Iza marina no fivavahana mahatonga any an-danitra

1. rabaradaka ( 19/03/2014 09:39)
milaza ry Maihlol, ry zareo silamo, ny sekta isan-karazany ny FFKM, ny hindou sy ny sisa fa raha tsy izy ireo tsy tonga any an-danitra ny fanahy. Marina ve izany ?
novalian'i mpankafhy ny 03/05/2014 06:14
2. RBNIR ( 19/03/2014 14:11)
rabaradaka:

milaza ry Maihlol, ry zareo silamo, ny sekta isan-karazany ny FFKM, ny hindou sy ny sisa fa raha tsy izy ireo tsy tonga any an-danitra ny fanahy. Marina ve izany ?


Faly miarahaba namana,
VAKIO ATO dia ho fantatrao ilay Andriamanitra tokony harahana ary ho fantatrao marina ny antony niavian'i Jesosy teo an-tany,

Samia ho tahin'ny Tompo namana
3. rhaj0 ( 19/03/2014 14:30)
"Lanitra" aiza aloha no tian-dRabaradaka aleha e... Ato izao hono afaka milalao manandrakandrana hoe hotry ny ahoana ny ao an-danitra ao, ary mety ho hitanao ao hoe aiza ianao no te-handeha :)
4. mirananirina ( 20/03/2014 11:45)
Izay hinoanao ihany no mahatonga anao any andanitra satria finoana fotsiny ihany fa tsy nisy nahita isika izay tena niseho taloha, ka tsy afaka mandiso na manamarina ny an ny hafa.
5. leva2 ( 21/03/2014 05:21)

rabaradaka:

Iza marina no fivavahana mahatonga any an-danitra ?

Velona Jesosy !

Ny valiny dia tsotra namana : TSY MISY : tsy ry Mailhol, tsy silamo, tsy sekta isankarazany, tsy ny FFKM ihany koa, na hindou sns ... fa JESOSY.
Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, "izaho no vavahady" hoy Jesosy. Ny miditra ny fanjakan'ny lanitra izany dia miditra ny "vavahady" dia Jesosy izany, fa tsy fiangonana izao na izatsy.

Hotahin'ny Tompo ianao namana !

6. mirananirina ( 21/03/2014 08:14)
Mbola hiverina hono i Jeso, rahoviana? Misy indray any ho any hilaza fa izaho no Jeso, iza daholo no hino? 5% ny Kristianina angamba. Nefa tena izy tokoa no miverina.
Nisy niteny ary hoe nahita an i Masina Maria, efa betsaka no tsy nino sy nihomehy ary naneso io olona io(Rapatrice) moa izy izay.
Asa moa raha 1/3 ny mponina eto antany no Kristianina! (betsaka anefa no tsy mino sy tsy hita any ampiangonana intsony). Miditra cathédrale izany ianao zara raha misy olona mivavaka nefa alahady ny andro. Dia ny 2/3 izany vendrana daholo ntsssss.
Averiko foana fa na ianao na izaho na isika tsy nisy nahalala izay tena niseho fahiny fa nampianarina sy nasaina nino, ka samia mino izay nomena antsika ,saingy laviko kosa ny fanaratsiana ny finoan'ny hafa.
i Jeso anie ka SEKTA ny juive araka ny tena izy satria niala ny finoany dia namorona hafa.
7. sitlo ( 22/03/2014 20:46)
Tsy hoe manaratsy fa misy finoa ratsy. Ny finoana ratsy dia izay mampanao ratsy ny olona. Nahoana no vonoin'ny silamo extremiste ny olona tsy manaraka ny finoany? Vehivavy tsy misaron-doha fotsiny dia tifiriny.
Ohatra fotsiny io fa maro dia maro. Ny sasany izany dia asaina matory miaraka amin'i "pasitera" ny tovovavim-piangonana...
Ny tiako ahatongavana dia hoe: io zavatra io dia mila fandinihana avy amin'ny tena manokana fa tsy hoe izao no nampianarina ahy dia izay izany.
8. RBNIR ( 26/03/2014 07:47)

sitlo:

Ny tiako ahatongavana dia hoe: io zavatra io dia mila fandinihana avy amin'ny tena manokana fa tsy hoe izao no nampianarina ahy dia izay izany.

Faly miarahaba namana,
Mila finoana ilay olona mitory aloha, mila zahana toetra ilay mpitory ary araka ny voasoratra dia ny voany no hamantarana ny hazo.
Avy eo indray dia mila ny fampianaran'ny Fanahy Masina satria hoy ny teny hoe « Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra; » (Heb.8:11)

Tsy ho tonga amin'io anefa ny olona raha tsy efa nandray ilay FANAHY MASINA tokoa (mbola chapitre hafa koa izay) koa dia hoy aho hoe, mahereza e,
Aza kivy, fa mirosoa hatrany, FIAINANA MANDRAKIZAY (VIE ETERNEL) no tanjona tokana,

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
9. rhaj0 ( 03/04/2014 17:59)
Ilay hoe silamo "finoana ratsy" aloha mila ahitsy..
Mahalala namana silamo aho ary sorena foana izy rahefa io no fijerin'ny olona.

Mila avahana ny kolotora sy ny fivavahana (silamo).

Mu kolotoran'ny kristiana (sasany na taloha) koa anie ka mba loza koa e...

Izaho mihevitra fa alohan'ny hanaovana safo be mantsiny sy hitatatatana ny "prejuges", dia afaka mamaky ny Quran-drizareo koa ianao, fa mety ho ganga fa mitovitovy @ ao @ Baiboly ihany ny resaka (sasany) ao @ Quran.. Ohatra hoe ny "Baiboly sy ny vehivavy" dia misy hitovizavizany ihany @ "Quran sy ny vehivavy".
10. rhaj0 ( 09/04/2014 14:40)
Eto ianao afaka mahita olona silamo, nefa dia toa anao ihany izy (nahavita be t@ fiaraha-monina na andrandrain'ny fiaraha-monina akoriny aza) : Muhammad Ali (Cassius Clay) h@ Kareem Abdul-Jabbar (Lewis Alcindor) sy i Zidane, na koa Janet Jackson sy i Jimmy Cliff, sa indray i Malcom X, na koa Dr Oz, ...

Androany 9 Aprily izao hono ny Andron'ny volon-draozy, ho fanoherana ny fanavakavahana, na ara-pivavahana, na ara-volo-koditra na ara-sekisoaly...
11. mpankafhy ( 03/05/2014 06:14)
tsy misy anaram-piangonana mahatonga any an-danitra izany tmpk.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2355