666?

1. endriny ( 29/08/2014 05:37)
Nahoana no lazaina fa isan'ny Demonia? Ary nahoana no lazaina fa omarihina an'io 666 ny andrin'ireo zanaky ny helo?

Izaho aloha dia ilay mpananihany foana hoe fa maninona raha natao 333 na 222 e? Fa mba somonga ny ahy ireny...

ny isa 666 dia tsy natao 666 akory, fa VIVIVI, izay marika nomena ireo amperora romana fahiny. Ny tena heviny dia hoe VIni, VIdi, Vinci, izay midika hoe Tonga aho, sy Mahita ary Hanitatra ny fanjakana. RY Caesar no tena mpanao io Fehiloha io rehefa akarina ho mpanjaka na amperora moa izany mba tsy ahadiso ilay fandikana e.

Fa tsy laitran'ireo mpianatr'i Jesosy sy ny mpanaradia azy tamin'izany ny fihetsik'ity Caesar ity, indrindra indrindra moa I Jaona sy Paoly ary ireto fianakaviana PISO ireto. Ka dia nadikany ny VIVIVI ho tarehimarika 666 ho fandrabiana an'i Caesar, izay nampitoviana tamin'ny amboadia aloha, rehefa avy eo niova ho dragona sy bibilava, satria olona fatsora be ilay Jilius Caesar. Ny antsika moa dia nolazaina mihintsy fa hoe taranaky ny menarana sy ny fanano fitoloha...

Izay indray aloha, fa aleo amin'ny manaraka indray aho miverina...

Manjary sahirana be ny namana sasany fa mpanakorontana hono aho... Aza fady eh
novalian'i endriny ny 02/09/2014 15:09
2. rhaj0 ( 29/08/2014 15:36)
Efa noresahina tatsy koa...



3. moustaraf ( 29/08/2014 18:57)
Salama,
mba asio code numerique hoe ny JESUS, dia lazao eto ny valiny!
aleo tsy izaho no hamoaka azy mba tsy hilazana indray hoe...
4. moustaraf ( 31/08/2014 09:02)
Ary ity no tsy tokony hadino rehefa miresaka an'ity 666 ity:
1. isan'anarana, dikany misy anarana fantarina aloha
2. anarana iankohofana sy ivavahanan'izao tontolo izao ilay anarana, fa tsy hoe eo amin'olona tokana, oh : papa, ceazar,...
3. ilay anarana dia nasolo ary natsindry ilay anarana mahavonjy
5. endriny ( 01/09/2014 04:26)

moustaraf:

Salama,
mba asio code numerique hoe ny JESUS, dia lazao eto ny valiny!
aleo tsy izaho no hamoaka azy mba tsy hilazana indray hoe...

Izao kosa e, samy hafa fomba nametrahana ity isa 666 ity sy ny isa nomena an'IHESUS e. Kolotsaina roa tsy mitovy ireo... Sahala amintsika milaza ny maha samy hafa ny fanoratana ny testamenta taloha sy vaovao... Ny iray hebreo ny iray grika romanina
6. moustaraf ( 01/09/2014 06:23)
Samy hafa ahoana ary ee!
1. kolotsaina inona no tiana lazaina?
Ilay Iesus dia ALFA sy OMEGA = grika izany
Fa ilay Yeshu'a dia ALEF - TAV = Fiandohana sy fihafarana
dikany:
Raha ity jesosy ity no resahina dia kolotsaina grika no ifampiresahana, ary fomba fanisa grika no anisana azy dia ilay cod numerique Alfa sy Omega.

2.Tsy ilay 666 no soratany eo amin'ny handrina fa ilay ANARANA, izay iankohofana sy ivvahan'ny rehetra "na kely, na lehibe, ny andriana sy ny andevo";
Iza ary io anarana io??? Manao fahagagana, mampiaiky volana ny rehetra,....
MAZAVA BE NY VALINY
7. sitlo ( 01/09/2014 19:54)
Mitaintaina be ny kristianina rehefa tafakatra level 665 amin'ny jeu.
8. endriny ( 02/09/2014 04:14)

sitlo:

Mitaintaina be ny kristianina rehefa tafakatra level 665 amin'ny jeu.


Ny baiboly kristianina ange tsy nasiana pejy 666 e! LOL Dia ny datin'andron-dry zareo tsy misy hoe 1666 fa 1665 tonga novaina 1667
9. rhaj0 ( 02/09/2014 14:41)
http://en.wikipedia.org/wiki/666_%28number%29

Samy milaza ny dikan'ny 666 daholo.. Ny tiako indrindra dia hoe "In China the number is considered to be lucky"

Koa raha ny amiko izao dia :
666 = 3 x 2 x 100 + 3 x 2 x 10 + 3 x 2 =
ganagana mody 3 sy atody 2, ganagana mody 3 sy atody 1, ganagana mody 3 =
ganagana 9 sy atody 3.

SIVY !!! "my lucky numberrrr"
10. rhaj0 ( 02/09/2014 14:43)
na koa 666 == 6+6+6 == 18 == 8+1 == SIVY !!!!
11. endriny ( 02/09/2014 15:09)

rhaj0:

na koa 666 == 6+6+6 == 18 == 8+1 == SIVY !!!!


Ahahaha, nomerao sivy io izany a

Fa izao koa ka

(1+2+3) x (1+10+100) = 666

Dia adika arak'ilay hevitra kristianina dia midika hoe:1, ny ray. 2, ny zanaka. 3, ny fanahy masina. Izay iray ihany 1, sy feno 10, ary ampoka 100 dia mira demonia 666...

Aza tezitra ry ireto a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0978