Ny atao hoe fanavotana

21. endriny ( 17/09/2015 15:53)
Ny fanavotana dia avy amin'ny tenanao irery ihany. Tsy mila Jesosy, tsy mila fiangonana, tsy mila fara-rakitra, tsy mila voady. Hoy I Jesosy: "Ny finoanao no ahavonjy anao"

Fa tsy hoe andeha aho hanaraka vakiteny sy toriteny ary alim-bavaka dia voavonjy.
22. rhaj0 ( 17/09/2015 16:35)
ka dia mbola miezaka ny hi-compr ny Kristiana sy ny namoronana ny (ilavana ny) kortezy manaraka ny Finoany aho, kortezy = fiangonana, fombafomba, toa ireo vakiteny, toriteny sy alim-bavaka, ets... ka dia...

Koa raha "Ny finoanao no ahavonjy anao", hoy hono i Jesosy, kanefa moa... ilay "Finoanao" kosa anie TSY "azo avy any an-kibon-dreniny", TSY zavatra natoraly ho'a, fa zavatra namboarin'ny "fanabeazana/fampianarana" ao eee...

Ny zazakely tsy tonga dia "nino", fa ny manodidina no nanisika ny "revy" tao aminy...
Mety manana reflexe "mino" izy, satria betsaka no tsy takatry ny sainy.. fa jereo tsara fa ny "finoany' ao dia TSY elaborE tahaka io "finoana kristiana" io ohatra...FA io "finoana kristiana" tafapetraka ao aminy io aty aoriana, dia tena namboarina, novolena tao @ ilay ankizy tao.

ka ao anatin'ny "fanabeazana/fampianarana", dia ... pedagozia sy metaody pedagozika tsotra fotsiny... noforonina, ary lasa filAna, dia lasa "fomba tsisy maharatsy azy" ireto vakiteny, toriteny sy alim-bavaka...

Ka dia "amboarina" ao izany ilay "Finoana" eeee... Dia rahefa mamboatra ao ihany, maninona tokoany moa no tsy asisika hoe... "avotra" ny baolina eee...

23. endriny ( 23/09/2015 11:01)

rhaj0:

Koa raha "Ny finoanao no ahavonjy anao", hoy hono i Jesosy, kanefa moa... ilay "Finoanao" kosa anie TSY "azo avy any an-kibon-dreniny", TSY zavatra natoraly ho'a, fa zavatra namboarin'ny "fanabeazana/fampianarana" ao eee...


Izany ve... ny finoana kanefa dia araboajanahary tanteraka. Rehefa mino ianao fa ho vitanao ny asanao androany dia vitanao io... Rehefa mino ianao fa ho afakao ny baka dia afaka ianao na manala bakakely aza hihihihihi

Tsy misy finoana artifisialy izany ry namana a. Ny finoana an'Atra na ny tsy finoana an'Atra dia lasa artifisialy rehefa arahina boky artifisialy sy tablet manara-penitra. Fa ny an'ny Indianina any Amazaonina asa raha natoraly io na artifisialy? Tsy haiko a.

"Ny Finoanao no mahavonjy anao" Mazava ohatran'ny handrim-bazaha izany sa ahoana? Tsy miteny izy hoe Minoa an'iry na itsy... fa izao rehefa mino zavatra iray ianao dia vitanao io...

fa tsy I Patrick Vitantsika io a... ny azay mantsy vitantsika io kanefa sary amin'ny asan'olona no apetrany eo
24. rhaj0 ( 23/09/2015 12:25)
rhaj0:
... ilay "Finoanao" kosa anie TSY "azo avy any an-kibon-dreniny"..

endriny:
... ny finoana kanefa dia araboajanahary tanteraka. Rehefa mino ianao fa ho vitanao ny asanao androany dia vitanao io...

Ka raha izany ve, dia mitovy torosy izany
- ny "finoana" ananan'ilay zaza vao afaka ny kibon-dreniny, na hoe afa-nono, sy
- ny "finoana" ananan'ilay olo vory saina vory nofo

izaho "mino" (manaiky tsisy-porofo-fa-kamo-hanaporofo) fa tena "novolena" tao an-tsain'ilay olona (vory saina vory nofo) ny Finoany.. Izany no maha-samy hafa ny "finoana" arakaraky ny jeogirafia, na historia, na sosaity...

Raha ohatra ka "tokana ny Finoana", "tokana A.tra", dia ... tena nataoNY "tokana" ny Finoana sy A.tra eeee... ary dia nataoNY "mitovy" daholo ny revirevin'izay vory saina sy vory nofo rehetra eto @ ity tany ity... saingy... @ izao andron'ny fahalalana izao, dia ... sirika eeeee.... raolona ihany no "mamboly finoana" ao @ raolona.
25. bor2lais ( 23/09/2015 13:29)
ramose rhaj0:

... ilay "Finoanao" kosa anie TSY "azo avy any an-kibon-dreniny"..

Ampiako hoe raha tsy izany mba isan'ny mpino ihany i ramose ! :-)
26. rhaj0 ( 23/09/2015 13:33)
Ka iza no namboatra namboly ny "finoanao" tao aminao tao azany e... ianao ihany, sa i Mopera/Pasitera, sa tena ny FM direct eee...
27. endriny ( 23/09/2015 14:36)

rhaj0:
... ilay "Finoanao" kosa anie TSY "azo avy any an-kibon-dreniny"..


Hajaiko ny hevitrao saingy izao ange e: Inona no zavatra tadidinao avy any an-kibon-dreninao?

Tsy nisy akoho nahalala papango tao anaty atody... saingy rehefa mandala ny papango dia mandositra ny akoho miery ambany elatry ny reniny.

Tsy misy olona tsy mino izany. Raha artifisialy ny finoana dia tokony tsy ny nisy dikany tamin'ny tenim-pirenena maro fa tokony natao ohatran'ny teny hoe Ordinatera, na hoe Baiboly... izay avy amin'ny bible sy ny Ordinateur ihany...
28. bor2lais ( 23/09/2015 16:42)

rhaj0:

Ka iza no namboatra namboly ny "finoanao" tao aminao tao azany e... ianao ihany, sa i Mopera/Pasitera, sa tena ny FM direct eee...

:-)
Mila miakatra 3ème etage ramose raha te-handalina a ! :-)
29. rhaj0 ( 23/09/2015 16:45)
endriny:
Tsy misy olona tsy mino izany...

Ny Atheist (sy ny Siantista.. ankamaroany) k'lou dia aoka hazava fa "TSY mino", na ho'a hoe, milaza hoe "mino-rehefa-kamo-ny-hanome-porofo".

Ny fahitako azy, dia rahefa marefo/malemy/... raolona, dia miantsampy any @ "finoana" (na Finoana).. Ilay marefo/malemy dia tsy ara-batana, na ara-bola, na ara-fahafaha-manao sns.. fotsiny, fa ara-pahalalana koa.

Ka ny zaza dia manana reflexe @ "pensée magique" tokoany. Ny lehibe(be) dia mbola io "pensée magique" io ihany, fa élaborée kokoa.. dia io Kristianisma io ny santionany fara-tampony... ny Finoan'ny sasany moa dia TSY élaborée sy mahery sahala @ Kristianisma, ka dia saika resin'ny Kristianisma io daholo.

Finoana sy finoana:
La Pensée magique est une expression définissant une forme de pensée qui s'attribue la puissance de provoquer l'accomplissement de désirs, l'empêchement d'événements ou la résolution de problèmes sans intervention matérielle.

Ce type de pensée se manifeste principalement au cours de l'enfance et est, à l'âge adulte, appréhendé par la médecine comme un symptôme d'immaturité ou de déséquilibre psychologique.

La pensée magique est souvent associée au mysticisme et au courant du New Age.



(fa tsy manaiky ho tondroina @ io vala famaritana io moa ny Kristiana, fa dia anjaranao ny mandinika.. fa raha tsy izany dia izay izany.)
30. endriny ( 24/09/2015 14:45)

rhaj0:



Ilay teny hoe FINOANA ange Ramose tenimalagasy mazava be e, tsy ilaina teny vahiny mila mazava azy. Tsy Solosaina io ho'a na Vatafahitalavitra ka hoe mila akademisianina mandalina ny dikany amin'ny teny vahiny aloha vao adika tenimalagasy.

Fa io tsotra rehefa mino ianao fa tsy misy Andriamanitra dia efa Finoana izay
31. rhaj0 ( 25/09/2015 03:13)
endriny:
..rehefa mino ianao fa tsy misy Andriamanitra dia efa Finoana izay

Ilay hoe "mino" ho'a, amiko k'lou, dia "manaiky-tsisy-porofo" (aho) fa satria "kamo ny saiko".

Fa rahefa miasa ny saiko, dia mitady/manadihady na manaiky porofo aho, ary dia ho TSY manaiky aho, na koa faha-faharatsiny, mihantona ny jugement-ko.


Fa ny fahitako azy koa, dia hoe, "imagination fertile"-draolona fotsiny ihany ity Finoana (an'Atra) ity. Ka ny TSY-mpino dia TSY mitovy fisaina @ mpino, izay mampanidina ny imagination-na-mpino lava ao eeee... Rehefa "tsy-mino" dia TSY misy hoe lasa "mino" tampoka eo izany, dia hoe, "mi-imaginer fa TSY misy ny zavatra iray."

Asa raha mazavazava... Na izao indray azany e :
- mino (an'Atra) = mi-imaginer "etre imaginaire"
- tsy mino (an'Atra) = TSY mi-imaginer "ny tsy-misy"
32. endriny ( 25/09/2015 06:03)

rhaj0:

endriny:
..rehefa mino ianao fa tsy misy Andriamanitra dia efa Finoana izay

Ilay hoe "mino" ho'a, amiko k'lou, dia "manaiky-tsisy-porofo" (aho) fa satria "kamo ny saiko".

Tsy misy kajikajy ny finoana hoe kamo ny sainao na mandringa ny sainao na tsy ampy ny sainao fa rehefa mino ianao dia mino. Mino ianao fa tsy misy Atra dia izay izany. Izay fanaporofonao azy eo na artifisialy na natioraly dia anao sy izay mety miombon-kevitra aminao izay.

rhaj0:

Fa ny fahitako azy koa, dia hoe, "imagination fertile"-draolona fotsiny ihany ity Finoana (an'Atra) ity. Ka ny TSY-mpino dia TSY mitovy fisaina @ mpino, izay mampanidina ny imagination-na-mpino lava ao eeee... Rehefa "tsy-mino" dia TSY misy hoe lasa "mino" tampoka eo izany, dia hoe, "mi-imaginer fa TSY misy ny zavatra iray."

Asa raha mazavazava... Na izao indray azany e :
- mino (an'Atra) = mi-imaginer "etre imaginaire"
- tsy mino (an'Atra) = TSY mi-imaginer "ny tsy-misy"

Izay fomba filazanao azy eo fa finoana izay... tsy ilana tenivazaha izany na ilana teny bezanozano fa finoana izay... ny akoho no mandositra papango dia mino izy fa mipaoka ny papango na mbola tsy hitany aza....
33. Radavison ( 25/09/2015 10:29)
Salama Tompoko,

Fa sao dia afangaronao aza ny "famonjena (salut)" sy ny "fanabeazana kristiana(éducation/édification chrétienne)"
Raha hoe mino, fa tsy mila an'i Jesosy dia ampy, dia mba inona izany ny dikan'izay voasoratra hoe :
"Ny devoly koa mino ka dia mangovitra izy"


Veloma Tompoko,
Radavison

endriny:

Ny fanavotana dia avy amin'ny tenanao irery ihany. Tsy mila Jesosy, tsy mila fiangonana, tsy mila fara-rakitra, tsy mila voady. Hoy I Jesosy: "Ny finoanao no ahavonjy anao"

Fa tsy hoe andeha aho hanaraka vakiteny sy toriteny ary alim-bavaka dia voavonjy.
34. Radavison ( 25/09/2015 10:52)
Soa aby va ny mpisera?

Ny fahafatarako azy dia tsy misy olona maha-avo-tena izany satria
Masina, Masina ary Masina Andriamanitra. Tsy misy olona sahy mirehareaha hoe tsy nanota mihitsy. Ka eo indrindra isika izao:
Ny fanekena ny toerana misy ny tena fa mpanota (=tsy avotra) dia fanetren-tena (humilité), satria izany no fahamarinana; fa tsy fanambanian-tena velively (dévalorisation/méprise de soi-même)

Ny finoana fotsiny tsy misy an'i Jesosy Kristy ve dia ampy?
Ny devoly koa mba mino nefa mangovitra izy.

Misy amin'ireo zavatra nambaranao ireo tsy antoky ny famonjena tsy akory, ao anatin'ny programme d'édification an'ny fiangonana, izay samy manana ny azy; fa toa misy zavatra mifangaroharo be...

Dia veloma sy mahereza ry namana isany,
Radavison




endriny:


sitlo:

Ny tsy avotra ihany no mila fanavotana izany e.


Ka eo indrindra isika izao... Ilay olona izany tonga dia manambany tena be hoe tsy avotra raha tsy nodiovina tamin'ny ran'i Jesosy. Tsy avotra raha tsy vita batisa. Tsy avotra raha tsy manaraka ny didy folo. Tsy avotra raha tsy manaiky ny fifanekena vaovao. Tsy avotra raha tsy miambina ny fiverenan'i Jesosy. Tsy avotra raha tsy miangona isaky ny sabotsy na alahady. Tsy avotra raha tsy mikaonfesy.

Dia olona daholo no manao ireo valam-pamaritana ireo.

Dia ry zareo ihany no avotra
35. rhaj0 ( 25/09/2015 12:15)
endriny:
ny akoho no mandositra papango dia mino izy fa mipaoka ny papango na mbola tsy hitany aza....

"survival" izany ee... Ilay "Finoana" lasa "Fivavahana" no (tiako) resahina..

Izao indray azany e... TSY hainao hoe, mankaiza rehefa maty. Dia avy tokoany ny "sasany", ary dia "mampino" anao hoe, ... milatsaka tampoka io rahona io, ary dia mi-saute ianao mijapy an'ilay rahona, ary dia ho asosany miakatra "any ambony any".. ary dia "avotra"... hi hi hi .. "fanavotana" ity... "fanavotana" ity...

Ka "finoana" io sa tsia ? hi hi hi ... "Finoana", F mazioskiola akoriny azany io, satria i Jesosy no nandalo toa an'io nony maty, hozy ny Baiboly ao.. :-)


ntss... rehefa TSY hay ny ho aleha rehefa maty, dia ekeo hoe "tsy hay", fa tsy lasa mamoroporona (na minomino) resaka be fahatany toa io eeee..
36. endriny ( 28/09/2015 11:43)

Radavison:

Fa sao dia afangaronao aza ny "famonjena (salut)" sy ny "fanabeazana kristiana(éducation/édification chrétienne)"


Misaotra Tompoko... Saingy izao tsy afaka mahazo ilay famonjena Kristianina ianao raha tsy nandray ilay fanabeazana Kristianina.

Radavison:

Raha hoe mino, fa tsy mila an'i Jesosy dia ampy, dia mba inona izany ny dikan'izay voasoratra hoe :
"Ny devoly koa mino ka dia mangovitra izy"

Izy ity moa ry zareo tsy isika no namorona ny tantara fa isika no nitantarana ny tantara izay tsy hitantsika akory fa nisy nanoratra fotsiny. Satria ny feo mandala hono fa ny soratra mitoetra. Ka dia tena hain'ilay mpanoratra ny nanararaotra an'izay.

Fa maninona hono ny Devoly no mangovitra? Mampatahotra ve izany ny finoana?
37. endriny ( 28/09/2015 11:49)

rhaj0:

endriny:
ny akoho no mandositra papango dia mino izy fa mipaoka ny papango na mbola tsy hitany aza....

"survival" izany ee... Ilay "Finoana" lasa "Fivavahana" no (tiako) resahina..

Tsy liana tenivahiny ho'a ny fanazavana ny tenimalagasy hoe finoana Mino ny akoho fa mipaoka ny papango dia mandositra izy. Ny vorona eto Madagasikara raha mahita olona tonga dia mandositra satria efa mino izy fa votifitry ny flesy avy hatrany.

rhaj0:

Ka "finoana" io sa tsia ? hi hi hi ... "Finoana", F mazioskiola akoriny azany io, satria i Jesosy no nandalo toa an'io nony maty, hozy ny Baiboly ao.. :-)

ntss... rehefa TSY hay ny ho aleha rehefa maty, dia ekeo hoe "tsy hay", fa tsy lasa mamoroporona (na minomino) resaka be fahatany toa io eeee..

Manana Finoana dia ahafindra tendrombohitra ianao hoy Ingahy Jesosy izay. Manana Finoana fa raha tia karokaroka ianao dia ho hitanao ny fanafodin'ny omamiadana...
38. rhaj0 ( 28/09/2015 12:31)
Ka raha ilay "Finoana" moa dia tsy inona fa "imagination fertile" (et collective) be an-dRaolona ao...

Ka dia... "mikisaka tokoany ny tendrombohitra" ao @ "imagination"-n'i Jesosy ao eeeee.. tsy iadian-kevitra izany :-)


fa rehefa lazaina i raolona hoe, ianao no nikisaka, tout est relatif, fa tsy ny tendrombohitra no nikisaka, dia ... lasa indray izany Rakrisy hitsikaraka ao @ Baiboly hoe, ahoana koa izany... sa ahoana Radavison ???
39. endriny ( 29/09/2015 07:52)
Ilay hoe finoana ange zareo tsy zavatra terikely ohatran'ny justocorpn'ny Mademoazela e... Mba sokafy ihany ho'a ny saina
40. rhaj0 ( 29/09/2015 13:07)
iieee... "fertile" be ho'a ny "imagination"-draolona.. (i Madamoazela koa fertile :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.333