Olona iray ihany ve i Gasy1zay sy Strong3

1. endriny ( 30/03/2016 15:29)
I Gasy1zay mantsy no nametraka veloma dia I Strong3 koa no tsy hita intsony, raha tsy hoe olona iray ihany ry zareo ireo.

Anarana 2 kanefa olona iray. Ohatran'ny hoe olona 3 kanefa Atra tokana (3,1). Dia I Strong (3) kanefa Gasy (1) Zay.

Hitako mihintsy ilay kajy ara-baiboly
novalian'i rhaj0 ny 08/04/2016 12:38
2. RBNIR ( 31/03/2016 11:07)

endriny:

I Gasy1zay mantsy no nametraka veloma dia I Strong3 koa no tsy hita intsony, raha tsy hoe olona iray ihany ry zareo ireo.

Anarana 2 kanefa olona iray. Ohatran'ny hoe olona 3 kanefa Atra tokana (3,1). Dia I Strong (3) kanefa Gasy (1) Zay.

Hitako mihintsy ilay kajy ara-baiboly

:-) nohazavain'ny Tompo ny masony endriny a!!!
Tian'i Jesosy ireo (tahaka anao sy rhajo io ihany koa ).....
3. RBNIR ( 31/03/2016 11:08)
F'aza diso manararaotra ny fitiavany hoy aho e!!!
4. rhaj0 ( 31/03/2016 19:07)
Ka i Gasy1zay, hoz'izy, dia nahazo "asa tsara" noho ny "fitahiana" (na fitiavana)-n'i Jesosy. ka dia nataony veloma isikana eto @ serasera eto eee...

Ka tsy haiko izany hoe,
- i Gasy1zay ve no "tsy tian'i Jesosy", ka TSY mba nameny "fitahiana" mba hiserasera eto, sa
- ny serasera eto mihintsy no "tsy tian'i Jesosy", ka TSY mba nameny "fitahiana" i Gasy1zay mba hiserasera eto
5. aavarto ( 01/04/2016 04:08)
gasy mantsy dia ola mahay mandainga zay ihany ka eo andala mpiheritreretana any gasy
6. rhaj0 ( 04/04/2016 20:28)
Raha ny fahitako azy, dia olona roa samy hafa i Gasyzay sy i Strong3.
Hotry ny dia hoe mifosa olona moa izany eto, fanefa moa, ny nataony ary efa niarahana nahita teto ihany no resahina

- i Gasy1zay dia, rahefa lava ny bozaka sy ny resaka, dia tsy naha-dohika intsony. Dia nitsoaka ny serasera io. Fa ny an'i Gasy1zay, i Jesosy (imaginaire) no nolazainy fa (tompon'antoka) nanome fitahiana (imaginaire) taminy, ka mahatonga azy Gasy1zay ao io, manao ny ataony ao..

- i Strong3 indray dia, rahefa lava ny bozaka sy ny resaka, dia tsy naha-dohika intsony koa. Dia nanetsi-tsofina (sy saina) ilery, toatoa ny hoe, mety hono ny azy ao, ary ho fikiriina mandra-maty ao, ka tsy asiany resaka intsony, ary dia lasa niridana ny anao lahy.


izaho manombatombana eto, dia mihevitra fa voahonzongozona sa voakitikitiky ny teto ny Finoan-drizalahy tao... Tsy hita fa ny saina anie miasa foana fa tsy hoe matory-maty tsinona kouh... Dia misavorovoro anaty ao, ary dia matahotra ao rizalahy hoe, toa tena TSY mitombona tokoany ange izany nifotorany ny fi(s)ainany h@ izay tao : tsisy Atra, nivarotra saka-be-loha Jesosy, tsisy fahagagana, tsisy paradisa, resaka fampatoriana zaza(-saina) ny Baiboly...

Dia ao zareo hoe, dia ahoana izany no hihatrehany ny fiainana?? Mety mbola mandeha any am-piangoanana izao zareo, fa rahefa mandeha ny raorao, dia tonga saina hoe, ahoana koa azany no ninoana an'izany rehetra izany taloha... mijery ny namany manodidina azy ao am-piangonana ao izy, dia hoe, mba ahoana koa azany izany... olon-dehibe io dia toa midogaigy be tsisy recul, tsisy henatra toa io... jeren'ny Ankizy ao...
7. RBNIR ( 05/04/2016 01:21)
Salama daholo,

Ny fahitako azy indray namana rhajo, dia efa manomboka tonga saina ireo kristianina namana teto....

Manomboka resy lahatra izireo fa tena niverina marina tokoa Jesosy nampianatra indray ilay fampianarana tsy misy kilema....sy hanoro azireo ny marina rehetra ao amin'ny baiboly....

Manomboka efa mazava amin'izireo ny marina rehetra sy ny ho avin'ity izao tontolo izao ity dia efa manomboka misaintsaina ny tokony ataony avy izireo ankehitriny.....

Ny Tompo anie hitantana azireo ho any amin'ilay fiainana mandrakizay....

Namana nahafinaritra izireo ary ny faniriana dia ny mbola hihaona indray andro any....
8. rhaj0 ( 05/04/2016 12:30)
mety marina ny anao.. Ny valin-ketsiky ny naha-tonga saina azy hoe, dia inona tokoany ity natao h@ izay, na koa ny natao taminy, ka dia minomino foana tsisy lojika toa izay... nino an'i Noah sy ny sambo de gerany, nino hoe fara-andro ny an'i Romana tao Pompei, nino (na tsy te-hino) fa hoe mila manome harena sy mandao ny r-a-d anie ity mivavavaka mivavaka @ Jesosy ity...

Dia ny valin-ketsika dia "denial", ary dia vao maika notsentseman-dry Gasy1zay sy Strong3 ny sofina aman-tsainy, ary dia "mivavaka" be ao... Ary dia ... miantsampy any @ Herinirina, na koa i Tsaratsara.

humm... ratsiratsy izy izany...
9. endriny ( 07/04/2016 13:58)

RBNIR:

:-) nohazavain'ny Tompo ny masony endriny a!!!
Tian'i Jesosy ireo (tahaka anao sy rhajo io ihany koa ).....


Amin'ity delestazy isan'andro ity kosa ve tsy zara aza misy mpanazava. Vao avy nividy ireny sapile mazava alina ireny mihintsy izao ilay olona ao eto akaikinay eto fa ho atao kominio voalohany ny zanany. Dia ohatran'ny zavatra mety amiko izany io fika io a... andeha mba andramako, hanazavako ny efitrano.

Nahazo kandra tsatsara hono ry Gasy1zay dia tsy afaka mitafa mikasika ny finoana intsony. HItantsika amin'izany ary ry mpihaino Havana, fa ny fivavahana sy ny fitafana mikasika ity finoana ity dia natao ho an'ny olona tsy dia manakatao loatra ohatra ahy. Izany hoe ambin-javatra ny finoana fa rehefa tafa isika dia manara-pinoana ihany raha misy fotoana... sa ahoana?
10. aavarto ( 07/04/2016 17:38)
olona roa samihafa izy ireo araka ny falalako azy aloha
11. endriny ( 08/04/2016 06:30)
Mety koa hoe tsy olona roa ireo fa vondron'olona mpitory mihintsy.

Fa ny nahagaga ahy dia io nanbarako io hoe: hay rehefa tsaratsara asa ry zareo dia avelany ny finoana. Hay kay izany ambinjavatra ihany ilay hoe fiainana mandrakizay sy ilay hoe Atra no tompon'ny fiainako ka tsy misy atahorako sns, ny voromanidina aza...
12. rhaj0 ( 08/04/2016 12:38)
Ka ny fananambeny azony avy @ ilay "asa tsara" ve mba ho zarainy @ "tsy manana" azany eee ???
Ny an'i Gasy1zay, volabe avy @ ilay kandra tsara, ny an'i Strong3, ny tranobe sy tanibe ao Ambohidratrimo ao :-)

Ka oainina rizareo teto, fa navoitra teto fa hoe, ampazahoy ny 1/10, na akoriny azany, ameo ny mahantra ity fananambe, dia 'ndana manaraka an'i Jesosy.

Ka dia lasa rizalahy, lasa nirifatra ka tsy tana, nandao ny serasera, mba tsy ho rebirebentsika eee .. :-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3053