tsy misy vehivavy sambatra

1. bazylou ( 24/05/2013 14:27)
raha misaraka hono . Marina ve izany ?
novalian'i karinah ny 17/10/2013 11:14
2. nounourse ( 24/05/2013 16:06)

Tena mba afaka averina na atao mazafa kokoa ve le fanontaniana azafady fa tena tsy azoko. Ny fahazoakoa an le tinao anontaniana ve oe " tsy misy vehivavy sambatra raha misaraka sa....?
3. bazylou ( 24/05/2013 23:05)

averina indray ary e.

Moa ve marina fa tsy sambatra ny vehivavy raha misaraka ??
4. bazooka ( 27/05/2013 13:22)
voararan'ny baiboly aloha ny misara-bady e ka izay ngamba no mety hoe tsy ahitana fahasambarana rehafa misaraka ?
ny dikan'ny hoe fahasambarana ko alo mety tsy hitovy e, ny sasany mety oe vola be harena fananana izay ny atao hoe sambatra,ny an ny hafa indray mety hoe ny fanahy mahaolona no tena fahasambarana, mety ko hoe bogosité sy forme be no tena fahasambarana, ka zay no tsy azoko tsara ?
fa amiko matoa misaraka de nahita fiainana tsara2 nohon'ny tao antokantrano izy zany k 'in moa no tokony tsy ahasambatra azy sa kosa hoe tsy fidiny aminy le hisaraka fa nahita akanga tsara soratra rangà de nipitsika de tavela rery teo raneny devery teo daholo ny intéret rehetra dia tsy nahita fahasambarana intsony ve ?
5. Nehemiah ( 27/05/2013 13:28)
Gen. 2:24 : Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.
Raha nofo 1 izy roroa dia vatana 1 izany. Raha misaraka izy 2 dia mitovy @ amputation izany, ary sarotra ho an'ny olona amputé ihany ny mahita fahasambarana.
6. vale ( 27/05/2013 17:01)
zah aloha nisaraka t@ ex-ko fa tsy nanenenako , dia miankina amin'ilay antony nisarahana no maha-sambatra na tsia ilay vehivavy avy eo
7. bazylou ( 28/05/2013 06:28)
exnao izany fa tsy vady.
Nyahy ny vady no tiko anontaniana.

8. vale ( 28/05/2013 14:29)
bazylou: MISARAKA hozy enao koa VADY AHOANA NDRAY? O.O eh ben dis donc!!!!!!!
9. vale ( 28/05/2013 14:32)
fa inn ny définiton ny EX ? f'angah ny sipa ihany no atao hoe EX?! LOL. za ndray no mba asikasikanao eo o.O za mba mamaly tsara ny fanontanina, rhf misy pbm ny saina ndana alou mi-se soigner fa tsy ny ol mamaly tsara fanontanina no -agressena, pfff!
10. moi ( 29/05/2013 05:43)
ilay misaraka dia misy solony no tantaraiko : misy havanay nisaraka dia nanambady hafa, fa hitako hoe mety tsara zao izy a !
11. mirananirina ( 29/05/2013 11:12)
Ary ny lhl ve sambatra raha misaraka?
Marina tokoa fa matoa misaraka dia ao ny zvt nampiady sy tsy nifanarahana!Ny rht anefa dia misy olana daholo ao antokatrano na iza na iza.
Raha mahita olona tia azy sy tiany kosa ve ilay vhv aorian'ny fisarahana tsy ho sambatra izy.
12. pisoonja ( 30/05/2013 09:29)
"Fa halako ny fisaoram-bady hoy Jehovah"
- Ny misaotra vady dia azo hatao ihany raha tena efa iaraha-mahita fa tsy zaka ny ataon'ny anankiray, ny hoe mijangajanga izy, io fijangajangana io mantsy dia faholotoana anatin'ny tena ara-tsoratra Masina , noho izany afaka misaraka ny olona noho ny fijangajangana ihany fa kosa tsy maintsy mijanona ho tokantena izy amin'izay fotoana izany satria raha manambady izy dia mampijangajanga olon-kafa araka ny Gen. 2:24 : Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.
Tsy misy nofo roroa indroa izany fa indray mandeha ihany noho izany
ilay misaraka dia misy solony no tantaraiko : misy havanay nisaraka dia nanambady hafa, fa hitako hoe mety tsara zao izy a !
ny mety lazainao eto mantsy samy manana ny metiny , @ eritreriny satria izay no efa natao an-dohan'ny tsirairay dia natao hoe mety fa ara-tsoratra Masina kosa miala tsiny aho ary tsy mitsara koa sanatria dia mampijangajanga olona izy.
13. vale ( 30/05/2013 13:37)
moi: ka zah koa anie nisaraka dia nisy solony, fa tsy nanenina izany
14. vale ( 30/05/2013 13:53)
Marina tokoa fa ny fijangajangàna ihany no antony eken'ny baiboly @ fisarahana, fa raha vady mamono kosa (ohatra) za tsy hanao sorona ny aiko ao an, indrindra moa ka hoe misy ankizy, ny toetra ratsy tsy zaka koa satria mila reny falifaly sy salama tsara ny ankizy , ary tsy mahasoa ny ankizy ny mihaina anatin'ny tokatrano misy ray aman-dreny mikorontana, aleo misaraka, tsy manakana ny roa tonta tsy hihaona @ zanany mintsy zany, misy tsy misaraka fa miray trano ao ihany hoe ho an'ny ankizy koa dia avy eo samy manao sipa, dia raha fantatry ny ankizy vao mainka hanimba ny sainy, raha tokantrano hanimba ny ankizy aleo misaraka
15. pisoonja ( 30/05/2013 14:02)
marina ihany koa ny voalazanao fa ny mamono vady , tsy azo iaretana satria lasa manompo sampy ihany koa ianao raha miaritra an'izany
16. pisoonja ( 30/05/2013 14:06)
fa ny Soratra Marina manamafy fa rehefa misaraka dia mijanona tokantena fa mampijangajanga olona sady mijangajanga
17. vale ( 30/05/2013 14:24)
hay!
18. vale ( 31/05/2013 12:09)
fa na izany aza tsy hitako ny hidiran'ny hoe mampijangajanga olona sy mijangajanga raha vhv nisaraka no miaraka aman'oul , za aloha tsy mahita logique amin'ilay izy fa dia tohizako ny fiainako, misaotra nanazàva na izany aza pissonja!
19. pisoonja ( 31/05/2013 12:23)
Val , " ny fihevitro tsy fihevitrareo " hoy ny Soratra Masina , mety interpretation diso no nolazaiko, nefa mety ho marina ihany koa , raha ianao kosa mahatsapa fa milamina ny conscience nao , zay no tsara indrindra
manaova ny mety fotsiny dia izay sa ahoana ?
Betsaka tokoa anie ny manitsaka tokantrano , mampirafy tsy @ fijangajangana ihany fa mety @ fisotroan-toaka sy filokana, tsy iadian-kevitra fa tsara lava ny miandry anao noho ireo sa ahoana
20. moi ( 31/05/2013 12:48)
ilay tranga nahomby no tantaraiko mba tsy hitsara haingana isika : samy efa nanambady amanjanaka izy ireo, dia samy nisaraka tamin'ny vadiny voalohany. Ilay havanay aloha no fantatro fa natao mariazy tany am-piangonana e, tsy hiantoka ilay iray za ! Dia niorina ary ity tokantrano faharoa ; ny tena nahavaka ahy, lasa nivavaka ry zareo taty aoriana kely. Tamin'izay dia mba nieritreritra za hoe raha tena izay marina, tsy tokony hiverina amin'ny vadiny voalohany avy ve ? fijeriko zany a, ary tsy fantatro ny faisabilité an'izay satria sao efa samy nanambady koa ireo nisarahana !! fa ny ankehitriny kosa dia hitompoiko teny fa mpanompon'Andriamanitra tsara izy ireo, ny zanany tafita, efa misy zafikely aza ry zareo fa tsy nifampiteraka kosa aloha izy roa e.
Tsy mba mampirisika fisarahana za, fa mba nahita ny nahomby kosa ka tsy handainga, ary mahita tranga hafa tsy nahomby koa !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2074