Inona no tanjonao @ fandrosoana lohahevitra eto...

1. rhaj0 ( 09/05/2014 14:37)
Nametraka fanontaniana ahy i Hasina tatsy hoe : Tsy haiko izay tena tanjonao amin'ilay lohahevitra ...

@ ankapobeny, raha izaho manokana, dia ny tanjoko raha mitafatafa sy miresadresaka eto dia ny ... hitafatafa sy hiresadresaka e ...

Fony kely aho, raha hitafatafa @ dadatoa ohatra, dia efa atokana mihintsy ny andro iray, hiomanana, dia handehanana tongotra lavidavitra, dia tonga any an-tranony... dia mbola hiverina indray. Rahefa lehibebe, dia mba ny tapak'andro no atokana, fa mba mandeha bisy. Dia avy eo dia mba ny adin'iray.. fa @ izao andron'ny interinety izao, dia rahefa mba te-hitafatafa @ rahalahy (virtoaly) Andrywui na ranabavy (virtoaly) Toriteny, dia tonga dia raikitra...

Fa ny hitafatafako sy hiseraserako (virtuel) eto dia ... sahala @ tafatafa sy serasera (reel) rehetra ihany : mampi-relax no sady ahafahako mifanakalo (manome SY mandray) hevitra.. indrindra moa ny hitako sy reko ary tsapako dia zaraiko ho'a, ahafahako mba ampazava tsara izany ato an-tsaiko, na koa, ahafahako manitsy raha ilaina..


Ka asa ny anao...

(fa dia mbola isaorana foana kosa aloha i Hery sy ny namana mpandrindra ary koa ny namana mandray anjara, mba ahafahana miserasera eto am-kahalalahana sy am-pifanajana ary am-pitiavana hatrany... manja e...)

novalian'i toriteny ny 07/06/2014 21:35
2. sitlo ( 13/05/2014 06:58)
Finoanao izany fa ny an'ny hafa dia efa voaborosy izy hoe raha tsy mitory teny dia tsy avotra.
3. rhaj0 ( 13/05/2014 17:09)

Enga anie aho ka tsy lazainareo fa be "tory teny" koa rahefa lava resaka eto :)
4. toriteny ( 14/05/2014 13:49)
Ny ahy averiko indray fa tsy hoe tsy manan-katao aho akory dia mandeha eto. Fa za ary tena sempotra be mitsy tamin'ito ssemaine ito ohatra nefa ny eto koa tsy azo avela ka rehefa mahita fotoana kely dia manketo.

Tsy ny hitadiavana namana ihany koa anefa. Ny tsy tia ahy aza angamba no betsaka no ny tia ahy raha zohina :-) Fa tsy maninona e! Na dia ataon'ny olona fa be resaka aza, be sermon hoy izay olona izay :-)

Fa ny antodiako eto dia ny hitory an'i Jesosy Kristy, ny hanintsy izay tokony ahintsy mba ho araky ny baiboly ny finoan'ny olona sy ny hitarika izay mbola tsy ao am-bala ho ao an-tranon'ny Ray amin'izay fa efa hantomotra ny andro!

Ary averiko indray fa za tsy ho hitanao any amin'ny forum hafa izany fa eto ihany.

5. rhaj0 ( 14/05/2014 14:28)
Ny fandraisako ny hoe "mitori-teny" aloha, dia toa ny hoe mizara resaka/hevitra (izaho koa mizara hevitra/resaka fa kosa, miziriziry fa TSY "mitori-teny"). Raha hoy ny hafa hoe "tsy manan-katao" ianao fa be resaka eto (sy izaho koa), dia hoy aho hoe, izy "mamaky" io koa ve izany tsy manan-katao?


Fa raha hoe, araka ny lazain'i Sitlo hoe, ny fahatsapana fa hoe, "tsy avotra ne tena raha tsy mitory teny", dia ... tsoriko fa mamparikivy ahy ihany.
- rahefa injay ireo mpitori-teny fa mampitahotra, mampifendrofendro (harasser psychologiquement).. ka hoe helo, loza, fara-andro, bibidia ... ets...
- rahefa injay ireo mpitori-teny fa mambosibosika (houspiller).. ka hoe, mivavaha, mibebaha, mandehana miangona, ataovy betsaka ny rakitra, .. ets...
- rahefa injay ireo mpitori-teny fa mitsaratsara.. ka hoe "tsy kristiana izany", "tsy tena izy" ny anao, "tsy izany safidinao izany no voasoratra fa izao", ... ets...


Raha ny fahitako azy, dia izany dia
- fanindriana ny fiainana/fisainan'olona, manilika sy/na manasempotra ny safidiny
- fanitsahana ny espace privé-n'olona
- TSY misy f(if)anajana ny fiainana, fisainana sy safidin'ny tsirairay, araka ny hoe.. "vivre et laisse vivre"
- ary indrindra, fomba sy toetra-na Itsimahalalaafatsynysaimpantany


Ianao (Toriteny) ihany izao dia efa mahita fa manangam-pahavalo (tsy tia anao ny olona) @io fatao io
6. toriteny ( 15/05/2014 03:56)
rhaj0:

Fa raha hoe, araka ny lazain'i Sitlo hoe, ny fahatsapana fa hoe, "tsy avotra ne tena raha tsy mitory teny", dia ... tsoriko fa mamparikivy ahy ihany.


Fa maninona marina no tsy maintsy mitori-teny ny olona efa manana ny Tompo?
-Mat28:19:"koa mandehana ianareo , dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra "
Amin'ny fomba ahoana no hahatonga mpianatra ny firenena rehetra raha tsy mitoriteny?

-2Tim2:15:"Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra , dia mpiasa tsy mahazo henatra , mizara tsara ny teny fahamarinana [mamoaka tsara]."

-Mat10:8:"efa nahazo maimaimpoana ianareo , koa manomeza maimaimpoana"

rhaj0:

- rahefa injay ireo mpitori-teny fa mampitahotra, mampifendrofendro (harasser psychologiquement).. ka hoe helo, loza, fara-andro, bibidia ... ets...
- rahefa injay ireo mpitori-teny fa mambosibosika (houspiller).. ka hoe, mivavaha, mibebaha, mandehana miangona, ataovy betsaka ny rakitra, .. ets...
- rahefa injay ireo mpitori-teny fa mitsaratsara.. ka hoe "tsy kristiana izany", "tsy tena izy" ny anao, "tsy izany safidinao izany no voasoratra fa izao", ... ets...


Raha ny fahitako azy, dia izany dia
- fanindriana ny fiainana/fisainan'olona, manilika sy/na manasempotra ny safidiny
- fanitsahana ny espace privé-n'olona
- TSY misy f(if)anajana ny fiainana, fisainana sy safidin'ny tsirairay, araka ny hoe.. "vivre et laisse vivre"
- ary indrindra, fomba sy toetra-na Itsimahalalaafatsynysaimpantany


Jesosy raha tonga teto an-tany dia nitory ny fanjakan'Andriamanitra Izy, nanao fahagagana Izy, namonjy Izy tamin'ny farany. Fa tsy vita hatreo fa nanitsy Izy. Nanitsy indrindra ny Fariseo sy ny Sadoseo ary notohizan'ny mpianatra izany fanintsiana SADY fitoriana izany (Hebreo, Romana, Korintiana,Asa).

Heritreretinao fa vao milaza zavatra anakiray aza aho eto dia efa hoy Moustaraf zay indray, vao mihainga i Toriteny dia efa fantatro izay hoteneninao, maika fa ny tantaram-piainan'i Jesosy no haverimberina eto foana? Na ny zanako aza amin'ny 5 minitran' ny sekoly alahady vao manontany ny mpampianatre ery ambony hoe iza ny olona manao an'izao hainy tsianjery avokoa.

Dia avela amin'izao ve izany ireo milaza fa manao ny tsara dia ampy? (sa ampahalalana ny mahazo ny manao ny tsara nefa tsy manana an'i Jesosy Kristy izy ireo mba tsy hankanesany any ka hiovany lalana dieny izao)
-Avela amin'izao ve izany izay miteny fa izay mampetipety ny tsirairay no atao fa tsy hahitsy izy hoe izay mivavaka sy mibebaka ihany no ho vonjena?
-Sa avela amin'ny lalana halehany ireo diso lalana na dia efa fantatra aza fa tsy any no izy , tsy fombafomba no maha kristianina, tsy ara-baiboly ny zavatra teneniny?
tena be diso anie ry ireto ny eto e ary egoiste b aho raha izany satria nahazo ilay famonjena aho nefa tsy nizara izany tamin'ny namako. Misy hiran'i Fara Andriamamonjy izay manao hoe hitako fa very ianareo nefa tsy nambarako anareo Jeso sy ny marina.


rhaj0:

Ianao (Toriteny) ihany izao dia efa mahita fa manangam-pahavalo (tsy tia anao ny olona) @io fatao io

Raha mahatsikaritra ianao dia za tsy manisy commentaire raha vao miombo kevitra amin'ny post eto fa ny hidirako eto indrindra indrindra dia ny manitsy, ankoatran'ny toriteny izay hamoronana sujet vaovao.

Nefa ny toetran'ny olombelona dia tsy mahatanty hahitsy na dia tsy maintsy hatao aza ilay izy.

Misy Teny izay ao amin'ny Lio18: 29-30 manao hoe:"Ary hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy misy olona izay efa nahafoy trano , na vady , na rahalahy , na ray na reny , na zanaka , noho ny fanjakan'Andriamanitra , izay tsy handray be lavitra amin'izao andro ankehitriny izao , ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay"

Zanaka, vady, RAD aza ve mety hahafoy ihany noho i Jesosy dia maika ve fa ny namana eto? Izany akory tsy midika hoe tsy tiako ianareo an, tiako be daholo ianareo matoa aho mbola eto foana fa lalana mety diavin'ny kristianina izany ka tsy atao mahakivy.

Tsy aiko na efa noteneniko teto ito na ahoana fa misy olona eto tena hoy foana ny Tompo hoe aza lacher na intsony izy fa efa akaiky. :-) Dia za moa miteny amin'ny Tompo foana hoe raha mba izaho no nataonao ohatran'izao hoe ni-insister na foana mandrapandraiko ny Fanahy Masina dia efa ela be za no efa niaraka Taminao fa tsy niandry ny faha 18 taonako.

Fa izay moa ny fandaharan'Andriamanitra dia ekeko; Fa ny tiako hahatongavana dia: tian'ny Tompo reto ianareo a!! Tsy Teny tenitenenina fotsiny izany fa tena tsapako satria tena mi-insister foana Izy ka na Izy aza tsy reraka, za indray ve no afaka mi-se permettre ny ho reraka?

Farany fa lava be, misy teny izay ao amin'ny Mar2:17 sy ny Lio5:32 manao hoe tsy tonga hiantso ny marina Jesosy fa ny mpanota mba hibebaka. any an'anon'anona any misy mpanota tiany hibebaka fa eto koa be mpanota tiany hibebaka. Ho Azy irery ny voninahitra mandrakizay. Amen
7. rhaj0 ( 15/05/2014 13:32)

toriteny:
Dia avela amin'izao ve...


Raha izaho manokana aloha, dia zaraiko ny hevitro/fijeriko, dia anjaran'izy, sy indrindra Izy, ny sisa. Ny ahy aza mbola tsy hitako sy tsy haiko, koa ahoana no hitompoako teny fantatra, ka hoe, izao no "tena izy" ?

Fa mba henoy ny hafa e... izaho izao tena miondrika am-panajana rahefa milaza ilay Hindu (sa Sikh) in-1 mandeha, toatoa ny hoe, ny lalana mankany mankany dia toa ny lalana mitondra miakatra any an-tendron' Himalaya... misy maromaro... ka avelao izahay aty @ lalanay f'aza terena ho any @ lalanao..

Fa dia maka recul ihany .. harasser psychologiquement ? houspiller ? juger ?
8. toriteny ( 15/05/2014 13:48)
rhaj0:

Ny ahy aza mbola tsy hitako sy tsy haiko, koa ahoana no hitompoako teny fantatra, ka hoe, izao no "tena izy" ?

Ka ny hangalanao décision ny lalana hodiavinao mihitsy no hametrahako ny panneau an'Andriamanitra amin'ny sampanana 1 amin'ireo sampanana be dia be eo anoloanao ka tokony hisafidiananao.

rhaj0:

Fa mba henoy ny hafa e...

Hiaino an'i Mahomet sy Ghandi ve ? hum :-) Dia hoy ndray za hoe ny ahy aza ny Andriamanitro tsy hananako fotoana firy hiainoana Azy. Tsy ohatran'izay tena hiriko hoe hanapatra ny fotoako rehetra ho Azy dia handany fotoana any an-kafa ve?

rhaj0:

f'aza terena ho any @ lalanao..[/i]

Rehefa izay indray anie ny décision anao, dia omena lalana ianao e hankany Hymalaya.

rhaj0:

Fa dia maka recul ihany .. harasser psychologiquement ? houspiller ? juger ?

prêcher? Fa tsy aminao intsony ka. Aza matahotra!
9. ombelline ( 15/05/2014 14:17)
rhaj0:

Ny fandraisako ny hoe "mitori-teny" aloha, dia toa ny hoe mizara resaka/hevitra (izaho koa mizara hevitra/resaka fa kosa, miziriziry fa TSY "mitori-teny"). Raha hoy ny hafa hoe "tsy manan-katao" ianao fa be resaka eto (sy izaho koa), dia hoy aho hoe, izy "mamaky" io koa ve izany tsy manan-katao?


Ohatr'izay ihany koa no saika holazaiko : mitoriteny ve mizara sa mandresy lahatra ?

Raha sanatria ka mandresy lahatra ((( sanatriaviko satria fantatro fa diso ))) dia tsara ihany ny mijery ny "stratégie / méthode" ampiasaina fa indraindray tokoa manao toy boka mialom-poza ireo mpitoriteny ka manosika hivoaka izay tokony hiditra hiverina . Ohatra hoe lava loatra :-P

Mety efa nolazaiko teto ihany fa ny tsapako dia any M/car dia toriana ny Andriamanitra mampitahotra sy manafay fa aty ivelany dia Andriamanitra Fitiavana no tena resahina .
10. toriteny ( 15/05/2014 14:24)

ombelline:

Ohatra hoe lava loatra :-P

tia anao Jesosy.
Mety? Voaresy lahatra ianao? :-)
11. ombelline ( 15/05/2014 14:37)
toriteny:


ombelline:

Ohatra hoe lava loatra :-P

tia anao Jesosy.
Mety? Voaresy lahatra ianao? :-)


Mety !

Ny Fitiavana no tena anisan'ny moteur n'ny mitarika ny olombelona, io no anisan'ny zavatra tadiaviny mandritra ny fiainany ihany koa.

Io fehezateny io maha-tarika ny olona handalina ny momba ilay milaza fa tia azy !
12. rhaj0 ( 15/05/2014 17:53)
rhaj0:

Fa raha hoe, araka ny lazain'i Sitlo hoe, ny fahatsapana fa hoe, "tsy avotra ne tena raha tsy mitory teny", dia ... tsoriko fa mamparikivy ahy ihany.
- rahefa injay ireo mpitori-teny fa mampitahotra, mampifendrofendro (harasser psychologiquement).. ka hoe helo, loza, fara-andro, bibidia ... ets...
- rahefa injay ireo mpitori-teny fa mambosibosika (houspiller).. ka hoe, mivavaha, mibebaha, mandehana miangona, ataovy betsaka ny rakitra, .. ets...
- rahefa injay ireo mpitori-teny fa mitsaratsara.. ka hoe "tsy kristiana izany", "tsy tena izy" ny anao, "tsy izany safidinao izany no voasoratra fa izao", ... ets...


Raha ny fahitako azy, dia izany dia
- fanindriana ny fiainana/fisainan'olona, manilika sy/na manasempotra ny safidiny
- fanitsahana ny espace privé-n'olona
- TSY misy f(if)anajana ny fiainana, fisainana sy safidin'ny tsirairay, araka ny hoe.. "vivre et laisse vivre"
- ary indrindra, fomba sy toetra-na Itsimahalalaafatsynysaimpantany

Hiverenako ity.. Ity izao toa ny ampianariko ny zanako sy ny interinety. Hoe, izay apetrakao eto @ interinety, na sary na resaka, dia hevero hoe tokony azo aseho an'i Nenibe sy i Kotokely. Rahefa tsy azo aseho azy ireo ilay izy, dia ivereno eritreretina indray. Tsikaritro iny fa efa nitranga tany Dago koa ilay zavavy namono tena satria nisy sariny niboridana teny @ Facebook..

Ka raha atao an'i Kotokely ireo ambony ireo, "harasser psychologiquement, houspiller, juger"... marina tsy hanofy ratsy "bibidia" sy "loza" nedala... dia ho poriporetina tsy maintsy mankatsy mankaroa, dia ho bedesina lava sy pempoina lava ao... Ka alohan'ny hoe mi-precher dia...

... dia ivereno eritreretina indray...
13. toriteny ( 16/05/2014 08:09)

ombelline:

Mety !
Ny Fitiavana no tena anisan'ny moteur n'ny mitarika ny olombelona, io no anisan'ny zavatra tadiaviny mandritra ny fiainany ihany koa.
Io fehezateny io maha-tarika ny olona handalina ny momba ilay milaza fa tia azy !


Ilay teny fohy no nanontaniako hoe mahazo ny attention anao amin'izay ve za rehefa atao fohy ilay teny soratana eto. Fa surtout koa hoe naha convertie anao ve ilay Teny. Fa apparement ilay izaho tsy miteny fitiavana no tena tianao hatongavana hatramin'ny voalohany kay fa tsy ilay resaka fohy loatra :-)

1)ilay resaka teny lava
Misy Teny izay ao amin'ny Rom 10:17 manao hoe :"Koa ny finoana dia avy amin'ny toriteny , ary ny toriteny kosa avy amin'ny Tenin'i Kristy."

Raha ny tokony ho izy izany dia misy Teny ao amin'ny baiboly (ohatran'io nomeko anao io) izay fohy fa tokony harahina toriteny explication (izay lava) no atao hoe mitoriteny amin'ny olona. Jesosy raha nitoriteny dia raha mamaky isiaka presque tapa-kandro, iray andro maninjitra Izy no nitory Teny, raha kely indrindra ora maromaro. Ka hoy aho hoe mahareta mamaky fa mahasoa antsika avokoa ireny toriteny ireny, tsy ny zavatra nosoratako ihany fa ny zavatra soratan'ny olona rehetra eto.

2)Ilay resaka fitiavana
entre ( ) kely. Tsy haiko hoe fitiavana inona no tianao hoteneniko mihoatra an'ireny efa nolazaiko isaky ny post -ko ireny. Satria raha mandinika ianao efa miteny foana aho hoe tia anareo ny Tompo, misy olona insister ny Tompo vonjena eto, sns. Tapitra ny () hoy Bordelais izay :-)

Tamin'izay nianatra nitoriteny dia hoy ilay mpampianatra iray izay hoe tsy mitovy ny fitorianao teny ny zazakely, ny olona efa manana ny Tompo, ny olona fatra-panaja ny fianan'izao tontolo izao, sns

Fa za mahita hatramin'ny nidirako teto, fa na samy mahalala baiboly de base ihany aza (tsy kristianina converti no resahiko eto fa ny kristianina andao ataontsika hoe eo an-dalana ho converti :-) sao dia misy miteny indray hoe tsy miteny am-pitiavana toriteny) dia mila raisina amin'ny pincette be mihitsy rehefa miresaka amin'ny katolika. Tsy haiko hoe ilay namana katolika efa zatra ry zanako malala, sns v.

Fa ny protestant aloha ny tsapako na any am-piangonana, na rehefa misy fampiofanana dia ohatran'izany avokoa ny fomba fitoriteny. Dia hoy izay pasitera izay (mety misy mahalala hoe iza) hoe ny olona rehefa tefena izany dia dorana raha fanaka amin'ny vy, kikisana amin'ny rabot, kapohina sy sokirina raha hazo mba hanome ilay forme tiana omena azy.




14. rhaj0 ( 16/05/2014 12:44)
Ianao ry Toriteny, na ianareo mpitori-teny, angamba raha miaina aty Kanada dia.. tsy haiko... Jereo anie ato am-piasanako ato e...

- misy ranamana Sri-Lankais. Hindu izy, ary tsy mihinana omby ohatra...
- misy ranamana Sinoa. Mihomehy izy mijery ilery vegetarian fa ... matsiro anie ny alika hoz'izy e...
- misy ranamana Vietnamiana. Katolika; ny zanany any @ sekoly katolika fa tsy tiany ampianarina sex be loatra
- misy ranamana Serbe. Christian Orthodox izy, ary mihevitra hoe, ny azy no "original"
- misy ranamana Vietnamiana koa. Budhist. Ilehio no mihomehy foana rahefa tafabaradaka ny olona, ka hoe "oh my God", dia hoz'izy, "your god or my god"
- misy ranamana Kanadiana. Tena atheist iringiriny, fa tena mirotsaka volontaire manampy ny mahantra (renim-pianakaviana singan-drery sady mahantra)
- dia izaho... mitsikitsiky mijery azy rehetra..

Dia ahoana re ry Toriteny.. ho lasa adala angamba ianao, na koa mety ho lasa hendry, raha eto @ toerako. Satria ahoana... ho raisinao ve ny angadinao sy ny haronao ary ny Baiboly, dia hoy ianao hoe, "ho avela @izao ve...", ka dia andeha "hitori-teny" an'ireo olona ireo ianao ???


Dia ireo olona ireo anefa dia toa ahy sy ianao ihany. Samy manaja sy manome hasina ny r-a-d-ny, samy feno fitiavana ny vady aman-janany. Samy manaja ny lalàna velona, ny zo fototry ny olombelona, ny fiaraha-miaina tsisy rohirohy ka mifanaja arak'ilay "vivre et laisser vivre".. Raha jerenao ohatra ilay Vietnamiana (budhist), dia hoy ianao hoe, tena katolika-kely-sambatra angamba ilehity, fa tena calme-be, positiva, ary feno tsikitsiky foana sahala @ Papa...


Fa nareo any moa angamba tsy mahita ny hitako.. Fa io izany ny interinety (ary entiko eto) mba ahafahanareo mahita an-tsaina hoe .. ahoana sy ahoana tokoany ny fiainan'olo (ankoatry ny fiainan'olo efa mahazatra anareo ao)

15. toriteny ( 16/05/2014 13:39)
Fa anga ianao mila ahy indray hanoro anao ny voie? Raha mila ahy ianao HIKATSAKA MARINA AN'ANDRIAMANITRA dia hamaly aho fa raha tsy izay fa resadresaka fotsiny na raha hitenenao indray avy eo hoe "Aza teriterena amin'ny fiainako" dia miala tsiny am-pitiavana be mihitsy (:-) ) fa aleoko aloha tsy hamaly anao ihany mba hahafahanao hisaintsaina ny zavatra tena tadiavinao sy ilainao marina. Satria io farany io no important indrindra fa raha azonao io dia mandeha ho azy daholo ny ambiny
16. rhaj0 ( 16/05/2014 14:03)
Izaho anie ho'a "mitsikitsiky" mijery azy rehetra e... Fa ianao ho'a angamba ho'a, mety ho ... "lasa adala na lasa hendry" rahefa mahita sy mahatsapa ireto olo sy fiainan'olo ankoatry ny mahazatra anao ao...
17. ombelline ( 19/05/2014 09:31)
toriteny:

entre ( ) kely. Tsy haiko hoe fitiavana inona no tianao hoteneniko mihoatra an'ireny efa nolazaiko isaky ny post -ko ireny. Satria raha mandinika ianao efa miteny foana aho hoe tia anareo ny Tompo, misy olona insister ny Tompo vonjena eto, sns. Tapitra ny () hoy Bordelais izay :-)


Ka hoy anay Betsileo hoe "raha lava ny ahitra very ny kisoa, raha lava ny tarogna very ny soa" ka mety very tany anaty resaka lavabe ilay resa-pitiavana .

toriteny:

Dia hoy izay pasitera izay (mety misy mahalala hoe iza) hoe ny olona rehefa tefena izany dia dorana raha fanaka amin'ny vy, kikisana amin'ny rabot, kapohina sy sokirina raha hazo mba hanome ilay forme tiana omena azy.


Tena tsy mpinamana @ pasiteranareo aho raha izany . Mba andramo ihany ny méthode douce fa mety ho efficace kokoa :-) , na @ fitaizàna zaza fotsiny aza ohatra (H.S kely fa azo raisina eto ihany)
18. rhaj0 ( 20/05/2014 16:21)
Ianao indray raha tsy te-hinamana an'i Pasitera itsy, izaho indray tena mahita fa tena DISO TANTERAKA i PASITERA, ary izao fataony izao, indridnra ho an'ny ankizy sy ny tanora, no mahatonga ny olona ho "lasa"... (dia tena mandrora ... mitsilany i Pasitera eo)

Tiako zaraina aminareo ity ambany ity : fitaizana ny ankizy @ ankapobeny (fa fitaizana koa, raha ny fahitako azy, no ataon'i Mopera sy Pasitera, ka dia tsy hors-sujet aho izany)


Ireto no karazana r-a-d (parent)

1- parent-sergent. Toa io ny gasy sy ny kristiana... sasany. Discipline. Mampitahotra. Fitia rotsan-kazo. Na hoe, kinga mampiasa ny karavasy (baton sy afobe... fa tsy carotte sy... paradisa)

2- parent-tsy-mivaky-loha. Toa ny kanadiana sasany aty. Ny fiaraha-monina sy ny sekoly no heveriny hitaiza ny zanany

3- parent-helicopter. Toa ahy :) Mihaodihaody manodidina ny ankizy eo foana, mitarika sy manoro ary manitsy...

4- parent-ideal (@ izao fotoan'androny izao, araka ny fahalalana izao). Phrase-cle : "how can I help you" = "ahoana ny ahafahako manampy anao". Ezahina ho izay foana no lazaina, raha vao injay mahay miresaka ilay zaza.


Rahefa ny #4- no ataonao, dia izy ankizy taizanao io no mahalala ny ataony SY ny tiany ho ataonao manolotra fanampiana azy.

Fa rahefa io #1- io foana no ataonao fanao, dia aza gaga ianao raha mi-revolte @ Sergent izy any aoriana.
Jereo tsara i #4 fa tsy misy antony hi-revolter-ny, satria efa izy foana no chauffeur t@ fiainany.
19. toriteny ( 07/06/2014 21:35)
ombelline:

Ka hoy anay Betsileo hoe "raha lava ny ahitra very ny kisoa, raha lava ny tarogna very ny soa" ka mety very tany anaty resaka lavabe ilay resa-pitiavana .

Dia ianao izany Ombelline anisan'ilay matory manoaka na mivoaka rehefa mitori-teny Mompera na pasitera ny alahady?

Nisy fotoana nianatra nitoriteny izahay. Dia hoy ilay mpampianatra hoe ny toriteny dia au moins 2 jours avant ny hitoriana Teny no homanina ary tokony fara-faharatsiny 2h no hanomanana azy. Fa tsy hoe tonga i Pasitera ny alahady hitoriteny vao mamoromporona eo. Mila fandinihina be na ny fikarohana ny vakiteny 3 mba hifampitohy hevitra na ny zavatra ho tenenina mba hahatonga ny mpihaino tena hifantoka tsara ka hiasa ny Fanahy Masina.

Ny tiako tenenina dia ny hoe misy dikany matoa misy toriteny entre ny finoana sy ny Teny fa tsy hoe Teny tonga dia finoana.

ombelline:

na @ fitaizàna zaza fotsiny aza ohatra (H.S kely fa azo raisina eto ihany)

Tena izay voalazanao izay mihitsy.
Misy Teny izay ao amin'ny Hebreo 5:13-14 manao hoe:" Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana , satria mbola zaza-bodo . Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina , dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ."(vf: Or, quiconque en est au lait n'a pas l'expérience de la parole de justice; car il est un enfant.Mais la nourriture solide est pour les hommes faits, pour ceux dont le jugement est exercé par l'usage à discerner ce qui est bien et ce qui est mal.)


Marina mihitsy fa raha mitori-teny amin'ny olona mbola tsy manana sy tsy mahalala an'i Jesosy ianao dia tokony hitory amin'ny manière douce. Ary raha olona sasany eto ohatra dia tena hatao toy ny zaza ara-panahy mihitsy, fahanana ronono (tsy an-tavy an) aloha mba hahita tsirony amin'ny famonjena sy hitoriana Teny amin'ny méthode douce. Ary misy eto amin'ny forum sujet izay tsy natao ho an'ny débutant ho an'ny finoana fa natao ho an'ny efa avancé ka ventin-kanina no homena sy hitenenako an'i Rhajo matetika (miala tsiny aloha raha manonona azy manokana) hoe tsy ho azonao mihitsy ilay izy.

Ka tsy haiko hoe catégorie aiza amin'ireo ianao.

Ny any am-piangonana hitako hoe normal ilay venti-kanina satria efa mahalalalala ny base daholo ny any, anjaran'ny Fanahy Masina sisa ny miasa amin'ny fotoany. Fa kosa raha hitori-teny any ambanivohitra be ianao dia ronono no hamahanana ny olona any.

Fa tsy mety mantsy raha olona efa zatra venti-kanina no mbola homenao ronono, lasa mihamalemy ny finoany.





© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1765