Hira Krismasy tianareo

1. rhaj0 ( 16/12/2014 11:36)
Ity izao no reko omaly ary tena mba manentanentana (ahy)...
When The Song Of The Angels Is Stilled, ohatra raha mi-google dia eto
https://www.youtube.com/watch?v=5xs_P-4ydtE
novalian'i rhaj0 ny 19/12/2014 16:08
2. rhaj0 ( 16/12/2014 11:40)
ampiako kely... ny feon-kira dia tena ao @ itiavako azy, fa ny tonony koa, dia milaza hoe "The Work of Xmas is Begun"

[size=8]F'izany hoe, aty aminay, "The Works" dia restau manjabe :-)[/size]
3. rhaj0 ( 16/12/2014 18:02)
Ho an'ny Ankizy indray ny anay ny ankizy dia ity no malaza aty
https://www.youtube.com/watch?v=sXoJ1CmMlNA

Ilay feon-kira tena jazzy @ itiavako azy.. fa ny tonony koa, dia milaza hoe "To Kids From One To Ninety-two"
4. booboo ( 17/12/2014 09:41)
Ny ahy ity :

http://youtu.be/bsHtNZzpzcI


( efa lasa aho eeeeeeee ] ------ > )
5. rhaj0 ( 17/12/2014 14:25)
Tena ... "lasa" koa aho :-)


Fa misy hira iray izay koa tena reveko... mbola mitady youtube manome ilay version mangombogobona mampientam-po be aho, fa ny loha-teny k'lou dia "Kumbaya"

Dia ilay hoe "Kumbaya" hono ka dia ny lazain'ireo mainty andevo efa ho 400 taona tany tao zamerika tao angaha izy izany. Hoe "come by here". Fa noamaintisiny (sahala @ hoe nogasiana ireny teny) dia lasa "Kumbaya". Fa very hono ilay hira, fa kosa hono nentin'ireo misionera tany Afrika, dia taty aoriana vao nofongarina indray, ary dia niverina tany zamerika indray.

Ka hoe "Come By Here, My Lord", izay raha ny fahazoako azy, dia hoe "Avia aty ry A.tra-ko aaaa..."

Mahalasa saina, fa ny aty dia toa miantso an'i Mino foana, "Avia Ry Mino", fa ny an'ny rahalahintsika mainty andevo 400 taona lasa izay dia, "Avia ry A.tra-ko a..."


Ka i A.tra izany toa tsy mety avy angamba, nefa ny fijaliana efa tsy eran'ny saina sy fo amam-panahy sy vatana intsony... ho an'ny rahalahintsika mainty andevo fahiny.

Nefa ny "Mino" efa eo foana, nefa dia mbola antsointsoina foana... ho an'ny rahalahintsika gasy eto ankehitrio ohatra :-)



6. rhaj0 ( 17/12/2014 15:36)
Entre-pa fa tena "hevitra lalina" mihintsy ny fahitako an'ity Kumbaya ity..

Ny Malagasy koa, dia ireo izay inoany, ny Razana io, dia iriany ho "tonga aty" hitahy azy.. Hitako araka ilay hoe, rahefa tsy ho avy, na rehefa tsy hitahy, dia "mifohaza iady vomanga".

Ny Kristiana indray, raha ny fahazoako azy, dia ny "manantona ny Ray" no ambeti-teny sy ambeti-kira.


ka dia ahoana izany ?


Raha ny kely takatro, dia ny fivavahana Kristiana, dia tena crane-be ireo, na ilay namorona azy. Ary tena voa-prevoyer-ny tsaratsara mihintsy izay reaction-n'ny olona. Io izany dia "apetraka" atsy @ tsy takatra atsy Izy, ary dia "ianao raolombeolna" no mipapapapa "manantona", satria apetraka fa izay ilay "finoana". Rahefa tsy tonga any ianao, dia "ianao no diso".

Nefa io izao ny an'ny Malagasy, dia tena rahefa TSY mitaha ilay inoana, dia tena hoe, "mifohaza" f'aza mikepoka any fotsiny, fa ny fahoriana eto efa tsy eran'ny saina sy fo ary vatana amam-panahy intsony.


Heverovereto 5 segondra fotsiny hoe, raha atao koa hoe, "O ry A.tra, rahefa tsy hitahy dia mifohaza iady vomanga"... 5... 4... 3... 2... 1... vita.
7. rhaj0 ( 18/12/2014 13:38)
Ny rahalahy sy anabavy mainty indray dia tsy hadino mihintsy (izaho aloha) rehefa aty. Ity indray misy malaza anankiray, tsy voatery zmas ity, fa lasa internasionaly.. asa raha efa misy tonony gasy izy ity.. googler-o hoe "siyahamba".. mety ho hotry hotry ny hoe "lasa izao" ve ? :-)
Ohatra eto:
https://www.youtube.com/watch?v=1TvWPJGU5Ck
8. gasy1zay ( 18/12/2014 18:43)

rhaj0:

Raha ny kely takatro, dia ny fivavahana Kristiana, dia tena crane-be ireo, na ilay namorona azy. Ary tena voa-prevoyer-ny tsaratsara mihintsy izay reaction-n'ny olona. Io izany dia "apetraka" atsy @ tsy takatra atsy Izy, ary dia "ianao raolombeolna" no mipapapapa "manantona", satria apetraka fa izay ilay "finoana". Rahefa tsy tonga any ianao, dia "ianao no diso".


Ny ahy indray ny hitako tena fetsy dia ilay devoly sy satana nahavita nandresy lahatra olona maro fa ny resaka devoly sy satana izany dia tsy misy fa ny kristianina no namorina izany nefa dia manangana fiangonana satanika. Maninona marina moa ry zareo raha resy lahatra hoe tsy misy Andrimanitra ary tsy misy devoly sy satana no manangana fiangonana satanika hanompoana an'i satana?
9. rhaj0 ( 18/12/2014 22:21)
Ilay concept-na "devoly" sy "satana" re ry Gasy1zay dia ao anatin'ny concept "fivavahana Kristiana" sy "Abrahamic" ee... sy koa izay finoana hafa toa ny hinduism na budhism h@ Amerindiana... Ary TSY mitovy ny concept-na devil @ ireo. Dia ohatra koa, ny Ntaolo ve hoy ianao manana "devil/demony/satana" izany ???

Dia nametraka an'io koa ho'a ilay "crane-be" @ izay mora ho anao, "mino", ny manazava resaka.

Ny olona TSY ao anatin'ny fivavahana dia TSY maha-imaginer an'izany zavatra ... ao @ "imagination collective"-na(re)o izany...

Fa rehefa "kamo" fotsiny ny saina, dia izay ratsy rehetra dia akapoka ho devil; izay tsara dia akapoka ho A.tra.
10. gasy1zay ( 19/12/2014 14:43)

rhaj0:

Ilay concept-na "devoly" sy "satana" re ry Gasy1zay dia ao anatin'ny concept "fivavahana Kristiana" sy "Abrahamic" ee... sy koa izay finoana hafa toa ny hinduism na budhism h@ Amerindiana... Ary TSY mitovy ny concept-na devil @ ireo. Dia ohatra koa, ny Ntaolo ve hoy ianao manana "devil/demony/satana" izany ???

Dia nametraka an'io koa ho'a ilay "crane-be" @ izay mora ho anao, "mino", ny manazava resaka.

Ny olona TSY ao anatin'ny fivavahana dia TSY maha-imaginer an'izany zavatra ... ao @ "imagination collective"-na(re)o izany...

Fa rehefa "kamo" fotsiny ny saina, dia izay ratsy rehetra dia akapoka ho devil; izay tsara dia akapoka ho A.tra.


t@ Ntaolo ary hatr@ izao dia nisy ny demoniaka fa tsy fantany hoe demoniaka ilay izy satria tsy nisy nampianatra azy fa dia mpamosavy no fiantsony azy, inona moa ny mpamosavy? olona nilalao ody ka nentin'ny odiny hivoaka alina miboridana ho eny @ fasana hilalao fasana na faty, jereo ny baiboly fa misy demoniaka mitovy tsy misy valaka @ io ao.

"Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin’ ny fasana."

Tsy resaka kamo ny saina fa rehefa mahiratra ny masom-panahy :)

Tsy maha-imaginer an'io ny olona sasany satria izy ireo no manamafy ny fony TSY TE-HINO na TSY MANAIKY HINO satria .... Ianao mahalala ny antony tsy hinoanao ka dia diniho tsara fa ianao mahafantatra azy. :)


11. rhaj0 ( 19/12/2014 16:08)
Raha ny @ mpamosavy aloha dia.. raha misy raha nataon'ny tany Israely t@ 2000 taona lasa, dia koa nataon'ny Ntaolo aty Mada, 500 taona lasa, dia ... izay izany. Nihinana hena omby koa ny Ntaolo fa tsy nahay nanao divay kosany anefa fa ranovola ihany...


Fa "rehefa mahiratra ny masom-panahy" dia "manaiky-tsisy-porofo-tsisy-adihevitra", hoz'ianao ?

Dia "manamafy ny fony" ny olona TSY te-"hanaiky-tsisy-porofo-tsisy-adihevitra", hoz'ianao ?

Tena miombo-kevitra tokoany isika @ ireo roa ireo..
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2867