Ahoana no ilazana fa misy fitiavana ?! tsy foatery ho olondroa

1. Strong3 ( 30/03/2015 07:03)


Misy miteny hoe ny manome no tena fitiavana
Misy miteny hoe ny mandray
Misy hoe ty sy day

Sao mba fitiavan-tena no tena misy eto ambonin'ny tany ? sa nofinofin'ny te hotiavina no betsaka sa ny hitia ???...
novalian'i rhaj0 ny 27/05/2015 13:43
2. matehotia981 ( 11/04/2015 08:39)

Strong3:



Misy miteny hoe ny manome no tena fitiavana
Misy miteny hoe ny mandray
Misy hoe ty sy day

Sao mba fitiavan-tena no tena misy eto ambonin'ny tany ? sa nofinofin'ny te hotiavina no betsaka sa ny hitia ???...
Sao de fitiavam-bola kosa ary zany?
3. matehotia981 ( 11/04/2015 08:42)
Misy fitiavana ny olona iray rehefa manao soa @ olona rehetra
Ra misy mamelaka ny takolakao ankavia dia omeo azy koa ny havanana. Fitiavana izany
4. rantsvonjy ( 18/05/2015 19:56)
ny tena tia de tsy mitaky na mitady tambiny am'zay rehetra vitany...!!! io no tena fitiavana marina fa tsy ilay fitiavanolondroa.
5. Strong3 ( 19/05/2015 06:56)

rantsvonjy:

ny tena tia de tsy mitaky na mitady tambiny am'zay rehetra vitany...!!! io no tena fitiavana marina fa tsy ilay fitiavanolondroa.


tena betsaka ny milaza izany ...
saingy rehfa ela ny ela dia leo ihany izy indraindray; dia manomboka mitady valiny raha toa ka tsy misy feed back mihitsy avy any amin'ilay ankilany.

sa hoe misy sahy milaza fa tsy tratran'izany mihitsy ianareo , indrindra fa rantsvonjy? :-)
6. rantsvonjy ( 19/05/2015 10:08)
tsy hoe rà manampitiavana akory de tsy maintsyhaneho izany @olona rehetra, fa mila mahay mandanjalanja. Manjary alaimpanahy'ndray ny hafa hanararaotra zany fitiavana zany....!!!!
7. Strong3 ( 19/05/2015 10:33)
raha dia mody tsy tia indray izany ?...

dia efa lazain'ny olona fa tsy manampitiavana ianao na tia aza nefa tsy maneho... ary io fanararaotana io no mampitsiry ny tsy fitiavana eny amin'ny fiarahamonina sy ao amin'ny lafin'ny fitiavan'olondroa koa.
8. rantsvonjy ( 19/05/2015 10:55)
rà fitiavan'olondroa , mbola resaka hafa mitsy ny @iny, rà ny fitiavana eo @fiarahamonina ndray dia enao ihany no mametra an'io,arak'izay mety @nao fa tsy zay mety @hafa
Ny olona sasany anie minia tsy mijery zay soa ataonao e! fa ny hitsikera fôna, na ny manaratsy na dia manao ny mety aza ianao....!!!
9. Strong3 ( 19/05/2015 11:38)
:-) andeha ary hiverenana ny atao hoe fitiavana?
10. rantsvonjy ( 19/05/2015 14:46)

Strong3:

:-) andeha ary hiverenana ny atao hoe fitiavana?


ampy angamba zay hevitra rehetra zay ,fa dia miankina @tsirairay ihany io....!!!!!
11. rhaj0 ( 27/05/2015 13:43)
[size=8](nofafako ny nosoratako teto taloha fa diso... andrana #2...)[/size]

Nijerijery pisikolozia aho dia hoe...
Love is inherently compassionate and empathic.
compassionate = feeling or showing sympathy and concern for others.
empathy = the ability to understand and share the feelings of another.
Love knows that the "other" is also oneself.


Raha ny fahazoako azy, dia ...

1- ilay izy dia hoe, "rahefa mahatsapa ny tsapan'ny andaniny, toa ny fahatsapan-tena anao ao ihany"..
Ny nolazain'ilay pisikolozia io ambony io, dia manatitrantitra sympathy, mahatsapa ny tsapan'ny andaniny, sy ny sharing, mizara sy miombona..
Ka dia io izany, raha ny fahitako azy, dia mitovy @ revin'ny Ntaolo hoe : "tanan-kavia sy havanana".. samy manan'ny azy, fa samy kOpy ny andaniny ary miara-marary/faly

2- fa kosa, ilay izy dia TSY hoe, "rehefa mandray ny andaniny ho toa ny tena" .. diso io raha ny fahatakarako azy. Izany dia mitovy @ revy kristiana hoe, "tiavo ny namanao tahaka ny tenanao".. TSY ho "tahaka ny tenanao" mihintsy ilay namanao, fa manana ny reviny izy. Ny tananao havia dia TSY ho tahaka ny tananao havanana mihintsy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2551