t@ nanoratana io Boky io..

http://www.pbs.org/wgbh/pages/frontline/shows/apocalypse/revelation/white.html
The Book of Revelation was written sometime around 96 CE in Asia Minor. The author was probably a Christian from Ephesus known as "John the Elder." (..) It was Titus who led the siege and destruction of Jerusalem in 70 CE. When Vespasian died in 79 CE, Titus became the next Emperor... That the "beast from the sea" is the Emperor himself is made clear in a later passage in Rev. 17...

Dia eritrereto tsara @ izay. Io boky io dia ao anatin'ny hoe "apocalyptic literature".. Ireny no isan'ny style-na boky fanoratra t@ fotoan'androny. Ka dia mba nanoratra koa izany i John the Elder. Dia kisarisari-teny ao no namoahany ny frustration-ny @ Emperora Romana...

Dia izay boky izay no handrianao ao, dia avalaninao, dia lazainao fa miresaka Izao Tontolo Izao, ary @ izao fotoana izao koa???

ntssss... manofy ratsy ao fotsiny, dia hi-pipi pataloha lava ao ny farany f'ataovy ao ihany..

Mifohaza @ izay RBNIR aaa... literatiora t@ taona zero fotsiny iny...
11. RBNIR ( 06/04/2016 13:27)
rhaj0:

Mifohaza @ izay RBNIR aaa... literatiora t@ taona zero fotsiny iny...

Ary raha mba i rhajo indray no mba taomiko hijery ny zava-misy ankehitriny izay hiara-mahita fa mizotra manantateraka ny faminaniana voasoratra ao amin'ny baiboly???
12. rhaj0 ( 06/04/2016 13:57)
"lava ny ahitra dia very ny kisoa".. izaho nisany :-)
Fa azonao fintinina @ fehezan-teny iray ve hoe, inona izany "faminanian'ny bokin'ny Apokalopsy" izany?

Fa tazomy an-tsaina tsara fotsiny @ izay kosany aloha, fa hoe, i John the Elder, manana alahelo @ Emperora Romana Titus, izay nandravarava an'i Jerosalema t@ taona 70, no manoratra ity "apocalyptic literature".
13. RBNIR ( 06/04/2016 23:41)
rhaj0:

"lava ny ahitra dia very ny kisoa".. izaho nisany :-)
Fa azonao fintinina @ fehezan-teny iray ve hoe, inona izany "faminanian'ny bokin'ny Apokalopsy" izany?

Misy karazany 2 ny faminaniana ao amin'ny baiboly rhajo,
1- Faminaniana tsotra : mikendry vanimpotoana fohy ary mahakasika ny an-davan'andron'ny olona
2- Faminaniana apokalyptika (bokin'ny daniel sy ny bokin'ny apokalipsy) Io indray dia mikendry vanim-potoana lavalava ary tsy ny an-davan'andron'ny olona no resahiny fa mikasika ny tantaram-pivavahana...

Eto ohatra dia faminaniana nomena 2000 taona lasa nefa amin'izao fotoana izao vao hita soritra fa manomboka ny fahatanterahany....:
1- Manomboka mahafantatra ny olona hoe IZA MARINA no tena Andriamanitra tokony hivavahana
2- Manomboka ravana ireo Andriamanitra TSY IZY..ary atombony amin'i Babylona lehibe izany izay efa miharava tsikelikely....

14. rhaj0 ( 07/04/2016 12:55)
RBNIR:
1- Manomboka mahafantatra ny olona hoe IZA MARINA no tena Andriamanitra tokony hivavahana

Tsy efa impiry navoaka teto hoe:

1- ny moslimo no mitombo isa haingana raha @ samy mpino: Ka ny Andrmntry ny Moslimo, i Allah sy ny Mohamed-ny, ireo izany io "manomboka tena fantatr'olona" io hoz'ianao ???

2- ny atheista (sy ny siantista) koa dia mitombo isa haingana. Ka izay marina izany vao tena hiha-ahafantatra ny olona fa resak'hehy izany Andrmntra izany ooo?

3- Koa na samy nareo kristiana ao azany, ny mitombo isa dia ireo voasarik'izao manondro-tena ho profeta rehetra izao.. Ka mety marina ny anao, satria mety hitombo isa (kely) izany ny mpanaraka an'i Herinirina, dia izay no vérité absolue sesefany anao ao.. Izy angaha mandainga, fa raha miolotra @ olona sy firenena hafa rehetra, dia taim-pasika kely ny isanareo re ry RBNIR aa...

Ianao ho'a dia tena mihidy ary tsy mahalala afa-tsy ny box-kelinao ao ity ianao ry RBNIR.. Izay ve no asesika anareo ao dia izay no vérité absolue tsisy iadiana hevitra sy ampiasana saina, dia miboloky lava eo ity ianao.
15. endriny ( 07/04/2016 14:08)
hihiihihih

Izahay Malagasy dia efa ela no nahafantatra hoe: "Ho avy tsy ho ela ny zanak'Ambatobevohoka". Ny Beantitra dia mahay hoe: "ho avy tsy ho ela ohatran'ny volan'ny CNAPS" saingy ny an'ireny tonga ihany afaka andro maromaro.

Ny mpanao politika dia mahay hoe: "HO avy tsy hoe ela ohatran'i Dada". Fa tonga tampoka ihany I Dada afaka 6 taona taty aoriana.

Fa ny an'ny mpino :"Ho avy tsy ho ela ny farany, sy ny fiverenan'i Jesosy". Efa 2016 aty aorina mbola tsy avy ihany (raha Kristianina isika) fa efa 3000 taona taty aoriana (Raha Jiosy isika), mbola tsy tonga ihany. Dia lasa daholo ity tombatombana rehetra ity, fa raha vao misy seho kely mitranga, dia lazaina fa fanambarana ny andro farany daholo...

Ka atao ahoana moa fa 1 segaondra amin'Atra hono 2000 taona amin'ny olom-belona, maika moa fa hoe "Tsy ho ela", Firy segaondra sy ny firy minitra ary adim-pamantaranandro firy amin'Atra aza izany?

Andeha ataoko hoe 2 andro amin'Atra izany. Dia ataoko ny kajy dia lasa toa izao izany:
X= 2000 x 2 x 24 x 3600 = 345.600.000 taona

Efa miova ohatran'ny vato daholo amin'izany ny taolako ao am-pasana
16. rhaj0 ( 07/04/2016 14:26)
Fa IZA anefa k'lou no nilaza io "ho avy tsy ho ela" ao @ Apoks ventesinao io ho'a ry RBNIR eee...

- i Jesosy ve no niresaka ao @ ireo Apoks ireo??? TSIA, efa maty i Jesosy t@ ireny

- nitantara na nitatitra ny resak'i Jesosy ve io Apoks io??? TSIA.. TSY takatr'i Jesosy akoriny fa ho ravan'i Titus anie i Jerosalema 40 taona aorian'ny nahafatesany

Averina indray: tazomy an-tsaina tsara fotsiny @ izay kosany aloha, fa hoe, i John the Elder, manana alahelo @ Emperora Romana Titus, izay nandravarava an'i Jerosalema t@ taona 70, no manoratra ity "apocalyptic literature".

Ary marina mihintsy ny lazain'i Endriny, fa "raha vao misy seho kely mitranga, dia lazaina fa fanambarana" na fisehon'ny "andro farany" arak'i John The Elder nanoratra ny Apoks izany.

Ohatra ho'a (jereo eto), ny naharavaa an'i Pompeii : ny volkano Mt Vesuvius no nipoaka, ka izao Andrmntra (imaginaire) izao no savisavihana lazaina fa nandrava an'i Pompeii

Izao izao hiakatra firy santimetatra ny haavon'ny ranomasina, dia lazaina fa hozon'Andmntra toa ny safo-dranon"i Noah indray koa ve izany? i New York no mety diboka ao, fa ny gasy atsy Tsaratanana mbola mifoka sigara...
17. bichette ( 07/04/2016 15:41)
mbola toriana foana io ka indrindra aminzao vaninandro hiainantsika izao
18. RBNIR ( 08/04/2016 06:47)
rhaj0:

RBNIR:
1- Manomboka mahafantatra ny olona hoe IZA MARINA no tena Andriamanitra tokony hivavahana

Tsy efa impiry navoaka teto hoe:

1- ny moslimo no mitombo isa haingana raha @ samy mpino: Ka ny Andrmntry ny Moslimo, i Allah sy ny Mohamed-ny, ireo izany io "manomboka tena fantatr'olona" io hoz'ianao ???

2- ny atheista (sy ny siantista) koa dia mitombo isa haingana. Ka izay marina izany vao tena hiha-ahafantatra ny olona fa resak'hehy izany Andrmntra izany ooo?

3- Koa na samy nareo kristiana ao azany, ny mitombo isa dia ireo voasarik'izao manondro-tena ho profeta rehetra izao.. Ka mety marina ny anao, satria mety hitombo isa (kely) izany ny mpanaraka an'i Herinirina, dia izay no vérité absolue sesefany anao ao.. Izy angaha mandainga, fa raha miolotra @ olona sy firenena hafa rehetra, dia taim-pasika kely ny isanareo re ry RBNIR aa...

Ianao ho'a dia tena mihidy ary tsy mahalala afa-tsy ny box-kelinao ao ity ianao ry RBNIR.. Izay ve no asesika anareo ao dia izay no vérité absolue tsisy iadiana hevitra sy ampiasana saina, dia miboloky lava eo ity ianao.

1- Efa horavana izy izao aoriana kely ao isika mahita tsara ny vokany fa ny tenin'Andriamanitra tsy maintsy ho tanteraka...
2- Ho betsaka ny atheist resy lahatra hahita zavatra ianoa aoriana kely ao...
3- Hivondrona ho antoko 2 samy mino an'i Jesosy saingy ny 1 hitandrina ny didin'Andriamanitra , ny antoko 1 kosa hanaraka an'i bibidia hitandrina ny didy izay havaokan'ilay bibidia (tsy manaja ny didy fototra nomen'Andriamanitra)...
19. RBNIR ( 08/04/2016 06:59)
rhaj0:

Fa IZA anefa k'lou no nilaza io "ho avy tsy ho ela" ao @ Apoks ventesinao io ho'a ry RBNIR eee...

- i Jesosy ve no niresaka ao @ ireo Apoks ireo??? TSIA, efa maty i Jesosy t@ ireny

Hoy ny voasoratra hoe ;
« [Fitarihan-teny] Ny Fanambaran'i Jesosy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jaona mpanompony, » (Apok.1:1)

Araka io teny io dia avy tamin'i Jesosy Kritsy ilay fanambarana,

Ahoana no fomba nisehoan'i Jesosy Kristy tamin'i Jaona?

« [Ny fisehoan'ny voninahitr'i Kristy] Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin'ny fahoriana ary amin'ny fanjakana sy ny faharetana ao amin'i Jesosy, dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i Jesosy. » (Apok.1:9)
« Voatsindrin'ny Fanahy tamin'ny Andron'ny Tompo aho ka nahare feo mahery teo ivohoko, toy ny feon'ny trompetra, » (Apok.1:10)
« nanao hoe: Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin'ny boky, ka ampitondray ho any amin'ny fiangonana* fito, dia ho any Efesosy sy Smyrna sy Pergamosy sy Tyatira sy Sardisy sy Filadelfia ary Laodikia.[Gr. eklesia] » (Apok.1:11)
« Dia nitodika aho nizaha ilay feo niteny tamiko. Koa rehefa nitodika aho, dia nahita fanaovan-jiro volamena fito; » (Apok.1:12)
« ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro dia nisy Anankiray tahaka ny Zanak'olona* niakanjo akanjo lava hatrany an-tongony sady nisikina fisikinam-bolamena teo amin'ny tratrany.[Na: toa zanak'olona] » (Apok.1:13)
« Ary ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry fotsy, dia tahaka ny oram-panala, ary ny masony tahaka ny lelafo; » (Apok.1:14)
« ary ny tongony tahaka ny varahina manganohano, hoatra ilay voadio teo amin'ny fandrendrehana iny; ary ny feony toy ny firohondrohon'ny rano be. » (Apok.1:15)
« Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin'ny heriny. » (Apok.1:16)
« Ary raha nahita Azy aho, dia lavo niankohoka tahaka ny maty teo anoloan'ny tongony. Fa Izy nanendry ahy tamin'ny tànany ankavanana ka nanao hoe: Aza matahotra; Izaho no Voalohany sy Farany, » (Apok.1:17)
« dia Ilay velona; efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. [* Gr. Hades] » (Apok.1:18)
« Koa soraty izay zavatra efa hitanao, na izay zavatra ankehitriny, na izay zavatra mbola ho avy rahatrizay, » (Apok.1:19)
« dia ny zava-miafina ny amin'ny kintana fito izay efa hitanao teny an-tanako ankavanana sy ny fanaovan-jiro volamena fito. Ny kintana fito dia ny anjelin'ny fiangonana* fito: ary ny fanaovan-jiro fito dia fiangonana* fito. [* Gr. eklesia] » (Apok.1:20)

20. rhaj0 ( 08/04/2016 12:32)
Dia toa ny an'i Paoly tatsy koa, dia vakio koa anie ho'a ny tantara ao ambadiky ny tantaran'ny Bokin'ny Apokalipsy
https://en.wikipedia.org/wiki/Book_of_Revelation
John is to write down what is revealed (what he sees in his vision)

ka raha ny fahazoako azy, dia i John The Elder, izay nanoratra ity "apocaliptic literature" no mitantara ny VISION-NY... na raha ny fahatakarako azy, ny IMAGINATION-NY.

Tena TSISY idiran'i Jeosy sy ny fampianarany io ry RBNIR aaaa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4897