Mitady tovovavy tena kristianina, virjiny, madio fitondratena.

21. vahiny2004 ( 17/09/2014 15:25)
Ekeko fa betsaka ny vehivavy tsy virijiny alohan'ny fanambadiana , resaka fitaizana , resaka tontolo iainana angamba no mahatonga izany. Izaho tsy mamporisika na manameloka.

Izaho dia miombo-kevitra @ booboo hoe ny Tompo aza tsy nanameloka ilay vehivavy nijangajanga. Tsy tompon'ny lasan'ny olona isika, ny ho avy no azo iraha-manorina sy manatsara aminy. "Ny fitiavana manarona fahotana maro" hoy ny Baiboly, rehefa vonona hiala @ tsy mety natao fahiny noho ny fitiavana dia mihoatra @ maha -virijiny izany.

Fanirianao ny hanambady virijiny, critère bloquant tanteraka ny fahitàko azy raha ny resakao eto. Fa io dia ianao ihany no mahita izay mety aminao ka
22. Randri87 ( 19/09/2014 07:00)
Misaotra an'i vahiny 2004 amin'ny fitondrana hevitra, raha ny momba ilay nolazain'i booboo dia efa nanome fanazavana aho mikasika ny tokony ho tena fomba fijery kristianina ,manasa anao aho hamaky tsara dia afaka mifanakalo hevitra ihany isika avy eo raha ilaina:

Ny Filazana sy fanakianana ny zavatra ratsy, ny tsy mety, ny heloka dia tsy midika hoe fanamelohana be fahatany foana akory fa fiatsarambelatsihy indray ary ra mody atao hoe tsy maninona. Tokony ho sahy milaza hoe ratsy rehefa ratsy ary ratsy azo ialana , izay ary no tsy ampy indraindray noho ilay resaka hoe matikena-maso. Filazana ny marina aloha mba hanitsina ny tsy mety , na mankany amin’ny dokotera ary ianao dia efa mila miaky aloha hoe marary , avy eo mila fantarina marina tsara lay aretina zay vao afaka tsaboina fa tsy hoe tambatambazana fotsiny. Ny fijanganjangana (tafiditra ao ny relation sexuel mialoha ny mariazy sns) dia ratsy ary fahalotom-pitondratena izay dia Fahamarinana : izay olona manao anio dia maloto fitondratena, izay no marina kanefa kosa azo sorohina io zavatra ratsy io ary azo hibebahana.

Ny Testamenta taloha dia nilaza ny atao hoe tsy mety : izay rehetra mifanohitra tamin’ny lalàna izay no nitenenan’i Paoly hoe ny lalàna dia natao hampafantatra antsika ny fahotana. I Jesoa avy eo tonga hanasitrana izay lavo rehefa, nazava ilay aretiny ary hitarika azy ireo tsy hanao izany intsony : izay mbola tsy lavo tamina heloka lehibe moa dia efa ampaherezina rahateo mba tsy hanaonao foana satria aleo misoroka toy izay mitsabo. Marina fa tsara koa lay mpanota mibebaka toa an’i Maria Madelena fa manana ny mahakanto azy kokoa angamba i Masina Maria ohatra…na dia azolazaina ihany ary hoe samy manana ny hanitra ho azy...

I Jesoa tsy te-hanameloka be fahatany an’ilay vehivavy iny fa hamonjy azy , teo koa moa fantany tsara fa ireo olona saika hitora-bato ilay vehivavy ary ratsy lavitra kokoa noho io vehivavy io : izay no anisan'ny nahatonga azy niteny hoe izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato .... Ny voasoratra ao amin’ny lalan’i Moizy momba ny fijangajangana moa dia toy izao

« Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy manam-bady dia hovonoina, ho faty avokoa izy roa, na ralehilahy nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy. Izany no hamongoranao ny ratsy ao afovoan'Israely.
Raha misy zazavavy virjiny efa fofombadin'olona, ary misy lehilahy mifanehitra aminy ao an-tanàna ka mandry aminy, 24dia ento mivoaka ho eo ambavahadin'ny tanàna izy roa, ka torahy vato ho faty: razazavavy moa noho izy niantso tao an-tanàna, ralehilahy kosa noho izy nametaveta ny vadin'ny namany. Izany no hamongoranao ny ratsy eo afovoanao. Fa raha any an-tsaha kosa ralehilahy no mifanehatra amin-drazazavavy fofombadin'olona ka manao an-keriny mandry aminy, dia ralehilahy nandry taminy ihany no hatao maty, 26aza manino-maninona an-drazazavavy, satria tsy manan-keloka tokony hahafaty azy izy, sahala amin'ny raha misy olona namely ny namany ka mamono azy izany, zavatra iray ihany ireo; any an-tsaha izy no nifanehatra taminy, ary niantso ihany razazavavy fofombadin'olona, fa tsy nisy namonjy azy.
Raha misy lehilahy mifanehatra amin-jazavavy virjiny tsy mbola voafofo, ka misavika azy sy mandry aminy, ary tratra izy roa; 29dia hanome volafotsy dimampolo sikla an-drain-drazazavavy ity lehilahy nandry taminy, ary ho vadiny razazavavy, satria efa nanala baraka azy izy, ka tsy azony isaorana raha mbola velona koa izy » (Deteronomy 22, 22-28)


Raha jerenao ny sazy mifanaraka amin’ny fahotana tsirairay tamin’ny lalan’i Moizy dia samy hafa ny sazy noho izany dia midika fa misy lanjany samihafa koa ny fahotana arakaraky ny Korontana entiny : misy fahotana lehibe tena miteraka korontana be amin’ny fiaraha-monina eo amin’ny samy olona sy amin’Andriamanitra ary misy fahotana azo leferina kokoa. Izany angamba mazava ho azy : misy ny ota kely dia misy ny ota be.

Noho i Jesoa efa nanaiky hisolo voina moa dia efa nalefaka kokoa ny fampiharana ny lalàna ho an’ny Kristianina fa ny sacrifice nataon’i Jesoa dia fanomezana « n ème chance ho an’izay lavo » ary izy no nisolo vaika ka dia ho atao tsinontsinona ve sanatria ny rany satria hoe azo atao fisasana gratuit ? hoy ny voasoratr’i Paoly Apostoly :

“Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin'izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran'ny fahasoavana ho ambony lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan'ny fahotana hahafaty no hanjakan'ny fahasoavana amin'ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin'ny alalan'i Jesoa-Kristy Tompontsika.” (Romanina 5,20)

Saingy hoy kosa izy avy eo

“Ka Inona àry no holazaintsika: mbola hitoetra amin'ny fahotana ihany va isika, hitomboan'ny fahasoavana?” (Romanina 6,1)

Dia mbola hoy koa izy :

“Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza diso hevitra hianareo, fa na mpinjangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin'olona, 10na mpanao asam-pijangajangana amin'ny tenany samy irery, na mpiray samy lehilahy, na mpangalatra, na kahihitra, na mpimamo, na mpifosa, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. Ary efa mba toy izany ihany koa hianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompo, sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitra hianareo.” (1 Korintianina 6,9-11).

Koa aoka àry hanahaka an'Andriamanitra, toy ny zanaka malala hianareo. 2Ary mandehana amin'ny fitiavana tahaka ny Kristy, izay nanolo-tena tamin'Andriamanitra noho ny fitiavany antsika mba ho sorona amam-panatitra mani-pofona hamonjy antsika. 3Araka ny manendrika ny olo-masina, dia aoka tsy ho re eo aminareo na dia izay hoe lazam-pijangajangana fotsiny aza, sy rahefa mety ho fahalotoana amam-pilan-dratsin'ny nofo. 4Fadio ny teny vetaveta, resaka valavala, voso-dratsy, mbamin'ny teny tsy mendrika rehetra, fa aleo aza manao teny fisaorana. 5Satria fantatro tsara fa rahefa mety ho olona mpijangajanga, na vetaveta, na mpanarana filan-dratsin'ny nofo (mpanompo sampy izany), dia tsy handova ny fanjakan'ny Kristy sy Andriamanitra. 6Koa aza mety hofitahin'olona amin'izay lainga tsara lahatra foana, fa ireo zava-dratsy ireo no nianjeran'ny fahatezeran'Andriamanitra tamin'ny zanaky ny tsy finoana. 7Aza miombona amin'ireny hianareo.
(Efezianina 5, 1-7)


Dia mbola hamafisin’ny Aposotoly Paoly manokana fa ny fijangajangana dia fahotana anisan’ny ratsy indrindra

“Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon'ny olona any ivelan'ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin'ny tenany indrindra. 19Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin'Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? 20Fa olom-boavidy lafo hianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin'ny vatanareo” ( 1 Korintianina 6, 18-20)

Noho izany mazava fa tsy ny mpanota rehetra no mahazo ny Famindrapon’Andriamanitra sy miditra ny Fanjakan’ny lanitra fa ny Mpanota tena Nibebaka. Ny mpanota rehetra no antsoina ho voavonjy fa izay manaiky tena mibebaka no voavonjy :izay ilay hoe maro no antsoina fa vitsy ny voafidy : arakarak'ilay olona hoe tena nibebaka marina ve izy.Ary hoy koa ary Jesoa tamin’ilay vehivavy nolazainao teo : "Mandehana ary aza manota intsony" fa tsy hoe mandehana fotsiny. Ho an’ireo lavo tamin’ny ota be mbola homen’iAndrimanitra chance izy raha mbola velona tena hibebaka marina. Ho an’ireo zay lavo rehetra (ny olombelona rehetra) na ota be na ota kely moa dia tokony hibebaka tsaratsara kokoa hatrany. Ary ho an’ireo Kristianina dia antsoina izy ireo ho tena fanasina sy fahazavana fa tsy sanatria ho matikena-maso sy mpihatsaravelatsihy na vao maika ho mpanatsatso sy mpanamaizina indray ary. Ny filazana ny Marina sy ny fitakiana ny Rariny dia tsy midika fanamelohana be fahatany akory fa natao ho lalana mankany amin’ny fanarenana tena marina ho an’ireo zay mbola tokony afaka harenina koa. Izay angamba lay hoe tena Fitiavana fa tsy lay kitranoatrano amin'ny ratsy akory : avy eo lay olona simba sy tsy voavonjy raha kenakenainao amin’ny ratsy eo fotsiny fa tsy tena lazainao ny marina sy hatoronao ny lalana tena marina ohatra. izay angamba no tena anisan'ny fomba fijery kristianina momba io resaka hoe fanamelohana sy famindrapo io.

23. vahiny2004 ( 19/09/2014 13:39)
Ialàko tsiny fa lava loatra ary tsy voavakiko daholo fa ny hitako dia naverinao notantaraina daholo izay efa fantatry ny maro hoe : tsy sitrak'Andriamanitra ny tsy virijiny miditra fanambadiana.

Izao ny tohiny ary : Ahoana izany ny momba ireo tsy virijiny alohan'ny tokatrano ? Tsy misy famindram-po ?
24. nilex ( 24/09/2014 08:09)
Tsy namaky ireo resaka rehetra teo ambony ireo aho ry namana fa ny loha-hevitra no nojereko dia hamaly anao aho.Matoa ianao mitady vady toa io dia tokony ho krisianina izany ianao.Manankina ny fiainanao amin'Andriamanitra ve ianao?raha toa ka eny dia angataho aminy io olona io fa mino aho fa ho azonao izany satria aza adino fa ny vady hendry dia avy amin'Andriamanitra.ity anefa misy teniny tiako ho zaraina aminao .

27 Manam-bady va hianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va hianao? Aza mitady vady.

KORINTIANA VOALOHANY 7 27 - 27
25. Charoumeni ( 02/10/2014 11:19)
Miarahaba ny namana rehetra,

Marina tokoa ilay voalazan'ny namana iray ery aloha fa henatra ho an'ny tovovavy amin'izao indrindra rha efa mihoatra ny 20 taona ka mbola tsy nanao firaisana ara-nofo. Ankehitriny dia toa ilay manao ny tsara indray no ridicule fa ireo mifanohitra amin'izany no deraina. Misy amin'ireo lehilahy mihitsy koa no tsy tia tovovavy virijiny intsony @ zao. Raha mihoatra ny 20 taona ianao no mbola vierge d tsy NORMA hoy ny sasany, MISY FAHAVOAZANA hoy ny hafa.
Misy ny sasany raha lazaina fa fahotana izany araka ny voalazan'ny Baiboly dia lazainy fa efa lany andro izany.
26. Randri87 ( 07/10/2014 06:23)
Charoumeni, ny tena marina angamba raha lazaina amin’ny fomba tsotra sy mahitsy dia ny fisainan’ny olona sasany amin’izao mihitsy no efa tsy norma sy efa misy fahavoazana satria efa voaloton’ny zava-dratsy maro loatra amin’ny karazana fahalotoana, fanopoan-tsampy sy ny sisa ( fanompoana vola sy harena , voninahitra, fahafinaretana ara-nofo, fitiava-tena sns). Tsy mba hoe manao fisainana lany andro akory ny sasany fa manao fisainana biby mihitsy ary efa mitourna satria mizotra mankany amin’ny fiainana tahaka ny an’i Sodoma sy Gomora fahiny ny fomba fisainany sy fiainany . Raha tena dinihina ny antony tena mahasimba antsika olombelona sy mahalatsaka antsika amin’ireny karazam-pahotana sy fahalotoana ireny dia ny tsy dia firarahiana loatra an’Andriamanitra sy ny fivavahana satria rehefa tsy miaraka tsara amin’Andriamanitra isika dia andevozin’ny devoly sy ny firongony. Hoy tokoa mantsy ny tenin’Andriamanitra iray ity :

« Noho izy nanao tsirambina ny hahalala tsara an'Andriamanitra, dia navelan'Andriamanitra kosa izy hoentin'ny hevi-dratsiny hanao izay tsy tokony hatao, ka rakotra izao karazam-paharatsiana rehetra izao, halozana, fahalotoana, fahalianan-karena, fisomparana, feno fialonana, vonoana olona, fifandirana, fitaka, otri-pò, mpanely tsaho, mpanendrikendrika, halan'Andriamanitra, miavonavona, misolanandrana, be rehaka, mpamorona sain-dratsy, tsy manoa ray aman-dreny, 31tsy ampy saina, mpivadi-panekena, tsy manam-piononana, tsy manana olon-tiana, tsy miantra. 32Ary na dia fantany aza, fa araka ny fitsaran'Andriamanitra, mendrika ho faty izay diso amin'izany rehetra izany, dia tsy hoe manao izany fotsiny izy, fa mbola mankasitraka ny hafa manao koa aza.”
(Romanina 1, 28-32)

Ny tena mampalahelo ary raha sanatria izay efa mba nandroso ho kristianina indray no mandeha miverin-dalana na miresaka fahafahana sy ny sisa nefa andevozin'ny devoly sy ny fahotana satria dia sanatria dia tanteraka aminy ireto teny ireto:

Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo. 15Niala tamin'ny làla-mahitsy izy ireo, ary nivily nanaraka ny làlan'i Balaama zanak'i Bosora, izay nankasitraka ny tambin'ny tsy fahamarinana...Fantsakana ri-drano izy ireo, ary rahona avoivoin'ny tadio, ka aizina mainty be no miandry azy. 18Teny manodoka sy tsy misy heviny no itarihany an'izay vao nandao ny olon-dratsin'ny nofo sy ny fahalotoana. 19Ampanantenainy fahafahana izy ireo, nefa ny tenany aza andevon'ny fahalotoana, satria izay resy dia andevon'izay naharesy azy. 20Ary raha olona efa niala tamin'ny faholotoan'izao tontolo izao, noho ny fahalalana an'i Jesoa-Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika, no mety ho lavo sy voasingotr'izany indray, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany. 21Satria aleo tsy nahalala ny làlan'ny fahamarinana izy, toy izay efa nahalala vao hihemotra handao ny lalàna masina nampianarina azy. 22Tanteraka amin'ireny ilay ohabolana marina hoe: Ny alika miverina amin'ny loany, ary ny kisoa voasasa mihosim-potaka indray” (2 Piera 2,14)

Ny momba ilay hoe tenin’Andriamanitra lany andro dia mazava fa dia tsy mitombona velively izany fa ny olona sasany no marivo fisainana sy tsy mahita afa-tsy ny anio sy izay ambanin’ny masony ka mora mirediredy foana . Firy ny olona nilaza azy ho filozofy sy ny sisa sy ireo nihevitra ny tenany ho tena mana-tsaina no efa nilaza nanohitra ny Baiboly sy nanambanimbany azy ho lany andro sy ny sisa toy izany tamin’ny andro kely mba niainany amin’ny maha nofo aman-dra azy ? aiza zao izy ireny ? Fa ny tenin’Andriamanitra dia velona sy mahery milaza ny marina sy manoro ny lalana mankany any amin’ny fiainana mandrakizay. Hoy koa ny voasoratra:

« Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin-javatra eny an-tsaha, ny hatsaran-tarehiny. Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rahefa seranin'ny fofon'ain'ny Tompo. Eny, ahitra ihany ny olombelona: maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin'Andriamanitra haharitra mandrakizay.” (Isaia 40, 6-9)

Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny, fa izay manao ny sitra-pon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Joany 2, 17)
27. Randri87 ( 07/10/2014 06:30)
nilex,miombon-kevitra amin’ireo voalazanao ireo aho amin’ny ankapobeny. Fantatr’Andriamanitra tokoa zay mahasoa sy mety amin’ny tsirairay ary ataony izany rehefa tena manankina ny fiainana aminy ianao ary miezaka mikatsaka sy manatanteraka ny sitrapony.
28. Randri87 ( 07/10/2014 07:04)

vahiny2004:

Ialàko tsiny fa lava loatra ary tsy voavakiko daholo fa ny hitako dia naverinao notantaraina daholo izay efa fantatry ny maro hoe : tsy sitrak'Andriamanitra ny tsy virijiny miditra fanambadiana.

Izao ny tohiny ary : Ahoana izany ny momba ireo tsy virijiny alohan'ny tokatrano ? Tsy misy famindram-po ?



Tsy sitrak’Andriamanitra tokoa ilay izy ary matoa zavatra tsy sitrak’Andriamanitra dia satria tsy mahasoa ny olombelona : fantany tsara ny olombelona , mihoatra lavitra noho ny mety ho farany fahalalan’ny olombelona ny tenany ka matoa izy nanoro lalana iray dia izay lay tena mahasoa amin’ny fianana rehetra ny eto sy ny mandrakizay. Na izany ary rehefa lavo ny olombelona ka vonona hibebaka tokoa mbola miezaka manarina azy ihany izy rehefa mbola misy possibilité manoro azy lalana hafa mbola mety hahasoa indray...

Mety efa voavaly amin'ny ampahany amin'ny voalazako teo aloha ihany lay fanontanianao...fa ho fanampiny dia zao angamba no azoko lazaina: Fantatr’Andriamanitra hoy aho teo ny olombelona (na ny psikolojia sns ary dia fantany lavitra…). Raha ny hevitro, Raha tena te hanorina tokantrano mafy orina sy madiodio ianao dia angamba tsy misy tsara noho ny manambady virjiny (momba an’izay dia misy marina ihany ny tonony sasany amin’ ilay hira hoe hafa ihany lay voalohany iny…) ary porofon’izany dia mafy kokoa ny tokantrano niorina toy izany raha ny ohatra tamin’ny tokantrano taloha sasany fostiny ary no jerena… ary na dia Andriamanitra ary dia nifidy reny virjiny… Izay aloky ny zavabita teo aloha dia tsy maintsy hanaloka eo foana aloha mandrapahafaty…ary ny zava-drehetra dia tsy maintsy misy tambiny…(ohatra : tena nijaly mafy Jesoa Kristy nanonerana ny fahotan'ireo vonona hibebaka...) Fa raha efa tena samy miezaka hibebaka moa ireo olona hivady ka tena miezaka mifamela sy mifandefitra malgré ny zavatra teo aloha ary vonona hizara ny aloky ny fahotan’ny tsirairay teo aloha sy hifanampy ary hifampizara ny hazofijaliana mandrapahafatiny amin’izay lafiny izay dia angamba tsy misy maharatsy an’izany. Ny tokantrano rehetra moa dia tsy maintsy misy hazofijaliana zakaina daholo satria Ny Kristianina rehetra dia manana ny anjara hazo fijaliany hiarahana mitondra amin’I Jesoa Kristy noho ny fahotana fa raha homen’Andriamanitra safidy ianao dia anjaranao ny mandinika tsara ary hitanao hoe mendrika sy mety amiko ity na tsia compte tenue ny zavatra rehetra momba anao.
29. booboo ( 07/10/2014 08:57)
tssssss, raha izy sy ny Tompo ara efa tsara fihavanana dia izaho indray ve no iseho ho " ao fa zakaiko ara ilay hazo fijaliana dia ho entiko mandrakizay ny tsy naha virja anao intsony e, akory moa atao fa dia izay izany " tsssssssssss. Mifalia raha omen'ny Tompo izay sahaza anao na manakory na manakory ny état n'ny hymen-ny...
30. Oni ( 07/10/2014 10:59)
Miarahaba tompoko,
Raha mitady tovovavy tena kristianina, virjiny, madio fitondran-tena ianao dia ho hitanao tokoa raha tena mifandray @ Andriamanitra ianao, ary manana an' i Jesosy ho ivon'ny fiainanao . Critères tadiavinao ireo fa ny fanambadiana avy @ Andriamanitra, Izy irery ihany no mahalala izay anjara tokony ho anao. Matoa tanteraka dia sitrapony raha efa nankinina taminy. Samy manana ny fitondrany ny fiainany nefa ny tsirairay, ary mino aho fa hainao an-tsakany sy an-davany ny vokatry ny fitondran-tena maloto ; fa Andriamanitra dia mpamindra fo, tsy anjarantsika ny manameloka na manenjika, na manao tsindrio fa lavo satria tsy hainao mihitsy raha efa nibebaka ireny olona ireny. Tandremo nefa fa misy ilay ohabolana hoe : " Izay fatra-pifidy no mahazo ny manganana ". Fa mahereza dia mirary soa ho anao.
31. Randri87 ( 08/10/2014 10:18)
Booboo, tena tsara rehefa tena nibebaka sy tsara fihavanana amin'y tompo lay olona ka. Ny tiako lazaina amin'ilay hazofijaliana ohatra dia lay fiatraikan'nireo tantara taloha ao amin'ny tokantrano sy ny fiainana rehetra d'une manière ou d'une autre misy foana io ary tsy resaka hymen fotsiny ...fa misy ny memoire, ny sentiment, ny psychologie,...izay mifandringotra daholo amin'ny seho eo amin'ny fianan'olona iray. Ankoatr'izay dia marihiko fa "tsy mandrakizay" ilay izy fa "mandrapahafaty". Raha tojo any amin'ny Fiainana Mandrakizay ianao dia efa fanaperana any fa tsy misy fijaliana sns intsony...

Miarahaba ny namana Oni, manasa anao aho hamaky ireo valinteny teo aloha fa misy efa mamaly ny voalazanao sasany ihany any momba lay resaka hoe fanamelohana, fibebahana sns ary tena tsara rehefa hoe tena nibebaka lay olona. Ankoatr' zay dia tena miombon-kevitra aminao aho amin'ny zavatra sasany voalazanao indrindra mikasika ilay hoe Andriamanitra no mpandahatra sy manome izay fantany fa mety sy mahasoa ny tsirairay. Dia misaotra betsaka anao amin'ny firariantsoa.
32. belakely ( 18/10/2014 11:32)
fa atao inona???????????????????????
33. Randri87 ( 18/10/2014 12:31)
Miarahaba ny namana belakely, manasa anao hamaky ny voalaza any aloha any , na dia lay msg voalohany fotsiny ary fa mety efa voavaly any ihany le fanontanianao...
34. rah-lay ( 19/10/2014 16:05)
mitady ondry manana tongotra dimy ianao izany
35. belakely ( 20/10/2014 15:30)
za zany kamo hamaky an'le lavabe fa le voalohany ihany!!!!!!!!
36. Randri87 ( 21/10/2014 06:30)
Belakely, zay tianao ihany io. Rah-lay , lay ondry manana tongotra dimy aloha sur fa tsy misy fa lay hoe tadiaviko io ndray dia efa Nisy ka mety mbola misy sy hisy na perle rare ary.
37. hafahafa ( 21/10/2014 07:51)

Randri87:

Belakely, zay tianao ihany io. Rah-lay ,lay ondry manana tongotra dimy aloha sur fa tsy misy fa lay hoe tadiaviko io ndray dia efa Nisy ka mety mbola misy sy hisy na perle rare ary.

salama namana a!
Mbola bobaka be reo e! Isangy kely aminao za raha tsy de manahirana anao:
Fa rehefa virijiny ve de mety sa mbola mifantina aminy tarehy sy toetra iany ko enao?
1-Ny tiko lazaina de zao ra ohatra fotsiny oe le tena hendry sy madio no tadiavinao de tsara ra mba oe mande manao maka rivotra kely any ambanivohatra enao fa any mbola tena bobaka, izay sady hendry no madio no mbola mataotra ny fiarahamonina ary afaka taizana arampi-vavahana tsara iany koa.
2-Raha ny aty aminy andrenivohatra ndray de ny ao ampiangonana mba mijerijery fa any iany no itako sur!
3-Tsara ko nge no mba mamandrika e! fa ny elanelan-taona tsy de mampaninona lotra.
Avoitrako amin'izany ny eo aminy lafiny fiarahamonina na any ampiangonana na any aminy toerampiasana(raha efa miasa) any ampianarana(raha mbola mianatra) de mba mifandray tsara amin'olona de atsipy any iany ny teny fa sur za fa ra itany olona oe tena mendrika anao ny zanany na ny zandriny dia mety tsy mahamenatra an'azy ny miteny aminao.

Fa ity no tena mba tiko eritreretinao:
Raha mivavaka enao de tokony mahay manaiky fa ny fomba Itondran'Atra anao mety lalana hafa zay mety ahatsara kokoa ny fiananao arampitiavana satria ny fiheviny tsy mba fihevin-tsika.(Raha misy vehivavy iray ohatra oe solafaka in1 mandeha ka niova izy ary efa nibebaka t@ zay efa naha voa azy ary mba mangataka sy mitalaho @Atra iany ko izy mba ahazo ny tena faniriany sy ahatsara ny fianany satria oz ny SM oe: Izay manatona ahy tsy mba olaviko. Ary tsy tonga iantso ny marina aho fa ny mpanota mba ibebaka.Mba manampanirina toa anao iany ko izy ary mety mitomany andro aman'alina t@ zavabitany sy ny tsy mety izay navoafitaka azy.)
Mino aho angamba fa azonao ny tiko olazaina.
courage e!

38. vahiny2004 ( 21/10/2014 13:20)

hafahafa:

Fa ity no tena mba tiko eritreretinao:
Raha mivavaka enao de tokony mahay manaiky fa ny fomba Itondran'Atra anao mety lalana hafa zay mety ahatsara kokoa ny fiananao arampitiavana satria ny fiheviny tsy mba fihevin-tsika.(Raha misy vehivavy iray ohatra oe solafaka in1 mandeha ka niova izy ary efa nibebaka t@ zay efa naha voa azy ary mba mangataka sy mitalaho @Atra iany ko izy mba ahazo ny tena faniriany sy ahatsara ny fianany satria oz ny SM oe: Izay manatona ahy tsy mba olaviko. Ary tsy tonga iantso ny marina aho fa ny mpanota mba ibebaka.Mba manampanirina toa anao iany ko izy ary mety mitomany andro aman'alina t@ zavabitany sy ny tsy mety izay navoafitaka azy.)
Mino aho angamba fa azonao ny tiko olazaina.
courage e!


"hafahafa" angamba tsy nanaraka tsara ny resaka teto, efa hoe tsy mety aminy izany
39. hafahafa ( 21/10/2014 14:42)

vahiny2004:


hafahafa:

Fa ity no tena mba tiko eritreretinao:
Raha mivavaka enao de tokony mahay manaiky fa ny fomba Itondran'Atra anao mety lalana hafa zay mety ahatsara kokoa ny fiananao arampitiavana satria ny fiheviny tsy mba fihevin-tsika.(Raha misy vehivavy iray ohatra oe solafaka in1 mandeha ka niova izy ary efa nibebaka t@ zay efa naha voa azy ary mba mangataka sy mitalaho @Atra iany ko izy mba ahazo ny tena faniriany sy ahatsara ny fianany satria oz ny SM oe: Izay manatona ahy tsy mba olaviko. Ary tsy tonga iantso ny marina aho fa ny mpanota mba ibebaka.Mba manampanirina toa anao iany ko izy ary mety mitomany andro aman'alina t@ zavabitany sy ny tsy mety izay navoafitaka azy.)
Mino aho angamba fa azonao ny tiko olazaina.
courage e!


"hafahafa" angamba tsy nanaraka tsara ny resaka teto, efa hoe tsy mety aminy izany

De mitovy amin'ilay solon'anarako iany zany.
40. Randri87 ( 22/10/2014 06:53)
hafahafa:


Randri87:

Belakely, zay tianao ihany io. Rah-lay ,lay ondry manana tongotra dimy aloha sur fa tsy misy fa lay hoe tadiaviko io ndray dia efa Nisy ka mety mbola misy sy hisy na perle rare ary.

salama namana a!
Mbola bobaka be reo e! Isangy kely aminao za raha tsy de manahirana anao:
Fa rehefa virijiny ve de mety sa mbola mifantina aminy tarehy sy toetra iany ko enao?
1-Ny tiko lazaina de zao ra ohatra fotsiny oe le tena hendry sy madio no tadiavinao de tsara ra mba oe mande manao maka rivotra kely any ambanivohatra enao fa any mbola tena bobaka, izay sady hendry no madio no mbola mataotra ny fiarahamonina ary afaka taizana arampi-vavahana tsara iany koa.
2-Raha ny aty aminy andrenivohatra ndray de ny ao ampiangonana mba mijerijery fa any iany no itako sur!
3-Tsara ko nge no mba mamandrika e! fa ny elanelan-taona tsy de mampaninona lotra.
Avoitrako amin'izany ny eo aminy lafiny fiarahamonina na any ampiangonana na any aminy toerampiasana(raha efa miasa) any ampianarana(raha mbola mianatra) de mba mifandray tsara amin'olona de atsipy any iany ny teny fa sur za fa ra itany olona oe tena mendrika anao ny zanany na ny zandriny dia mety tsy mahamenatra an'azy ny miteny aminao.

Fa ity no tena mba tiko eritreretinao:
Raha mivavaka enao de tokony mahay manaiky fa ny fomba Itondran'Atra anao mety lalana hafa zay mety ahatsara kokoa ny fiananao arampitiavana satria ny fiheviny tsy mba fihevin-tsika.(Raha misy vehivavy iray ohatra oe solafaka in1 mandeha ka niova izy ary efa nibebaka t@ zay efa naha voa azy ary mba mangataka sy mitalaho @Atra iany ko izy mba ahazo ny tena faniriany sy ahatsara ny fianany satria oz ny SM oe: Izay manatona ahy tsy mba olaviko. Ary tsy tonga iantso ny marina aho fa ny mpanota mba ibebaka.Mba manampanirina toa anao iany ko izy ary mety mitomany andro aman'alina t@ zavabitany sy ny tsy mety izay navoafitaka azy.)
Mino aho angamba fa azonao ny tiko olazaina.
courage e!


Miarahaba ny namana hafahafa dia misaotra anao nizara hevitra sy torohevitra. Miombon-kevitra tanteraka aminao aho amin'ny points maromaro sasany voalazanao.Za araka ny efa voalazako teo aloha (raha tena vakiana tsara ny efa voalazako ) dia tsy manenjika na manaratsy be fahatany ireo solafaka fa milaza fotsiny hoe tsy nety lay nataony ka tokony hibebahana : fitondratena maloto dia ratsy ary ratsy mbola azo sy tokony hibebahana dieny mbola omen'Atra ocasion hibebahana. Midera ireo manana courage mibebaka sy miarina aho dia Andriamanitra anie hanampy azy ireo.

Raha resaka fanambadiana ndray dia mazava fa raha mbola manan-tsafidy aho aloha dia aleoko misafidy tsara ary tsy misy tsara noho lay hoe olona mbola madio fitondratena angamba raha alaina vady. Tsy voatery hoe alainao vady koa anie ny olona iray vao hoe fanehoam-pitiavana azy izay eh , Ny kristianina rehetra dia nantsoina hifankatia toy ny mpianakavy ao amin'ny Tompo fa ny fanambadiana dia lalana iray manokana hifandraisan'olon-droa ary misy ny torolalana napetrak'Andriamanitra hoe tena mety indrindra raha te hanorina tokantrano mari-pototra tsara dia aleo miezaka manaraka an'izay faran'izay azo atao. Fa en tous cas miaiky za hoe Andriamanitra no mandahatra sy mahalala zay mahasoa ny tsirairay. Ankinina aminy ny fiainana dia ampiny ianao ho tojo amin'izay fantany fa mahasoa anao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7067