Ny Leglizy Katolika sy Mada

1. rhaj0 ( 23/12/2014 18:31)
http://www.lexpressmada.com/blog/actualites/geopolitique-la-toute-puissante-eglise-catholique-24109
On avance aisément que les fidèles catholiques frôlent presque les 40% de la population malgache. (..) L’église catholique est maintenant présente presque dans la totalité de 17 750 Fokon­tany et ses établissements scolaires dans les 1 500 communes. Les œuvres de charité catholique se répartissent à travers l’Ile. Cette proximité par rapport à la société malgache rend cette religion dominante et presque envahissante.
novalian'i rhaj0 ny 23/01/2015 17:05
2. hery ( 23/12/2014 18:50)
Azo atao tsara ny fifaninanana masina.

Te hahita mafy mihitsy aho an'ireny pasitera-na sekta ireny miady mafy hanao izay hanasoavana ny mpiara-belona aminy... alohan'ny hanasoavany ny tenany.

- Hividy tanimbary ho an'ny mahantra aloha vao mividy 4x4 na Hummer
- Hanangana sekoly ho an'ny tsy mianatra aloha vao hanamboatra villa
sns...

Vitan'ny Katolika ve dia tsy ho vitan'ny sasany ?
3. rhaj0 ( 23/12/2014 19:17)
Izaho manokana aloha dia nisaporitra mihintsy t@ namangy ilay akanin'ny sembana tatsy Andoharanofotsy (izay moa izy teo) karakarain'ny Katolika.. Ilay marary dia sembana giravibe: misy vitsivitsy zareo, dia nisy aretina, ka ny lohany iny, dia lasa ngezabe. Dia toa "zazakely" izany ny age mental-ny. Fa karakarain-dry Masera sy Mamera ao zareo. T@ voalohany, nahita azy ireo napetraka tamina fandriana misy fefy avoavo ihany aho, dia taitra kely aho, satria sambany vaonahita, ka hoe, sao sanatrian'izany toa fametrahana biby na alika izy izany, fa rahefa nifampiresaka t@ Masera dia ho securite-ny ihany. Dia izao moa ny aty andafy ny zazakely koa atao anaty fandriana mifefy. Dia mikarakara sahala @ miakarakara zaza tokoany moa ireo Masera/Mamera..

Nieritreritra mafy aho t@ izay, dia hoe... euthanasia ve, sa kosa, dia hajaina h@ fara-fofon'aina ilay aina ?? nitongilana euthanasia aho...
4. sitlo ( 30/12/2014 11:22)
Tsy haiko tsara aloha ny hitanareo fa tsy mbola nahita katolika nanangana sekoly ho an'ny mahantra izany aho fa mahantra nanangana sekoly ho an'ny katolika no efa hitako e.
Taomina hanangom-bola sy hitaona biriky ary handrafitra daholo ny malala-tanana. Dia avy eo ny zava-bita lasa sekoly katolika ihany. Mandoha ekolazy ihany avy eo ny olona.
5. rhaj0 ( 30/12/2014 15:43)
Toa izao ny zava-misy aty Kanada, provansin'i Ontario aty aminay, ny @ sekoly (katolika).. Misy roa ny sekoly public: ny public sy ny public-catholique (tsisy mandoa ekolazy). (dia misy koa ny Anglophone sy francophone). Laginina ny maro (na ny sasany) fa ny sekoly katolika dia mahazo koa ny volam-panjakana. Dia izy moa mahazo avy @ reseau katolika izay mahery. Ary dia hotry ny hary fitaovana kokoa zareo raha miolotra @ sekoly tsy katolika. Fa kosa, ireo izay tsy metimety, ohatra hoe, ireo ankizy tsy hoe sembana fa autiste kely ihany, dia toa mankany @ sekoly katolika ny maro aminy, azony hotry ny hoe, any no misy kokoa angamba ilay compassion.. tsy haiko.


Fa ny mandaginina ny maro (na ny sasany) @ fiangonana @ ankapobeny, dia TSY mandoa impot zareo. Ny Leglizy be dia TSY mandoa impot (foncier), nefany io impot io ohatra, no ampiasaina hanadiovana ny manodidina ilay Leglizy (ary manao lobby damopra hampatsara ny lalana mankao @ Leglizy). Ny ONG hafa koa dia tsy mandoa impot, fa miolotra @ haremben'i Leglizy, satria %-n'ny harenanao ny impot, dia sakafon-tsaka no mba tsy aloany (indrindra moa ireo ONG madinika).


Na izany aza, dia afaka miara-mampitaha isika, goavana be anankiroa:
- Catholic Relief Services (CRS)
- Croix-Rouge (International) (CR)

Mila miara-manadihady isika, ny @ hoe ahoana ny fanaovan-draharaha an'ireo roa ireo...

1- iza no vonjeny : manavaka ara-pivavahana ve ohatra ry CRS, sa tena tsimialonjafy sahala @ CR ?

2- mankaiza ny vola (don) : miodina any Vatican (io no critique nahazo an'i Mere Teresa), na koa hoe, lasa hanaovana fanompoam-pivavahana ve ny vola, sa ... manatavy ny deba rehetra ao @ ambaratongam-pahefana ao @ CR .. sa dia tena mandeha any @ mila azy..

3- ahoana ny fitantanana ny vola (don) : misy transparence sy accountability ve sa dia ... "minoa fotsiny" ?

4- .. etsetra...

6. sitlo ( 30/12/2014 21:22)
Izaho indray aloha tsy miraharaha an'ilay Vatican sy ny tariny loatra, fa ilay sekoly katolika malagasy nanohitra fanjakana no tsy tiako.
Tsy hitako mihitsy ny olana raha avela hisafidy ny teny ahaizany ny mpianatra. Fa ny sekoly katolika tonga dia tsia, sady izy hono no mananana sekoly tsy miankina miely indrindra.
Dia avy eo any ambanivohitra any, milaza izy fa ny mpianatra amin'ny sekoly tsy miankina no mahay kokoa ka rah tiana resena lahatra ny ray aman-dreny handefa ny zanany hianatra dia tokony tohanan'ny fanjakana ara-bola ilay sekoly mba hampienana ny ekolazy.
Manorina sekoly ho an'ny mahantra ahoana ary izany?
7. rhaj0 ( 30/12/2014 21:58)
Tsy azoko tsara ny resak'i Sitlo.

1- ny @ "teny ahaizan'ny mpianatra" tsisy "safidy" : tonga dia priatin'ny Katolika ho ... teny frantsay ve sa ahoana izy ao ?

2- ny @ itadiavany ny "fanohanan'ny fanjakana ara-bola" avy @ fanjakana mba "hampienana ny ekolazy", dia nahazo ve zareo ?


Raha ny mitranga ao Quebec, dia ny "fanohanana ara-bola avy @ Fanjakana" an'ireo sekoly TSY miankina dia miaraka amina "conditions", ohatra hoe, TSY maintsy manaraka ny cursus fa TSY hoe, ohatra sanatrian'izany hoe, TSY hampianatra siansa zareo fa mivavaka lavareny ao fotsiny. Na koa hoe manaraka procedure sy controle ny fandeham-bola, sao dia hoe, voavilivily any @ fanompom-pivavahana fa tsy any @ fampianarana.

Dia sahala @ io 1- io, ny ao Quebec izao, dia TSY maintsy atao @ tenin-dreniny (Frantsay) ny fampianarana; fa raha teny internasionaly (Anglisy) dia TSY mahazo fanohanana ara-bola. Izay no lalAna. Resaka (safidy) politika io.


Fa ny hevitra ambadiky ny "fanohanana ara-bola avy @ Fanjakana" (subvention) dia hoe, raha ohatra ka tsy misy ilay sekoly tsy miankina io, dia inona fa dia voatery ny Fanjakana hanokatra sekoly hampianatra ireo zaza ireo. Ary lafo kokoa raha voatery raisin'ny Fanjakana an-tanana ireo zaza ireo. Raha atsy @ TSY miankina anefa, dia mba misy vola aloan'ny r-a-d izany. Dia raha Katolika moa izy, dia mba mino sy manantena aho fa mba manome kely koa I Vatican (ampahafirin'ny harembeny ao ilay mba azahoan'ny mahantra kely mianatra e...).

Fa araka ny lazain'i Sitlo, dia mbola ampandoavin'ny Katolika ekolazy izany ny ... mahantra. Aiza tokoany azany izy izany e... Dia be zizo toa hanao chantage ve izany izy ao ?

8. saolarambelo ( 21/01/2015 11:27)
Mahantra an'iza ary ireo e? An'ny katolika irery ve, sa...? Eo no tsy azoko, sao dia @ilay 40% ihany aza no mianatra amin'ny sekoly katolika
9. rouj ( 22/01/2015 10:50)

Aza tonga dia miteny hoe sekta aloha fa tsara raha fantarina tsara ny tena dikany. Fantaro fa ny:
1- Fiangonana voalohany dia niforona t@ andro pantekosta tany Jerosalema ka ny Apôstôly no nisantatra izany (Asa 1:8). Izay niala t@ io fahatsapana izay noraisin' ny Apôstôly io no atao hoe sekta satria nisitaka t@ fomban'ny Fiangonana voalohany.
2- Nahôna no lafiny ara-materialy no tena hireharehan'ny olona sasany. Tsia, amiko ny fanasoavana lehibe indrindra ilain'ny Fiangonana atao voalohany dia ny fanaparitana ny filazantsara; fanambarana ny olona ny planin'ny famonjena. Azonao jerena ao @ Asa Apôstôly 2: 38 fa io no ahazoan'ny olona famonjena raha akatoaviny. Rehefa voavonjy ny ara-panahin'ny olona mandeha ho azy ny fitahiana ara-nofo.
Ka inona mo no soa azon'ny olona raha anaovanao soa ara-nofo ihany fa ny fanahiny ho very ihany. Fitaka ihany raha izany.


hery:

Azo atao tsara ny fifaninanana masina.

Te hahita mafy mihitsy aho an'ireny pasitera-na sekta ireny miady mafy hanao izay hanasoavana ny mpiara-belona aminy... alohan'ny hanasoavany ny tenany.

- Hividy tanimbary ho an'ny mahantra aloha vao mividy 4x4 na Hummer
- Hanangana sekoly ho an'ny tsy mianatra aloha vao hanamboatra villa
sns...

Vitan'ny Katolika ve dia tsy ho vitan'ny sasany ?
10. endriny ( 23/01/2015 16:44)
Ny Komonio aza tsy tongatonga ho azy teny an-tananan'i Mopera ka zarainy maimaimpoana aminao raha tsy nisy nandoa rakitra sy vokatra. Ary ny tena lalina sy loza dia raha any ambanivohitra any ianao dia tsy tonga manantona anao izany I Mopera raha tsy ampy ny vidin-dasantsy ho an'i 4x4 entiny... Ingahy katekista ihany no ampanaoviny irakely maimaipoana eo...

Fa ny fomba Katolika no itarafantsika ny politikan'ny ampihimamba sy ny didikofelehibe misy eto amin'ny tany sy ny fanjakana ary ny faniratsirana ny madinika zara raha mahita ny ho arapaka isan'andro.
11. rhaj0 ( 23/01/2015 17:05)
rouj:
Tsia, amiko ny fanasoavana lehibe indrindra ilain'ny Fiangonana atao voalohany dia ny fanaparitana ny filazantsara; fanambarana ny olona ny planin'ny famonjena.

Miombo-kevitra aminao aho.. Ary TSY tokony hiditra politika na koa ekomonia ny Fiangonana...

ny resaka "any an-danitra" no hany tokony ataon'ny Fiangonana, fa izay rehetra eto an-tany dia aoka ho an'ny eto an-tany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5436