Ny Divay sy ny Baiboly

21. rhaj0 ( 05/11/2014 19:35)
gasy1zay:
...tsy midika izany hoe tsy tokony hamaky baiboly fa rehefa tena mivavaka ianao...

Dia mbola kiboribory vetaveta foana ny anareo e...

-- tsy mahay mivavaka -- ndeha hamaky baiboly -- tsy mahay mamaky baiboly -- mila ilay vavaka --- tsy mahay mivavaka ---
22. gasy1zay ( 05/11/2014 20:11)

rhaj0:

gasy1zay:
...tsy midika izany hoe tsy tokony hamaky baiboly fa rehefa tena mivavaka ianao...

Dia mbola kiboribory vetaveta foana ny anareo e...

-- tsy mahay mivavaka -- ndeha hamaky baiboly -- tsy mahay mamaky baiboly -- mila ilay vavaka --- tsy mahay mivavaka ---


Ny ahy aloha ny mahafinaritra ahy dia hitako hoe tena namaky baiboly mihintsy ianao @ izao isika mifanakalo hevitra eto e! :)

Tsy misy hoe mahay mivavaka na tsy mahay mivavaka izany ry rhaj0 fa Andriamanitra mahalala ny ao am-ponao, izy ary anie nilaza hoe na tsy nangataka akory aza ianao ka fantany fa tokony ho anao dia omeny e! Raha tena mitady azy ny fonao dia hahita azy tokoa na dia androany aza ianao no mivavaka voalohany.
23. rhaj0 ( 05/11/2014 20:32)
... Andriamanitra mahalala ny ao am-ponao..

Ka raha izany dia ilay fiainana izany dia mila entina am-pahatokisana fotsiny, ary dia "Izay Mahasoa Ataony"... tsy mila miodikodina @ ilay kiboribory : (tsy) mamaky Baiboly, (tsy) mivavaka...
24. Nehemiah ( 06/11/2014 04:54)
25. bor2lais ( 06/11/2014 08:55)
gasy1zay:

Ny ahy aloha ny mahafinaritra ahy dia hitako hoe tena namaky baiboly mihintsy ianao @ izao isika mifanakalo hevitra eto e!

:-)
Heroda mpanjaka sy ny magy koa samy te- ahita Ilay Zaza fahiny ... araka ny voalaza ao @ Baiboly a ! :-)
26. moustaraf ( 06/11/2014 12:28)
Salama daholo namana,
Raha misy mba liana ny hamaky an'io tantara io amin'ny version orizinaly hebreo dia tsy hisy ady hevitra be tahaka izao akory! hafa mihitsy ny fitantara an'io esaka io!

Ny hoe divay, toaka, sns...ao amin'ny baiboly fototra hebreo dia misy karazany maro ny filazany azy fa ny mpandika teny no tsy ampy voambolana ilazan ireo karazany rehetra ireo! mahavariana ô!

Mitaona antsika jiaby mba ho liana amin'ny fiverenana an-doharano, dia amin'ny fototra niavian'ny baiboly!
MAHEREZA DAHOLO
27. hafahafa ( 06/11/2014 13:28)

moustaraf:

Salama daholo namana,
Raha misy mba liana ny hamaky an'io tantara io amin'ny version orizinaly hebreo dia tsy hisy ady hevitra be tahaka izao akory! hafa mihitsy ny fitantara an'io esaka io!

Ny teny gasy ary mila tsy mazava ko maika fa hebreo!?
ngambany mifangaro ny rano sy ny menaka a! (chuckle)
28. rhaj0 ( 06/11/2014 13:31)
ny tsikaritro dia "ranom-boaloboka" hozy ny dikan-teny sasany, nefa "wine" ilay izy t@ teny anglisy.. Fa na izany na tsy izany, dia "mamo" ary hotry ny "mamo tampina" mihintsy i Noa, satria dia tsy tonga saina akoriny izany izy fa ny zanany anie io andriany io.
29. gasy1zay ( 06/11/2014 14:04)

rhaj0:

... Andriamanitra mahalala ny ao am-ponao..

Ka raha izany dia ilay fiainana izany dia mila entina am-pahatokisana fotsiny, ary dia "Izay Mahasoa Ataony"... tsy mila miodikodina @ ilay kiboribory : (tsy) mamaky Baiboly, (tsy) mivavaka...



Ka raha ny fahitako azy izao dia ny hitany fa mahasoa anao eto dia ny ho resy lahatra @ fisiany sy ny famonjeny, dia izany no mahatonga anao lasa mitady teny ao @ baiboly hidiana hevitra eto, mety tsy tsapanao ilay izy fa "inconsciemment".
30. rhaj0 ( 06/11/2014 14:14)
Raha ny marina tena marina... dia ny hifanakalozako hevitra eto, dia ny hitsinjovako ny Ankizy (ny zanako no marimarina koakoa).. T@ izaho mbola kely mantsy, dia nanana "idee fixe" aho, nefany tsy nanana "argument" hanohanana azy. Dia izao aho eto @ ity serasera ity, manainga resaka sy scenario isan-karazany, ary mijery, mandinika ny "argument" rehetra mety mivoaka eto, na avoakako eto... hanamora ny firesahana (na firesahako) ny Ankizy. Dia raha mahasoa izay Ankizy mandalo eto koa moa izany, raha mba mampanan-karena "argument" azy, dia vao mainka tsara...
31. vahiny2004 ( 06/11/2014 14:26)
Tsy hitako ny nalehan'ilay nosoratan'i Nehemiah, asa na teto na lohahevitra hafa :
" Don't feed the troll" hoy izy ...
32. rhaj0 ( 06/11/2014 14:40)
troll: a mythical, cave-dwelling being depicted in folklore as either a giant or a dwarf, typically having a very ugly appearance.

Dia ato feno sary ...
33. rhaj0 ( 06/11/2014 17:30)
Ilay "mythical cave-dwelling being" no nasosako hoe dikan'ny "troll" io ambony io... azony hotrhotry ny ireny "mythical being" ireny no revin'i Nehemiah :-)

Fa azoko hoe mitifitra ahy izy ho troll (internet)...
troll : One who purposely and deliberately (that purpose usually being self-amusement) starts an argument in a manner which attacks others on a forum without in any way listening to the arguments proposed by his or her peers.

Dia mivanitika irery ato aho, fa asa raha mahatsapa angamba izany i Nehemiah (sy Vahiny2004 ?) fa ny ataoko eto dia mi-"attacks others" ary miampy "without in any way listening"...

Ka mi-"attacks others" ?
ny an'ny sasany ve moa tsy raha vao kitikitihinao ilay tsy-azo-kitikitihina, dia lazainy fa "attacks".. nefany mikitika fotsiny no atao

Dia ny "without in any way listening" ?
ny an'ny sasany ve moa tsy raha vao tsy araka ny reviny dia efa tsy izy "in any way".. na dia mamerina ny nolazainao azany no atao..

Fa ilay "self-amusement" kosany aloha dia ... oops : sorry, guilty...
Ka tsy hivanitika izany fa ho serieux be amina "mythical being" ao foana...

34. ombelline ( 07/11/2014 08:39)
vahiny2004:

Tsy hitako ny nalehan'ilay nosoratan'i Nehemiah, asa na teto na lohahevitra hafa :
" Don't feed the troll" hoy izy ...


tiako be ny olona manana humour fine toy izao
35. endriny ( 07/11/2014 11:31)

rhaj0:

ny tsikaritro dia "ranom-boaloboka" hozy ny dikan-teny sasany, nefa "wine" ilay izy t@ teny anglisy.. Fa na izany na tsy izany, dia "mamo" ary hotry ny "mamo tampina" mihintsy i Noa, satria dia tsy tonga saina akoriny izany izy fa ny zanany anie io andriany io.


Ilay hoe "Ranom-boaloboka" aloha dia fomba fiteny mihanja e, fomba fiteny teo amin'ireo Israelita avo saranga raha ny marimarina kokoa. Ary tsy voatery ho divay io, fa mety kosa anefa divay.

Teo amin'ny baiboly Hebrew dia nisy ny nilaza mazavo ny karazan'ny ranom-boaloboka naroso toa ny hoe "Shemer" ao amin'ny Isaia, na "Asis" ao amin'ny Isaia ihany sy Amos. Saingy ny Shemer dia ranom-boaloboka mbola vao milona fa tsy lasa divay akory, fa ny Asis dia efa divay. Saingy ny mpandika baiboly no kamo dia nolazainy fa divay daholo ny ranom-boaloboka rehetra. Dia isika mpamaky no lasa mamo
36. 5laody ( 07/11/2014 12:15)
Milay ilay samy mametraka ny fefiny daholo ny tsirairay e?

fa ahoana ity no dafiditra ato?
iza no nampiditra an'ity tato?
raha ilay fefy taloha io mbola tafiditra tao ihany
misy fefy ho an'nyankizy kely anie e
k'iza no nanamboatra an'ilay fefy

miala indray ny troll

ny dikan'ny troll dia izao: voafaritra tsara,
ka ilay ato io sa ilay ato?

ny tena manja ato aloha ilay hoe mamo tampina Noah dia tsy nila viagra akory.
37. rhaj0 ( 07/11/2014 13:29)
"ranom-boaloboka" hozy i Endriny ilay izy, fa angamba efa hain-dreo ny nanampy, fa "naturellement", ny XTC, Rohypnol, Ketamine // OADE ... Izaho aloha tsy mbola nahita namako ka hoe nisotro "ranom-boaloboka" dia nanary lamba "naturellement" e...
Genesisy 9:21 Ary nisotro tamin’ ny divay izy [Noa] ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.

38. endriny ( 10/11/2014 14:42)

rhaj0:

"ranom-boaloboka" hozy i Endriny ilay izy,


Hoy aho hoe "fomba fiteny mihaja" tamin'i Jiosy ilay hoe Ranom-boaloboka. Ohatra ny Malagasy miteny hoe "mafanafana na toto Tanana" fa toaka no dikan'izay.

Saingy nomarihiko fa misy karazany koa anefa ilay ranom-boaloboka araka ny voalazan'ny baiboly taloha Hebrew, dia nanome ohatra roa aho teo. Fa reraka be aho ny hijery ny andininy sy tokony...
39. rhaj0 ( 10/11/2014 19:38)
TSisy ifandraisany @ divay, fa androany izao ny google news Madagascar dia milaza vaovao anankiroa :

http://www.eurekalert.org/pub_releases/2014-11/pp-ans111014.php
Karazana tanalahy mbola tsy voakilasy hita ao Madagasikara
.. hi hi hi... asa raha tafita t@ sambo fiaran'i Noa ireto na.. hadinony :-)

http://www.bendbulletin.com/nation/2568319-151/skull-from-madagascar-reveals-ancient-mammal?entryType=0#
Taolana hita tao Madagasikara : It’s the second heaviest mammal known from the dinosaur era, which ran roughly from 250 million years ago to 65 million years ago
... hi hi hi... taon-dasa tsy tsaroana ny an'i Noa :-)


(mety misy ifandraisany @ divay ihany anefa ireo resaka ireo... ny fanadinoana sy ny divay) :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.416