Taratasy misokatra ho an'Atoa Lala RASENDRAHASINA, Mpitandrina, Filohan'ny FJKM

1. rabaradaka ( 27/11/2015 09:49)
Taratasy misokatra ho an’Andriamatoa Lala RASENDRAHASINA, Mpitandrina, Filohan’ny FJKM

Tompoko,

Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo sy mpamopnjy.
Ao anatin’ny taom-panavaozana ny FJKM ankehitriny ary tsy ho ela dia hiroso amin’izany koa ny Birao Foibe JFKM.
Mihemotra ny Fiangonana tao anatin’ny 10 taona izao raha jerena ny faharisihina eo amin’ny asam-pinoana sy ny fanoloran-tena ataon’ny mpino kristiana FJKM.
Tsy azo itarafana mihitsy ny firoboroboan’ny Fiangonana ny fijoroan’ny Fiangonana FJKM etsy sy eroa fa azo itarafana ihany koa ny fisian’ny olana anatiny ka nampivaky na nahatonga fisaraham-bazana mihitsy.
Ny ankamaroan’ny Mpitandrina an-drenivohitra dia lasa tia vola ary manao fitaovana ny mpino ao aminy hanangonan-karena. Misy mihitsy aza Mpitandrina manery ny mpivavaka ao aminy tsy maintsy manome fanomezana ny Mpitandrina. Misy mpitandrina mifaninana mividy fiara sy trano ary manangana asa hafa ankoatra ny maha-Mpitandrina azy.
Zava-misy eto an-drenivohitra (Antananarivo sy ny manodidina) sy amin’ireo tanan-dehibe maro izany.
Misy anefa amin’ireo Mpitandrina izay miasa any lavitra any, izay zara raha mahita hanin-ko hanina nefa dia izy ireny mihitsy no tokony ho tohanana noho ny asa fampielezana ny tenin’Andriamanitra any amin’ny toerana izay mbola maizina noho ny tsy fisian’ny Filazantsara.
Midika izany fa mivaona amin’ny foto-kevitra napetrany efa ho 50 taona lasa izay ny FJKM ka lasa orinasam-panahy mamelona izao karazan’olona mpanao afera sy mpanao tsindrio fa lavo izao. Tsy sahaza ny vahoakan’Andriamanitra izay miaina ao anaty fahasahiranana ara-nofo ny fihetsika ataon’ny Mpitandrina maro ankehitriny.

Noho izany dia mandroso soso-kevitra izahay :
1- Aoka tsy hisy ary tsy hekena ao naty fitantanana ny raharaham-piangonana ny fandraisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Foibe “écolage” ka mahatonga ny Mpitandrina iray na dia efa halam-bahoaka aza dia voatazona foana. Mariky ny kolikoly hita maso sy azo tsapain-tanana koa izany.
2- Tokony afindra toerana ny Mpitandrina iray mahavita folo (10) taona amin’ny Fitandremana an-drenivohitra ary homena hasina ny Mpitandrina any anaty ala sy ambanivolo be any. Afindra amin’ny toerana sahaza azy ireo efa nitandrina folo taona mahery tamin’ny Fitandremana iray.
3- Aoka ny asan’ny Mpitandrina tsy afangaro asa hafa satria adino tanteraka ny famangiana olona sy ny maha-mpiandry ny ondrin’Andriamnitra azy ireo.

Teny atsipy amin’ny manam-panahy tompoko ary raha mitohy izao fitantanana feno kolikoly eo anivon’ny FJKM izao dia ho maro toy ny zava-misy ankehitriny ireo kristiana FJKM no lasa mifindra lasy satria tsy misy aim-panahy intsony ny Fiangonana misy azy. Manakaiky ny FJKM ny faharavana koa aoka hijoro ho modely ny mpitantana.

Mirary soa ho anareo ary aoka ny Fanahy Masina hiasa mahery ao anatinareo mba hijoroanareo ho tena mpanompon’Andriamanitra, feno fandavan-tena ary tsy miaina ao anaty fihatsaram-belatsihy.
Misaotra tompoko.
2. nilex ( 26/12/2015 13:13)
Misaotra anao naneho hevitra ary misy azo raisina ny hevitrao ary tena misy marina tokoa.Ny olana anefa dia asa na ho hitan'ny tompon'andraikitra ao amin'ny FJKM izao fanambarana hataonao izao na dia ho lasa antso any an'efitra fotsiny ihany.Ny tena izy koa anefa dia ny mitondra ambavaka ireo mpitondra antsika ireo manoloana ireo olana maro mitranga ao fa indrindra ireo izay tena hita fa mivoana amin'ny tokony ho izy ka manimba endrika ny FJKM satria aza adino fa efa andro farany izao ka tena miasa mafy satana ka maro no tsy mahatohitra izany.Mila fanavaozana lehibe tokoa ny fomba fitoriana ny filazantsara ankehitriny satria tena tsapa tokoa fa tsy tafita intsony any amin'ny vahoakan'Andriamanitra ny hafatra tiany hambara fa variana amin'ny zavatra hafa ny mpitondra fivavahana.Ny tena loza lehibe manoloana izany fikorontanana izany aza dia ny fahatongavan'ny finoana silamo izay tena tonga manao be fiavy eto madagasikara ka mety hiteraka zavatra ratsy tokoa raha toa ka tsy mandray andraikitra ny mpitondra fivavahana kristianina.
3. rabaradaka ( 02/01/2016 07:20)
Misaotra ny havako NILEX nitondra hevitra sy mankahery ! Ho entintsika am-bavaka ozany ary aleo hiasa tokoa n Fanahy Masina
4. calin.brandon ( 07/01/2016 06:00)
Roa arivo taona mahery izao no nisian'ny fivavahana, fa miharatsy hatrany ny fiainan'ny olona. Fa tsy ho ratsy tahaka izao kosa aloha ny fiainan'ny Malagasy raha tsy nisy ny 2009 e ! Aleon'ilay Malagasy mifotetaka tahaka izao. Tsy mahay afa-tsy ny hoe : 'ndao indray esorina ra-anona sy ra-anona ! Tena Gasy Vendrana mihitsy ka. Miandrasa hoy aho ny fifidianana amin'ny 2017 / 2018, dia mahaiza mifidy ny Filohan'ny Repoblika mendrika, fa tsy miteniteny foana toy ny fanao ety amin'itony forum itony. Sa ahoana ry Rabaradaka ?
5. rabaradaka ( 22/01/2016 09:42)
Marina ny voalzanao tompoko nefa samy manana ny heviny ny olona e, ny hevitra tera-bary ka samy manana ny fanehoany azy
6. rabaradaka ( 24/02/2016 05:46)
Tsy hoe noho io lahatsoratro io akory no nahatonga ny HVM hanenjika ny FJKM fa mazava fa matahotra ny FJKM sy Ravalomanana ny HVM tarihin'i Rivo Rakotovao sy Hery Rajaonarimampianina
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1715