mapafatra ny momba an'yahoshuah

1. saaori ( 24/08/2015 06:53)
salama eh!mba jereo ny rtvyahoshuah.com
novalian'i Yahl ny 02/11/2015 12:31
2. ranthson ( 24/08/2015 07:21)

saaori:

salama eh!mba jereo ny rtvyahoshuah.com

Efa nijery tao a fa diso ny foto-kevitrareo, mahavery io lalana io fa aleo tsy mandeha any. milaza nareo fa mitazona ny Anarany yahoshuah tanteraka nefa ny teniny sy ny lalàny toherinareo, mpihatsaravelatsihy. fampianaran-diso tanteraka.
3. saaori ( 24/08/2015 07:29)

ranthson:

[quote=saaori]
salama eh!mba jereo ny rtvyahoshuah.com

Efa nijery tao a fa diso ny foto-kevitrareo, mahavery io lalana io fa aleo tsy mandeha any. milaza nareo fa mitazona ny Anarany yahoshuah tanteraka nefa ny teniny sy ny lalàny toherinareo, mpihatsaravelatsihy. fampianaran-diso tanteraka.
[ina kay le teniny sy lalany toherinay? ENAO TENA DISO HEVITRA? fakafakao tsara aloha eh!/quote]
4. saaori ( 24/08/2015 07:48)
tena mba mandiny tsara aloha ry namana ah! sao mba anenenanao ny teny natanao?
5. ranthson ( 24/08/2015 08:14)

saaori:

tena mba mandiny tsara aloha ry namana ah! sao mba anenenanao ny teny natanao?

Tena tsy anenenko mintsy, nareo mpamitak'olona, entinareo any @ fahaverezana ny olona sy ny mpino. Tsy foana izany ny didy folo. Tsy mila dinihana intsony zany. JAMAIS; Rehefa diso dia diso. Aolanareo ny hevitry ny baiboly entinareo hamitahana olona. Manao an'i Jesosy ho tsy misy.
6. saaori ( 24/08/2015 08:27)
ka le jesosy teneninao io anie ka diso eh! devoly io! vakio ny efs:2/15 de kols:2/14 momba le dd10 rava io ah!
7. ranthson ( 24/08/2015 08:43)

saaori:

ka le jesosy teneninao io anie ka diso eh! devoly io! vakio ny efs:2/15 de kols:2/14 momba le dd10 rava io ah!

Aza aholana oa le tenin'A/tra, efs 2 :15 tompoko resaka famorana. vakio daolo ny efs 2 rehetra dia ho azonao leiz.
"fa tao amin'ny nofony no nandravana ny fandrafiana dia ny lalàna sy ny didy natao hotandremana, mba hanakambanana antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray , ka hanaovany fihavanana" io ve?
ilay lalàna sy didy = famorana, hanakambanana antsika roa tonta = iza ireo roa tonta ireo = Jisoy sy ny Jentilisa. aza aolana ny tenin'A/tra.
kol 2 :11 "ary tao aminy koa no namorana anareo tamin'ny famorana tsy nataon-tanana , tamin'ny fanesorana ny tenen'ny nofo, dia tamin'ny famoran'i Kristy"
kol 2:14 mbol resaka famorana ihany ko io, vakio tsara ny kol 2 rehetra fa aza tsongoloina .
8. saaori ( 24/08/2015 08:49)
efa mazava be io fa wefa tao @nofony no nandravan ny fandrafina de ny lalàna sy ny didy natao ho tandremana ! ka ina le didy natao ho tandremana? le didy10 io ! magzava tsara eh!
9. ranthson ( 24/08/2015 09:07)

saaori:

efa mazava be io fa wefa tao @nofony no nandravan ny fandrafina de ny lalàna sy ny didy natao ho tandremana ! ka ina le didy natao ho tandremana? le didy10 io ! magzava tsara eh!

non, non et non!!! famorana io. Ny didy 10 tsy rava izany e! vakio daolo oa le toko rehetra fa aza tsongoloana le toko sy andiny mba hamitahana olona.
10. ranthson ( 24/08/2015 09:12)
Ary raha izany Anarana izany, 'yahoshuah nareo mandrava didy 10 zany? io ilay oe kristy sandoka sy mpaminany sandoka. ny voany no ahafantaranareo azy. amiko tsy diso na yahoshuah na Jehovah na Jesosy na Jésus na Jesus. Jehovah no nanome ny fiteny, Izy no nampisaraka ny fiteny, amin'ny malagasy tsy miexiste ny "u" avy amin'A/tra ny teny malagasy. dia izahay manompo azy amin'ny fiteninay.
11. RBNIR ( 24/08/2015 09:41)
saaori:

ka le jesosy teneninao io anie ka diso eh! devoly io! vakio ny efs:2/15 de kols:2/14 momba le dd10 rava io ah!

« ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana, » (Kol.2:14)
Ilay soratanana tety ivelany (izay hita sy norenesina ary nohezahina hotanterahina amin'ny alalan'ny herin'ny tena) no novonoiny...

Ary nosoloiny kosa....« "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," » (Heb.10:16)

Nosoloiny soratra ao am-po, saingy iny lalàna iny ihany fa tsy hoe lalàna hafa akory....

Fantatrao tsara anie izany e, matoa ianao tsy mijangajanga ; tsy mangalatra, ary tsy mamono olona,

Saingy diso amin'ny iray loha ianareo hoy aho satria tsy mitandrina ny Sabata....« Fa na iza na iza mitandrina ny lalàna rehetra, nefa diso amin'ny iray loha dia meloka amin'izy rehetra. » (Jak.2:10)
« Fa Ilay nanao hoe: "Aza mijangajanga" no nanao hoe koa: "Aza mamono olona" (Eks. 20.13, 14). Fa raha tahìny tsy mijangajanga ianao, kanefa mamono olona ihany, dia mpandika ny lalàna ianao. » (Jak.2:11)......

Fehiny tsy ilay didy folo no novonoiny fa ilay soratra ivelany novonoiny novainy soratra anatiny saingy ilay didy iny ihany fa tsy didy hafa akory......
12. ranthson ( 24/08/2015 11:23)

RBNIR:

5/5 ry RBNIR a! marina mihintsy. Efa voapetaky ny vy mamay mintsy ireto Jiosy ireto raha mbola mazava aminy ireo fanazavana ireo.
13. RBNIR ( 24/08/2015 11:49)
ranthson:

5/5 ry RBNIR a! marina mihintsy. Efa voapetaky ny vy mamay mintsy ireto Jiosy ireto raha mbola mazava aminy ireo fanazavana ireo.

Fahamarinana no zaraintsika namana a! AZY IRERY IHANY NO VONINAHITRA!!!!
Ny fifalianay dia ny mahita olona iray miala ao amin'ny maizina ka miditra ao amin'ny mazava....
14. ranthson ( 24/08/2015 11:59)

saaori:

ka le jesosy teneninao io anie ka diso eh! devoly io!

"Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona dia hahazo famelan-keloka ihany, fa na iza na iza miteny hanohitra ny Fanahy Masina dia tsy mba hahazo famelan-keloka na amin'izao na amin'ny ho avy" Mat 12 :32

Enga anie ka hamindrafo @nao i Jesosy.
15. Strong3 ( 25/08/2015 06:32)
tara PUB indray za marina :-) :-) :-) hihihih
16. Rafieritreretana ( 30/08/2015 13:59)
ranthson: "FAMORANA HONO NO RAVA FA TSY NY DIDY FOLO"??
-->Ny olona mifora (Jiosy) no nomena ny didy fa tsy ianao velively... ny fiforan'ny hafa firenena dia tsy araka ny lalàn'i Moïzy fa vokam-pikarohana noho ny siansa (fahasalama)!
Noho izany, ho an'ny Isiraelianina nomena ny didy folo sy ny lalàn'i Moïzy dia tsy rava velively ny famorana, fa ianao manao torapo be fotsiny... angaha izy ity araka izay eritreritrao eh; lalàna arahana rehefa te-hahafantatra ny fomba fiarahana amin'Andriamanitra.

TSAROVY FA NY OLONA MIFORA (JIOSY) DIA MPITROSA TSI-MAINTSY MANKATO NY LALANA REHETRA, ary ny lalàna dia 600 mahery no isany fa tsy folo velively araka ny eritreritry ny sasany!
Galatiana 5:3/ Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.

NOHO IZANY, RAHA RAVA NY FAMORANA, DIA RAVA TOY IZANY IHANY KOA NY DIDY FOLO SY NY LALANA REHETRA (satria ny mifora no tsi-maintsy mitandrina ny lalàna rehetra, kanefa milaza ianao fa rava ny famorana...DIKANY RAVA IHANY KOA NY DIDY REHETRA.

==>Hadalàna ny anareo mifikitra mafy amin'io didy folo sy ny lalàn'i Moizy io; olona lavo niala tamin'ny fahasoavana, ary ANDRIAMANITRA MIHINTSY NO MANAO FANAMBARA hoe: "TAFASARAKA AMIN'I KRISTY" izay rehetra mikiribiby mbola mitandrina ny lalàna.
Galatiana 5:4/ Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.

==> Lalànan'i YAHOSHUAH amin'izay arahana raha te ho any an-danitra ianao:
-LALANA VOALOHANY: "RAVA NY DIDY FOLO, SY NY LALAN'I MOIZY"

Ephésiens 2:11-15/ (Biblia hebraïca stuttgartensia)
Souvenez-vous donc, vous, les nations de la chair, vous qui étiez dits prépuce par ladite circoncision de la chair, faite de main d’homme. Vous étiez alors sans messie, étrangers à la cité d’Israël, en dehors des pactes de la promesse, sans espoir et sans Alohîms dans l’univers. Mais maintenant, dans le messie Yahoshuah, vous qui étiez loin, vous êtes devenus proches, dans le sang du messie. Oui, il est notre paix, celui qui des deux a fait un, ayant aboli le mur mitoyen de la séparation, la haine, dans sa propre chair; ANNULANT LA TORA DES ORDRES EN SES ORDONNANCES, pour que des deux soit créé en lui un seul homme nouveau par lui artisan de paix,

17. Strong3 ( 31/08/2015 06:24)
rehefa rava ny didy sy ny lalana izany dia migalabona ny mpino sa ahoana izy ao rafieritreretana!?

18. rhaj0 ( 31/08/2015 11:45)
Rafieritreretana:
ny fiforan'ny hafa firenena dia tsy araka ny lalàn'i Moïzy fa vokam-pikarohana noho ny siansa (fahasalama)!

Resaka ao anaty Baiboly io eritreretin'i Rafieritreretana io, sa eritreritr'i Rafieritreretana irery ao ???

Ny fanesorana ny prepuce, na koa ny clitoris, dia mandika ny finianan'ny dokotera. Tsy azo atao ny manala taova salama. Teboka.
19. Strong3 ( 31/08/2015 12:52)
ny gasy koa ve nisy siantifika mba nanao andrana hamora? :p hihihi
20. animation ( 26/09/2015 18:33)
Hotrany efa heniko tokoa le anarana hoy Yahoshuah.Mba mahaliana ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1799