Sex ao anaty Baiboly

1. rhaj0 ( 08/08/2014 14:49)
Ho an'izay liana, dia ato misy famintinana izay rehetra sex ao anaty Baiboly.

Efa hitahita(ko) ihany t@ resaka tatsy, fa io ambony io vao tena mampivanaka... izaho aloha dia tena mivanaka be mihintsy, fa izao izao aho efa mivaninika fotsiny sisa, fa hoe kay tena tsisy olana ny miresaka sex fa ny Kristiana (sasany) foana no prude ao...

H@ mamely anabavy/reny/anadahy/ray/homosekisoaly/vadin-drahalahy/andevo/makorelina ka h@, rahefa mandeha ny imagination, ka kisarisary tsinona no ao, soft porn toa foreplay na oral sex, ka h@ hard porn, h@ viol.. ny nahaganga ahy dia nisy hoe mamoana ilay lehilahy dia pehan'ilay vehivavy... na hoe mamo i bainina dia pehan-janany lahy...

an an... tena tsy an-jaza 'ty kah.... Tsy hitako alaina sary i Mopera/Pasitera mitory ireo andininy miresaka sex ireo... sa ny dikany ao @ Baiboly @ teny gasy novaina mba tsy tena mivantana ny resaka ? Esy aho e ry "izay voasoratra dia voasoratra"...
novalian'i endriny ny 23/08/2014 06:28
2. rhaj0 ( 11/08/2014 13:50)
Dia hotry ny hoe dia izaho no olon-doza fa inty anie mba vakio azany e...

Genesisy 19:35 Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin’ iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany.36 Dia samy nanan-anaka tamin-drainy ny zanak’ i Lota roa vavy.

Mety hoe izay izany ny fomban-tany t@ izay.. Fomban-tany hafahafa... Fa dia ianao ve dia hody gaga raha ohatra ka misy mandray an'io ara-baki-teny dia manao toa izay koa? Satria ny resaka miaraka an'io dia nekenao tsara koa ary "noraisinao ara-baki-teny" koa ??


Dia eto indray azany...

Habacuc 2:15 Malheur à celui qui fait boire son prochain, A toi qui verses ton outre et qui l'enivres, Afin de voir sa nudité! 16 Tu seras rassasié de honte plus que de gloire; Bois aussi toi-même, et découvre-toi!

Fomban-tany hafahafa... Dia nefa jereo tsarany indray azany ny dikany @ teny anglisy..

Habakkuk 2:15 Woe unto him that giveth his neighbour drink, that puttest thy bottle to him, and makest him drunken also, that thou mayest look on their nakedness! 16 Thou art filled with shame for glory: drink thou also, and let thy foreskin be uncovered

Geez... maninona maninona ny "foreskin" an ???
3. rhaj0 ( 11/08/2014 14:29)
An an... dia tena ny tegna no megnatsa...

Aiza nama no hamakiana an'ity ambany ity any am-piangonana ohatra... ampiana @ ilay pli-vava hoe "dia ny Teninao no fahamarinana"

Ezekiela:20 Fa izy dia maimay tamin’ ireo lehilahiny, izay manana nofo tahaka ny nofom-boriky, ary ny avy aminy dia toy ny avy amin’ ny soavaly. 21 Nitady ny fijangajangan’ ny fahatanoranao hianao, dia ilay nitsapatsapan’ ny Egyptiana ny nononao, satria nonon’ ny fahavirijinanao ireo. 22 Koa izao, ry Oholiba, no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hotairiko hamely anao ireny lehilahinao...

geez.. ilay filahiana anie izany tahaka ny filahian'ny boriky sa soavaly e... Dia inona koa ity "tsapatsapa nono" ity... Dia aiza koa nama, iza @ ity tany ity no hilaza hoe "hotairiko hamely anao ireny lehilahinao"... hoe "j'excite contre toi tes amants"


Tena sanganehana aho... ny an'ny gasy tena hoe "hamely", ny frantsay mba hoe "mi-excite"...


Sa indray.... Io izao izany rahefa mandalo ireny temoin de jehovah ireny, ka tsy hay tenenina hoe aza mifandrebireby, dia mety io andininy io no asaina voaboasany ... an ?... sa ahoana ?
4. endriny ( 13/08/2014 05:13)
Tadidinao ve hoe inona no didy voalohany nomen'Andriamanitr'i Abrahama ny olom-belona?

Valiny: Miteraha ka mamenoa ny tany

Ka tsy gaga isika raha misy resaka firaisana ny baiboly, satria io no lalan-tokana anatanterahana io didy mafonja io. Saingy ny fotsy hoditra te hanjanaka ny mainty dia nataony izay hanafenana an'ireo rehetra mikasika ny firaisana fa nosoloiny fahavetavetana sy fijangajangana ilay izy mba tsy hiteraka maro ny mainty ka tsy ho lasa maro an'isa. Dia mora tafihina...
5. toriteny ( 13/08/2014 10:30)
Miarahaba antsika indray amin'ny anaran'ny Tompo.

Tsara aloha ny tokony hamaritana ny atao hoe fanambadiana fa endriny mantsy etsy ambony milaza fa permis ny polygamie mba hahatanterahan'ny didy hoe"Miteraha maro"

1)Firy kay ny taolan-tehezana notsoahina tao amin'i Adama ka nanamboarana vady azy? 1 ny valiny
2)Ny Gen2:24 dia mazava: " Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny (vf: SA femme fa tsy ses femmes) ; dia ho nofo iray ihany ireo ." Vehivavy iray ihany no natokan'Andriamanitra ho vadin'ny lehilahy iray.

3)Sy ny Mat 19:6" ka dia tsy roa (2 fa tsy 3 , tsy 4, tsy 5)intsony izy , fa nofo iray ihany . Koa amin'izany , izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona .
"
4)Voarara ny mihoatra io schéma io izany hoe refa tsy vavy 1+lahy 1. Voarara ny inceste (deo27:20,22), ny zoophile ( deo27:21), ny relation amin'ny olona efa manam-bady (deo22:22)

SAINGY be dia be ny olona tany amin'ny TT no minia mandika izany. Izany akory tsy midika fa noeken'Andriamanitra ny polygamie satria efa lasa fanao. Saingy manisy porte de
sortie ihany koa anefa Jehovah ho an'izay manao izany taloha dia ny fanati-panorenana Lev19:22
6. rhaj0 ( 13/08/2014 14:54)
Toa samy mandray izay mampetimety ny baolinany io. Ato @ wikipedia izao ohatra ny famintinana ny fijery isan'isany.

Ny Mormons (taloha) foana no resaka, fa na ireo Loterana (taloha) azany raha tena tia hanaraka ny tenin'i Luther dia : Martin Luther wrote: "I confess that I cannot forbid a person to marry several wives, for it does not contradict the Scripture.
Dia ireo Anglikana koa dia hoe : The Anglican church made a decision at the 1988 Lambeth Conference to admit those who were polygamists at the time...


Fa nampivaninika ahy ho'a iretsy description crue momba sex ao anaty Baiboly... Fa efa tsy mivaninika intsony aho izao, fa eto aho vao lasa saina hoe... sao dia karazan'ireo koa azany no "mediter"-ndrizalahy any, ka izy anaty celibacy-ny ao, dia avy eo lasa manao ny tsy fanao sahala @ iretsy pretra nanolana ... hum hum...
7. mpisotrtoaka ( 18/08/2014 10:27)
Rehefa ts mino ny Bible d ampy ! Afaka micritique daholo izay rehefa nanazo baka satri efa nianatra e !
8. rhaj0 ( 18/08/2014 13:41)
Ieee... efa nianatra dia efa samy mahay mamaky teny daholo izao... hafa ho'a ny taloha, nihidy tao @ vohitrakely tao, dia izay lazain'izay befilaza (ihany) ka ampinoiny anao dia inoana daholo... izao ny olona mba manitatra dia mitombo fahalalana e..

i RBNIR ihany izao no vao nanaitra tatsy hoe :
« Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana... » (Hos.4:6)
9. endriny ( 23/08/2014 06:28)

mpisotrtoaka:

Rehefa ts mino ny Bible d ampy ! Afaka micritique daholo izay rehefa nanazo baka satri efa nianatra e !


Ka naninona moa ny protestanta no niala tamin'ny katolika fa tsy nijanona tao ihany nampiasa ilay baiboly katolika raha izany?

Dia naninona ny Kristianina no namorina sekta Kristianina fa tsy nijanona ho Ziona ihany? Fa izao anefa manenjika Ziona izay nipoiran'ny Atr'i Abrahama?

Nga misy finoana tsy azo kianina eto ambonin'ny tany? Ka nefa olona ihany no namorona ireny finoana ireny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0936