Fa maninona no tsy maintsy atao mariazy any ampiangonana? Ary maninona ny any amin'ny firaisana no atao hoe fisoratana fa tsy mariazy?

1. endriny ( 26/08/2014 16:17)
Io izany no mba fanontaniako eh? Tsy misy fandrika fa samia mamaly fa izaho hijery fotsiny...
novalian'i zo6 ny 15/08/2016 17:50
2. rhaj0 ( 26/08/2014 17:11)
Raha ny fahazoako ny aty Amerika avaratra, dia ny "mariazy" dia "institution" masina (ho an'ny Kristiana). Ary araky ny "masina", dia ny lahy sy vavy ihany no mahazo manao io. Fa na izany na tsy izany, dia tia ary miady ny hanao "mariazy" koa ny gay/lesbienne. Izay no mahatonga ilay adibe manaraka ny arabe aty lava io...

Fa betsaka ny olona no tsy mandalo @ io akoriny, fa dia FIsoratana sivily dia basy. (tsisy an'izany "tsy maintsy" atao mariazy, ary tsy maintsy reliziosy izany)

Ny "fisoratana sivily" (any @ Fitsarana na Mairie...) dia, raha ny fahazoako azy, dia "contrat" (sivily) fotsiny, miavaka @ union libre na union de fait. Ao @ contrat no ifanarahana ny $$ sns...

Fa betsaka ny olona no tsy mandalo @io akoriny koa, ary dia miara-mipetraka sy miara-mitaiza ihany, ary dia "conjoint" (de fait) no anarany. Fa saika mitovy @ "mariEe" ihany ny adidy/andraikitra, ohatra ny @ impot ..

Izay aloha no fantatro... Fa asa ahoana ohatra ny anareo any France any (izay alain'ny Mada tahaka)

3. moustaraf ( 27/08/2014 04:12)
salama namana,
Teo amin'ny malagasy,eny fa hatramin'izao eny ambanivolo rehetra eny dia tsotra: vodiondry miaraka amin'ny orimbato dia manome tso drano ny olobe, tsy misy soratra ary tsy misy eglizy. dia miara mifaly sy miara misakafo...

2. tonga ny fivavahana izay mampianatra hoe ilaina ny fitsofan drano ara pivavahana, izay tsy manala an'ireo fomba gasy voalaza etsy aloha izay tena ara baiboly koa,

3. Ny fanjakana sy ny lalana indray kosa dia mitaky an'ilay fisoratana eny amn commune mba ho ara dalana

4. ara baiboly?
-Misy ny fifanekena eo amin'ny RRD roa tonta
-Misy fangataham bady
-Misy ny tampimaso
-Misy ny vodiondry
-Misy ny fetrandro omena
-amin mamaton'alina ny fampakarana (tahaka ny foko maro eto Mkara)
-Atao ny fampakarana arabakiteny, eo ambony fandriana sy ny fomban'ny mpivady voalohany
-Soniavina ny fehim panambadiana
-ny lahy no manolotra peratra ho an'ny vavy, fa tsy mandray peratra avy aminy
-manomboka ny fety mandra maraina
-mifampizara sakafo mamy izy roa(ihany), fa tsy zaraina amn vahoaka, hafa ilay sakafo be anasana olona

Misy heviny avokoa ireo rehetra ireo satria ny fanambadiana no tandindon'ny famonjena sy firaisana amin'ny mpamonjy, araka ny voalazan'i Paoly hoe: "ianareo vhvy manaja ny vadinareo, satria izy no Loha tahaka an' Yeshua izay Lohan'ny fiangonana",
Ary ny vehvy dia sarin'ny fiangonana madio virjiny akarina
4. moustaraf ( 27/08/2014 04:32)
ity mariazy atondro be ity aloha dia tsy arabaiboly mihitsy e, fomban'ny romana nentina namono ny marina, ary midika zavatra hafa..
-fanambadiana tsy misy fampakarana,??? nefa eken'ny fiangonana
-Ao ampiangonana 1% sisa no virjiny ary ny fiangonana mba mitory an'izany?? olo efa bevoka be aza mbola akarina eny ambony pilpitre,
-ity fizarana mofomamy amn mpanatrika rehetra dia tena fijangajangana faobe mihitsy, iny mofo iny no tena na nofo iray ifampizaran'ny mpivady eo anatrehan'ny fiangonana (araka ny baiboly),
5. kolo ( 27/08/2014 08:22)
Raha ny amiko amin'ny maha GASY ahy aloha dia mazava fa ny VODIONDRY no tena fanambadiana , ny Fisoratana eny am firaisana kosa , fanambadiana ara-panjakana sy ara-taratasy, ary ny any ampiangonana dia fanambadiana arak'aingitraingitra sy fiheboheboana fotsiny ihany.
6. bor2lais ( 27/08/2014 09:20)
Raha ny fijery Kristiana dia izao ny fahazoako azy :

resaka fifanajana sy fifanomezam-boninahitra ny : vodiondry, fisoratana ary ny fanamasinana na fitsofandrano am-piangonana.
1. Ny vodiondry dia fanajana sy fanomezam-boninahitra ary fangatahana tsodrano amin'ny RAD
2. Ny soratra ara-panjakana dia fanajana sy fanomezam-boninahitra (fangatahana tsodrano ihany koa amin') ny mpiara-belona
3. Ny fanamasinana na fitsofandrano any am-piangonana dia fanajana sy fanomezam-boninahitra (fangatahana tsodrano amiNY) an'Andriamanitra.

Ho an'ny Kristiana dia toko 3 tsy afa-misaraka ireo (misy mandringa raha tsy feno ireo 3 ireo). Marihina fa tokony mifanaraka amin'io ny filaharany : 1 vao 2 ary farany 3. Izany hoe (raha tokony ho izy) ny Fiangonana dia tsy afaka manamasina fanambadiana tsy vita soratra ara-panjakana !

Fampahalalana sy fampianarana (na fampahatsiahivana na fanamafisana) ireo teboka 3 ireo (indrindra ny faha-3) no isan'ny ilana ny fiofanana mialoha ny "mariazy" ho an'ny Kristiana.

Averiko indray fa fijery Kristiana ny ahy io : tsy voatery hitovy amin'ny hafa [size=8](indrindra moa raha tsy ao anatin'izany izy)[/size] ! :-)
7. kolo ( 27/08/2014 11:46)
Amiko rehefa vita ny vodiondry na tsy misy aza ireo 2 ambiny tsy maninona. Fa noho ny resaka sosialy no hanaovana ny eny am firaisana . Fa ilay farany any ampiangonana tsy dia ilaina lôtra.
8. rhaj0 ( 27/08/2014 12:42)
Ilay eny @ Firaisana ve, tsy hoe ara-panjakana, dia ny fifandraisan'izy roaroa dia ho araky ny lalAna velona. Ohatra hoe ... sanatriavina hoe... raha rava ny tsena dia 1/3-mpananana no an-dravehivavy (enga anie tsy ho izany intsony).

Ny aty mantsy raha "conjoint" (union libre) ianao, dia raha rava ny tsena, dia samy miala.

Raha "mariE" (civil), dia par defaut, dia ny fananana niarahana nihary dia zara katsa. Fa raha nanao prenuptiale izy roaroa dia izay nifanarahany tao.

Raha vita mariazy reliziosy, dia... i A.tra ihany hono no afaka manasaraka. Nefa io "Fampianarana" na Dogma io izao kitikitihan'i Papa Fransoa (jereo eto) ary efa latsa-bava akoriny aza izy fa OK na hotrhotr'izany ny divorce (jereo eto ny spin ataon'ny spin doctor taorian'ny resak'i Fransisy)
9. endriny ( 27/08/2014 13:56)

rhaj0:

raha rava ny tsena dia 1/3-mpananana no an-dravehivavy (enga anie tsy ho izany intsony).


Ahitsiko kely fotsiny e.. Araka ny hiran'i Poopy.. fa taiza foana ianao? LOL

Efa tamin'ny andron'ny vehivavy Arema io no novaina 1/2 sy 1/2 a, Misaotra an'i Deba ny fanahiko...
10. rhaj0 ( 27/08/2014 14:58)
'zafady e... izaho angaha tsy tara foana fa vendrana eee :)

Fa raha ny mariazy reliziozy, raha ny Lehilahy no lohan'ny Vehivavy, dia ahoana izany ny ao an-tokantrano ao ? Ilery daholo no tompon'ny Laka, fa Ikala (dia manao voaly ary) dia io mpiandry ... omby volavita, tsy tompony fa mpamerin-doha ??
11. endriny ( 27/08/2014 15:12)
kolo:

Amiko rehefa vita ny vodiondry na tsy misy aza ireo 2 ambiny tsy maninona. Fa noho ny resaka sosialy no hanaovana ny eny am firaisana . Fa ilay farany any ampiangonana tsy dia ilaina lôtra.

Ka ilay zaza kosa ange lasa tsy misy mpiahy raha tsy misoratra e? na koa lasa very Ray ilay zaza rehefa soratana eo amin'ny bokim-piankohonana.
12. endriny ( 27/08/2014 15:13)

rhaj0:

'zafady e...

Tsy misy fady e... isika kristianina
13. endriny ( 01/09/2014 04:02)
Dia nahoana no tsy maintsy atao mariazy any am-piangonana, ary maninona ny teny hoe mariazy no natokana ho an'ny fiangonana fotsiny? Dia ny hoe soratra ho an'ny sivily? Ary ny vodiondry ho an'ny gasilahy toa ahy ihany?
14. kolo ( 02/09/2014 05:18)
Tsy teny gasy anie ny mariazy fa teny vahiny nagasiana e. Dikan'izany amiko haingitraingitra sy fiheboebona ary rehareha fotsiny io resaka mandeha any ampiangonana io. Fa ny Ntaolo Malagasy teo am vodiondry ihany dia vita ny fanambadiana. Sao adinonareo ny hoe ilay fitenenana hoe " MITARI-BADY TSY LASA VODIONDRY". Dikan'izany rehefa vitanao antsakany sy andavany ilay vodiondry dia afaka entinao ilay olona hovadinao dia miara-mipetraka sy miaina ianareo. Ny eny amin'ny firaisana indray dia fitsinjovana ny taranaka sy ny fananana.
15. bor2lais ( 02/09/2014 10:31)
endriny:

Fa na mino isika na tsy mino dia izao, eo amin'ny architecture ary eo amin'ny rafitra rehetra atao, na eo amin'ny fiainana dia ny 2 sy ny 4 dia mitory zavatra tsy marim-pototra.

Raha io lazain'i endriny io dia manaiky izy fa ny "vodiondry" sy "soratra ara-panjakana" dia tsy ampy (tsy marim-pototra) ! :-)

Ny an'i Kolo indray dia "vodiondry" ihany hoy izy dia ampy tahaka ny fanaon'ny Ntaolo Malagasy !

Ny an'i bor2lais (fijery Kristiana) dia mila fenoina amin'ny "tsodrano na fanamasinana any am-piangonana" ireo roa ireo ! :-)

Toko 3 mahamasa-nahandro hoy ny malagasy ! :-)

1. Mariazy vodiondry
2. Mariazy sivily
3. Mariazy am-piangonana

Mariazy 3 nefa iray ihany ([size=8]an'i bor2lais irery izay a[/size]) ! :-)

Raha fehezina dia fanambadiana Kristiana Malagasy miaina ao anatin'ny fiaraha-monina (misy azy) no nozaraiko ! :-)

Fomba fijery no zaraina eto [size=8]ary tsy atao ifamaliana akory[/size] !
16. rhaj0 ( 02/09/2014 13:59)
Nareo koa toa hotry ny mampihomehy.. lasa hotry ny numerologie ilay izy..
[size=8](ny an'ny Bor2lais, na ny Kristiana, ve moa tsy ho 3 sy 1 foana ny baolina)[/size].

Rahefa izany ihany, ny ahy izao raha tsy feno SIVY ny Toko dia tsy hitako mitombona ny fiarahan'olon-droa... Eto izao misy manome SIVY ahy
http://www.huffingtonpost.com/todd-patkin/the-truth-about-happily-e_b_1158442.html
1. Recommit yourself to your marriage every single day.
2. Evaluate where your self-worth comes from.
3. Consistently verbalize to your spouse the things you love and appreciate about him or her.
4. Acknowledge the little things your spouse does and return the favor.
5. Learn -- and then do -- what makes your spouse feel most loved.
6. Don't let resentment build.
7. Take responsibility and stop trying to fix your partner.
8. Figure out what your strengths are and play to them.
9. Date your spouse again.

Fa ny vodiondry dia ho an-dry r-a-d. Ny mariazy am-piangonana dia ho an'i r-a-d am-panahy ao. Ny sivily dia ho an'ny lalAna. Fa ho azy roaroa, dia ireo "toko 9" ireo no "tsy maintsy atao"... ohatra.
17. endriny ( 03/09/2014 05:55)
Ho anay Malagasy dia telo ny dingana hirosoana amin'ny fanambadiana:
1) Sava ranonando
2) Fisehoana
3) Vody ondry

Ary ny fanateram-body ondry no tena fety sy lanonana ho an'ny fianakaviana roa..

Rehefa nisy anefa ny soratra sy ny mariazy, dia ny soratra toa tsy manan-danja ho an'ny mpivady izany, fa soratra e...

Dia ny mariazy indray no lasa tena makotrokotroka mihintsy. Ary mahazendana fa maro mihintsy ny mandany ny tahiry kely, ka mitrosa mihintsy aza mba hanaovana lanonana mandritry ny mariazy. Fa na mampalahelo dia ity tokatrano vao miforona kanefa dia arahin-trosa sahady... mbola aiza ny lalana ho diavina...
18. bor2lais ( 04/09/2014 08:40)
Ny an'ny namana moustaraf indray dia tahaka izao (ny fahazoako azy) :
moustaraf:

ity mariazy atondro be ity aloha dia tsy arabaiboly mihitsy e, fomban'ny romana nentina namono ny marina, ary midika zavatra hafa..

moustaraf:

-fanambadiana tsy misy fampakarana,??? nefa eken'ny fiangonana

moustaraf:

-amin mamaton'alina ny fampakarana (tahaka ny foko maro eto Mkara)
-Atao ny fampakarana arabakiteny, eo ambony fandriana sy ny fomban'ny mpivady voalohany

moustaraf:

-Ao ampiangonana 1% sisa no virjiny ary ny fiangonana mba mitory an'izany?? olo efa bevoka be aza mbola akarina eny ambony pilpitre,

[size=8]bor2lais : tokony rarana tsy hanatrika fampakarana ny virjiny raha izany ! :-)[/size]
moustaraf:

-ity fizarana mofomamy amn mpanatrika rehetra dia tena fijangajangana faobe mihitsy, iny mofo iny no tena na nofo iray ifampizaran'ny mpivady eo anatrehan'ny fiangonana (araka ny baiboly),


Ahitan-javatra ny aterineto e ! :-)
19. rhaj0 ( 08/09/2014 14:43)
Ka ho raisina ara-baki-teny va re ireto sa... hodiana tsy hita... sa ireto ilay "Didy" izay TSY ho raisina intsony ??

Deoteronomia 22:
Didy ny amin’ ny fanamasinana ny fanambadiana
13 Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
14 dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
(..)
20 Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,
21 dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan’ ny mponina amin’ ny tanànany vato ho faty...
(..)
22 Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin’ olona, dia samy hatao maty izy roroa, (..)
23 Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin’ olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
24 dia ho entinareo mivoaka ho eo amin’ ny vavahadin’ izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty
(..)
28 Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin’ olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,
29 dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an’ ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy...


1 Korintiana 7:
Ny amin’ ny fanambadiana
1 Ary ny amin’ ireo zavatra nosoratanareo, dia tsara amin’ ny lehilahy raha tsy mikasi-behivavy akory.
(..)
8 Fa hoy izaho amin’ ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.(..)
27 Manam-bady va hianao? Aza mitady izay hisarahana. Tsy manam-bady va hianao? Aza mitady vady.
28 Nefa na dia hanam-bady aza hianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin’ ny nofo ireny...



Ahitan-javatra ny Baiboly e ! :-)
20. bor2lais ( 09/09/2014 08:39)
Samy manana ny zavatra tadiaviny ao amin'ny Baiboly ny olona eto amin'ny aterineto e ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1864