"IZAHO NO KINTAN'NY MARAINA": LOSIFERA ,Apok 22:16

1. moustaraf ( 12/09/2014 17:47)
1. kintan'ny maraina : losifera
Yeshua milaza ny tenany ho losifera APOK 22:16

Nahoana ankehitriny no ilay rain'ny lainga indray no antsoina hoe Losifera: kintan'ny maraina? ??
novalian'i moustaraf ny 19/09/2014 10:37
2. moustaraf ( 14/09/2014 04:02)
Mailo, mailo isika namana amn ireto famadibadihana sy famoronana anarana mameno baiboly ireto a!
3. Maranatha ( 15/09/2014 06:02)

moustaraf:

1. kintan'ny maraina : losifera
Yeshua milaza ny tenany ho losifera APOK 22:16

Nahoana ankehitriny no ilay rain'ny lainga indray no antsoina hoe Losifera: kintan'ny maraina? ??

Tamin'i Losifera mbola tsy nanota no nitazona io anarana io izy fa rehefa nanota sy voaroaka tany an-danitra dia veriny ireo anarana rehetra natao ho azy ka nomena izay mendrika izany. Tahaka izany ihany koa kerobima manaloka izy teo aloha nomena an'i Anjely Gabriela izany ankehitriny.
Ny toerana izay verin'ny Losifera sy ireo anjely nanaraka azy dia tsy maintsy soloina any an-danitra. Tsy tsapanao ve fa tsy misy hira mivalana intsony tahaka ny fony tany an-danitra i losifera, ankehitriny any an-danitra??? Rehefa nosoloina ny toerany dia ireo anjely izay vonona hidera ny Ray no navela hanome voninahitra ny anarany.

Tsy diso io fa hianareo no mitady hampiditra fisalasalana ho an'ny olona mikasika ny testamenta vaovao. Tahaka ny nataon'ny razanareo t@ andron'i Messia ihany no mbola averinareo hatao . Mitady famantarana foana vao mino.
4. moustaraf ( 15/09/2014 06:48)
E ee ee! ka tokony horoahina ve sa tsia i Losifera e???
izao vanim-potoana iresahana izao anie no iainantsika e! tsara raha mazava!

"Nomena izay mendrika" hoy ianao ilay anarana ??? de ahoana?


Izany anarana losifera izany koa aloha tsy tany an-danitra é! fa aoka tsy hamoky lainga isika an!
Losifera : teny latina = kitan'ny maraina (fitarik'andro)
Teny latina: efa taty aorianan'ny teny hebreo , grika, romana
izany hoe , efa taonjato maro (vao vetivety) taorian'ny apostoly akory aza

Ilay hoe " Hellel" no nadika vilana hoe Losifera ....(omeko ihany ny sopapa fa toa milona be nareo zany)
5. Maranatha ( 15/09/2014 10:31)
moustaraf:

E ee ee! ka tokony horoahina ve sa tsia i Losifera e???
izao vanim-potoana iresahana izao anie no iainantsika e! tsara raha mazava!

"Nomena izay mendrika" hoy ianao ilay anarana ??? de ahoana?


Izany anarana losifera izany koa aloha tsy tany an-danitra é! fa aoka tsy hamoky lainga isika an!
Losifera : teny latina = kitan'ny maraina (fitarik'andro)
Teny latina: efa taty aorianan'ny teny hebreo , grika, romana
izany hoe , efa taonjato maro (vao vetivety) taorian'ny apostoly akory aza

Ilay hoe " Hellel" no nadika vilana hoe Losifera ....(omeko ihany ny sopapa fa toa milona be nareo zany)

rehefa voaroaka tany an-danitra izy dia nesorina taminy ilay anarana hoe Losifera ka navadika ho satana, devoly, dragona, ilay menarana ela no anarany.

Ny anjely Gabriela dia aza adinonao fa teo ambany fifehezany t@ izy mbola mifehy ny tafiky ny anjely tany an-danitra. Ankehitriny tsy natao ho azy intsony io anarana io fa natao hoa an'izay tena ho mpitarik'andro tokoa dia tsy iza fa ny solofo zanak'i Davida ilay Liona avy @ firenen'ny Davida sns....

Moustafar a! tena mbola mipetraka ao anatinareo anie izany ilay tenin'i kaifa mpisoronabe t@ andro nanombohana ny Mesiah hoe : ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. Tsy mety mino mihintsy hianareo na dia i Jaona aza no nanoratra ny apokalipsy fa tsy i Paoly sa nokaramain'ny romana koa i Jaona handiso ny fahitana izay hitany???? Mba hialana izany bla, bla, bla... izany no nampisian'i Ray ny mpaminany izay tarihin'ny Fanahiny mba hanoro ny olony izay lalana marina. ka tsy ny efa lasa ihany no lazainy fa ny ho avy koa aza.

Asaina mamoaka ny baiboly tena izy hianareo tsy mamoaka. Ny eo anefa lazainareo fa diso. Sady azoko antoka fa tsy misy testamenta vaovao ilay baiboly izay havoakanareo . Fa mifototra amin'ny testamenta taloha. Mazava ho azy fa mbola te hitazona ny olona ao ambany lalàm-pisoronana izay nomena an'i Mosesy hianareo fa tsy ny lalàm-pisoronan'i Messiah. Efa any an-danitra ny Tempoly fanaovana asa fisoronana izao, izay ny Messiah no MPISORONABE, ireo loholona 24 no mpisorona tsotra. Tsy mahazo mitana izany andraikitra izany intsony isika , fa lasa miteny ratsy Azy sy maka ny toerany raha mbola mametraka KOHEN eran'ny tanana. Ary ny tempoly izay voalaza ao I kor 3:16 dia isika ka iny isika no mpisorona araka ny voalaza ny apokalipsy 1:6.

Diniho tsara sao mba mitondra ny anaran'ny razana fotsiny anefa very ihany. Asa 10:34 Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Ny Avo-indrindra;35 fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
6. moustaraf ( 15/09/2014 14:00)
Io ilay fomba famaly fa hoany fahoany!
Nahoana no tsy mamaly mazava???
Eny na tsia!

Miezaka mamorona adihevitra hafa anaty lohahevitra efa misokatra! manoeuvre dilatoire no fiaantsoana an'io e!

i losifera ve roahina sa tsia?
7. Maranatha ( 16/09/2014 05:12)

moustaraf:

i losifera ve roahina sa tsia?

Ilay anaram-boninahitra hoe Losifera dia tazomina fa ilay tsy mendrika hitondra ilay anarana no roahina.
haka ohatra isika fa tsy azonao mihintsy ilay izy. Raha misy President anakiray ohatra nanaonao foana tamin'ny maha President azy. Roahina ve ilay anarana hoe president (sa tsy asiana anarana president intsony) ho an'izay mbola mahafeno izany anarana izany. Mino aho fa azonao tsara tsy ilay anaram-boninahitra no roahina manaraka ilay personne tsy nahavita azy fa ilay personne no voaroaka. Mijanona ilay anarana.
Ilay personne nitondra ilay anarana hoe Losifera ka tsy nahavita azy dia noroahina; nomena izay personne hafa izay mahatana ilay anaram-boninahitra ilay anarana. ny Messiah indray no mitazona ilay anarana hoe Kintan'ny Maraina, tahaka ny hitazoanany ny hoe Alfa sy Omega, tahaka ny hoe solofo sy taranak'i Davida,tahaka ny hoe Voalohany sy farany sns....

Mbola zaza. Hebreo 5:12 Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Ny Avo-indrindra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina
8. moustaraf ( 16/09/2014 11:45)
Salama,
Hors sujet sa iniana atao e!
toa odianao tsy fantatra ny hoe:
satana= devoly= losifera

sa? ?
jesosy= kristy = losifera

9. moustaraf ( 17/09/2014 05:03)
Salama,
Isika ve mihevitra fa marina daholo ny dikan-teny rehetra anaty baiboly?
Tsy misy zavatra noforonina mihitsy? Madio tanteraka? Anjely mihitsy ireo mpadikateny?

Izany no olana fototra amin',ny mpino kristiana maro izay antapitr'isany taona izay!
Na inona na inona voasoratra ao, na lainga , na balawass, na revirevin'ny mpandikateny fotsiny izao dia "sakafom-panahy ka hano avokoa re"

Izay no mahatonga anay HIJERY AKAIKY IFOTONY, mba tsy ho amidin'ny olona ampitsanganana tahaka izao hita anio izao!

Devoly = losifera = jesosy= losifera ???
hoy ny mpiandry mpandroaka devoly hoe "Mivoaka ny devoly, roahina sy atsipy any @ afo i losifera, rain'ny lainga a! "
10. Maranatha ( 17/09/2014 05:55)

moustaraf:

Salama,
Hors sujet sa iniana atao e!
toa odianao tsy fantatra ny hoe:
satana= devoly= losifera

sa? ?
jesosy= kristy = losifera


Salama tena mbola zaza tokoa va re i Moustafar ity e!?
Satana = Mpiampanga
Devoly = Mpandainga, Rain'ny lainga
Losifera = Kintan'ny maraina , Mpitondra hazavana ( t@ izany )

Yeshoua= Jesoa ( teny M/sy) Amintsika ny Ray
11. Maranatha ( 17/09/2014 06:07)

moustaraf:

Salama,
Isika ve mihevitra fa marina daholo ny dikan-teny rehetra anaty baiboly?
Tsy misy zavatra noforonina mihitsy? Madio tanteraka? Anjely mihitsy ireo mpadikateny?

Izany no olana fototra amin',ny mpino kristiana maro izay antapitr'isany taona izay!
Na inona na inona voasoratra ao, na lainga , na balawass, na revirevin'ny mpandikateny fotsiny izao dia "sakafom-panahy ka hano avokoa re"

Izay no mahatonga anay HIJERY AKAIKY IFOTONY, mba tsy ho amidin'ny olona ampitsanganana tahaka izao hita anio izao!

Devoly = losifera = jesosy= losifera ???
hoy ny mpiandry mpandroaka devoly hoe "Mivoaka ny devoly, roahina sy atsipy any @ afo i losifera, rain'ny lainga a! "


Tena marina fa misy diso ny dikan-teny sasany , tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy, fa matetika ny anarana no tratry io fa tsy ny fahamarinana fototra.

Arakaraka ny fomba nanononan'ny olona ilay anarana no nanoratany azy tao. Ny Ray Tsitoha no nanakororoka ny fiteny ny olona tao Babel. Noho izany rehef tsy ny fahamarinana fototra no diso dia heken'ny Ray ny fivavahan'io olona io mandram-pivoaky ny anarana tena marina. Hadinina aminareo ny rà-nay raha mahavery anay izany satria hianareo no mahalala fa diso ny anarana ao amin'ny dikan-teny @ baiboly isan-karazany nefa hianareo tsy mamoaka ilay baiboly izay misy ny tena Anarany.

Mikasika ireo mpiandry dia azo lazaina fa tsy mahafantatra izay lazainy izy tahaka ny tsy fahalalany ny fahamarinana fototra ihany koa. Ny ankamaroany dia mbola alahadiste avokoa.
12. booboo ( 17/09/2014 08:41)
( Ohatra mitovy @ tantaran'i Dark Vador izy izany ).
13. RBNIR ( 17/09/2014 12:59)
Maranatha:

Tena marina fa misy diso ny dikan-teny sasany , tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy, fa matetika ny anarana no tratry io fa tsy ny fahamarinana fototra.

Faly misera namana,

Izany tokoa v ry namana isany e?

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Pet.1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Pet.1:21)

Mety ho diso ve ny FANAHIN'ANDRIAMANITRA namana ? Misy afaka HITSARA AZY ve izay isika olombelona e?

Fanamafisana fa tsy avy amin'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany ireny teny voasoratra ireny dia :

« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim. 3:16)

Koa dia samia mandinika e,

Tsy ny fahaizanao ny anarana no zava-dehibe, fa ny fahafantaranao fa ianao dia manao ny sitrapony marina tokoa : « Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Mat. 7:21)

Eto fotsiny no hitaritako kely ny sain-tsika : i moustaraf hafa no hanoratany ilay anarana, Maranatha hafa.... ????? ny Afrikana v hahay hanonona tsara ny anarani miohatra an-dry zareo tompontany e? Ary ireo izay nandefona azy, moa tsy nahay nanonona tsara ny anarany va izireo?????

Samia mandinin-tena

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana,


14. rhaj0 ( 17/09/2014 15:34)

booboo:

( Ohatra mitovy @ tantaran'i Dark Vador izy izany ).

[size=8]Tena ao anatin'ilay tantara zareo dia ... tena ao e... tsisy ifandaharana fa dia ao zareo... Dia asa foana ahoana no fijerin'ny Ankizy an-dreo @ izany..[/size]
15. moustaraf ( 17/09/2014 18:36)
Ho andr'i Rabenirainy RBNIR Izany dia olona netsehin'ny fanahy avokoa ireo mpandika teny ooo!
Ianareo ve mitampi maso sy sofina ka mihevitra fa mipetra potsiny lay rain'ny lainga ka miandry bras croise hatsipy anaty afo???
Mbola tena tsy nomena anareo ny fahazavana!!

Aiza ka samy losifera na ny roahina na ny ivavahana!!! anaty baiboly orizinaly aloha tsy misy an'izany lisifiru zany e!
16. RBNIR ( 18/09/2014 01:06)
moustaraf:

Ho andr'i Rabenirainy RBNIR Izany dia olona netsehin'ny fanahy avokoa ireo mpandika teny ooo!
Ianareo ve mitampi maso sy sofina ka mihevitra fa mipetra potsiny lay rain'ny lainga ka miandry bras croise hatsipy anaty afo???
Mbola tena tsy nomena anareo ny fahazavana!!

Aiza ka samy losifera na ny roahina na ny ivavahana!!! anaty baiboly orizinaly aloha tsy misy an'izany lisifiru zany e!

Ny tena fampianarana marina tsy misy kilema namana dia ilay avy amin'Andriamanitra mivantana ampitaina amin'i Jesosy ary omeny mivantana indray kosa amin'izay olona fidiny sy ampianariny,
Ny ankoatran'izay dia tsy afaka hilaza ho ilay tsy misy kilema na inona inona filazany,
Io fampianarana io dia tsy mitantarana ary tsy mampanantena afatsy ny tsy takatry ny maso dia ilay tany vaovao sy lanitra vaovao iainana mandrakizay (izay naseho sy nampianarina azy ihany no azony ampitaina).
« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jao.3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jao.3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jao.3:33)

Raha nofidiny sy nampianariny mivantana ny mpampianatra anao dia misaora Azy fa raha tsy izay kosa dia aza mihevitra fa ilay tsy misy kilema no azonao fa mbola anisan'ireo avy tety an-tany ihany namana.

Samia ho tahin'ny AVO ry namana
17. RBNIR ( 18/09/2014 05:58)
moustaraf:

Ho andr'i Rabenirainy RBNIR ....

:) misaotra e,

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
18. moustaraf ( 18/09/2014 12:33)
Fampianarana milaza ho tsy misy kilema nefa tsy mahalala akory izay mpamonjy ivavahana sy izay tokony ho fahavalo!!!

Mitandrina fatratra ianareo ny tsy hiaiky fa nodisoina ny baiboly dikan teny! inna ny antony??? sa ianareo koa miray tsikomba amn'ireo mpandika vilana!
"izay rehetra mahita diso, ka mampanota ny vahoaka nefa tsy miteny dia meloka"
Nahoana no mangina fotsiny amn zao, nefa milaza ho mpampianatra?
Sa maizina ny maso ka miraparapa amin'ny andro atoandro?
19. Gasy1zay ( 18/09/2014 15:38)
Ohatrany tsy mbola nahita anaty baiboly marina ny tenako ny hoe "losifera" fa satana na demony foana no matetika hita ao na anaran'ireo andriamanitra hafa : astarta, bala, gada etc... raha misy mahita référence an'io ianareo dia mba zarao eto

tandremo fa ny devoly tsy kely lalana ary izy dia lain'ny lainga, ny hitako t@ youtube dia rehefa mivavaka ny vatican dia misy hoe "lucifer" tononiny izay manao référence @ Masina Maria hono satria izy no nitondra an'i Jesoa Kristy rehefa adika manko ilay lucifer = porteur de lumière.

Ny nahitako io dia ohatrany manamafy hoe ireo "illuminati" dia tena misy ifandraisany @ "lucifer" tokoa fa ny nidiran'ny lucifer=satan =démon no mbola tsy hitako ny origine.
20. riordan ( 18/09/2014 17:18)

moustaraf:

1. kintan'ny maraina : losifera
Yeshua milaza ny tenany ho losifera APOK 22:16

Nahoana ankehitriny no ilay rain'ny lainga indray no antsoina hoe Losifera: kintan'ny maraina? ??


Jereo ny version française rehefa mifangaro ny dika teny malagasy :

Apok 22:16 "Moi, Jésus, j'ai envoyé mon ange pour vous attester ces choses dans les Églises. Je suis le rejeton et la postérité de David, l'étoile brillante du matin"

ny référence misy an'i Lucifer ao @ baiboly dia

Isaia 14:12-15 "Te voilà tombé du ciel, Astre brillant, fils de l'aurore ! Tu es abattu à terre, Toi, le vainqueur des nations !Tu disais en ton coeur : Je monterai au ciel, J'élèverai mon trône au-dessus des étoiles de Dieu ; Je m'assiérai sur la montagne de l'assemblée, A l'extrémité du septentrion ;Je monterai sur le sommet des nues, Je serai semblable au Très Haut.Mais tu as été précipité dans le séjour des morts, Dans les profondeurs de la fosse."

Raha niteny i Jesoa hoe Fils de l'aurore izy dia marina ny anao fa tsy izay no nolazainy na samy resaka astre -étoile ary no resahina eto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7734