Inona no fikarohana.....

1. endriny ( 22/05/2013 13:29)
Inona no fikarohna mety atao any Madagasikara amin'izao fotoana izao?
novalian'i endriny ny 25/07/2013 05:01
2. pisoonja ( 23/05/2013 11:56)
Betsaka ny azo atao aty , indrindra ny harena an-kibon'ny tany izay ataon'ny vahiny fahirano io ,
mila ny manam-pahaizana malagasy hiatrika an'izany o!!!!!
3. Nehemiah ( 23/05/2013 12:34)
Ny faniriako dia ny fanangonana antontan-kevitra ara-bolantany maromaro momba ny tsingin'i Bemaraha !!!
4. endriny ( 23/05/2013 13:24)
Misaotra ny mpamaly
Saingy ity moa izany hatsikana sy kilalao ka izao no valiny:
Fikarohana an-dRemenabila
5. pisoonja ( 23/05/2013 13:37)
fa nanao ahoana marina tokoa moa no niafaran'i Remenabila e , tsy re tsy hita tsy fantatra ntsony ny suiteny
6. endriny ( 23/05/2013 14:21)
Ahahahaha

Izay no ilana ikarohana azy, fa mbola tsy hita izy.

Ny nampihomehy, rehefa naseho tamin'ny olona teny Tranomaro ilay sary dia gaga ny ondaty fa fanevatevahana ny maty io, satria olona efa maty efa taona ela io sary naseho ny vahoaka io.

Asa fa nety tetika androahana ny tandroy hiala any amin'ny faritra io mba ahafahan'ny mpitrandraka iranioma miverina, ka tsy mila mandoa tamby ho an'ny Tandroy vokatry ny famindrana fonenana azy amin'izay.

Asa aloha a

Fa lafo tokoa mantsy ny mamindra toerana mponina zanatany amin'ireny toerana anaovana fotrandrahana ireny, fa ny basy sy ny bala mora dia mora, izany hoe filma efa nandeha taloha io fony isika zanatany ka nitrandraka uranium tany ny frantsay.

Saingy asa aloha fa mbe heritreritra ny anay
7. pisoonja ( 24/05/2013 11:28)
Mampalahelo zany tsika voapetrapetraka tsara mihitsy , zvtr hafa no tian-dry zalahy atao dia namorona remenabila zany izy raha azoko tsara
8. endriny ( 28/05/2013 15:05)

pisoonja:

Mampalahelo zany tsika voapetrapetraka tsara mihitsy , zvtr hafa no tian-dry zalahy atao dia namorona remenabila zany izy raha azoko tsara


Ntso, izay ve ianao vao nahita fa voa petrapetraka sy tsara petrapetraka isika, dia jereo ity anaovana antsika, fa isika mipetraka foana, miankohoka mihintsy mantsy e
9. pisoonja ( 03/06/2013 11:30)
inona ary no azontsika atao e, ny olana anie ka raha mihetsika eo ianao dia miandrana aminao ny vava basy , mba tsy hitenenana hoe any antanimora vao mipetraka
10. vony501 ( 14/06/2013 06:35)

pisoonja:

inona ary no azontsika atao e, ny olana anie ka raha mihetsika eo ianao dia miandrana aminao ny vava basy , mba tsy hitenenana hoe any antanimora vao mipetraka

Fikarohana hafa azo atao koa izay : mikaroka izay "azontsika atao" lol
11. sitlo ( 20/06/2013 15:43)
diso matotra be koa ilay izy, ny ahy izao ny fikarohana tiako ho hita dia hoe ahoana no amadihana ny tavoahangina labiera ho cornet. Dia amin'izay lasa sady tsaky
12. endriny ( 25/07/2013 05:01)

sitlo:

diso matotra be koa ilay izy, ny ahy izao ny fikarohana tiako ho hita dia hoe ahoana no amadihana ny tavoahangina labiera ho cornet. Dia amin'izay lasa sady tsaky


Ary mety azo atao hoe, atao amin'ny tsinain-kena na tatavian'omby ny tavoahangy fa tsy amin'ny fasika, dia rehefa lany ny labiera dia azo atono ny tavoahangy na anaovana baolina, na atao solona fimailo... Ahahahahahhaha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4344